MIROSO AMIN‘NY FAMPODIANA AN’I DADA SY NY FAMPANDANIANA AN ‘I ROBINSON ISIKA

IMG_0682

IMG_0686Nitohy tetsy amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny mpomba ny movansy Ravalomanana. Nisy hatrany ny lahateny nifandimbiasana nataon’ireo mpitarika tonga teny an-toerana. Ramatoa Vololona izay nisolo tena ny boriborintany II dia nanambara fa tsy tena iny vokatra iny no nandrandraintsika fa amin’ity fihodinanana faharoa ity dia porofointsika fa ny dokotera Robinson no antsika. Tsy maintsy miditra amin’ny fifidianana isika hoy izy na dia nodarohana lakrimozena aza, noho izany dia atambatsika ny hery hampandaniana an’I dokotera.Ny solontenan’ny very asa kosa dia nilaza fa mitohy foana ny asa, ary isaorana isika fa efa mandraikitra amin’izao fotoana izao isaky ny boriborintany.Ny hafatr’I dada ihany hoy izy no tanterahantsika any amin’ny fokontany , ny disitrika, faritra any. Lainga sy famitahana vahoaka no hita tamin’iny fifidianana iny nataon’ny mpanongam-panjakana. Ny Ct Horace dia nanambara fa miara mahita isika amin’ireny radio, tele, gazety ireny ny fanaratsiana. Tsy mahagaga izany hoy izy fa ny antony dia efa kely sisa dia ho vita ny tolona famerenana ny filoha Ravalomanana. Ny fifidianana ihany hoy izy no hamerenantsika azy eto. Mahafaly ny hetsiky ny vahoaka fa efa nitsangana ny komity mpanohana an’I Robinson eny amin’ny boriborintany VI. Tsy valiantsika hoy Horace ireny fanaratsiana ireny fa Jehovah no hamaly azy. Ny antsika dia miroso amin’ny fampodiana an’I dada sy ny fampandaniana an’I Robinson. Ho very izay manda ny fahamarinana hoy izy fa isika dia niaraka tamin’ny filoha Ravalomanana nanaja ny fahamarinana. Ny Ct Zafilahy dia nilaza fa tsy Raharinaivo no filoha mpanorina ny TIM fa ny filoha Ravalomanana ary ao anatin’ny fitsipiky ny antoko dia milaza izany. Namoahan’ny minisiteran’ny atitany didy ny roa tonta hoy izy fa tsy misy afaka mampiasa io anarana io. Nanaja tena isika tsy nampiasa izany fa ny antoko zanak’I dada no natao na dia efa fantatra aza fa miparitaka manerana ny Nosy ny TIM. Tetika maloto io ataon-dry zareo io. Noho izany dia ndao anafay ny mpanao politika mpivadimbadika lava isika. Fomba entina hamitahana vahoaka io fa ny vahoaka Malagasy dia voafitaka amin’izany. Momba ny dokotera Robinson lazaina fa mamo dia nambarany fa lasa saina ianao mandinika ilay izy. Toetran’olona sasany mirefarefa amin’ny tany hoy izy izany. Ny fanalarambaraka tsy mitombina an’I Robinson no heverin’izy ireo fa tsy hitiavan’ny olona vahoaka azy. Mpanao gazety maromaro no tao hoy izy fa maninona no tsy nilaza ny gazety rehetra fa gazety iray izay tsy tia an’I Robinson no nanao io, midika izany fa fanalarabaraka olona tsy mitombina no natao. Efa fomban’ny dokotera Robinson hatramin’izay ny manao vazivazy tahaka io fa tsy hamamoana. Ny vahoaka an’Antananarivo hoy izy dia nilaza fa arakaraky ny hanaratsiana azy no itiavanay azy.

22 pensées sur “MIROSO AMIN‘NY FAMPODIANA AN’I DADA SY NY FAMPANDANIANA AN ‘I ROBINSON ISIKA”

  1. Efa lafo ambongadiny ny TIM e!!!manaiky matoa sy miteny.
    Mankaleo fa izany hoe: tsy maintsy manana faharetana rehefa miaraka @ TOMPO,
    ankinina aminy ny zavatra rehetra TSY RARINY fa izy no MAHAY NY HANAOVANA AZY.

  2. Lazain’i foza fa  » dadabe Noely mamo lava  » indray anie Dokotera e!!!
    Efa tena tssss tsipaky ny MIALA AINA!!!MAHONENA!!!Ohatry ny hoe:
    niara nirevy t@ foza tany izy???

  3. Na mamo na tsia dia lanjalanjao @ izay ny fihetsika sy ny teny tenenina fa efa futur president???? anie .Aza malaky mibitaka fa mbola tsy eo..Ary manaraka izany mahaiza manamboatra ny sain’ny olona @ ireny fanapahankevitry ny TIM ireny.Tandremo fa betsaka no tsy mabola mahay izany antoko zanaky dada izany manerana ny nosy.Mila ezaka be iny fiantsiana ataondry randianantoandro iny fa mahaiza rsara é.Mbola sarotra ny dianareo.

  4. Zavatra voalazan’ny La Gazette ve dia tonga dia gôbenareo fotsiny tahak’izany ê ?
    Miverina indray ny fomba fanaon’ny foza !

    Ry denizy izay lazain’ny sasany tsy mifafa sy tsy misasa, no mbola mandoto rivotra ato !
    Misy antony !

  5. tiens tiens
    – Andry! Drouot!!!! hono no anaran’ilay journaliste
    – atao hoe pro nefa tsy mahay mijery akory, hoe: toa an’io ny « scoop » ny pôzin’ny maharary maso nitondra lunettes aman-taonany maro rehefa esorina ilay izy

    – ny an-dry Andry-Nirina-Rajoelina no toa mivonto tsy ny maso ihany fa mivindina ny tarehy no fahita azy isaky ny andro fety miseho télé ireny
    – ry Jeannot Ramamba moa efa tsy misy jerena mikorontana be ny tarehy, nefa dia toa anaty toaka anga no mampisy ny feeling de manoratra … atsanga tsy aman’orana

  6. io anie no efa noteneniko foana hatraminizay e! Isika mouvance ra8 dia mandefitra lava ka indraindray hitsahan’ny foza! Mandefitra foana ary mandefitra loatra! Efa hita fa be ny halabato, tsy miteny ihany JLR sy ra8! Manao antsojay ny Ci hoe tokony arahana ny lalàna araka ny feuille de route dia tsy navela nilatsaka i Neny! nefa ny article sasany toy ny art 20 mampody an’i dada tsy tanterahana. KOA MANINONA RAHA AVOAKA HOE IZAHAY TSY ANDEHA FIFIDIANANA RAHA TSY MODY ETO DADA hanoana ny candidat-ny? Candidat iray ve no andeha ho fidian’ny olona @ 2e tour? Noho izany tokony hiteny mivantana JLR hoe raha tsy miverina ra8 tsy hilatsaka aho!!!

  7. Malahelo aho milaza aminao ra-namana Crabicide fa MISY TSIKOMBA2 RATSY ao
    ary misy tokoaTOMBONTSOA MANOKANA MIARAKA @ FOZA, ka tsy misy atao mahagaga,
    MIOMPY VOALAVO AN-TRAO DADA SY NENY no tena MARINA.
    MISY ZANA-BARATRA AO, ny TIM dia zavatra FANAINIANA VAROTANA hanafaizana an’i Dada sy Neny io
    SATRIA NAHOANA? tsy araka ny nilan’ireto mpisolelaka ao @ Ankolafy ny FANAPAHA-KEVITR’i dada sy neny,
    Efa tsy FANDEFARENA INTSONY ILAY IZY FA TETIKA RATSY HAMELEZANA an’i dada sy neny fa MBOLA MIJORO
    IHANY IZY IREO MANTSY ( hisaorana ny avo ) na dia eo aza ny TETI-DRATSY REHETRA HAMELEZANA AZY.
    NY MPITARIKA NY ANKOLAFY RA8manana MIHINTSY NO MIVARO-TENA ary MIVAROTRA TANINDRAZANA ary
    ary manao z’ inona ny vahoaka MALAGASY IRAY MANONTOLO.

  8. Izay vao tena loza ray olona fa tsy mbola nahita ohatra ity aho,
    tsy mahalala izay nanao iny fanambarana momba ny Tim iny hono I vakitampona
    dit Raharinaivo ???sanatria ve ka adala Tompo ilay TIM ka mampiasa azy hitadiavam-bola daholo
    izao bodo sy adala rehetra izao???
    Ny tena mampalahelo eto dia atao FITADIAVAM-BOLA raha vao zavatra mikasika an’i DADA, hita mantsy
    fa nisy ny fizarana vola vao VITA ILAY FANAMBARANA nataondry zareo izay nanao izany.
    ATAOKO FA HISY MBA HIETSIKA KOSA NY @ ITY INDRAY MITORAKA ITY FA TENA TSY RARINY KOSA E!

  9. matoky tena be loatra isika Zanak’i Dada nefa hafa be ny réalité sur terrain.
    Vao miteny i Dada hoe :  » Araho ny toromarika avy amiko fa hendresy isika « , dia miraviravy tanana daholo.
    Tsy haiko izay manolo-tsaina an’i Dada any fa tena diso kajikajy i Dada. Mihevitra i Dada fa rahefa feno olona ny bureaux de vote dia handresy izy. Mihevitra izy fa mbola tia azy daholo ny faritra rehetra. tsy hainy fa mandaitra ny fanaratsian’ny Foza.
    Izaho eto Fianarantsoa dia tsy mahita fiovana amin’ny hetsika avy amin’ny foibe Zanak’i Dada. Izahay no mikofokofoka manambitamby délégués sy maires etsy sy eroa.
    Tsy ampy ny mifehy ny bureaux de vote fa tsy maintsy mitady olona hifidya anao koa. Noho izany dia tsy maintsy manana olona infleunts sur terrain.

  10. Tsy ho azo ekena mihitsy izany candidat mamo imasom-bahoaka izany! Ohatra ratsy ho an’ny fiaraha-monina, indrindra fa ho an’ny tanora sy ny ankizy!

  11. Je vous remercie de cette tt information et vous demande ,si possible la durée du séjour.Mes saltatns respectueuses..
    Dr Robin

  12. Denise a! na ahoana na ahoana rehefa resy eto afovoantany fotsiny dia mampamangy e!. Ny any @ faritra mbola ho manginy fotsiny. Inona no mbola hiarovanao io fitondrana foza efa tsy tian’ny olona io afa tsy hianao irery? Tsy adala akory ny malagasy maro an’isa nifidy an’i Dokotera , sa hianao irery no hendry sy misaina fa ny olona rehetra adala daholo? Tsy nampoizinao iny résultat 1er tour iny fa gaga be hianao nanomboka ny alin’ny élection 1er tour!!! mba menatra @ zay nareo foza. Aza manao foza intsony fa oaina be e!

  13. Coucou DCR

    mes excuses : je prenais DCR pour LCR …

    Mais pas grave : l’essentiel est de partager les mêmes convictions !!!!!!!

    J’avais disparu un moment , suivant beaucoup TNN…je n’ai jamais pu y passer un message.

    De plus la suffisance du « ADMIN » dans sa médiocrité a fini par m’en éloigner définitivement

    Débats polémiques médiocres +++

  14. Marc Ravalomanana : tu parles… Gaspard !

    Ayant tout régenté durant le premier tour de la présidentielle -il a, avec lui, le nerf de la guerre-, il vient d’imposer Eugène Mangalaza comme directeur de campagne de Jean Louis Robinson pour le second tour, sans même demander l’avis de ce dernier sûrement en proie à une guerre de… nerfs

    A l’approche de la fin de cette période de transition, plus rien ne fera changer Marc Ravalomanana. D’où le titre de cet article qui reprend le texte écrit par M. Gaspard, paru dans « La Gazette de la Grande ile » de ce 28 juillet 2013. Mais l’Histoire retiendra toutes les manœuvres de l’homme d’Imerikasinina et ce ne sont pas les faits de fanatiques qui la changeront. Le temps n’effaçant jamais les crimes commis, il faudra qu’un jour ou l’autre, Marc Ravalomanana paie tous ceux qu’il a commis envers son pays et son peuple. Pour le moment, il semble avoir la santé, la richesse et la… voix. Mais jusqu’à quand ? Car, tout a une fin ici-bas et il n’a aucune intention de retirer son épingle du jeu, ni savoir le faire à temps. « Ny vy aza mety arafesina ihany ny farany » (le métal le plus dur peut se rouiller à la longue).

    *******************

    Observer le devoir de réserve

    Lorsque Didier Ratsiraka était en exil forcé en France, celle-ci lui a imposé un strict et inconditionnel devoir de réserve sous peine d’expulsion immédiate de l’Hexagone.

    A Neuilly, il devait se contenter de lire et écouter les informations sur la Grande Ile fournies par ses courtisans et de jouer au PMU. Pourquoi Marc Ravalomanana n’est-il pas astreint au même régime restrictif en Afrique du Sud? Non seulement la patrie de Nelson Mandela a abrité un ancien Chef de l’Etat condamné par la justice de son pays mais elle l’a laissé financer et organiser des campagnes terroristes. Cette attitude complice de l’Afrique du Sud, fortement répréhensible, justifierait un incident diplomatique. Durant la propagande du premier tour de l’élection présidentielle, on a presque entendu davantage la voix du laitier que celle du médecin-candidat, en l’occurrence Jean Louis Robinson. Si lors de la prochaine propagande, Marc Ravalomanana manifeste bruyamment son soutien à Jean Louis Robinson, il n’y a aucune raison qu’Andry Rajoelina ne fasse pas de même avec Hery Rajaonarimampianina. A écouter Marc Ravalomanana, on pourrait croire qu’il a été touché par la grâce et qu’il s’est résolu à reconquérir le pouvoir par la voie de la démocratie et de la sagesse. Pourtant, il reste un criminel condamné qui n’envisage pas de se repentir. Son style agressif et son ton péremptoire prouvent qu’il se livrera à nouveau à ses activités de déstabilisation si son favori ne sort pas vainqueur du second tour. Dans cette hypothèse, l’Afrique du Sud devra contraindre Marc Ravalomanana à observer une obligation de réserve s’il souhaite demeurer là-bas. A défaut, elle sera considérée comme un Etat servant de base arrière à un terroriste.

  15. Alzheimer sa tromba no manjo an’i denizy/ramambazafy ???

    De Neuilly sur Seine ,Ratsiraka poussait au crime sur radio VIVA contre Ravzalomanana

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *