RAVELOSON CONSTANT : MANANA ANJARA AMIN’ NY ANDRIMASO HO AN’NY ZO SY NY SAFIDIN’NY VAHOAKA ISIKA

Raveloson Constant

Raveloson ConstantNy raharaha anatiny momba ny tolona, ny raharaham-pirenena ireo no nitondran’ny Ct Raveloson Constant fanazavana tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka ny Sabotsy 02Novambra teo. Momba ny raharaha anatin’ny tolona dia nambarany fa ny dingana misy antsika izao dia rehefa avy nanao raharaha tahaka ireny fifidianana ireny ka misy vondron’olona 2 na 3 dia samy sempotra amin’ny tandrify azy, manao tain’angely ka samy manilika ny azy, izany hoe samy manao izay  hahavita ny raharahany. Rehefa miato kely toy io kosa hoy izy , vita tamin’ny herinandro ny latsabato, dia manomboka ny kimenomenona, ka ilay tsinin’ny sasany no heno. Noho izany hoy Constant dia amafisiko eto indray ny fiangavaiana amin’ny mpitarika ny movansy sy ny Avana , izy ireo mihitsy no aoka hamoaka fandaminana tokana mikasika ny delegue de vote, ny antony dia tsotra fa rehefa miresaka teto isika ny Alakamisy sy androany dia henjana ny resantsika momba ny delegue de vote ary fanomezantsiny no be dia be. Averiko indray hoy ity olomboantendry ity fa tsy sanatria vatan’olona tafiana tee-shirt fotsiny ianareo fa isika mpiaramitolona. Misy ny anjara andriamaso ataontsika, tsy ny filoha Ravalomanana, tsy Robinson hoy izy no hanao azy, hahavita izany fa isika amin’ny teorana misy antsika no mahavita ity andriamaso ity. Andrimaso ho an’ny Zo sy ny Safidin’ny vahoaka izy io. Isika izao ihany no mahavita manao fanangonana ny olona izay nanana kara-pifidianana, nefa tsy afaka nifidy, tsy hita tao anatin’ny lisi-pifidianana.Nisy hoy Constant ny taratasy nanahirana anareo izay nofenoina kanefa tsy tratra tao an-trano ianareo ka isaoarana anareo izany, amafiso ary hangony amin’ny taratasy ireo olona rehetra tsy afaka nifidy tamin’ny fifidianana teo, ho hitantsika eo ny hanaovana sy hitodnrana azy. Ny vaovao mahafaly hoy izy dia tamin’ny Alakamisy teo isika niteny teo fa ny Cst antsika efa nikotrokotroka tao amin’ny governemanta. Efa naka fanapahankevitra ry zareo fa hijery nydidy aman-dalàna hamerenena ny zon’ireo olona tsy afaka nifidy. Tsy Beriziky, na Attalah hoy izy no manapaka ny zontsika, ny fahalalana eto amintsika dia ny Ct sy Cst manana ny ho teneniny amin’izany. Raharaham-pirenena Nisy ny filazana nataon’ireo parlemantera tao Tsimbazaza toy ny lesAS, Tgv, udrc, av7 fa tsy manaiky ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana eto. Nambaran’ny Ct Constant fa nifampatahotra tao ry zareo.  Izay no entiny hoy izy hifanohanana. Zavatra voalohany hoy ity olomboantendry ity dia tsy misy milaza ami’ialahy eto fa hisy 2eme tour izy ity, ny faharoa mifampatahotra ao izy mianakavy. Izao ihany hoy izy no mampitambatra, ny kandidantsika dia efa nilaza fa atolotry ny filoha Ravalomanana ary hampivitrana ny fampihavanana. Izay matahotra valifaty hoy Constant dia kaka be maso  foronin’ny olona efa namoy fo, mamorona kaka be maso izy ampitahorana anareo. Ny fampihavanana hoy izy dia izao no dikany : Hihaona daholo izy filoha tena tomponandraikitra teo amin’ny tantaram-pirenenaka hampifandamina antsika mianakavyeto, aiza izay valifaty amin’izany oyizy. Iznay fampihavanana izany ihany koa dia  miaraka amin’ny ray amandreny am-panahy izay filohampirenena voafidy eo dia Robinson hampikahondoha ny olona rehetra eto amin’ny firenena aryizany dia fanjakana tan-dalàna, tsy hoe hoy Constant izay nanongam-panjakana rehetraizao dia hamely lacrimozena ny sasany, tsyhoe eto Antananarivo ity dia atao sorona indray fa efa nametraka Antananarivo fa tsy izy ny fanonganam-panjakana, efa noporofoiny tamin’ny latsabato teo izany. Efa nananatra i Madagasikara hoy izy fa tsy izy nonanao fanjakana Tsy tan-dalàna,koa aiza izay valifaty amin’izany. Noho izany hoy ity mpanao politika ity dia anaro ny olona manodidina antsika , eto ampitiavana izy fa aza atao toyny olondresy. Ny mpanao politika matahotra ny ratsy nataony no manao kaka be maso, ka ny namantsika mpiray tanona dia eto tsotra fotsiny hoe Robinson no tena izy.

25 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : MANANA ANJARA AMIN’ NY ANDRIMASO HO AN’NY ZO SY NY SAFIDIN’NY VAHOAKA ISIKA”

  1. Tapaka…
    Averiko ny soratra..

    Ny resaka nataon’ny Filoha RAVALOMANANA MARC ny asabtsy 2 novembre teo tamin’ny Vahoakan’ny Kianjan’ny Finoana dia feno fitoniana , izay mahabe ny tokintsika mikasika ny ho avintsika :filamina , fandriampahalemana , famerenana aingana ireo simba sy sembana : ny lalàna , ny asa , ny fampianarana
    sy izay mikasika ny fiainana an-davan’andro..

    Ary raha mihaino azy tsara Isika dia mahatsapa fa efa mandresy Isika na misy na tsy misy ny fihodinana faharoa..

  2. Olona toy itony « FERY VAO2 « itony no tena fanetry be tokony ho FONGORINA @
    firenena RAHA OLONA TENA TIA TANINDRAZANA , koa ho anareo izay misalasala
    ny hanaraka ny MARINA dia efa hitanareo tsara ny lalana TOMPOKO fa efa niantso anareo ampahi-be
    maso DOKOTERA fa » HIARA-HIASA HANARINA NY FIRENENA »koa tsisy KAKA-BEU MASO IZANY EO,
    dadanay dia olon’ny FO ary olona MIVAVAKA koa aza mety hampidirin’ ity « FERY VAO2 « anaty rano-malotony
    ianareo izay efa nandà azy ireo fa avelao izy hiatrika ny FITSARANA NY VOLAM-BAHOAKA NAODINY .
    Raha tsy tė ho halam-bahoaka ianareo , dia tsinjovy ny lavitra fa ny anio anie ho vita ihany e!! jereo Ndefo
    fa tena NITOTONGANA , ireny no hiafaan’i Olona atao FITAOVANA, aiza koa no i Voninahitsy MPISANDOKA
    indray hono no nahazo vato betsaka noho i NDEFO????mmahonena!!!
    Aleo halan’Andriana toy izay halam-bahoaka a!!!HO TSARAIn’i TANTARA EO DAHOLO ANIE e!!!

  3. Mbola misy Antony hiresahana ireto candidats mpanongam-panjakana etoa sy any amin’ny serasera hfa ? Mitondra inona ho an’ireo nifidy ny candidat tohanan’ny Filohan’ny Firenena MIVADY sy ny Anlolafy RAVALOMANANA MARC ?
    Heveriko ve tsy manan-javatra ho lazaina Isika afa-tsy mikasika Antsika !

  4. Fa tena sanana daholo ve isika gasy sa ahoana???
    Itony video itony izay nataon’ny vazaha dia efa t@ sept 2012 no nivoaka.
    https://www.youtube.com/watch?v=Co-Gb217o94
    Misy témoignage mihitsy fa Ra jo hell no mivarotra @ sinoa…Jereo eo amin’ny 31:58
    Mba inona no nataon’ny mouvance ra8??? Tsy hoe mitabataba ao @ magro fotsiny dia vita fa misy zavatra hafa no tokony atao! sa mataotra ve? Ny gasy rehetra ivealan’ny Madagsikara ve tsy afaka mitory na dia mba hanehoana fotsiny aza fa misy ny tsy faly? jereo ny nataon’ny AV7 hatrany afrika atsimo… sa ve matahotra daholo? Misy ny Internet, tél sns aminizao fotoana izao azo ampiasaina tsara.

  5. https://www.youtube.com/watch?v=Co-Gb217o94 Jereo eo amin’ny 31:58
    Rehefa tsy vita ny nanala an’i lavanify 5 taona izao dia ireny video ireny ampiasaina anaovana propagande!
    Porofo mitohoka amin’ny tenda. Ohatra: manao projection an’itony vidéo itony dia asiana dikateny malagasy! dia aseo ny olona na any ambanivohitra na aiza na aiza! na any soalala izay potika aza! Hazavaina fa tsy misy mahazo tombotsoa t@ireny ny vahoaka fa ny foza no bolangina! Jereo fandriana vita @ bois de rosen’ny madagasikara, ni vidiny 1million de $!!! (32:55) Amin’ny farany dia ampiana hoe: « noho izany fidio JLR ».
    Hevitra fotsiny io fa mila amboarina fa mbola betsaka ny fanentanana @ fomba hafa azo atao.

  6. Ny vazaha aza sahy mirisika manao anitony documentaire itony…Raha tratran’ny fitondrana sinoa aminireny aloha dia tonga dia izay no izy! Tsisy négociation izany!
    Dia mba aoka hatao hanome hery ny rehetra sy ampahasahy ny rehetra amin’ny 2e tour
    itony oronantsary itony. Ny vazaha aza mamono tena mihitsy ho an’ny firenetsika, dia isika indray ve no hanao tompotany mantsaka ranotay???

  7. Ho andry les as, hpm, mdm, udr_c… sy ny forongony. Ianareo dia mbola manao ny Malagasy sagnagna mihintsy na tsy misy saina! Dia mbola ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana no olana 04 taona aty aoriana! Ravalomanana any Afrique du sud ianareo no teto, inona no vitanareo? Raha Ravalomanana any afrique du sud, no afaka nanakana anareo hampandroso ny firenena teto tao anatin’ny 5 taona, mieritrereta fa tsy misy kabaro ianareo tsy misy iana anareo. Ny fiverenand-Ravalo tadidio fa problème-nareo fa tsy problème ny Malagasy! Satria ny ratsy atao hono loza mihantona e. Te hanao aminy eo ko! Mampiome, misy aminareo angamba ny nivavaka mihinsty mba ho faty izy tao anatiny 05 taona.
    Dingana iray tsy mora fa sarotra izay no sisa ry Malagasy Mahereza. Mieritreritra aho fa tokony hisy fanazavana mazava tsara ity election jumelé ity satria mety hiteraka sakoroka io ao amin’ny bureau de vote!

  8. TENA MIHENA FOANA IZY ZANY KALE

    09h35>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 14.944/20.001. Taux de participation 61,90%. Jean Louis Robinson 24,05%. Hery Rajaonarimampianina 15,16%. Hajo Andrianainarivelo 9,90%. Roland Ratsiraka 8,10%. Camille Vital 6,59%. Edgard Razafindravahy 4,65%.

    Date : 04/11/2013
    08h56>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 14.839/20.001. Taux de participation 61,90%. Jean Louis Robinson 24,13%. Hery Rajaonarimampianina 15,16%. Hajo Andrianainarivelo 9,90%. Roland Ratsiraka 8,04%. Camille Vital 6,57%. Edgard Razafindravahy 4,67%. Saraha Georget 4,35%.
    Date : 04/11/2013
    08h25>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 14.780/20.001. Taux de participation 61,89%. Jean Louis Robinson 24,17%. Hery Rajaonarimampianina 15,18%. Hajo Andrianainarivelo 9,90%. Roland Ratsiraka 8,00%. Camille Vital 6,56%. Edgard Razafindravahy 4,67%. Saraha Georget 4,34%.
    Date : 04/11/2013
    07h50>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 14.750/20.001. Taux de participation 61,89%. Jean Louis Robinson 24,20%. Hery Rajaonarimampianina 15,17%. Hajo Andrianainarivelo 9,91%. Roland Ratsiraka 7,98%. Camille Vital 6,56%. Edgard Razafindravahy 4,68%. Saraha Georget 4,34%.
    Date : 04/11/2013
    07h20>TENDANCES CENI-T : Récapitulation région Analamanga. BV reçus 2.262/2363. Taux de participation 61,18%. Jean Louis Robinson 42,76%. Hery Rajaonarimampianina 12,43%. Hajo Andrianainarivelo 9,30%. Edgard Razafindravahy 6,77%. Joseph Martin Randriamampionona 3,91%. William Ratrema 3,71%. Camille Vital 3,39%. Saraha Georget 3,31%.
    Date : 04/11/2013

  9. @’ izay olona doma tsisy saina , mangalatra nefa zavatra raisim-potsiny,
    hita mihintsy hoe: ENTIN-JAVATRA FOTSINY ny hangalarana ilay vato.
    TEREN-JAVATRA FOTSINY entin’ity tahotra mafy .MAHONENA!!!!ny alika aza hono miongo-bolo
    raha mihinana ny hatsembohan’ny sasany, ka alohan’ny HANGALARANA dia tokony miheritreritra
    ny FIATRAIKANY fa tsy ny vahoaka no atao hibata ny taolam-be tsy mitapakareo FOZA ORANA
    rehetra ireo.

  10. – Efa nalainareo tany amin’ny CENIT ve aloha ny vokam-pifidianana isaky ny birao ê ?
    Tsy i Ramatoa Ravao etsy Besarety na Ingahy Ranaivo ao Tanjamobato no afaka haka an’izany fa ianareo mpitarika !
    – Rahatoa ka efa nandeha naka an’ireo vokam-pifidianana ireo, dia inona no zavatra mba tsikaritrareo ? Marina ary mifanaraka amin’izay voatahiry ny « délégués » daholo ve ?
    – Asianareo resaka ny délégués ! Ny délégués tompoko dia ianareo no manendry amin’ny fomba ôfisialy azireo, ary tokony ho fantatry ny manam-pahefàna ny anaran-dry zareo. Tsy tokony ny olon-tsotra no hianteherana hanao ny asan-dry zareo !

    Alatsinainy faha 4 novambra androany, ary tapitra androany ny fe-potoana hazoan’ny rehetra mametraka fanakianana na fitoriana any amin’ny CES ; ny vokam-pifidianana aza koa ity mbola tsy fantatra !

    INONA NO HO ATAONAREO ANDROANY, SATRIA NY ANKABEAZAN’IREO MPANARA-MASO VAHINY DIA RAHAMPITSO NY HIVERINA ANY AMIN’NY TOERAM-PIAVIANY AVY ??

    MBOLA MAHATOKY TANTERAKA AN’IO CENIT IO ARAKY NY FANAMBARANA NATAONAREO VA IANAREO ??

  11. SOKAFO DAHOLO NY MASO

    11h20>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 15100/20.001. Taux de participation 61,91%. Jean Louis Robinson 23,92%. Hery Rajaonarimampianina 15,16%. Hajo Andrianainarivelo 9,94%. Roland Ratsiraka 8,16%. Camille Vital 6,60%. Edgard Razafindravahy 4,64%.

    Date : 04/11/2013
    10h53>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 15073/20.001. Taux de participation 61,91%. Jean Louis Robinson 23,94%. Hery Rajaonarimampianina 15,16%. Hajo Andrianainarivelo 9,94%. Roland Ratsiraka 8,15%. Camille Vital 6,60%. Edgard Raz
    afindravahy 4,64%.

    Date : 04/11/2013
    10h26>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 15041/20.001. Taux de participation 61,90%. Jean Louis Robinson 23,97%. Hery Rajaonarimampianina 15,17%. Hajo Andrianainarivelo 9,94%. Roland Ratsiraka 8,13%. Camille Vital 6,60%. Edgard Razafindravahy 4,65%.

    Date : 04/11/2013
    09h56>TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV reçus 14.988/20.001. Taux de participation 61,90%. Jean Louis Robinson 24,00%. Hery Rajaonarimampianina 15,17%. Hajo Andrianainarivelo 9,90%. Roland Ratsiraka 8,13%. Camille Vital 6,59%. Edgard Razafindravahy 4,65%.
    Date : 04/11/2013

    TSIZY INTONY ITY RY ZALAHY HAVANA REHETRA ETO @ MY DAGO ITY.AIZA DAHOLO NY DELEGUE AMINIZAO
    ZAVATRA MISEHO IZAO.AIZA KOA NO MISY ANIZANY WOE: TSY MIAKATRA INTSONY NY ANY ROBINSON.TONGAVA DAHOLO ENY AMINY CENIT FA AHODINY IREO MPANGALATRA IREO NY VATONY I ROBINSON

  12. Ny mitarika akory tsy midika woe mandresy ry fils à papa a! atambaro fotsiny ny vato azon’i Hery sy Hajo zay samy tanan-kavanan-dRajoelina, de very tanteraka ianareo.
    Efa midaboka sy mihena an-toerana otran’ny fen’antitra ity ny vaton-dRavalomanana. Aiza le woe:  » Za jerena » ( za Ra8) io an!.
    Ekena fa nandresy faritanin’Antananarivo, fa Madagasiakara tsy Antananarivo irery e!
    Midika izany fa ny 22% n’ny vahoaka malagasy no mbola malahelo an-dRainivoanjo.
    K

  13. Ka ny hadondronan-Drainareo mihitsy ane Racosta no mahatonga ny tsy fahombiazanareo io e! naninona raha tsy nanohana ny antoko AVANA an-dRjean Louis fa naonolotra an’i Guy na Mangidy na Botozaza, de hitabataba ndray refa resy eo woe, le candidat natolotra no ratsy, ary raha ianareo no @ toeran-dRajean Ba Louis, ahoana kosa ny mouv Raosy no te hanjakazaka @ fitantanana sy ny fanarahamaso ny fifidianana, fa ny mpikambana ao @ antoko AVANA de saribakoly sy vena otran’ny mpamorona azy.
    Io woa, efa teniko efa hatramin’ny ela, fa kentrina mihitsy ireto zanak’i dada ireto fa io dadany sy ny je suis io foana no problema sy mahatonga ny tsy fahombiazanareo hatr@zay.
    Raha hendry Racosta, de jereo haingana zay fomba handresena any @ faritany dimy indrindra any Atsimo, fa tsy hihonona fotsiny @ woe, lasanay ny fandresena teto Tana de haleloia dadanay mpivavaka be. Ary aiza ary le Andriamanitry Ra8 tsy mitahy azy mihitsy. Tsy woe Andriamanitra no tsy mitahy fa Ra8 no te haka ny toeran’Andriamanitra, ka tsy mibebaka ny ratsy nataony, t@ famonoanany olona sy ny fangalram-bolan’ny gasy tsy toko tsy forohana, de Ra8 no miseho mandahatra, de mino fa handresy kanefa tsy fantany fa misy mpandahatra, zay mbola te hampiseho aminy foana fa ny volanao, sy ny zestanao, ny je suis nao, ny tout puissant nao, vao maika mandetika anao @ lavaka mangitsokitsoka.
    Defa niseho be ary Ra8 teo iny fa izy no fidiana, nanohana an-dRajean ba Loius, fa hipoitra @zay ary Rajoelina @ 2 ème tour ity hanohana ny candidat-ny, de ny hatahorako raha resy eo de hitolona mandritra ny 5 taona indray ny Magrobaka. Veloma Rana a!

  14. Ekeena Constant ny @ fanaraha-maso fa ny manatanteraka azy no sisa. Inona no tsy hanomboahan’ny mpitarika ny Avana sy ny Ankoalfy dieny izao. Any @ faritra dia tokony hametrahana birao maharitra dieny izao , eny na dia any ambanivohitra rehetra any aza. Rah atsy izay no hatomboka fa hiandry ilay iray volana alohan’ny fifidianan dia tsy ho tratra , aleo lazaina ny marina fa isika Malagasy toa matoritory ka rehefa tonga ny olana vao mikoropaka.

    Manatena fiodinana faharoa isika nefa ity ny foza efa mampidina hatrany ny vaton’i JLR ary mampiakatra ny fozaorana.. Raha mbola tsy mihetsika ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Avana @ ity herinandro ity dia efa manomboka sahady ny faharesana.

  15. Ho an’izao mbola matoritory

    17h15
    TENDANCES CENI-T :
    Récapitulation nationale. BV reçus 16285/20.001. Taux de participation 61,82%. Jean Louis Robinson 23,02%. Hery Rajaonarimampianina 15,47%

  16. ALEO DIA HIOMEZANA FOTSINY ILAY VALINY NY FIFIDIANANA
    ZAO DIA HITA MIIHITSY FA I DOKOTERA ROBINSON MIHITSY NO TADIAVINA HENJEHANA

    17h15>
    TENDANCES CENI-T :
    Récapitulation nationale. BV reçus 16285/20.001. Taux de participation 61,82%. Jean Louis Robinson 23,02%. Hery Rajaonarimampianina 15,47%. Hajo Andrianainarivelo 10,13%. Roland Ratsiraka 8,38%. Camille Vital 6,71%. Edgard Razafindravahy 4,51%, Saraha Georget 4,39%.
    Date : 04/11/2013

    IO FA MIPOITRA INDRAY NY ANARANY I GEORGET.AHOANA IHANY IZY ITY E.AVY EO DIA MIPOITRA DIA AVY EO DIA TSY MIPOITRA INDRAY.ZAO ILAY WOE VALIM-PIFIDIANANA PETA-TOKO.MAHAMENATRA.SA KOSA I GEORGET NO ATAO KALY
    J’aime · · Promouvoir · Partager

  17. Izaho dia miteny mihitsy fa raha vao tonga ny rahampitso maraina dia hianjera any 19% sisa ny antsika ka tokony hanara-maso haingana mihitsy, satria raha tsy dieny izao no manaraka dia veloma lava ny bongolava.Ary tandremo fa mbola ao koa iretsy C.E.S voantambitamby VOLA BE.Ary matahotra mihitsy izaho fa tsy mahamenatra anireo no mampidina antsika any aminy laharana faha telo.Ary izay mihitsy no nahatonga any i Rajoelina nioteny woe:samia mihonona aminy azony.Tandremo fa milaza zavatra lehibe iny teniny iny, torakizany koa ny teniny Attalah milaza manao woe:sarotra izany mangala-bato izany, ary zao dia tanterahany mihitsy ilay teny navaokany fa mora ny man gala-bato.Ilay izy koa moa ny délégué antsika dia tsy nahafeno ny 100% isan-jatony fa ny 60% fotsiny.Ary mora anireto efa zatra nangalatra hatraminizay no maka ny vato rehetra any ankodahoda any.Ireo ange dia efa taranaka mpangalatra tsy azo afenina intsony.

  18. Mouvance Ravalomanana : changement de stratégie au 2e tour

    Ny ahy ange no tena atahorako dia sao sanatriavina tsy tafiditra ao aminy 2 éme tour intsony isika ka zay vao rava daholo ny programa, ireto troupe ni tgv ireto ange dia efa zatra nangalatra ka tsy mety intsony fa mangalatra foana é.Ary sahinireo mihitsy no mampidina ny ny vatony Dokotera Robinçon hatrany aminy 10%.Eritreretina ny ratsy hiaviany ny soa.Ka samia isika rehetra manaraka akaiky ny valiny manomboka izao.Fa misy teny kely atsipiko ho any ny délégué rehetra: Fa maninona zao vao tena mamoaka ny paikady fa maninona tsy hatraminizay, sao dia tratranilay fiteny woe: Médecin aprés la mort

  19. Ka izny indridra anie no ataon’i Beatrice atllah izao e . Afaka roa andro dia hitovy @ Fery ny vatoana ary @ fivohan’ny vokam-pifidianana dia resin’i Hajo i JLR. Hajo sy Hery ny fiodinana faharoana. Ny ankolafy Ravalomanana toa tsy rototra akory sa mbola tazamin’i Mamy Rakotoarivelo ?

  20. Ity indray jereo é

    TENDANCES CENI-T : Récapitulation nationale. BV confrontés 16.329/20.001. Taux de participation 61,83%. Jean Louis Robinson 23,01%. Hery Rajaonarimampianina 15,46%. Hajo Andrianainarivelo 10,14%. Roland Ratsiraka 8,38%. Camille Vital 6,73%. Edgard Razafindravahy 4,51%. Saraha Georget 4,40%.

    Miakatra hatrany ny mpangalatra fa tandremo.Mba mailo fa misy valim-pifidianana magie nioire bé no mipoitra eto.

  21. MOMBA NY ALLIANCE.

    Misy ireo membre ny Mouvance Zafy sy Ratsiraka ,izay niaraka niasa t@ mouvance Ravalomanana momba ny lafinjavatra momba ny legalisme .

    Ireo nifidy mpanonganpanjakana ,dia tsy hazo antoka fa hanaraka ny ireo kandida nofidiny 1 er Tour .

    Ny propagandy koa dia hifantoka @ bilan’ASAn’i HRM sy ireo Hat niaraka t@ dia ny fahatrana tsy hita fiafarana.

    Ary JLR mety misy ny hanao alliance @ kanefa tsy harahany asa izany ,dia tadidio fa SAINA RATSY IZAY .

    fA NY ALLIANCE MISY FITOVIANA KEVITRA HARAN ASA PROPAGANDE dia mila jerena ihany.

  22. Ity indray jereo

    Mihena foana é..I sarah georget indray no lasa alohany i raedi.Tsy nisy nifidy intsony i Robinson fa tampina ny domy.Mijanona eo izany isika fa miandry ny valiny aminireto mpamosavy mangalatra ireto.Mitondrà daholo voanjobory hanampiana ny vatony i Robinson (any aminy cenit io), zay angamba no mety hampitombo ny vatotsika.Mba é ange izany é

    Hadinoko no nilaza ny isam-bato fa azafady

    23h00>
    TENDANCES CENI-T :
    Récapitulation nationale. BV confrontés 16.910/20.001. Taux de participation 61,77%. Jean Louis Robinson 22,64%. Hery Rajaonarimampianina 15,58%. Hajo Andrianainarivelo 10,21%. Roland Ratsiraka 8,38%. Camille Vital 6,71%. Saraha Georget 4,50%. Edgard Razafindravahy 4,47%.Date : 04/11/2013

    04/11/2013 à 23:45

    Ity indray é

    23h25>
    TENDANCES CENI-T :
    Récapitulation nationale. BV confrontés 17.086/20.001. Taux de participation 61,80%. Jean Louis Robinson 22,52%. Hery Rajaonarimampianina 15,57%. Hajo Andrianainarivelo 10,16%. Roland Ratsiraka 8,53%. Camille Vital 6,69%. Saraha Georget 4,50%. Edgard Razafindravahy 4,47%.Date : 04/11/2013
    23h20>
    CENI-T :
    Le cap des 17.000 bureaux de vote confrontés a été passé. Saraha Georget Rabeharisoa passe en sixième position et devance désormais Edgard Razafindravahy.
    Date : 04/11/2013

    Alefany cenit haingana aminizay ny fanisam-bato fa sao dia tratra ny halam-bato.Efa vonona vé ny voanjobory, tsy izany mantsy fa botsinintsika aminy voanjobory koa ny vato..

    04/11/2013 à 23:55

    Nandaitra kosa ilay voanjobory fa b.v. 2915 sisa dia tapitra ny fanisàna, dadany indray iny lé.Aleo mihitsy rangahy hiandrasana na aminy firy aza; aminizay hita woe firy sisa ny vato i Dokotera Robinson, mahita ny valiny tsara koa aminizay

    Miandry izay ry Attalah fa sao dia lasa matsatso fandeha ny fandehany ny fanisam-bato an; tsy izany mantsy fa raha io isa 2915 sisa no isany b.v. dia tsy ho ela intsony ny valiny provizoara.Tandremo fa betsaka ny voanjjobory aty aminay an!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *