TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA

IMG_1136

IMG_1136Nanomboka androany ny fampielezankevitra ho an’ny fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa sy ny fampielezankevitra ho an’ny  fifidianana solombavambahoaka amin’ny 20 desambra izao. Tetsy amin’ny Magro Behoririka no nanokafan’ny movansy Ravalomanana izany. Ny maraina dia fanompoam-pivavahana no notanterahana teny an-toerana ka tonga teny ny kandida Robinson, niaraka tamin’ny Ramatoa Lalao
Ravalomanana, ary andriamatoa Mangalaza Eugene. Rehefa vita izany dia nihazo ny boriborintany enina izy ireo. Tetsy amin’ny Esplanade
Analakely ho an’ny boriborintany I no nanatanterahana izany. Ny Me Hanitra Razafimanantsoa izay kandida solombavambahoaka natolotry ny
movansy Ravalomanana eny amin’ny boriborintany I dia nanambara raha nandray fitenenana fa man,dehana isika mankeny amin’ny fokontany mijery ny anarana ho an’izay tsy tafiditra tamin’ny fihodinanan voalohany. Ny hampandresy ny dokotera Robinson hoy izy no ataontsika noho izany dia miaraka aminy ny tenako ao amin’ny boriborintany I. Hitondra fandresena hoy izy ny dokotera Robinson sy ny solombavambahoaka movansy Ravalomanana. Ny vato arotsantsika ho an’i Robinson sy Me Hnaitra dia vato iray ho fampodiana an’i dada. Miaramiasa amin’ny dokotera ny depiote movansy Ravalomanana, rehefa maro an’isa hoy izy ny depiote dia afaka manana Praiminisitra. Nararaotina ihany koa io fotoana io nanolorana ireo olona iray izay ekipan’i Me Hanitra ao anaty lisitra. Neny kosa raha nandray fitenenana dia nisaotra ny vahoaka an’Antananarivo tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany sy amin’ny fihodinanana faharoa. Ny kandida Robinson dia tetsy amin’ny Magro Behoririka no nandray fitenenana. Lasa izao ho an’ny amin’ny fandresena hoy izy, sty matahotra ny ekipa fa matanjakana. Teraka hoy izy ny plate forme Madagasikara hanohana an’i Robinson, tafiditra ao anatin’izany camille vital, hajo, ny antoko maitso, Obama, Arema sns. Tsy miova amin’ny teny nomeko aho hoy izy dia ny fodian’i dada Ravalomanana, tsy maintsy mandresy isika ao amin’ny Antenimieram-pirenena, hifidy depiote mitovy amintsika, aza matahotra hoy izy mifidy ireo depiote ireo. Vonona isika na ara-pahasalamana na ara-tsaina ary handresy isika. Marihina moa fa feno hipoka tanteraka ny kianjan’ny Magro Behoririka androany ka ny masoandro maty no nampalahelo.

49 pensées sur “TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA”

  1. Hors sujet! Hitako tao @ MaTv hoe :

    Olga Rasamimanana, SG de la Commune Urbaine d’Antananarivo a été nommée au poste de Premier Vice-présidente de la Délégation Spéciale d’Antananarivo. Elle sera chargée d’administrer la ville d’Antananarivo en attendant la désignation d’un PDS.

    >>> Tsy mahagàga raha mitorina satria ny sarety indray mandeha alohan’ny omby ireto Fatin-doza ireto !

  2. tongava daholo éééé

    rehefa vita ny tantara …dia tonga ho azy yzay tokony atao …..resaka MENDRIKA !!!!!!

    Vienne qui pourra : OK

    Cela ne saurait être un engagement pour dévoyer les idées principales qui motivent JLR !

    Je ne le vois pas tomber dans la prostitution politique !!!!!!!!!

    C’est aux « alliés »(de circonstance ou non ) de SE PLIER AUX IDEES DE L’ELU DU 2° tour,
    le contraire serait INACCEPTABLE…..voire IMPENSABLE politiquement et moralement.

  3. Tsy izy fa ny vahoaka e!!mba vava zaraina izany fa tsy manana safidy izy fa
    ireo vahoak no efa nanapa-kevitra fa tsy mila « FERY VAO2 « hitondra ny tany sy ny fanjakana
    fa ampy izao fahavoazana izao.
    Dia mba miaiky ny vadin’i M.Hanitra ity kosa za ray olona a!,io indray izy fa efa io sahady,masina ny tanindrazana e!
    Ary nikotrana angaha Dokotera izany fa toa nihena ilay kibo???mety kah!!mankasitraka e!!
    Tiako be ilay tsikin’i Neny!!feno fanantenana!!homba antsika lalandava Andriamanitra!!tsy maintsy mandresy ny tolona.

  4. CAMIL VITAL A AFFICIALISE SON SOUTIEN A DR ROBINSON ISAKA JIABY MAMPANDANY DR ROBINSON MIALA RAJOELINE C’EST TOUS CE QUI COMPTE POUR NOUS.

  5. Hiandry ny TVM vê ianareo eto @ MyDago vao hamoaka VIDEOS ê ???

    >>> Fara -doboka anie izy ity ê ka mba ataovy izay maty ê !!!

  6. Fanitsiana azafady :

    Hiandry ny TVM vê ianareo eto @ MyDago vao hamoaka VIDEOS ê ???

    >>> Fara -doboka anie izy ity ê ka mba ataovy izay METY ê !!!

  7. Misy resaka tsy madio ary tsy tokony asian-eny akory satria tsy misi idiran’ny fosafosa eto !
    Mahereza GBD à , na dia be aza izay vita izay !

    !

  8. Mahasarika olona maro kokoa ny mijery sy mihaino VIDEOS noho ny mamaky soratra @ ny propagandy toy izao fa aza hamaivanina !

  9. Tout à fait d’accord à GBD:

     » C’est aux « alliés »(de circonstance ou non ) de SE PLIER AUX IDEES DE L’ELU DU 2° tour,le contraire serait INACCEPTABLE…..voire IMPENSABLE politiquement et moralement.

  10. Bien sûr DCR : inutile de marcher à découvert …….

    Mais il est clair que nous ne vendrons pas notre âme….le retour à la démocratie et la LIBERTE POUR LE PEUPLE !

    La liberté ne se donne pas : on la PREND , on l’ARRACHE !!!!!!!

  11. Mahasarika olona maro kokoa ny mijery sy mihaino VIDEOS noho ny mamaky soratra LAVABE @ ny propagandy toy izao fa aza hamaivanina !

    FORUM = 5 à 10 lignes max sinon ===> Passez à l’édito pour qu’on vous comprenne mieux.

  12. Aza atao tsinontsinona ny fifidianan depiote sao variana @filoham-pirenena fotsiny. Ry zalahy mody manao oe independant fa pro rajoelina daolo iany no betsak. aoka ho mailo fa mpanogam-panjakana no adversaire atreto.
    Mila ampifantarina vahoaka tsar izay olon tokony fidian. Ra foza no betsak ao Tsimbazaza ao d hisy indray ny krizy vaovao an.

  13. Ary itony ve ry RIRAMA azo hamaivanina ?
    Mitandrema mafy ianareo milatsaka ho fidiana, fa hatramin’izay dia « TSARA FANAHY » foana ny Gasy « Mpivavaka », ka tsy mba mba nitondra fiahiana firy mikasika ireo olona ireo.Anefa DIA IREO NO TENA OLONA RATSY SAINA MIHITSY

  14. Tena marina mihintsy ny voalazanao :

    Rasoa dit :
    30 novembre 2013 à 1 h 12 min

    Aza atao tsinontsinona ny fifidianan depiote sao variana @filoham-pirenena fotsiny. Ry zalahy mody manao oe independant fa pro rajoelina daolo iany no betsak. aoka ho mailo fa mpanogam-panjakana no adversaire atreto.
    Mila ampifantarina vahoaka tsar izay olon tokony fidian. Ra foza no betsak ao Tsimbazaza ao d hisy indray ny krizy vaovao an.

    >>> Samia mailo !!! ary hamafisiko etoana fa tokony tsy maintsy misy  » DELEGUES  » à 100% ny birom-pifidianana manerana an’i Madagasikara fa tsy 60% toy ny t@ 1er Tour.

  15. Législatives : Felix Randriamandimbisoa face à Rossy
    29/11/2013 à 11:01 10 commentaires

    Paul Bert Rahasimanana, dit Rossy, candidat de Andry Rajoelina aux Législatives disputera le siège du IVe Arrondissement contre Felix Randriamandimbisoa du Magro pour la mouvance Ravalomanana. Plus confiant que jamais, Rossy indique que la victoire est à portée de main.

    Législatives : Felix Randriamandimbisoa face à Rossy
    29/11/2013 à 11:01 10 commentaires

    Paul Bert Rahasimanana, dit Rossy, candidat de Andry Rajoelina aux Législatives disputera le siège du IVe Arrondissement contre Felix Randriamandimbisoa du Magro pour la mouvance Ravalomanana. Plus confiant que jamais, Rossy indique que la victoire est à portée de main.

    Ity izany ilay woe: dia maninona anialahy izaho raha milatsaka
    dia maninona anialahy ny voloko raha mipasaka
    dia maninona anialahy na fotsy na mainty na menamena
    dia maninona anialahy fa ao ireo mpijery anahy hifidy anahy tsy terena
    dia minona anialahy fa hitsapa vintana aloha aminy ala-bato
    dia maninona anialahy fa ny marina mitavozavoza lasainay ato ato
    dia maninona anialahy raha tsy tay atody
    dia maninona anialahy rehefa tsy lany, ahoana moa ny toniny manaraka izay.

  16. Très juste RIRAMA

    ne pas monopoliser les efforts sur l’élection présidentielle( malgré son importance extrême)

    Le président élu aura besoin d’appuis pour mener à bien ses projets.

    Néanmoins une Assemblée constituée de FOZA déguisés ou caméléonisés serait UNE FORCE DE NUISANCE épouvantable…

    Voilà pourquoi je suis très heureuse que ME Hanitra se présente , la présence de personne habituée au prétoire , formée à être bon orateur (profession d’avocat) ne serait qu’un avantage.

    Robespierre l’était , Robert Badinter idem (que j’admire profondément)

  17. @ forumiste gros:
    asa alou
    fa nandeha an-tongotra niditra avy tato Andavamamba ho any Anosibe
    ny kartié Tsenan’Anosibe moa izany mbola anisan’ny IVè arrondissement raha tsy diso aho

    ==> aty atsinanana:
    milay be tena manintona ny sofina ny feon’ilay olona manao propagande nb: camion misy sary JLR
    sao dia mba INY teo fa tsy voajeriko ity candidat atao hoe : « Felix Randriamandimbisoa »
    raha toa ka iny nandalovako teny anosibe vao teo iny dia: LANY maharesy é! Mila tsara feo sy mafana ihany koa ny miteny anaty audio kah!!

    (tsisy ROSSY handresy zany eo. Na Andavamamba aza efa niova ho tsara t@ nandalovan’i dada8)

  18. tsy manavaka aho
    maro aza ny gadona milamina hiran’i Rossy tiako tokoa
    f’ilay toe-tsaina toa extremiste

    asa izay mba fiainan’iny ao Frantsa ao?…

    nôfa be zany artiste nefa tsy milamin-tsaina izany!

  19. HoAiza dit :
    30 novembre 2013 à 12 h 09 min

    tsy manavaka aho
    maro aza ny gadona milamina hiran’i Rossy tiako tokoa
    f’ilay toe-tsaina toa extremiste

    asa izay mba fiainan’iny ao Frantsa ao?…

    nôfa be zany artiste nefa tsy milamin-tsaina izany!

    >>> Ny tsy mazava amiko dia hoe i Rossy vê mipetraka any Frantsa nefa afaka milatsaka depiote any Madagasikara ? tsy mitovy @ ny prrésidentiel angaha ny lalàna ?

    *** Tsy haiko loatra aloha ny momba an’io ê !

  20. Aza matahotra ianao ry HoAiza fa RaFélix aloha, dia nahavita be mihintsy tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana !

    Eo Tsarafaritra ny fonenany, ary mahafantatra ny zavatra nataony ny vahoaka eny amin’iny IVème ardt iny ! Anisan’ny solombavam-bahoaka nahavita be io olona io, ary koa tsy dia ireny karazan’olona nivelona tamin’ny vola azony tamin’ny maha solombavam-bahoaka ny tenany, na koa nanararaotra ny toerana nisy azy.
    Mpandraharaha ny tenany !

    Ny vahoakan’ny Tsarafaritra, Tsimbazaza, Soanierana ets.. no niaro an-dry zareo, rehefa nanenjik’azy sy ny fianakaviany i domelina sy ny tariny !

    Ny saingy nampalahelo dia nisy fotoana, saika voatariky ny sasany ho any amin’ny lalana tsy tokony ho aleha i ngama ! Manantena aho fa efa niova i ngama, ary raha misy ihany aloha no tokony ho tohanana dia izy !
    Mpinamana be izy sy ilay VOATERY NATAO NIMERAO FAHAROA AO AMIN’NY 1er ardt ! Naninona ilay io no nanaiky ho tsindrian’ity poids lourd be ity, kanefa izy no tompon-toerana ?? Ho fisaka dia fisaka ao !

    Farany, dia « ho volam-bahoaka » lanilanianam-poana aloha ny an’ilay mpihira « mpanavakavaka », rahatoa ka hifaninan’amin-dRaFélix ê !

  21. efa nijanona mihoatra ny enim-bolana i tapolakaGilady angamba…

    tsy hitahita teto dago io talohan’ny 2009 ê! reportage iray izay no sendra hitako milaza fa manao spécialisation @ gadona (asa inona fa izy moa dia rasta) + accordéon izy, ANY…

    gaga ny tena mbola tsy miova passeport ilay chef de bande andranomanalina nirahan’i amiral rouge ilay t@ 2002 teny Anosy: MITONDRA BASY niaraka t@ Pierrot fony vao tafaverina tany Toamasina…

    _________

    MARINA LOATRA ==> « Inona moa no maha-samihafa ny fisainan’i Rossy sy TGV ??? »

  22. Resaka hira. Anisan’ny mba mpihaino ny hiran’i Njakatiana ny tenako, fa dia efa any amin’ny zaoridira daholo izao ny cd-n’i lery mba novidiako ! Tsy olana mihintsy izany !
    Aleoka tsy mihaino, ary soa ihany fa mbola misy mpanan-kanto tsy namadika ny vahoaka malagasy toa an’ i Bodo !

  23. Misaotra mizarazara vao2

    izy itony « VOATERY NATAO NIMERAO FAHAROA AO AMIN’NY 1er ardt »
    (sao dia ilay hitako kolera mauve – tery @ AllianceF.
    Taty aorianan’ny camion mouvance Ravalomanana & candidat n°6 manao polo manga?)

    Ety @ faritra misy anay: 5 be izao no candidat atolotry ny mouvance – 2 no laniana ho députés
    (sao de mba hizarazara ao ny vato, ka lasa MAMPANDANY ny hafa???)

  24. Fa dia inona loatra no nahatofoka anao t@ Njakatiana? hihihi

    nisy fotoana nahazo succès be leiry

    anefa toa manao vernis-à-ongle: pd ve iny sa tsia?

    Ny ahy nanomboka tsy niraika taminy fony nanao accoutrement Michael Jackson indray mande iry
    Taty aoriana indray rehefa mandinika ny clip-ny, toa tsy maontina ireto gasy vavy ampananovina chorégraph

  25. Tsy azo atakalo vola ny fitiavan-tanindrazana ! Tokony ho fantatrao !

    « Ety @ faritra anay : 5 be izao no candidat atolotry ny mouvance – 2 no laniana ho députés » !

    Dia ampiako hoe, any amin’ny toeran-kafa « O candidat » no avy ao amin’ny mouvance !

    Iza no tompon’andraikitra ?

    Ny fantatro, dia OLONA IRAY no tena « tompon’andraikitra tamin’ny fanaovana sivana » an’izay mendrika ho candidat » !

    Ato ny vokany ! Firy ny isan’ny candidats avy ao amin’ny Mouvance Ravalomanana, Zanak’i Dada sy Avana, izay voatery nampiana an’ireo GTT ?

    Anisan’ny tena nitolona sy nanampy ny GTT !

    Izaho manokana dia anisan’ny manohana mafy ireo GTT, indrindra moa fa i Manoela sy i Doda Rakotonirina izay nirotsaka ao amin’ny IIIème arrdt !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,813372,p

  26. hazavaiko kely alohan’ny hanoizana ny resaka: tsy dia oe atolotry ny mouvance, fa misoratra HO anisan’ny anaty mouvance (ohatra: MFM, sns)

  27. eken’ô: « anisan’ny tena nitolona sy nanampy ny GTT »

    ouf ouf I am not able to follow your pace, km!

    time for me to gather info elsewhere!
    i gona go to:
    – site TIM

  28. 2009 Coup d’Etat : natsangana ny GTT, fa dia nisy foana ny olona fôpla ary dia fantatrao ny tohiny. Tsy niafina intsony ireo mpamadika, fa ny tena tia tanindrazana nanohy ny asany hatrany ary tsy nisorona !
    Izay ilay hoe « anisan’ny tena nitolona ary nanampy ny GTT » !
    Tohanan’ny GTT ary nalaina ho kandidà izay tena mendrika, nampiseho fitiavan-tanindrazana fa tsy manao sinema, ary koa tsy mba nivadi-dela sy be resaka, mba tsy hilazàna hoe mpamahan-dalitra !

    Olona tsy hanaiky lembenana sy azo hitokisana no ilaina ; olona vonona hiaro ny zoan’ireo nifidy azy, fa tsy olona tonga dia hisapaoritra sy tsy menatra ny hiara-hisaosy fotsiny !

  29. Miala tsiny, raha manao critique, ilaina moa: nisy fotoana ihany koa – asa ireo angamba ilay mpamadika isany, tany amboalohany fa efa mamerina moa, nisy filazana avy taminareo ho FANANGONANA ny cv an’ny tsirairay

    (asa raha tadidinao fa nanaovan’i Menalamba remarque teto izany!)

  30. Tsara ho fantatrao ary averina eto ry HoAiza, fa i Manoela dia anisan’ireo voahilikilika, na dia anisan’ireo tena mendrika alohan’ireo miseho ho tena mendrika ireo !

    Ny ankamaroan’ireo kandidà ireo dia be vola daholo, ary Ingahy Manoela dia tsy anisany, ary izany angamba ny antaon’ny fanilikiliana ! Aoka ho fantatry ny rehetra izany !

    Mendrika an’i Manoela ve izany fanilikiliana izany, ary soa ihany fa mbola teo i Manoela fa raha tsy izany, dia efa ela no maty io Magro io SATRIA MISIMISY IHANY IREO NANIRY AN’IZANY TAO ANATIN’NY MOVANSA !

    Izy no mpiambina sy nitsoka ny afom-panantenana nandritr’izay dimy taona izay !

    Mendrik’izy, ary tena mendrika ! Mila ny fanohanan’ny rehetra, ary aparitao eny amin’ny boriborintany faha dimy izany !

  31. Tsy maintsy mandresy :

    oui mais :

    en se donnant implacablement les MOYENS RIGOUREUSEMENT PRAGMATIQUES ….
    ….pour y parvenir.

    Pas de no man’s land au sud ny à Sainte Marie….
    N’en faisons pas des bastions d’opposition pour plus tard.

  32. sady manja lahotra ange Sainte Marie éé!

    Ataoko fa mety mahita TIM ex-syllasien…

    Anjara ny TIM mitady…namana taloha sy taona fahagola.

    Sarotra ho hany Yvette (foza vavy kely) mirotsaka rery any !
    Tsy hitako izay ho tarihany….

    IMBIKY ratsirakista ve ???

    hoatra : tsapaho ny gérante ny hotel « emilienne »…pro sylla TIM taloha…

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *