Neny sy Dr Robinson : niara-niombom-bavaka tao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy androany

Dr Robinson sy Neny à Jesosy Mamonjy - 10 nov 13 (33)

Dr Robinson sy Neny à Jesosy Mamonjy - 10 nov 13 (33)Niara niombom-bavaka tamin’ireo mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano io maraina io ny kandida ho filoham-pirenena Jean louis Robinson mivady.Tonga nanotrona  izany  koa Ramatoa Lalao Ravalomanana. Nambaran’ny mpitandrina Ratefy  Leon  fa na ny olona aza raha haka mpanampy  azy dia mifidy izay olona tiany iarahany miasa koa maika fa  Andriamanitra. Efa nofidian’Andriamanitra ny mpiara-miasa tsara. Ny teny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13/1-4b no nifidiany hitondrana ny hafatra. Ny olona izay fidian’Andriamanitra hoy ny mpitandrina dia tsy voasakana na dia maro aza ireo mamingampinagana azy satria ny fanahy masina no mialoha lalana azy. Arovan’Andriamanitra  ny olona hanao ny asany . Tsy ny olona anefa  no mifidy  izay  hiara hiasa amin’Andriamanitra fa Izy no mifidy izany ka tokony hanaiky izany fanendrena izany isika hoy ny mpitandrina . Nambarany tamin’izany ihany koa fa maro ny fisehoan’izany fanendrena izany.   Izay olona voatendry hanao ny asan’Andriamanitra izany dia olona nahazo tsodrano avy amin’izay nanendry azy ka tsy hisy hahatohitra izany aminy hazakazaka izay hataony amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Nambaran’ity mpitandrina ity ihany koa fa matoa  tonga  nanotrona an’izao fotoam-bavaka izao ireto olo-manakaja ireto dia efa fantatry ny Tompo fa izy ireo no voafidin’Andriamanitra hanafaka izao firenena izao  ka nampaherezina sy nitondrana am-bavaka azy ireo mba ho tafita  amin’ny hazakazaka izay mbola hataony . « Raha ny mpitondra no mametraka ny fireneny eo anatrehan’Andriamanitra  dia vonona  ny hanampy azy ny Tompo » hoy hatrany ny torinteniny. Nisy ny  fanokanana ireo miramilan’ny Tompo miisa 177 mianadahy , ka ny lehilahy 64 no nahavita ny fianarana nosorana ho mpitandrina, ary vehivavy miisa 113 ihany koa ny  no notokanana ho evanjelistra  .

24 pensées sur “Neny sy Dr Robinson : niara-niombom-bavaka tao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy androany”

  1. Marina hanampy andriamanitra @ 2è tour fa mila asian’olona avokoa ireo 20001 bureaux de vote mba tsy hisian’ny halabato na falsification na PV ! Fa ny olona efa TOFOKA an’ireo jiolahy ireo ka vonona hanasazy azy ireo mafy mihitsy !!! Aleeefa !

  2. Momba antsika Andriamanitra, mila miasa mafy sy miaraka dia tsy afaka hangala-bato intsony ireo jiolahy ireo ary dia ho faizintsika vahoaka @ fomba madio sy demokratika.

    Alefa JLR, alefa, vita izao! mandresy isika @ 2è tour. Momba antsika jeso!

  3. Azafady fa tsy azoko hoe: fa maninona no any @ Jesosy mamonjy???
    Sa any no malalaka ???mba fanontaniana fotsiny ny ahy .

  4. Tadidio fa tsy faritra Analamanga irer no Madagascar an. Mila arenina ny zavatra ts nety natao t@ 1er tour ireny. Mila amafisina ny olona manaramaso isaky ny bureau de vote 20001. Tadidio fa kandidam-panjakana no mifanandrina @ JLR @zao ka mila mailo hatrany.

  5. Avelao any ty baiboly ty e ! Poltika jerena ! Miena ndraiky ny pifidy JLR.Refa mivavaka ane dia mavozo zay e ! apirimo andrano any baibolinao :any mivavaka.
    Jesosy ve manapy anao hano poltiky ? ra apiseo baiboly ndraiky ? zahe tsy ifidy anao !
    Poltiky raha tadevinay -TGV miala : zay raha ilaina. Foka .

  6. Ranvalona a!
    Raha ny fahazahoako azy dia angamba nisy fanasàna hiara hiombom-bavaka!?
    Amiko manokana dia, tsy misy loatra maha ratsy izany, satria firenena manontolo no ho arenina ary entanina… fiangonana rahavavy ireny na inona na inona mety mety nitranga taloha, na teo aloha…!?
    Fiangonana an’ Kristy daholo rehefa misoratra ho kristianina, na dia misy tokoa ny tsy hitovizana aza, Fa, « Izy irey » (Andriamanitra)no mahalala ny Azy. (Dieu seul reconnait les siens!)

  7. Tena ilaina ny vavaka ary tsy ramatoa Rvalomanana lalo sy ny Dr Robinson JL ihany no tokony hivavaka fa isika rehetra manatena fandresena, tadidio, fa tamin´ny 2002 raha niady tamin´ny devolin´i Amiraly mianakavy isika dia ,saika nivavaka isam-pokontany ary isan-kariva, nisy aza koa ny nivavaka isan-trano mihitsy, ka ankoatrany ny fampitomboina ny fanaraha-maso ny BV dia tokony hamafisna ny vavaka, na eny amin´ny fiangonanan maro izany.
    Be tokoa ny trangan-javatra niseho tsy takatry ny saina tamin´ireny 2002 ireny rehefa nizizo tsy nety niala ny amiraly sy ny forongony.

    Ireny tany Brickaville ohatra, ndro mainabe, dia tampoka tokony tq 12h atoandro nirotsaka adiny iray monja ny orana, dia iny fa nihotsaka ny tany, ka lalána 90km rakotra tany mena, ary nisy aza hazo nifindra teo ampovoan-dalana mihitsy, fahagagana nahita izany, ary ry tarikí amiraly nano barazy tao brickaville nanovana aferana soliky, hay ny lálana tapaka noho ny tany nihotsaka,
    tsy voantanatra eto ,fa betsaka ny tetika maizina naton´ny tarik´i amiraly sy ny forongony fa nadamoaka daholo, dia ry zareo rehetra nadositra ireny, tahaka ny olona may volotratra daholo.
    anisany ilay DENISE mpirediredy eto.
    Ka ampio vavaka, hamafiso ny vavaka re, fa ts takatry ny saina ny fiasan´Andriamanitra.

    Aza hadino fa hanaparitaka volabe tsy toko tsy foroina i Hery vaovao sy Andry rajoelina ampian´ireo karana, vazaha sy sinoa , mpanao afera maloto namany . Ny zavatra tsy takatry ny sain-dry zareo anefa, ny VOLABE = azo amin´ny tsy rariny dia devoly no ao ambadika, ka izay no ilantsika ny Tompo mpandrsey izay efa nadresa ny fahafatesana, Dia i Jesossy kristy, no Antsointsika ando aman´alina , hiarao ny kandidantsika Dr Robinson JL sy hanapotika izao fitondrana foza nampahory ny vahoaka izao,

    Aza variana fa andao ivavaka isam-pkontany, isan-tokantrano ary isam-batan´olona.

    Marina fa politika no resahina fa tsy misy zavatra lafatra sy mandeha ary tsy misy fandresena maharitra raha tsy miaraka amin´i Tompo.

    Ka miaraka miantso isika hoe. Amin´ny anaran´i jesosy Kristy tompo dia ho rava ny fanjakan´ny Devoly., ho resy i Hery Randriamampianina , Hirodana ny fitondran´ny Mpanongam-panjakan andry Rajoelina . ary handresy ny vahoaka, handresy ny rariny, handresy ny marina, handresy ny dr Robinson JL. AMEN.

  8. Mifono stratégie ihany koa izao (angamba hoy aho)
    satria raha nandinika ny tena
    dia mahatsiaro fa misimisy ihany ny trano tsotsotra
    fiangonan’ny olon’io finoana io!
    (na any ambanivolo any
    na eny an-dalana misitaka an’Iarivo)

  9. « Fanambarana Hetsika Vonjy Aina : manohana an’i Dokotera Robinson Jean Louis »

    MAMALY (NY) FIVAVAHAKO Andriamanitra

    Vao tsy ela aho
    raha mamaky ny hahihahin’ny sasany tamintsika teto
    mikasika ny fitotongan’ny taux de voix azon’i JLR

    dia niantso hoe: aiza i Pr Ranjeva

    GO GO GO
    AaaaaaLeeeeeeeFfffffffa

  10. Andao ary rahavako!!mankasitraka e!!!
    izahay aza nitonantonana tary Paris t@ sabotsy kay @ heriny fa diso daty.
    Misaotra Neninoro a!! tsisy inona akory fa mba e!!amiko koa Andriamanitra iray ihany,
    tsy izany fa efa in-2 mantsy izay anie e! raha manaraka tsara isika.

  11. Mahasahy tokoa Pasitera JM izany, fa lazainy fa ny fanahy masina no nisafidy an’i JLR….

    Efa kely sisa dia misy handova i Mailhol… Efa zatra mandray vola tokoa ilay pasitera, ka na ny fiangonany aza dia amidiny.
    Fiangonana tsy mbola nanao politika izany mihintsy.

    Olona tahaka izany ve no hiara-miasa amin’ny JLR, mampalahelo.

  12. Otrany tsi de mety lotra ra ity site jesosy mamonjy itu no atao sehatra pokitika tsi aleo ve ze aso ny fiangonana efa mtady orendrka tu no atao ikatona io ra tsi lany robinson de oaiza tsika

  13. Ny statu milaza fa tsimahazo manao politique ny association nefa nareo mapiditra resaka politika ao apengonna iany sa ve efa miraviravi tanana ny mpitarika de mtady mpamonjy any jesosy mamonjy mila mandinika conseil admistrtion si ny mpitandrina fa mtady itoki am sovaly tsika

  14. Iza moa ilay nilaza fa ny GATITA (Gasy tia tanindrazana hono izany), dia fikambanana tsy manao paolitika (ankaotry ny fanohanana fanonganam-panjakàna angamba) ?

    Vitd’lapin sa iza moa izy izay ?

    Ny fikambanan’ireto AV7 moa izany koa manao inona ? Manao asa soa ho an’i Madagasikara ?

    Avelao aloha mba hiara-hivavaka ny katôlika sy prôpestà ê !

  15. ilay hira hoe: MISY HERY VAOVAO AO AMIN’NY RAN’NY ZANAKONDRY! Tena mifanandrify ily hira sy ny candidat tena tohanan’izy ireo e!

  16. Fa angaha moa raha atao hira dia midika fa io no tohanana ,hira iny , hiran’ny finoana fa tsy milaza hoe laninay i Hery , izay ilay mahadiso ny sondagen’ny Hery e!manantena foana hoe benefice ireny olona teny Antsonjobe ireny kay perte daholo

  17. Fa i Vonifanja ve ahoana e???
    25000milly isan’olona ireny ohatra ny t@ ilay teny @ 13 may,
    fa saingy ny olona VOAFITAKA IN-1 fa tsy IN-2 , noraisin’ny olona tsra ilay vola FA KOSA ….
    hainao ny tohiny fa efa fantatry ny olona ny olona ho fidiany.Azo atao koa ny mijery ireo mpanan-
    kato kalaza maimaim-poana fa DADA IHANY NO DADA e!!!
    tsy hitanao ve ilay tovolahy nanao tee shirt TGV nefa narangarangany mihintsy ilay sarin’i DOKOTERA
    misy soratra hoe: » FIDIO Dr ROBINSON »??ireny no lesona nomen’ny vahoaka an’i FOZA iray manontolo
    ka nofaizin’ny vahoaka mihintsy.Na ireo vato azon’ireo ireo aza NAMBOAMBOARINA fotsiny fa raha ny
    tena izy dia tokony efa efa vita ny TANTARA.
    Fa ny mampalahelo dia angah misy mahasahy maka ilay bulletin hijerena ny MARINA AKORY?MAHONENA!!!

  18. Ndryyy. Mamaky ny resakareo momba ny fahafatesana olona iray tsy tinareo za teo. Ozona tsy ozona intsony. Kanjo Bebe razay no maty alohan ilay voaozona .neveriko tsy misy maty mihitsy aminareo reo. Ndryyy.

    Mandria ampiadanana tompoko.

  19. Denise-patti itony no anisan’ireo nahazo sitringy volamena avy any amin’ny foza ! Silipo tsy mba diovina mihintsy sao dia simba, ary atao ambany ondana amin’ny alina sao dia misy mangalatra !

  20. Ho azy io na ireo, dia mba lazaiko ihany aloha ny zavatra mba fantatra manodidina an’ny tena sy ny fianakaviana nandritr’izay dimy taona izay, fa maro dia maro ireo foza nindaosan’ny fahafatesana ! Ary ny tsikaritry ny olona, dia vitsy ny mpandevina !

    Moa ve tsy toa any amin’ilay hiran’i Bessa hoe : Maty ilay mpivaro-tena, maty tsy nisy…. ?

  21. Efa vita ny adidimasina nankinin’Andriamanitra t@ Bebe Razay dia
    ny fampodiana an’i Neny HAMONJY AN’i MADAGASIKARA TOMPOKO dia
    NALAINY HODY ANY AMINY @’ IZAY NY FANAHINY HIALA SASATRA AO AMINY MANDRAKIZAY.
    Fa iza izany olona voaozona maty izany??

  22. Miarahaba antsika rehetra,
    Nanatrika io fotoam-pivavahana tamin’ny alahady tao amin’ny Jesosy Mamonjy io ny tenako.Misaotra anareo ny amin’ny fampitam-baovao ataonareo amin’ity site iray ity.Ny zavatra mampalahelo anefa de ity.Tena mbola sarotrabe amitsika ve ny milaza ny marina amin’itony karazana filazam-baovao itony,eny fa na de atao hoe amin’ny raharaha ara-panahy zay tena saro-pady amintsika malagasy aza?Marihiko eto fa LAINGABE ITY PHRASE MANARAKA ITY IZAY NOLAZAINA TAO ANATIN’IO ARTICLE IO/ambaran’ity mpitandrina ity ihany koa fa matoa tonga nanotrona an’izao fotoam-bavaka izao ireto olo-manakaja ireto dia efa fantatry ny Tompo fa izy ireo no voafidin’Andriamanitra hanafaka izao firenena izao ka nampaherezina sy nitondrana am-bavaka azy ireo mba ho tafita amin’ny hazakazaka izay mbola hataony .TSY NILAZA IZANY VELIVELY PASTEUR ARY AZONAY AMARININA AMIN’NY FANDRAISAMPEO REHETRA NANDRITRA IO FOTOANA IO ZAY ETO AMPELATANANAY.Miangavy re tompoko mba ny marina hatrany lazaina fa manjary tsy mandaitra ny vavaka atao ho anareo.
    Misaotra amin’ny zavatra rehetra!

  23. Mba nahazo zany za kou. D maninona???
    Ilay vava fotsiny zany no nahavariana ahy e. Hoe mba may vava ny olona à. Misy fitenindrazana hoe toy ny tsy ho voatsindrin ny aloka mihitsy.Ny fahafatesana rey olona tonga rehefa tonga ny androny à. Na zaza tsy nanota aza rehefa hoe ho maty dia maty. Ka aza dia may vava loatra am atao hoe fahafatesana.
    Vizana hoa Neny mitaiza anareo…..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *