ANTSIRABE I : MANGATAKA NY HANAOVANA NY CONFRONTATION HAINGANA NY KANDIDA MICHEL AVY AMIN’ NY MOVANSA RAVALOMANANA

scrutins-04i (1)

scrutins-04i (1)Nitondra fanazavana sy porofo mahakasika ny hosoka sy ny halabato nataon’ny ekipan-dRajoelina tany Antsirabe I tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny kandida Michel sy ny ekipany, izay natolotry ny movansy Ravalomanana tao Antsirabe voalohany. Teny amin’ny QGn’ny movansa teny amin’ny Magro Behoririka no nanatanterahan’izy ireo izany androany Alakamisy 26 desambra.Nambaran’izy ireo tamin’izany fa nandresy tamin’ny isambato 27,41% ny kandida Michel laharana faha 25 avy amin’ny movansa Ravalomanana ary 25,15% kosa ny an’ny kandida Razanakolona Paul laharana faha 5.Io no voka-pifidianana azo ary nambara tamin’ny radio hoy izy ireo hatramin’ny Alahady teo. Nitsibadika indray anefa izany nanomboka ny Alatsinainy ka ny vato azon’ny kandida Michel lasa 28,82%.  Nanolona izany hoy ny kandida Michel dia nanatona ny SRMV izahay nanao ny verification ary rehefa nampitahaina ny voka-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana sy ny PV tany amin’ireo kandida rehetra nifaninana dia hita fa mitombina ny voalazanay fa nandresy ny kandida Michel natolotry ny movansa Ravalomanana.Ahitana fokontany 60 ny tao Antsirabe I ka ny 9 tamin’ireo no tena nahitana ny hosoka. Ny tao amin’ny biraom-pifidianana Epp Ambalavato hoy izy  ireo dia ny vato azon’ny kandida Michel tao amin’ny biraom-pifidianana dia 203 ary ny kandia Paul Razanakolona 64.  Ny voka-pifidianana tany amin’ny SRMV anefa dia toy izao ny kandida Michel 103, ary ny kandida Paul 164. Tao amin’ny Epp Abohijafy ihany koa dia nahitana izay hosoka izay, ka ny kandida Michel 180, ny kandida Paul 99. Ny vokatra tao amin’ny SRMV kosa dia nosisihana 1 ny vaton’ny kandida Paulka lasa 199. Tao amin’ny SRMV hoy izy ireo no fototry ny halabato tamin’ny fifidianana. Manoloana izany dia mangataka sy manaitra ny sain’ny mpitondra ao Antsirabe I izahay hoy izy ireo hanao ny « confrontation » faran »izay haingana eo amin’ny movansa Ravalomanana sy ny SRMV mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy eo amin’ny mpifidy tany an-toerana .

8 pensées sur “ANTSIRABE I : MANGATAKA NY HANAOVANA NY CONFRONTATION HAINGANA NY KANDIDA MICHEL AVY AMIN’ NY MOVANSA RAVALOMANANA”

  1. Ireto misy ohatra, efa napetraka fa mbola hapetraka ihany satria misy foana ny tsy mahita.

    – Distrika MarovoayNisy nanodinkodina ny PV ?http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11933&idcat=6
    – Boriborintany faharoa: Nisy taratasy fotsy tsotra tao anaty vata mangaraharahttp://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11930&idcat=6
    – Antsiranana I Fôpla ny kara-pifidianana, “mersenera” ny mpifidyhttp://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11928&idcat=6
    – Nanjaka ny hala-bato: Nivondrona ireo kandidà depiote ary nitoryhttp://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11931&idcat=2
    – Toamasina : des électeurs transportés en bus dans plusieurs bureaux de votehttp://www.tananews.com/asides/toamasina-des-electeurs-transportes-en-bus-dans-plusieurs-bureaux-de-vote/
    – Législatives : 23 candidats sur 24 contestent les résultats dans l’Anosyhttp://www.tananews.com/asides/legislatives-23-candidats-sur-24-contestent-les-resultats-dans-lanosy/
    – Fifidianana depioteNibaribary ny hala-bato tao Antsirabe
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11962&idcat=6
    – Hala-bato tany MananjaryVonona hijoro vavolombelona hatramin’ny farany i Fidelis
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11959&idcat=6
    – MorombeKandidàm-panjakana, «favori» amin’ny hala-bato
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11952&idcat=6
    – Fifidianana tao TolagnaroKandidà depiote 22 amin’ny 24 mangataka ny fanafoanana valim-pifidianana
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11958&idcat=2
    MIANTSO IREO IZAY MANANA POROFO MAZAVA @ HALA-BATO NATAON’NY MPIFANINANA AMINY I DR JEAN-LOUIS ROBINSON, MBAA TSY HISALASALA HIANTSO NY LAHARANA MAINTSO 033 33 303 33.

  2. Zaho aloha tsy dia nankasitraka ny fomba nitondran’i Michel ny propagandy. Député Antsirabe ville ve ianao dia any antanimbary miaraka @ olona telo hono no manao propagandy. LOL. @’izay zara raha mitsitapitapy ny propagandy. Tokony mba misy enquête mikasika ny moralité nataon’i dada alohan’ny hisafidianany olona atolotra fa tsy zao olona rehetra izao. Misy tranga tahak’izao koa any amin’ny toeran-kafa. Mifidy tsy sazoka ny olona satria io ilay natolotra. Tahak’izay ihany anie no niadohan’ny Rakotoarivelo e! Mora mamadika. Olona honnête sy mamy hoditra eo @ tanàna , ary tena nitolona no tsara. Na izany na tsy izany tokony maromaro ny manao toy izao eran’ny faritra itrangan’ny hosoka dia farany généraliseée ny fitakiana. Ny marina no aoka hiseho.

  3. Tsy mahafapo ny tena vokatra teto Antsirabe satria tsy dia matotra ny propagandy. Ambohibary indray ve no be mpakafy Ravalo noho i Antsirabe. Toa tsy mampino nefa marina.

  4. Tsy msy azo ahatokisana intsony oah
    za koa dia nahita ny tsy fietezan’iny fanolorana olona iny mihintsy ary ireny koa dia
    nanome vahana ny FANGALARAm-BATO daholo ireny , tsy haiko hoe iza indray no tena
    namahan-dalitra t@’ireny????
    Maro koa ireo mpitolona tena nitolona voahilika, ny olona mpanoana tena manohana @ fo MAHITSY
    an’i dokotera izany voahilika daholo,amiko tena tsy nety ireny, tokony nalefa nifidy malalaka ny olona.

  5. Tsy any intsony ngamb ny resaka ry Tovo. Misaotra ain le fanamarihana.
    Tena reo SRMV ireo no fototry ny fangalaram-bato ary marina ireo voalaza ireo. Tokony aroso ny procédure mankany amin’ny CES.
    Olon ohatra razanakolona ve no hisolo tena ny vahoaka. Jereo ne ny tranona Chef de Distrika nataony eo andranomanelatra e de gaga elah. Tena kitoatoan’olona mihitsy

  6. Tsika samy mahalala reny olona ao @ SRMV reny,satria fanetry be ny firenena de mila andraisana fepetra farany izay aingana ny taranak’olona takireny,ary tsika raha andefitra lava eto d otrizay 5ans zay iany mahazo antsika eto tsisy miaino,tsis mjer

  7. iZAO VE ILAY LAZAIN’NY COMMUNAUTEINTERNATIONALEHOE:LIBRE, DEMOCRATIQUE ET ACCEPTEE PAR TOUS。。。? PAUVRE DE SENEGALAISE.

    SITUATION POSTELECTORALE :
    les contestations autour de la présidentielle et des législatives du 20 décembre prennent de l’ampleur en régions. Une vingtaine de candidats vont déposer une plainte pour demander l’annulation du scrutin à Taolagnaro. A Marovoay, 11 urnes remplies de bulletins non numérotés et pré cochés auraient été découvertes. A Morondava, une manifestation dirigée par une dizaine de candidats aux législatives a eu lieu pour dénoncer selon eux les fraudes effectuées par le MAPAR. à Morombe, 12 candidats députés demandent l’annulation du scrutin, tandis qu’à Tuléar, un collectif de candidats députés évoquent l’existence de bulletins cochés au feutre en faveur d’un candidat et des achats de voix.
    http://www.orange.mg/actualite/depeches

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *