RAVELOSON CONSTANT : HESORINA HATRAMIN’NY FAKANY NY MPANONGAMPANJAKANA

IMG_0240

IMG_0240Eo ampiandrasana ny famoahan’ny CES ny voka-pifidianana amin’ny fomba ofisialy hanao ny fiodinana faharoa  dia maro ny resaka mandeha fa mety hisy ny fanalan’ny Ces   kandida iray . Nambaran-dRaveloson Constant teny amin’ny kianjan’ny Finoana fa fomba hatao hanemorana ny fifidianana izany, tsy tokony hisy izany fihemoarana izany hoy izy fa avelao hasehon’ny tantara  fa  nisy izany fanonganam-panjakana izany teto amin’ny tanintsika tamin’ny 2009 ka ny vahoaka mihitsy no haneho ny heviny tamin’ny fanalana azy ireo amin’izao  fifidianana izao . Nanantena  ireo mpanongam-panjakana ireo fa mbola maro ireo olona manaraka azy ka nihizingizina izy ireo hizotra amin’io fifidianana io hoy Constant  nefa diso ny kajikajy fa nasehon’ny vahoaka malagasy  fa tsy ilain’izy ireo intsony ny mpanongam-panjakana  tamin’ny fihodinana voalohany iny . Raha mbola ireo mpanongam-panjakana ireo  no lany eo dia hanamafy hatrany ny famotehana ny firenena izy ireo. Isika tsy hiara-hiasa amin’izy ireo izany koa nampahery ny vahoaka malagasy haneho ny safidiny amin’ny  fifidianana fihodinana faharoa ity .Tokony hanana ny Praiministra afaka miara miasa amintsika mba hananganana izany firenena vanona izany hoy izy koa nanentana ny olona izy hahay hisafidy izay depioté mendrika. Amin’ity  fifidianana  izay ho solombavam-bahoaka hoavy io izao hoy Raveloson Constant  dia  tsy tokony hijery tsanganan’olona isika fa mba olona  afaka hiara hanavotra izao firenena latsaka ao anaty hatsana lalina izao no ho fidiana amin’io 20 desambra io .Ady anefa izany fa ny tanjontsika hoy izy dia ny fijoroana amin’ny fahamarinana  sy hamerina izany amin’ny tanintsika ihany .

10 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : HESORINA HATRAMIN’NY FAKANY NY MPANONGAMPANJAKANA”

  1. Vokatry ny asan-dry foza tahak’itony bogor itony io ê !
    Tsy mahatanty fahamarinana sy fahazavàna, dia ny manimba sy misompatra ihany sisa no atao !
    Io voalazan’i Galasam io arahina !

  2. Hitako fa tsara ity site ity fa afaka manoratra majuscule raha ilaina fa tsy ohatran’ny site sasany toan’ny Admin n’ny TNN miseho milay mahavita manompa ny forumiste hoe  » allez voir ailleurs POV CON  » raha vao mi critique kely azy na tsy mitovy hevitra aminy.
    Mbola ho ela ny fampihavanana ny malagasy raha tsy mahatanty critique ê !

  3. RAVELOSON CONSTANT : HESORINA HATRAMIN’NY FAKANY NY MPANONGAMPANJAKANA

    >>> Izay no tanjona sy nimatimatesana teto koa atao izay ahatanteraka izany htramin’ny farany ê !

  4. Mefions-nous des sites comme TNN soit disant comme pro-Ravalomanana au début!
    Alors qu’il ne fait que récolter vos commentaires pour faire gagner Hery Rajaonarimampianina mpanongam-panjakana = Rajoelina.

  5. Foza tsy maintsy mandady eny foana e!!manipy ny rano-potany.
    Mitady lavaka hisitriany fa ho avy ny TSY METY aminy.
    Andron’ny KITAPO latsaka izao , fanararaotana FARAPARANY e!! izay tsy maharitra ny
    mena miraviravy dia tratra daholo.

  6. Tenam ila fongorona mihitsy hatr@ fakany izany hoe tena miady isika. Hatr’izay isika dia tsy sahy nindina firy an-dalam-be ary nosakakn’i mamy Rakotoarivelo ny tolona. Izao kosa isika tsy afaka miteny hoe tsy afaka manao fa sakanan’i ranona. Ka aoka samy hijoro @ izay. Mifidy, manara-maso ny fifidianana, ary manentana ny hafa hifidy an’i JLR33. Maro no mbola tsy mahafantatra azy ary mila mihetsika dieny izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *