RAVELOSON CONSTANT : HANANGANA FANJAKANA TSY MISY VALIFATY ISIKA

IMG_0656

IMG_0656Herinandro  no hanomanantsika, andrianilika idirana amin’ny propangady hoy Raveloson Constant teny amin’ny Magro Behoririka. Efa milaza dieny izao aho hoy izy fa na sahirana aza any amin’ny propangady dia tsy maintsy asiantsika foana eto amin’ny magro. Tsy maintsy miaraka eto daholo izay rehetra niaraka hatramin’izay manao izay hahatafaverina ny filoha Ravalomanana, mazava ny teniny hoy Constant fa tsy rava ny eto raha tsy tonga izy. Izay 7 andro izay hoy ity mpanao politika ity dia hiomanantsika amin’izay fomba mahomby indrindra hahatafita amin’ny mamirampiratra amin’ny fihodinana faharoa. Izay 7 andro izay ihany koa no hanomanantsika ny fomba izay mahomby indrindra hananan’ny filoha Ravalomanana depiote hanangana fanjakana vaovao ary fanjakana natao haharitra sy hiorim-paka fa tsy fanjakana handrombaka fotsiny, raha handrombaka fotsiny no natao hoy izy dia be dia be ny fomba azo natao hahazoana firenena na dian iaraka tamin-dRajoelina any amin’izay misy azy aza. Fanjakana miorim-paka araka ny fotokevitra ijoroantsika. 7 andro hiomanantsika ary tong any Zoma izao dia mandresy lahatra isika ary manamboatra ny fombafombam-pifidianana mba handresy tsara. Matoa mandeha amin’ny fifidianana isika hoy izy n any fifidianana filohampirenena n any depiote dia hanangana fanjakana isika tsy misy toerana ho an’ny valifatyizany, toerana ho an’ny fifidianana sy valim-pifidianana ary hanangana fanjakana ara-dalàna. Toetsain’ny mpanongam-panjakana hoy Constant ny matahotra valifaty, izay mamono amin’ny Sabatra, rariny raha matahotra Sabatra fa isika dia nisafidy ny hanao fifidianana, na nasian’ny olona tamin’ny lakrimozena sy notifirina aza dia tsy izany no ataontsika fa antenimiera mazava tsara ampilamina ny tany. Tsy valifaty hoy izy izany fa fanorenana madagasikara vaovao, toy izany koa izay nolazaiko hoe aoka tsy ny filoha Ravalomanana no hiteny hoe izaho tsy hanilika. Mazava hoy izy izao fa nofenoina kimiaramila mikarakara ny fahataperan’ny asany ny faritra 10 amin’ny 22. Taiza hatramin’izay no tsy natao izany raha tsy mandry ny tany, fa maninona no niditra fihodinana faharoa vao nametraka izany hoy ny fanontaniana napetrany. Hatramin’ny 29 janoary 2009 hoy izy no tsy mandry ny tany na andrenivohitra na ambanivohitra. Mazava ny dikany fa tsy maintsy jerena ny olona mandray baiko avy eny Ambohitsorohitra sy avy amin’ny miaramila satria ny filoha Ravalomanana dia manana ny ifaharany any amin’ny faritra. Ny fanendrena ireo hoy Constant dia porofo mitohaka amin’ny tendany fa ry zareo nanendry ireo no mampiseho fahatahorana antsika any amin’ny faritra. 7 andro hoy izy mialoha ny propangady dia hampiseho ny yavany nafenina ny fery vaovao. Nilaza izy fa hamerina ny 2009 hono, ary kandidan’ny rehetra. Ento any ny anao hoy Constant fa izahay tsy mila. Izao dia efa misy propangady ary misy soratra hoe ianona miaraka amin-dRajoelina, andrimpanjakana izy no misalotra ny filohan’ny Repoblika. Miandry ny Ceni-T isika hiteny ahoana ilay hoe miaraka amin’ny filoha Rajoelina, mahazo manota amin’ny tetezamita. Mitenena ihany koa ianareo CES hoy izy fa andrasanay. Mibaribary tamin’iny didimpitsarana ny Zoma iny hoy izy fa nampiasa fitaovampanjakana ary niaro an’I Hery Rajaonarimampianina. Androa nahalanjavatra iny ary nahalala ilay hoe fa nitady arbiter Hadaka baolina ny tao Ambatobe. Ankoatra dia nambaran’ity olomboantendry ity ihany koa fa zavadehibe ny delege amin’ity fifidianana ity.Handresy lahatra sy handamina ny fifidianana isika manomboka androany fa ny delege no hiaro ny kandida.

5 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : HANANGANA FANJAKANA TSY MISY VALIFATY ISIKA”

  1. Avelao hisy hibolila eo e!!
    Izay any ivelany any tsy ahoantsika fa ny fanaraha-maso ny ffdianana izao no anjarantsika
    sy tokony himasoana dia JEREO TSARA ny eo ANKAIKINAO sao mbola FOZA NOHO NY FOZA.
    MITA BE TSY LANIn’NY MAMBA,izay any any fa ny antsika himasoana,izy ihany no mitady lavaka HILETEANY
    lalin-dalina kokoa hatrany, aty amintsika daholo ny JÔKER fa ny FOTAKA ohatra azy mianakavy ihany no any.
    Tsy maintsy mandresy ny tolona!!homba antsika Andriamanitra!!

  2. Zafilahy o !

    Ahoana ny ho fandehan’ity PM Beriziky ity e ???
    Ary hanao ahoana ny CES amin’ny Fiodinana FAHAROA , SA MBOLA AVELA HANOHANA NY Mpanjanaka sy ny CENIT ihany ???
    Handeha amin’izany mantsy ireo miaramila vao notondroina ho Lehibe-paritra ireo !

  3. Ne lénifions pas les responsabilités….

    Ne promettons pas trop de « bontés »

    On peut promettre une paix sociale ,indispensable pour que reprennent vie économique viable et vie politique démocratique….

    …Ce qui ne signifie pas absolution totale des actes ignominieux tels : corruptions +++, prévarication, emprisonnements ou acharnements violents justifié par des INTERETS strictements PERSONNELS.

    Pourquoi tendre l’autre joue ????

    Il s’agit d’actes qui relèvent du PENAL.

  4. Misy olona mbola tompon’andraikitra kokoa alohan’i ZAFILAHY ao TOMPOKO.
    Nanao tenerana tany tsy niera koa nony KENDA VO HOE:  » domy aho Zafilahy a! »
    Zafilahy angah no tompon’andraikitra mavitrika t@ fankasitrahana ilay kely iny ô???
    IZA NO NANAO SONIA???MBOLA ZAFILAHY???
    IZA NO NAMETRAKA ILAY CES???
    IZA NO NANKASITRAKA ILAY OLONA NIVIDY ILAY CES HANDAKANA NY NENINAY ???
    IZA NO IRAY PETSAPETSA TANY???
    Lazaivo fa i Zafilahy koa no namono ny jiro rehefa tratry ny dėlestage ny ao @ Tanana,ataovy madio2 daholo ny
    ravina nihinanana rehefa voky avy any, fa ny sasany manadio indray lotoina,izy aza efa tsy sasatra ny manarina ny hadalanareo
    MPISOLELAKA rehwtra ao ireo.

  5. Oui ,je suis d’accord avec vous GBD : pas de surehères ni de promesses dde l’ivresse de la victire …possible ,
    Restons modestes et examinons bien la « foultitude  » et les difficultés des besognes qui Nous attendent..
    Oui je suis pour ester d’abors cntre tous ont commis des délits et des crmes et qu’ils s’acquittent intégralement les amendes coorespondant exactement aux prix des dommages subits par les victimes..
    Oui la diciarisation de ces crimes et délits avant d’envisager la reconciliation avec leurs auteurs..
    IL FAUT QUE NOUS DEMEURONS ATTENTIFS ET VIGILANT PARCEQUE LES PARTISANS DE CETTE RECONCILIATION SANS MOTIF VALABLE AUTRE QUE CELUI DE « BLANCHIR ,DE NETTOYER  » A TRAVERS CETTE RECONCILIATION HYPOCRITE , DEMAGOGIQUE ,INSTRUMENTALISEE POUR CONTRER LE VERDICT DES MALGACHES , QUI N’ONT RIEN A VOIR AVEC CETTE RECONCILIATION FOLKLORIQUE !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *