Boriborintany I : resy lahatra amin’ny Me Hanitra sy Robinson ny eny ambany tanàna

MeResy lahatra. Hanohana ny Me Razafimanantsoa Hanitra sy ny kandidà Robinson ny Fikambanan’ny tanora liam-pivoarana eny ambany tanana (FTLA), tarihin’i Dera. « Manohana anareo sy ny kandidà ho filoham-pirenena, Robinson, izahay ary tsy mitaky tambiny », hoy izy ireo ny asabotsy teo, tetsy Anatihazo Isotry. Navoitran’ny kandidà laharana faha-6 tamin’ny lahateniny ny fahavononany hitondra ny hetahetam-bahoaka. « Nesoriko ny akanjo maha mpisolovava ahy fa hisalotra ny maha mpisolo vava ny vahoaka aho izao… Miara-miasa isika manomboka izao ary tsy hanaiky ny tsy rariny sy ny kobaka am-bava. Misokatra ny varavarana ka vonona ny hihaino anareo izahay. Fitia mivaly fitia ny antsika… », hoy izy. Hanomboka anio, miaraka amin’ny angady sy harona ny hetsika « Fifaninanana fahadiovana », iarahana amin’ny Me Hanitra sy ireo eny ambany tanàna. Mitohy koa ny hetsika ho an’ny tanora iarahana amin’ny Me Hanitra. Nomena loka ireo mpandresy tamin’ny lalao tsipy kanetibe raha mbola an-dalana kosa ny fifaninanana « Tournoi Me Hanitra » eo amin’ny basket ball.

1 réflexion sur « Boriborintany I : resy lahatra amin’ny Me Hanitra sy Robinson ny eny ambany tanàna »

  1. Ary hay ve zao no tena dikan’ilay hoe FOZA e! FOZA = FOrongon »ny ZAnak’i dada e! Ary nandrora mitsilany zany ireto Magro ireto nandritra ny 5 taona an!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *