TSY AVELANTSIKA HO RARAKA AN-TANY NY FANDRESENTSIKA

IMG_2212

IMG_2212Nitohy teny amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny mpomba ny movansy Ravalomanana. Nisy hatrany ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpitarika tonga teny an-toerana. Fifaliana ho ahy hoy Nenifara izay nisolo ten any vahoaka avy any Andrefan’Iarivo no mihaona amintsika eto amin’ny Magro taorian’ireny voka-pifidianana ireny. Marina hoy izy fa nandresy isika na dia nieritreritra aza fa misy zavatra hafahafa tao. Tsy nampaninona antsika izany fa nandresy aloha, ka io fandresentsika io  dia tsy avelantsika ho raraka an-tany fa  tsy maintsy henjehintsika ho avo avo kokoa noho iny, ary avobe noho iny izay tsy azo ovaina intsony sarotra hotakarina ary sarotra ampidinina, izay no programantsika amin’ny fihodinanana faharoa. Sarotra ho an’ireo hoy izy no nampidina ny vaton’ny Robinson iny, hamadika ho ambany ka noho izany dia manainga antsika vahoaka Malagasy manontolo hiady mafy. Noho izany dia aza matory manana aretina fa ny fahavalontsika manambola.Aza matoky ten ahoy izy fa anjarantsika vahoaka Malagasy  manontolo eto Antananarivo ny mampiseho izany fitiavana ny  fahamarinana izany. Tsy hozakanareo ho tsindriana vola ny fitiavan’ny vahoaka ny tanindrazany fa efa nasehony anareo izy iny  arymbola ho hasehony anareo fa tsy vitan’ny 50% fotsiny fa hakariny ho 70% izany ka tsy azonareo ampidinina sy ankarina intsony satria izay no safidin’ny Malagasy. Momba ny voalazan’ny Amiraly Ratsiraka dia nambarany fa nahafinaritra izany tratran’ny 77 taona izany fa ny teny kely tenenina anao hoy izy dia mitady fihavanana ianao kanefa niarahaniasa tamin’ny Rajoelina ianao nanongana ny filoha Ravalomanana. Tsy vitanareo ny fihavanana hoy izy.fa niaraka ianareo nankalaza ny faha 77 taonanao ka ilay fihavanana efa nandisadisa teo aminareo dia nihavana indray ankehitriny. N’inona fihavanana vitanareo dia ny vahoaka Malagasy tsy afaka hihavana aminareo mihitsy raha tsy tonga eto ny filoha Ravalomanana. Izy no ilainay ho tonga eto ka hihavana amin’ireo rehetra nanongana azy, izy no ilainay hitondra eto, ary hamela heloka ireo rehetra namotika ny fananany. Raha tsy tonga eto izy dia tsy misy fihavanana ho vanona eto.Matoa izay tsy niteny, fa niharitra dia fantatray fa tsy tsapanareo mihitsy ny fitiavan’ny vahoaka izany dokotera Robinson izany ka na ampidina aiza ianareo dia iny ny voka-pifidianana ka mbola ho avy ny mafimafy kokoa noho iny. Momba ny filazan-dRajoelina fa hanohana an’i Hery ny tenany dia nambarany fa heverinao fa vendrana izahay ka tsy mahalala lalàna.Efa arahin’ny vahoaka masio ny ataonao sy tetikadinao,fa atao izay hahadisqualifié an’i Hery, kanefa tsy mahataitra anay izany. Izahay tsy miova hevitra fa ny vahoaka Malagasy rehetra efa nizaka ny mangidy fa potehinareo ny firenena, ka na iza ataonao eo tsy hifidy izany izahay.

6 pensées sur “TSY AVELANTSIKA HO RARAKA AN-TANY NY FANDRESENTSIKA”

  1. Ny vato azon’i kandidà dadafara (bogôsy)
    – izay toa misimisy ihany tany ho any (hoy ny tsy mahay manisa)
    angamba tonga dia lasantsika an!

  2. F’ angah nisy bogôsy tao ry sė???
    Ahoana ity Ct Hilarion ity ry sė fa tsy mazava an!!
    toa vetivety sady avy dia MISOLELAKA ny anao lahy????henoko tsara ny kabariny
    mantsy fa hoe: manomboka izao hoo dia rahalahiny ny CES sy Cenit ????dia ny loza
    koa notsindriny tsara koa i Mamy Rakotoarivelo , ireo jiolahy Rajakom-poza ireo dia
    NODOKAFANY MANOKANA NA DIA EFA HITAM-POKO HITAM-PIRENENA AZA NY
    FOMBA FIASAN’IREO OLONA IREO.MISY TSY MAZAVA????
    raha tadidintsika dia toy izao koa o nataon’i Ralaiseheno hoe: ny baikon’ny lehibeny izany hoe:
    KOTOVELO no nandehanany tany @ FOZA , dia ity koa i HILARION manohana mafy an’i Mamy. R????
    Sao dia mba SANATRIA???izy io mantsy nahazo olona be tany Fianarantsoa t@ fampielezan-kevitra
    t@ farany teo ka HOVIDINA IZANY SA NOVAROTAN’IZA?????

  3. 9h00>
    HERY RAJAONARIMAMPIANINA :
    D’après RFI, Hery Rajaonarimampianina s’est dit surpris de l’annonce du soutien d’Andry Rajoelina à son égard. Les observateurs estiment en effet qu’il s’agit d’un soutien encombrant, d’autant plus que d’après l’articke 15 de la feuille de route, le président de la Transition, le premier ministre et les membres du gouvernement sont tenus d’être neutres durant la période électorale.Date : 11/11/2013

  4. Ity no tena ady. handresintsika ireo mitambasy sy mpandroba. Izao anefa tsy hisy zavatra mora vita izany ary tsy mbola mandresy isika fa mila manara-maso akaiky ny fifidianana. Ka mametraka solon-tena isaiky ny biraom-pifidianana ary koa manara-maso ny fandehany vato sy ny fandefasana azy any @ CENI-T. ireo fiabe mpitatitra entin’ny miaramila mantsy dia efa misy vokam-pifidianana vonona hampandresena an’y Fery.

    mila mijery dieny izao ny birao rehetra fa tsy rehefa fifidiana vao hijery izany. Samy koa misoratra anarana daholo mba ahafahana mifidy.

  5. ranavalona ô: ny tena efa tsy taitsy, leo tokoa raha resaka charisme novoizin’ny firantay mikasika ilay dj

    photogénique fotsin ilay candidat mitondra pseudo dadafara, noho io anarana io dia nataon’ny olon resak
    no sady hanihanin’ny vehivavy sendra miady hevitra alohan’ny éléction
    fa dia nandaitra hoy ilay rangahy tany ho any nahazo i léri:

    https://www.google.mg/search?q=%C3%A9l%C3%A9ctions+%C3%A0+madagascar+%22dadafara%22&source=lnms&tbm=isch&sa=X&ei=J5SBUsGZIeiy0QXTz4C4DA&ved=0CAcQ_AUoAQ&biw=1024&bih=576#facrc=_&imgdii=_&imgrc=UijR-OYo04K3eM%3A%3BDuH4lQDl5okRGM%3Bhttp%253A%252F%252Fdwizer.com%252Fwp-content%252Fuploads%252FDadafara-Joseph-Martin-Randriamampionona.jpg%3Bhttp%253A%252F%252Fdwizer.com%252Felection_presidentielle_madagascar%252Fjoseph-martin-andriamampionona%252F%3B679%3B960

  6. mitombina tsara ny critique-nao ry ranavalona,
    fa tsy nandalo fotsiny teo imasoko koa itony lazainy itony:

    Ct Hilarion ==> « mantsy fa hoe: manomboka izao hoo dia rahalahiny ny CES sy Cenit ? »

    règle n°1: mila lanjaina tsara ny kabary, mitandrina ny vava avoaka imasom-bahoaka (noho izany oa MIANARA to learn il n’est jamais tard pour apprendre: mamintina = en résumé « inona no ho lazaiko », eken’ny saiko ve sa mifanohitra amin’ny toerana misy ahy?, mamerin’izany irery avy eo ho ren’olona iray HANITSY, …)

    ______

    tandremo rey olon fa ry PETY itony anie ka KMMR (komity mpanohana Marc Ravalomanana) mafana fo fony mbola tsy nitondra i dada,
    torak’izany koa ilay malaza sefon’ny BANDIT « JAO JEAN »
    eny antsefany ry A. Ramarosaona + Voninahitsy +
    la liste est longue

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *