MISORATA ANARANA ENY AMIN’NY FOKONTANY ISIKA TSY AFAKA NIFIDY TEO

CIMG1219

CIMG1219Nanao fanitsiana tamin’ny haino amanjery ny tenako hoy ny Ct Brenda teny amin’ny Magro Behoririka androany raha niresaka ny raharaha nisamborana ny Ct Hilarion izy.Mbola nilaza ny zandary fa nandrahona ny filohan’ny Ces ny Ct Hilarion, tsy marina izany hoy izy fa mazava ny fanambaran’ny Ces fa tsy mahafantatra an’i Hilarion ry zareo, ity farany ihany koa tsy mahalala azy. Izahay notaizaina tamin’ny finoana ka tsy hanao fandrahonana izany mihitsy. Nahemotra amin’ny Zoma amin’ny 1ora izao ny fitsarana azy, raha tokony natao androany izany. Nambarany ihany koa fa efa manangasanga sahady ny asantsika ary tsy maintsy vitantsika hatramin’ny farany izany. Tany amin’ny faritra misy anay hoy izy dia na dia vitsy aza ny voatety dia ireny ny vokatra. Ho hatsaraina izany amin’ity fihodinanana faharoa ity ary efa mipetrapetraka ny paikady hiatrehana izany. Ny tena lesoka hoy izy dia  ny lisi-pifidianana ka tsy afaka nifidy ny olona. Betsaka ny tsy nahay nanoratra ka ny sarin’ny kandida no norivtin’izy ireo dia nampiriminy ka lasa vato maty. Matoa nisy ireny fisafotofotoana ireny dia efa akaiky ny fandresena. Asehoanay hoy izy amin’ity fa hahazo vokatra avo roa heny izahay. Ny Ct Sakra kosa dia nanambara fa ratsy ny vokatra tany amin’ny toerana nisy anay ka na izaho aza menatra amin’izany, ny tenako hoy izy dia tsy tafiditra tamin’ny lisi-pifidianana. Ankoatra izay dia nasiany teny ihany koa ny fomba fiasan’ny Ceni-T tany an-toerana. Ny fampiofanana ireo mpikambana ao amin’ny birao-pifidianana hoy izy dia ny 21,22 Novambra kanefa ny toerana hanaovana izany dia lavitra. Nisy ny olona izay nandeha dian-tongotra andiny roa amin’izany. Rehefa vita anefa ny fampiofanana dia ny 25, 26 vao tonga any an-toerana ireo olona ireo. Nisy hoy ity olomboantendry avy any Besalampy ity nilaza ireo olona sasany fa  raha tsy manao PV izahay dia migadra. Amin’ity fihodinana faharoa ity hoy izy dia ataontsika tsara izany, na dia sarotra aza satria rehefa avy ny orana dia misy voay. Ny Ct Hilarion dia nilaza fa betsaka ny feo re fa milaza ny sasany fa tsy sahy mankaty fa matahotra ny hosamborina.Rehefa manao politika hoy izy dia mahazaka ary tsy milaza lainga. Izay lazaina eto hoy izy dia tomponandraikitra amin’ny vavany fa tsy hahilika amin’ny filoha Ravalomanana.  Ny tenako tsy nanao ratsy ka tsy matahotra izany hoy izy.  Nanentana ny olona ihany koa ny tenany mba hisoratra anarana any amin’ny fokontany dieny izao mba hahafahana mifidy.

13 pensées sur “MISORATA ANARANA ENY AMIN’NY FOKONTANY ISIKA TSY AFAKA NIFIDY TEO”

  1. Fa efa mba nalainareo tany amin’ny CENIT ve aloha ny vokam-pifidianana, isaky ny birao rehetra erak’i Madagasikara ê ?

    Tsara ho fantarina izany ; tsy vitan’ny hoe handefa délégués fotsiny ny resaka !

    Ary tena nivadika marina ny toetr’andro ! Toa manao akanjo mafana daholo ireto olona sa diso ny sary navoaka ?

  2. De gaga elah????
    Ary taiza foana ??heveriko fa nisy nanambotra tany ary elah dia avy eo MIVADIKA ???
    Henonao ny kabary nataon’i HILARION???vao nivoaka izy dia tonga dia NISOLELAKA ireto rajakom-POZA
    ny CES SY CENIT ary Mamy .R izay fantatra ny fomba fiasan’IREO OLONA IREO ary marina ny teninao eto.
    Mody io natao Ambony DOKOTERA DIA VITA NY ADY e!!!
    Hitako no tsy dia naharitra ilay fanamborana fa hay tONGA DIA NANAIKY NY BAIKO ANGAH INGAHY HILARION??
    MAHONENA AN!!!!

  3. Marary fo @’izany eo an!!!
    hita fa olona mbola tsy tapaka tadim-poitra ilay Mpitondra antsika anie e!!
    Voaasa ve aloha izy sa nisolantsoalana toy toy fanaony , vinanto tsy maharė fosa???
    Tsy atao mahataitra izany Rasamy a!!samy rajakom-bazaha daholo fa mody mba…..

  4. Tena latsaka za nahita ilay sary!!
    ilay tsikera koa moa tena MITOMBONA DAHOLO.
    Mankasitraka @ fampitana vao2 Rasamy a!!
    Tena « JAMBA mifampitantana « marina ka any an-kady no HIAFARANA ity ny TANINDRAZANA an!!
    diso mazava be ilay tsikera tao.

  5. Hajo repêché ? L’alinéa 3 en question dispose que « le second tour a lieu trente jours au plus tard après la proclamation officielle par la Cour Electorale Spéciale des résultats du premier tour ». Si la proclamation se tient effectivement le 23 novembre, le second tour aura donc lieu au plus tard le 23 décembre. Ce qui ne serait pas très loin de la date initiale du 20 décembre. Le problème, c’est la loi sus citée ne prévoit pas expressément le cas de disqualification d’un candidat. Si Hery Rajaonarimampianina venait à être disqualifié, Hajo Andrianainarivelo pourra-t-il être « repêché » par la CES qui ne doit s’en tenir qu’à la loi ?

  6. Vao mba tsy hita kely angaha ny namana dia nisy nalahelo ?? Toa « soupçon » aza no tonga dia nandeha !! Mdr !!!

    Tokony mba ho faly fa ny sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakàna aza izao efa manohana 100 % ny kandidà-n’ny mpiaro ny ara-dalàna, izay tsy iza fa ny Dr Robinson ihany !
    Tsy hisy olon-kafa !

    Ary mba ahoana itony ?

    http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11476&idcat=2

    Komity mpanara-maso ny tondrozotra – Mangina tsy nandrenesam-peo !
    Miafara amin’ny hoe :
     » Tsy misy ilana azy anie izany ity rafitra ity fa

  7. DIA MANDANY VOLA FOTSINY E  » !!

    Mandany vola sy mamitaka, ary manohana mafy ny mpanongam-panjakàna !!!

    Firy izay ny ARTIKLA voasoratra ao anatin’ny tondrozotra no tsy tanteraka NA NIHINIANA TSY NARAHINA ???

    – TAFAVERINA VE NY FILOHA ?
    – NIVOAKA DAHOLO VE IREO LAZAINA FA GADRA PAOLITIKA ?
    – NISOKATRA DAHOLO VE NY HAINO AMA-JERY ?
    – NARAHINA VE NY FILAZANA FA TSY AZO ATAO NY MAKA FANAPAHIN-KEVITRA SY MAMPIHIDI-KIZO NY FIRENENA AMIN’NY ZAVATRA LAVITR’EZAKA ( Gestion des affaires courantes ihany ) ?

    Dia ahoana ny raharaha Air-Madagascar- Air Bus sns, Tozzi green-n’i Hazo boboka, BNI-n’i Fery vao sns (anakotry ny maha kandidà ny tenany), ………?

  8. Vita tompoko! efa vita daholo ireo tanisainao ireo fa inona ary ity???
    izay anie no nametrahana azy teo e!!!handrava sy hamotika ary HANGALATRA .
    Anontanio an’izay nanao ilay KISONIA ilay tondrozotra.
    Ary aza averina eto intsony izany tondrozotra izany fa manome litika lesy a!!
    Fiainana manja be izao no ho lotoina @’izany eto.Mba vao2 tsara alefa .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *