RAVELOSON CONSTANT : EFA VITANTSIKA TAMIN ‘ NY FIHODINANA VOALOHANY NY LALANA HAHAFAHAN ‘NY FILOHA RAVALOMANANA MIVERINA ETO

Magro 9 nov 13 (17)Tsy isika irery hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka no mitaky ny famerenana ny zon’ireo namantsika fa efa
nilaza ihany koa ny Ceni-T fa avotana izy ireo. Noho izany hoy izy dia afaka miarahaba tena isika amin’izany zavatra izany. Tohizantsika ohatra izay foana ny fanazavana  amin’ireo namana rehetra. Izany  demokratia izany hoy ity mpanao politika ity dia misy fombafomba ataontsika mpifidy dia ny delege izany. Aza raisinareo hoe  fanompoana ny kandida izany manao delege izany fa fanompoana antsika mpifidy. Tandremo hoy izy amin’ity fifidianana ity fa aza mionona fotsiny amin’ny hoe efa voasoratra any anaty lisi-pifidianana ianao. Tandremo ihany koa ny hoe misy olona tsy ao amin’ny adiresinao, fa mila mailo isika. Hazavao amin’ny mpiray tanàna hoy izy fa ity fifidianana ity dia mifampitady, ny vitantsika tamin’ny 1eur tour dia ny hoe ity ny làlana ahafahan’ny filoha Ravalomanana miverina eto. Momba ny kandida efatra milaza fa sady tsy hanohana an’I Robinson no tsy hanohana an’I Hery dia nambarany fa Roland Ratsiraka, Hajo, Vital, Dadafara dia efa nahita ny làlana tsara ihany koa hoe rehefa niteny izy ireo Ni Robinson, Ni Hery, dikan’izany hoy Constant dia Ni… Hery. Ny fahendren’izy efadahy ireo hoy izy dia efa mba nanao efa tsy nahomby. Ny anjarantsika dia ny manazava amin’ny olona hoe efa nariany ianareo , ka veloma hono ianareo, izy mitarika anareo nefa izy indray mijanona. Tsy ampy hoy izy ny manao tompoko tompoko ka miandry ny firenena mandroso avy amin’ny filoha Ravalomanana isika fa inona kosa no azontsika atao amin’ny filoha Ravalomanana. Mikasika ny resaka aelin’ny sasany fa hanao valifaty ny filoha Ravalomanana dia nambarany fa tsyizy no hanao izany. Aoka isika hoy izy hanazava amin’ny manodidina fa tsy hanao izany velively izy. Hatramin’izay efataona izay hoy izy dia ny fiverenan’ny ara-dalàna no tanjontsika  ary ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana no ekentsika. Ny tsy firotsahan’ny Ramatoa Lalao Ravalomanana, hoy Constant dia valifaty sa tsia. Rehefa miteny ny prezida hoy izy ny amin’ny fifandaminanana ny firenena, ny tafika, ny aministia valifaty ve izany ary moa ve izahay hoy izy dia nanikitrikitra fa ny fanonganam-panjakana dia fanamelohana ho faty fa ny nambaranay dia ny heo aleo hifandamina. Noho izany hoy izy dia teneno ireo namantsika miaramila fa ireo jeneraly périmé ireo dia mandalo ireo , mikarakara ny fisotroan-drononony no  mahamaika azy ireo.

10 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : EFA VITANTSIKA TAMIN ‘ NY FIHODINANA VOALOHANY NY LALANA HAHAFAHAN ‘NY FILOHA RAVALOMANANA MIVERINA ETO”

  1. Valifaty ??
    Hay ve izany no mahatonga ny tribonalin’i Rakrisy, tsy hanasazy ireo mpangalatra sy mpamono olona hatramin’ny 2009 ê ?
    Satria raha manao ny asany ny tribonaly dia ho lazaina fa valifaty ataon’ny Filoha Ravalomanana !
    Dia ahoana ihany izany no hiafaran’ity tanindrazan-tsika ity ! Mahazo manao izay tiany atao daholo izany, SATRIA TSY HISY NY SAZY, INDRINDRA FA HO AN’IREO IZAY TENA NAHATONGA AN’IZAO FAHORIANA MIHATRA AMAN’AINA IZAO !

    NY TRIBONALY TOMPOKO, DIA TSY MAINTSY MANAO NY ASANY, NA ANDROANY NA RAHAMPITSO !!! AOKA MBA TSY AMPIDIRINA AMIN’NY SAIN’NY MPANONGANA IZANY RESAKA VALIFATY SY FIFAMELANA IZANY !!

  2. izay « ni…Hery » anjare aleo ho any: diversion

    ny tena cible dia (tsotra be), fa: niRobinson

    mitovy tsy misy valaka @ oe: niRajoelina, nefa dada8 no objetif

  3. salut km

    dia lany andro ireto ni…ni…
    (efa ataon’ny olon fihomehezana rehefa mamaky gazety vao maraina,
    hoe inona indray ny resak’hetotra homanin’ny foza eo anio?)

  4. Nisy zavata frantsa mba nty ?diany ekipa foot ball,
    NAHARESY MAZAVA AN I UKRAINE NA IZY ,NA DISO fitsara ny mpitsara ,na miangatra ny mpitsara .

    Lesona hazo raisina HATAO NY fomba tsara rehetra an i JLR ,Aoka hampandresena Mazava izy , na iza hangalatra na iza hanao fitsarana mivilana.

  5. Marina tokoa ny voalazan’i Constant, fa ny vahoaka no tokony hatonintsika sy entanina fa raha izay hajo sy vital ary Roland Ratsiraka sy ny namany dia ovy ireny, sady tsy mahazao vato no tsy mahay afa-tsy ilay polifika mampahatra gasy. Tsy misy vahoaka hanaraka ireny @ fiodinana faharoa. ary ny fifidianana solom-bavabahoaka aza dia tsy handresy izay tohanany.

  6. Efa impiry aho ry LAZALAZAO no nilaza tato na tao amin’ny forum-n’ny TIM, fa ny vahoaka na ireo malagasy diso lalana no tokony resena lahatra, fa tsy ilaina ny mangataka « fanampiana na fiaraha-miasa » miaraka amin’ny MPAMADIKA SY MPANONGAM-PANJAKÀNA â !
    Azonao an-tsaina ireo lazaiko hoe MPAMADIKA ireo angamba !

    Rehefa tsy vonona hanao an’izany ireo milaza azy ho mpitarika sy kalàza amin’ny fanaovana paolitika, dia tokony hiala sy tsy handrebireby vahoaka intsony !

    Mamboly vomanga sy tsaramaso no tsara ataony ; mba mety hisy vokany ! Mety tsy mahay mitàna angady koa angamba !

  7. Basin’ari-7 ireny e!!tsy ilain’i foza moa tsy tafa koa aty @ dada.
    Ireo mpisolelaka tsy maintsy misy fa anjarantsika ny manilika azy ireny ,
    izay rehetra nanao tsirambina t@ 1er tour teo tokony tonga dia HAILIKA fa raha tsy izany dia
    eto isika no ho raisina MIAMPY an’i HILARION tompoko izay antony tsy mazava ny nanamborana azy
    sy ny nivoahany satria
    AFAKA MADIODIO
    NOETOAN’NY FOZA NY LANY REHETRA
    NY FOMBA FANAMBARANY FA RAHALAHINY NY CES SY CENIT izay efa hita ny FANGALARAn’IREO
    ary i joely kely no MIVIDY sy MIBAIKO azy ireo .sns tsy voatanisa koa arao maso tsara ilay io HILARION
    sady toa VETIVETY tsy tahaka ny an’i sasany tonga dia ary Tsiafahy HHHHNNNNN?????????MAILO!!!!

  8. tsy misy dada mody izany eto ry denise a!Vao lasa dada t@ 2009 dia zao manankarena zao tsika gasy ko ra mody eo iny tsy ho loza,haantra daholo zay rehetra nanakarena t@ boi de rose

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *