ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : VONONA HITONDRA AVO NY FANEVA

IMG_0716

IMG_0716Notokanana androany Talata 26 Novambra 2013 tetsy Isotry ny « Quartie Génerale »n’ny kandida solombavambahoaka boriborintany I . Ny Me Hanitra Razafimanantsoa izay mitarika ny lisitra ho an’ny solombavambahoka laharana faha 6 natolotry ny movansy Ravalomanana no nitarika ny lanonana teny an-toerana, notronin’ireo ekipany rehetra eny amin’ny boriborintany I. Nisy ny fanapahana « ruban » ho mariky ny fandraisana izany QG izany. Fanompoam-pivavahana fohy no nentina nanokafana ny lanonam-pitokanana. Rehefa vita izany dia niroso tamin’ny lahateny samihafa. Nambaran’ny Me Hanitra fa vonona hitondra avo ny fanevan’ny boriborintany I ny tenany.Ity QG ity hoy izy dia natao hahafantarana ny voka-pifidianana rehetra ao amin’ny  boriborintany I mialoha ny handefasana azy any amin’ny QGn’ny dokotera Robinson. Eto ihany koa no manavanana ny olona sady centre ao anatin’ny faritra iny, ary entina hanehoana fa ao manakaiky hatrany ny vahoaka.Sady natao ho QG ny kandida solombavambahoaka izy ity no QG ny dokotera Robinson ihany koa eny amin’ny boriborintany I. Ity trano ity moa dia tranon’i dokotera Robinson ka izao natolony ho trano fiasana ho an’ny kandida avy amin’ny movansy Ravalomanana izao. Misy faritra roa hoy izy ny boriborintany I ka ny faritra iva sy ny faritra avo. Eny amin’ny faritra iva no tena be mponina indrindra amin’izany izay miaina ao anaty loto tanteraka.Tsy misy mijery anefa izy ireny raha tsy tonga ny fotoana tahaka izao ary rehefa vita ny fifidianana dia hialan’ny sasany ka ao anaty loto, tao anatin’ny boriborintany I ny fahazazany ary mbola mipetraka eny izy amin’izao fotoana izao ka ireo no antony  nahatonga azy hirotsaka ho solombavambahoaka amin’ny anaran’ny movansy Ravalomanana.    Anisan’ny mampiavaka ny boriborintany I ihany koa dia  izy ivon’Antananarivo ka eto no miseho rehefa misy zavatra toy ny fihetsiketsehana politika ary vita izay dia adino izy, ahitana tsena maro toy ny tsenan’I Mahamasina, Isotry, misy ny patrimoine  toy ny tranom-pokonolona Isotry sy Analakely, misy ny lisea efatra lehibe ihany koa. Noho izany dia ahitana sehatra maro samihafa ny faritra, kanefa ny mifanohitra amin’izay no ataon’ny mpitondra fa misy ny mamela fotsiny ny boriborintany I amin’ny fiovana ratsy. Raha nitety ny faritra izahay hoy ny Me Hanitra dia hita fa betsaka ny simba ny fotodrafitrasa. Ho entinay eny amin’ny parlemantera izany rehetra izany hoy izy  ho avadika ho lalàna ary misy kosa atolotra ny rafitra mpanatanteraka. Tamin’io fotoana io ihany koa no nampafahantarana ampahibemaso ireo kandida olombavambahoaka miaraka amin’ny Me Hanitra, ary ireo sefo de zone mahatratra 10 ao anatin’ny boriborintany I ho an’ny kandida natolotry ny movansy Ravalomanana.

36 pensées sur “ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : VONONA HITONDRA AVO NY FANEVA”

  1. Movansa Ravalomanana sa Zanak’i Dada, sa ny AVANA ?
    Ny an’i Rafelixa angaha tsy mba faritra iva ? Nahoana no tsy mba hita miaraka aminareo ?
    Ary mba aiza daholo ny kandidà rehetra no tsy hita ao anatin’ireo sary ?

  2. Tsy mba nomemena foana ny anaranao ry Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA fa tena MANEVA ANAO TOKOA satria MITONDRA AVO NY FANEVAN’NY ZANAK’i DADA ! BRAVO !
    SOA IHANY FA EO IANAO !!! 😉

  3. Mankasitraka ny fandraisanao anjara ho solombavabahoaka ,koa mahereza !
    Ilain’ny antenimiera -mpanam-bohitra lalàna ny Vehivavy vory ,kinga saina ary manana ny fahaizanao manokana ny lalàna !
    Misaotra Anao ,Tompokovavy !

  4. Aoka ho fantatry Denise fa izahay izao zanak ampielezana avy any @ Distrika Ambanivohitra manohana ny Dr Robinson ary vo avy nande tany amim-paharesen-dahatra omaly nanampy amin’ny fametrahana ny delegués BV ary nametraka ny paik ady hitondrana ny propagande Jean Louis sy ny député mouvance Ravalomanana any an-toerana.
    Mamporosika antsika rehetra zanak i dada mba hanampy ny any amin ny tany niaviana.

    Tena gasy ty maintsy mandresy.

  5. Tena mahagàga ity nataon’i JL Rakotoamboa ( parti TEZA ) ity an ! Izao vao niseho tao @ MaTV ?

    *** Niaiky fa tsy hita t@ ny fihodinana voalohany ! satria vê nihevitra hoe tay io fa tsy atody !

    *** Izao vao fantany fa ho ATODY ilay izy dia iny fa tonga misolan-tsolana toy ny vinanto tsy nahareha fosa ?

    Ny mouvansa Ravalomanana anefa tsy tonga namana toy ny ranon’Ikopa ka tonga namana vao ho mavomavo. Saingy aoka ho hanatra ho anao ireny ry JL Rakotoamboa fa tsy hanao toan’i Raharinaivo sy ny tariny izay mivaralila ankehitriny

  6. Hanao fampielezan-kevitra hifidy anao araka izay azo atao izahay ry Me Hanitra â !
    Zara azy misy VEHIVAVY manampahaizana momban’ny lalàna toa anao sahy mirotsaka !

    *** Ny député rahateo moa mandany ny momban’ny lalàna hampiharina eto Madagasikara ka sahaza anao io toerana io.

    >>> Roso ny dià ho an’ny mouvansa Ravalomanana ka tsy mihemotra intsony ê !

    TSY MAINTSY MANDRESY ny tanjona.

  7. Misaotra anareo nanome fankasitrahana an’i Me HANITRA !
    MANKALAZA E !
    Mbola hazava sy hiariary toy izao koa ny herim-pon’Atoa Mamy RAKOTOARIVELO !
    Tsy misy taitra o ! 🙂

  8. Bon courage ianao Mme le député,tsy ho mpisolovava fotsiny(avocat) fa ho tena solom-bavam-bahoaka(député),fanamby tsara izany fa mazotoa

  9. Vehivavy mendrika izy fa ny manodidina azy no fôpla mandoto rano mba
    handotoana azy ka amiko tokony izy tsy hiaraka @’ilay Mangidy intsony raha tė ho tsara laza @
    vahoaka , mahavita izy ary NAHAVITA be t@ dada mbola teto aza fa ny mampanahy ahy dia ireto RAJAKOM-
    POZA MIARAKA AMINY INDRAINDRAY soa fa tsy MATETIKA izay mitady hanao fitaovana azy.
    Na tsy hanao izao aza izy amiko dia tsy maintsy ho lany , fa maika moa fa arahan’ asa toy izao , inona no ho
    tadiavina indray? enga anie ka HITOHY FOTSINY.

  10. Tsssssssssssss !!!

    Aiza re izy izany ê ? Avelao samy ho jamban’ny vola ao daholo ê ! Avelao hanjaka ny jiolahy rehefa tsy misy mety hanokatra ny masony !

    Anontanio amin-dry zareo ao amin’ny Magro nitolona nandritry ny DIMY TAONA (vahoaka sy TENA mpanentana) ny hevitry ry zareo !

    Anontanio koa hoe iza no tompon’andraikitra tamin’ny fanendrena sy fanekena an’izay tokony hilatsaka ho solombavam-bahoaka, aryu maninona no tsy misy kandidà any amin’ny faritra maro !
    M A H O N E N A hoy ilay olona iray izay !

  11. Misy adino kely : Tanindrazana hiombonana izy io fa tsy kilalao, ka hoe hifandimbiasana ny filalaovan’azy !

  12. manontany aho:
    i Manoela toa tsy nankany toleara nirotsaka?
    i zafilahy tsy nanao candidat any fenérive??

    angamba kosa efa misy avy @ ankolafy dada8 hatokisana any,
    fa ireo ambony manentana ny ao @ magro!

    tsy azko rey olon an…

  13. Tsy navelan’ny sasany !!
    Tsy maintsy olona mahay LALÀNA DAHOLO HONO VAO MAHAZO MIROTSAKA, FA TSY ATAOTAO FAHATANY IO LALÀNA IO !

  14. Taiza indray no nisy izany??angamba kosa hoe:  » izay tsy mahay misolelaka tsy mahazo toerana e! »
    Dė ahoana ireto CT sy CST diplôma CEPE ??izay no ataoko hoe izay mahay MISOLELAKA ihany no izy??
    Isika dia mbola ho ela e!!
    Dė gaga elah????

  15. ranavalona: ny lazaina @ oe « sasany » dia
    io voatanisan’ny sasany ery ambony io

    tsy rariny an
    (mitombina hatrany ny resakao ry km an!
    de ohatran’izany koa ny toetran’ilay raikalahy fetsison!!)

    amin’ny fo tsy miangatra: tttssssssyyyyyyyy TSY mety an

  16. Fanontaniana : Iza no délégués antenaina, any amin’ny toerana tsy misy KANDIDÀ ?
    Sa dia manantena ny an’ny hafa hiasa ho an’i Dr Robinson?
    Angaha rehefa vitsy ni hisan’ny olona any amin’ilay faritra dia tsy dia tokony hamakiana loha ny mponina ao amin’ilay toerana ? Sa dia fantatra hoe foza daholo, ka tsy tokony hamakiana loha ?

    Ny an’i zaorzety aza, misy azy daholo ny faritra rehetra ! Mba jereo kely anie ny site-n’ny CENIT ê !

    Misy zavatra « tsy azoko » rey olona â !

  17. aiza ilay tany lavitr’andriana
    tsy misy délégué é?

    izaho/izahay vonon-kande amin’ny anaran’ny mouvance
    mbô tena sérieux an!!

    rehefa avy eo indray isika
    vao hifanome tsiny

  18. Latsaka koa za @ ‘ilay FETSISON hihihi voalazanao tsara ry sė!
    Fa naninona indray i FETSISON???efa tsy aty mintsika intsony izy fa
    avelao ho any e!!fa ilay MPISANDOKA ihany no tena tsy mety amiko, matoa izy niala dia
    MISY NY ANTONY, koa avelao izay hataony any rehefa tsy manohina ny VATONTSIKA.
    Ny maharatsy be ilay fanaraha-maso be loatra any @ sisiny anie dia avy eo hifoteran’
    ny foza ireo olona any ambanivolo any rehefa miala eo ianareo mpanara-maso e!

  19. Ireny toerana be be vato teo ireny no tena hilana an’i sė ry HOaiza a!
    any mantsy izao no ho vidian’ny FOZA LAFO.
    Dia tsy tokony hiantehitra izay olona efa manao eo fa mila mailo foana manaraka akaiky
    ny TSIRAIRAY fa sao dė……..farany io an! tsy hisy fan-3 intsony.

  20. ô ranavalona an: tsy misy haiko ny politika, fa kay politika daholo ity zava-drehetra

    Miresaka zaorizety i km ery ambony: alefa any amin’i madama Rabeharisoa ny andraikitra @ fametrahana délegué any ambanivolo any! Na dia vitsy ny mponina ao @ ilay tanàna: mety hahazo vahana ny hosoka (pv à blanc, eo ny vato fantôme soratana) dia ho lasa erikerika mahatondra-drano

    Vonona hakany @ faritra atsimo aho raha tany ity ka …
    Fa ahoana moa no fomba hahafantarana ny fandehan’ny fametrahana olona eny @ bureaux de vote isany, isika eto mantsy dia mitovitovy = miserasera eto @ INTERNET no atao sy tohizana mandrapaha! Ary tsy tia mifanditra aho, fa indrindra raha MISY MISEHO HO MILAY & manao clan-clan

    Ilay discipline tsy mbola matotra – io no tena anisany nanohanako ary nampisongadina an’i dada8 t@ androny
    Dia ireo olona: Denise, forumisteIarivo, … sy ny sisa maro ao @ Tribune de Mcar
    no santionan’ny gasy ANTI anti-développement

  21. Mahagaga ,

    marina ve ny hoe: tsdy maintsy MAHAY LALANA DAHOLO vao mahazo mirotsaka ???

    Curieuse conception de la démocratie…..je rêve !

    Il me semble que la PLURALITE des représentants d’une assemblée , EMANATION DU PEUPLE ,devrait s’imposer .

    Certes une assemblée a vocation à légiférer , la connaissance du droit (a minima) est importante , mais n’est pas incontournable.

    Les partis politiques ont théoriquement leurs assistants juridiques .

    Un parti sans conseillers juridiques( DE DROIT PUBLIC SURTOUT) tombe dans l’amateurisme naïf.
    S’il arrive au pouvoir : les dégats feront rage.

    Un élu doit surtout avoir un charisme , des CONVICTIONS mais pas seulement ,un bagage intellectuel correct et une AISANCE D’ORATEUR PUBLIC.

    Sans aller jusqu’à dire qu’il suffit de savoir faire des « KABARY » …à ce moment là il suffirait d’inviter un mpihira gasy…ou un « mpitsoka sodina »

    Etre juriste ne suffit pas pour proposer des idées juridiques…ni des orientations politiques (surtout) …
    De surcroit il y a aussi des juristes complètement BORNES :

    attention ne transformons pas l’assemblée en assemblée de notables de type girondin…

    ……..il n’y aurait plus qu’à installer le vote censitaire en poussant la logique SELECTIONNISTE…
    ou encore réserver la fonction de président à une personne ayant fait science politique………

    La fonction de député n’est pas un métier ,
    c’est avant tout assurer REPRESENTATION DU PEUPLE qui le désigne !

  22. Faut pas chercher loin ! Cherchez l’erreur ou sa source !

    HoAiza ! Misaotra ê ! Alaivo sary ny PV na vokam-pifidianana ao amin’ny BV !
    Etant donné l’enjeu, tous les candidats ont intérêt à surveiller le déroulement des élections, au risque de se faire voler des voix !!
    S’agissant du 2ème tour, les carottes sont cuites pour le fery vao, d’ailleurs « son parti » n’a aucun candidat, et pour causes…
    L’avenir du pays dépendra des législatives, or apparemment, la préparation de ces dernières était le dernier souci de ceux qui se sont portés candidats !

    « Ny fanaovan-dalàna hono ry GBD, tsy ataotao fotsiny ; noho izany dia mila olona « nickel- chrome sy tena katraka » !!

  23. Makasitraka fa mihahihahy….

    Légiférer nécessite bien sûr des hommes ou des femmes COMPETENTES(études supérieures indéterminées : OK ) …
    c’est l’expression « mahay lalàna » ne signifie t elle pas : juristes ?
    C’est très réducteur et ambigu , presque démagogique….

    D’oû mon étonnement…le cursus des grandes écoles comprennent souvent toutes des notions juridiques ,un économiste , un comptable , science po , Hec …ont des notions de droit.
    Mais toute l’élite intellectuelle n’est pas forcément passé par une grande école, ou fait bac + 8…

    Que dire des médecins , des ingénieurs , des self mad men de qualité(ex Ravalomanana) ???? le citoyens de qualité qui ont tenus le pavé depuis ces 5 ans , sur place contre les putschistes ???
    ils peuvent avoir un niveau supérieur apte à représenter le peuple et orienter la législation pour le peuple…
    CAPABLES DE DISCUTER L’OBJET d’une loi…. sans être juristes…

    Les textes de l’assemblée font objet d’ordre du jour non fantaisiste , puis de controle par des instances juridiques supérieures…on ne présente pas une loi n’importe comment.

    Sans compter que toutes les lois inscrites à l’ORDRE DU JOUR sont plutôt issues de PROJETS DE LOI (élaborés , donc PREPARES par le GOUVERNEMENT ) ,que de PROPOSITIONS DE LOI élaborés par les députés !

    Je crois qu’on est un peu traumatisé par le DJ bac moins 4….

    Je me rappelle que Ratsiraka avait lancé ce credo un moment : on a vu le résultat des soi disants katraka……

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *