RAVELOSON CONSTANT : ATAONTSIKA MIBARIBARY FA MIVERINA ETO NY FILOHA RAVALOMANANA

constant ravelosonAza avela hiasa saina akory ny olona hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka hoe izy efadahy tsy mahavory olona dia milaza fa izahay dia hanohana Robinson. Aza mety adalain’ny eritreritra indray hoe ity ry zalahy depiote hanohana an’i Hery. Aza lany andro amin’izany ianareo fa lalambola sy lalam-barotra hoy izy izany. Ny tena zavadehibe dia efa lany pile ny any amin’ny ankilany. Io gazety Lagazette io hoy ity mpanao politika ity tamin’ny volana Oktobra dia efa nilaza fa hovonin’ny Ravalomanana i Robinson,tamin’ity indray dia hoe mamo Robinson, tsy vitan’izany ihany hoy izy fa avy dia nitohy hoe ahoana ny didy aman-dalàna raha misy kandida maty amin’ny fihodinanana faharoa. Mampatsiahy hoy Constant ny tenin’ i Hajo hoe tsy hainao ny accindent tampoka. Mila mailo isika hoy izy ary aza gaga raha rahampitso na afakampitso raha ho avy koa ny hoe mpanompo sampy Robinson. Rehefa mahita ohatra ireny isika hoy ity olomboantendry ity dia tsarovy fa lany pile izany. Ny zavatra mbola mandehandeha any dia Robinson hampody an-dRavalomanana ary raha ity izy ka tsy hampody azy, ary hanao valifaty. Izao no zavamisy hoy Constant raha miverina eto ny filoha Ravalomanana dia hikomandy ny tafika ve, ho lehiben’ny fitsarana ve, handray kalaky ve dia hitety tanàna, koa inona hoyizy ny  valifaty amin’izany, fa izy mianakavy no mifampitahotra. Ny tena marina aza dia matahotra ny volan’olona tamin’ny fanonganam-panjakana, ary ny namany ihany no atahorany, ilay namanao namantsy vola. Tadidio hoy Constant tany Maputo I rehefa eo anatrehan’ny marina ilaikely dia manaiky , ny kimiaramila no minemomenona eto. Tsy valifaty hoy izy fa valiny famitahana ny volan’olona. Nanome toky ny olona ianaro fa atao tsy tamana eto ny sheritt, nanome toky ianareo fa tsy omena olona ny Jouan de Nova, ilay frantsay hoy izy no atahoranareo ary aza gaga isika raha matahotra izy ireo.Ataonay lmanimbahoaka hoy izy ny dokotera Robinson ary ataonay mibaribary fa hiverina eto ny filoha Ravalomanana, fa raharahanareo ny toky nomenareo ny olona. Ampy hamely anareo hoy Constant ireo olona nofitahinareo. Nisy valiny ny volan’olona nalainareo, nisy valiny ny foloalindahy nasaianreo nitifitra vahoaka. Ankoatra izay dia nambarany fa hanomboka afakampitso ny propangady, efa misy milaza sahady any oy izy fa tsy azo avoaka amin’ny haino amanjery Raveloson Constant, noho izany hoy izy dia ny tenanareo mihitsy no manazava amin’ny olona ary aza miatehitra amin’ny tee-shirt, isika fa ny marina, ny rariny no entintsika.

16 réflexions sur « RAVELOSON CONSTANT : ATAONTSIKA MIBARIBARY FA MIVERINA ETO NY FILOHA RAVALOMANANA »

  1. Ny FANAKIVIANA izay midika FANDEMENA tsy maintsy msy fa isika tsy foza na
    biby mitorona, isika miaraka @’ilay Tompony Avo indrindra.Tsisy resy tsy miady izany.

  2. Tsisy alika izany eto ry Denise a. Ianao no manao lohanalika dia ny zanak’i dada no tsy ahaizamiaina. Ny foza ity efa ho lanin’ny alika dia ahoana? Ary aza manalabaraka olona aminio anaram-bavy io ialahy fa fantatray fa lahy ialahy fa tsy vavy. Sa sarimbavy pelaka tahakan’i Dondrona?

  3. Denise >> asaivo sokafan’ I Madagate ny forum-nareo foza raha mahasahy dia any manovokovoka fa ny eto zanak’i Dada hatrany
    tsy naharesy lahatra anay fa vao mainka nanamafy hatrany fa hay tamin’ny fitondran-Dravalo no tena manja

  4. Marina tokoa fa betsak ny mpanaratsy ka mila mitondra fanazavan hatrany ny mpitarika eo @magro na aiza io na aiza mba ts hiroharoh sain ny vahoaka.
    Mila azavaina andro aman alina ihany koa ny asan ny depiote mba tsy ho voafitak indray ny vahoaka @fifidianana satria dia maro no tsy mahalala ny asan ny depiote zany araky ny filazany kmfcnoe.

  5. ilay Gazette GDI aloha dia tena poizina: fa sady tsy mahay TSY havanana littéraire akory, no toa ireny olona mifoka rongony ka ny feeling sisa atosaka etsy sy eroa.
    Izaho na tsisy atao ka omem-potsiny an’io gazette de la grande île io dia ataoko fitombenana

    Ianao moa tany aloha efa niteny fa eto iarivo foana mandra-paha: marina loatra, f’ianao io dia tena nahita faisana nohon’ny afitsok’ireo mpamono olona rehetra ireo, misaotra an’Andriamanitra fa velon’aina (toa azoko sary an-tsaina ny famiraviràna VIOLENCE nanesoran’i Alain RAMAROSON ny ainao raha ireny azony)

    fa ahoana ve, milamina ny fandehan’ny any @ faritra sy lavitra rehetra any (ny orana koa efa latsaka be, ny lalana efa miha-potika indray ny efa ratsy teo aloha, …): rehefa ekena ny fanohanan’ny antoko maintsoan’i dokotera, dia ny olona avy any izany no haroso ho delegué any rehetra any (araka ny vao2 henoko t@ namana tatsy)

    Nandritra izay 5taona izay, dia tokony efa nipetraka tsikelikely ny MATURITE POLITIQUE hoy indray ny namanay vavy iny!

    na izany aza, be loatra ireo olona na antoko POLITIQUES manolo-tena manome teny fa hiombon-dia partisan hanaraka an’i JLR.
    Ka dia apetratsika ny baolina izay manaiky hitifitra no tena atokisana amin’ilay OBJECTIF: « ATAONTSIKA MIBARIBARY FA MIVERINA ETO NY FILOHA RAVALOMANANA »

  6. NY TENA GASY TSY MAINTSY %ADRESY MIARAKA AMIN I JLR. EFA BETSAKA NY OLONA TSY AMPOIZINA ANY REHETRA ANY (TSY SANDAINA VOLA) MANOMANA NY PROPAGANDY HANDANIANA AN I RJL. MIDIKA FA TENA FITIAVANA TANINDRAZANA NO HANOAHANANA AZY.
    HO ANTSIKA MANANA AMBANIVOHITRA, MANANA ANDRAIKITRA ISIKA HANOHY NY FANDRESEN DAHATRA SY HAMPANDRAY ANDRAIKITRA AZY IREO HANETSIKA NY MANODIDINA FA I JLR NO ANDRY HO AN NY TARANAKA FARA MANDIMBY.
    HERU = FERY AO ANATY TAKO-PERY NIOMBO TAO ANATIN 5 TAONA.

  7. Tena ialaina ny fandresena @ solom-bavambahoaka satria efa tadiavin’i rajoelina sakanana sahady ny mpanohana ny filoha Ravalomanana ka sarihiny ny hoe ankolafy Ravalomanana, Ny Zanak’i Dada ny Avany ary ny Maitso Hasin’i Gasikara.. nefa ireo no miaraka izao.
    Tsy azo hadinona velively koa ny fandresen’i Robinson fa ilay fifidiana filohan’ny repoblika aloha fa solombavam-bahoaka

  8. Marina ny voalazanao ry LAZALAZAO, fa saingy misy zavatra iray ity tsy hitovizan-tsika hevitra ( iray nandritr’izay dimy taona izay ) : Tsy dia mifanaraka isika momban’i zaorzety !
    Tsy pro-légaliste io olona io fa PRO-FITEUSE !
    Ny mampalahelo dia ny antokony no mety hahazo solombavam-bahoaka betsaka indrindra, noho ny havendranan’ny sasany !
    Efa aroso marina ny resaka hoe, izay ANTOKO nahazo depiote betsaka indrindra ( na dia 7 % fotsiny aza ), no mahazo manendry izay ho praiministra !
    Na mihaotry ny 50 % aza izany ny « fitambaran’ny LEGALISTA » (Groupe des légalistes), dia tsy mahazo miteny !
    I zaorzety mody hanohana an’Ingahy Robinson, fa tsy hanohan’azy mihintsy amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka !

  9. Marc Ravalomanana : tu parles… Gaspard !

    Ayant tout régenté durant le premier tour de la présidentielle -il a, avec lui, le nerf de la guerre-, il vient d’imposer Eugène Mangalaza comme directeur de campagne de Jean Louis Robinson pour le second tour, sans même demander l’avis de ce dernier sûrement en proie à une guerre de… nerfs

    A l’approche de la fin de cette période de transition, plus rien ne fera changer Marc Ravalomanana. D’où le titre de cet article qui reprend le texte écrit par M. Gaspard, paru dans « La Gazette de la Grande ile » de ce 28 juillet 2013. Mais l’Histoire retiendra toutes les manœuvres de l’homme d’Imerikasinina et ce ne sont pas les faits de fanatiques qui la changeront. Le temps n’effaçant jamais les crimes commis, il faudra qu’un jour ou l’autre, Marc Ravalomanana paie tous ceux qu’il a commis envers son pays et son peuple. Pour le moment, il semble avoir la santé, la richesse et la… voix. Mais jusqu’à quand ? Car, tout a une fin ici-bas et il n’a aucune intention de retirer son épingle du jeu, ni savoir le faire à temps. « Ny vy aza mety arafesina ihany ny farany » (le métal le plus dur peut se rouiller à la longue).

    *******************

    Observer le devoir de réserve

    Lorsque Didier Ratsiraka était en exil forcé en France, celle-ci lui a imposé un strict et inconditionnel devoir de réserve sous peine d’expulsion immédiate de l’Hexagone.

    A Neuilly, il devait se contenter de lire et écouter les informations sur la Grande Ile fournies par ses courtisans et de jouer au PMU. Pourquoi Marc Ravalomanana n’est-il pas astreint au même régime restrictif en Afrique du Sud? Non seulement la patrie de Nelson Mandela a abrité un ancien Chef de l’Etat condamné par la justice de son pays mais elle l’a laissé financer et organiser des campagnes terroristes. Cette attitude complice de l’Afrique du Sud, fortement répréhensible, justifierait un incident diplomatique. Durant la propagande du premier tour de l’élection présidentielle, on a presque entendu davantage la voix du laitier que celle du médecin-candidat, en l’occurrence Jean Louis Robinson. Si lors de la prochaine propagande, Marc Ravalomanana manifeste bruyamment son soutien à Jean Louis Robinson, il n’y a aucune raison qu’Andry Rajoelina ne fasse pas de même avec Hery Rajaonarimampianina. A écouter Marc Ravalomanana, on pourrait croire qu’il a été touché par la grâce et qu’il s’est résolu à reconquérir le pouvoir par la voie de la démocratie et de la sagesse. Pourtant, il reste un criminel condamné qui n’envisage pas de se repentir. Son style agressif et son ton péremptoire prouvent qu’il se livrera à nouveau à ses activités de déstabilisation si son favori ne sort pas vainqueur du second tour. Dans cette hypothèse, l’Afrique du Sud devra contraindre Marc Ravalomanana à observer une obligation de réserve s’il souhaite demeurer là-bas. A défaut, elle sera considérée comme un Etat servant de base arrière à un terroriste.

  10. Iza avy ireo tena vonona hamerina ny ARA-DALÀNA, hitaky mafy dia mafy an’izany hoe FIRENENA TAN-DALÀNA SY MANDROSO, ARY INDRINDRA INDRINDRA MILAMINA izany ?

    Izao koa no fahitan’ny olona ny toe-javatra !

    http://www.rfi.fr/afrique/20131128-debut-campagne-le-second-tour-elections-madagascar

    Ilay iray moa dia tena hita fa fery na dridra mihintsy ho an’ny firenena !

    Hirotsaka ho Filoha ve, dia tsy misy na iray aza SAHY NIROTSAKA HO SOLOMBAVAM-BAHOAKA AVY AMIN’NY ANTOKONY !

    Midika izany fa efa fantany fa tsy ho lany eo izy, ary raha sanatria aza ho lany eo, maro ireo firenena no tsy hanaiky !

    Fa eto amin’ireto solombavam-bahoaka no tena maha lasa ny eritreritra. Ny ankamaroany dia tena hita fa MITADY SÔSY FOTSINY !
    Diniho amin’ireo olona notendritendrena sy notsongaina teny an-dàlana fotsiny, ny ankamaroany !

    Mahaiza mifidy, fantatrareo hoe iza avy ireo nampitondra faisana an’ny vahoaka malagasy !
    Ny foza dia mora fantatra amin’ny fofony. Tandremo ny fitaka, fa misy miafina ary mody maka endrika ômard na koa miosotra zava-m anitra !

    Hitako avy ety ambony hoy aho !

    Comet ISON ! MDR !!!!

  11. Ratsiraka , interviewé par radio VIVA, poussait au crime contre Ravalomanana…

    Alzheimer radenizy-ramambazafy ÔOOOOOOO

  12. Tsitokony hamaly na hoteny a amerina lzay lazain’ity gazety mpamoron sy mpandainga ity Isika fa tena manmpy azy eo amin’ny pub!
    Aoka Isika tsy hanaiky hatao caisse de résonnance ka handeha hively amponga o am-poaoan-tanana mba h^triana amin’ny Vahoaka ny lainga afafin’ity gazety !

    Ny fodian’ny Filoha RAVAOMANANA MARC eto ANTANINDRAZANA dia tsy hisahy hanakana ny Malagasy haneho mafy ny hafaliany amin’io andro malaza io !

  13. Tsy maintsy mitsipaka mafy ny aina rehefa hiala .
    Ho andro LEHIBE manan-daza eran-tany izany andro ahatongavan’i dada izany,
    ary izay no tsy laitran’ny sasany ka io MIAKAPOKAPOKA io daholo e!!

  14. DCR

    mampihomehy !!!!

    qui ignore les appels historiques de De Gaulle contre les envahisseurs allemands de LONDRES ???

    Ratsiraka n’était pas éxilé à Neuilly…
    il a préféré prendre la fuite en France , craignant le verdict populaire…
    ………………………………..RIEN DE GLORIEUX

    RESAKA KA ATAO ! Marina !

  15. Efa roa taona mahery izao ny nanaovana sonia an’ilay tondrozotra TENA NIFANARAHAN’NY REHETRA TSY SAZOKA !
    Tsy efa tokony ho tafaverina ve ny Filoha, tsy adino ireo efa nanisa andro ary nilaza fa FITO ANDRO SISA !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,814034

    MBOLA TSY MENATRA ARY MANOHY MANITSAKITSAKA NY SASANY ; NY « MPAHAY LALÀNA » REHETRA TSY MISY SAHY MITENY !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *