FARADOBOKA TAO ANTSONJOMBE : FAHOMBIAZANA TANTERAKA

2013-12-18 ROBISON au COLISEUM ANTSONJOMBE-25

2013-12-18 ROBISON au COLISEUM ANTSONJOMBE-55Fahombiazana tanteraka ny faradoboka nataon’ny kandidà filohampirenena Dr Robinson teny amin’ny kianja Antsonjombe androany, nangoropotsy ny vahoaka, tonga nanotrona azy avokoa ny akamaroan’ireo kandidà tsy nahomby tamin’ny fihodinana voalohany izay miisa roapolo mahery.Hita teny ry Lahiniriko Jean, Sarah Georget, Rabetsaroana Sylvain, Rajemison Rakotomaharo, Clement Ravalison, Ratrema William sns… Maro ihany ny koa ny mpitarika politika manohana an’ny Dokotera nanotrona azy toa an-dry Manandafy Rakotoniriana, Rabetsitonta Tovonanahary, Satrobory, Mahafaritsy Samuel, sns… Fa  niavaka ihany koa ny fandraisan’ny vahoakan’Antananarivo an’i Neny Lalao Ravalomanana. Toy ny mahazatra moa dia ny filoha Ravalomanana no namarana ny kabary tamin’ny fidirana mivantana tamin’ny alalan’ny video conference. Tsy nila artista malaza be dia be, tsy nila dokambarotra mipoapoaka fa naneho ny heviny ny mponin’Antananarivo androany.

69 pensées sur “FARADOBOKA TAO ANTSONJOMBE : FAHOMBIAZANA TANTERAKA”

  1. Hifarana tsy ho ela ny fanjakana jiolamboto nampitondra faisana ny vahoaka malagasy nandritran’izay dimy taona izay hay ve ka dia hoe: VENDRANA ny dikan’ilay hoe MAPAR @ teny zoulou izay vao mba nilaza ny marina ilay domelina nandritran’ny dimy taona .
    Na izany aza tokony tsy ho variana ny vahoaka ary hifidy mba ho mazava tsy azo kihanina ny fandresena mba handevenana im-pito mandifitr’olona ireo jiolahy mpangalatra fitondrana ireo.

  2. En cette veille du 20 décembre ,

    Mesdames et messieurs :FELICITATIONS ,

    felicitations particulières à Lalao Ravalomanana qui a déployé autant d’énergie que JLR pendant la durée de cette campagne

    Mille fois merci pour toute votre implication, et dévouement pour la libération du pays…

    Il serait souhaitable que nos avis puissent être exprimés par la suite

    Sur ce site ou par un autre moyen

    Car il ne suffit pas de gagner des élections

    ==> Votre tâche est de créer un VERITABLE GOUVERNEMENT DE SALUT PUBLIC

    ==> ce sera très lourd et difficile

    ==> des conseils désintéressés de partisans vous seront toujours utiles
    RESTEZ A L’ECOUTE DE LA BASE !!!!!!!!!!
    sentinelles de vigilance
    CLIGNOTANTS POLITIQUES …

    ==> même certains de vos proches collaborateurs peuvent décevoir ou être tentés par le gain facile une fois au pouvoir

    ===============> après l’AUDIT prendre à chaud toutes mesures rectificatives
    ===============> battre le fer tant qu’il est chaud
    ===============> SANS JAMAIS NEGLIGER LES POURSUITES PENALES à l’égard
    des corrupteurs, des prévaricateurs, des prises illégales d’intêret
    s’agissant de FAUTES PENALES PERSONNELLES !!!
    ===============> à peine de VOUS DISCREDITER au yeux de l’opinion publique
    (le peuple dirait alors « tous pourris », tous pareils »)
    ===============> DECLARER NUL ET NON AVENU LA IV° REPUBLIQUE
    Un gouvernement transitoire a juste le droit d’assurer la
    continuité de l’ETAT:
    toutes dispositions prises au dela n’a aucune consistance juridique
    ===============> passer au crible tous les rouages de l’Etat
    (ARMEE et JUSTICE en premiers)
    ===============> REVISER TOUS LES CONTRATS STIPULES PAR L’ETAT
    pendant la période douteuse de Rajoerlina

    Installer une REPUBLIQUE VRAIMENT DEMOCRATIQUE…seul garant de PERENNITE ECHAPPANT AUX ROTAZKAS
    Les rotakas expriment un ras le bol destructif…pour des avenirs toujours aventureux et misérables in fine !!!!!!

    et EXEMPLAIRE même dans les affaires :
    * faire attention à la création de position monopolistique
    * démanteler les positions dominantes et les TRUSTS DE FAIT
    (ex Fraise à Tana ou De Haulme dans le sud)
    * soutenir les hommes d’azffaires malgaches
    * faciliter la CREATION D’AFFAIRE PAR DES NATIONAUX,
    de nationalité malgache quelque soit son origine,
    (ex octroi de financement facilité à partir d’un projet ficelé
    et système de cautionnement égaux pour tous,
    ou application des règles de concurrence non pipées!ex code des marchés )

    ==> les sabotages seront nombreux ,
    et LE POUVOIR DE NUISANCE , des Rajoelina/Rzatsirahonanza/Ratsiraka surtout ,
    doit être DECELE ET COMBATU AVEC RAGE ,
    sans aucune naïveté, SANS AUCUNE FAIBLESSE

    BON COURAGE messieurs les futurs gouvernants et mon souhait le plus cher :

    votre CAPACITE à former une démocratie pérenne pour une société enfin apaisée…
    …qui ne pensera plus aux rotakas , yo yo économique et politique .

    PENSEZ AU PEUPLE : IL VOUS LE RENDRA
    N’oubliez pas les intêrets du peuple qui vous a porté au pouvoir par les urnes …
    Si vous n’améliorez pas les conditions de vie ,le peuple vous le rendra en ROTAKA !
    Si les différences de niveau de vie ne sont pas réduites …n’excluez pas le ROTAKA

    AUTOCRATIE = DANGER ( BOMBE SOCIALE PERMANENTE)

    Les affaires sont les affaires , la politique en est une autre :
    REFUSER L’AMALGAME du type africain (Bongo ou Sassou Nguesso)

    plus jamais ça !!!!!!!!!

    Le peuple a besoin d’un guide républicain et non d’un roi élu…

  3. Je m’exprime avec conviction et passion …

    parfois très long : excusez moi

    JLR : TOUS MES VOEUX DE REUSSITE vous accompagnent très sincèrement

    j’ai envie que vous réussissiez votre MISSION DIFFICILE

    Merci encore d’avoir relevé le défi…

  4. Fanina mihitsy ato FERY VAOVAO fa tifitifiriny ROBINSON ny zavtra marina ratsy nataonireto troupe ny ry Rajoelina ireto.Lazainy i FERY VAOVAO fa tsy nisy hono ny fanonganam-panjakàna fa NY PREZIDA RAVALOMANANA no nampiala ny tenany, ao koa ny mombany i bianco, ny fitsarana, ny fandriampahalemana izay tena mampalahelo mihitsy fa tsy misy intsony.

  5. Vifs et sincères remerciements ç GBD ,qui a su expliciter ce à quoi d’autres pensent et n’arrivent pas à exprimer..
    Je m’associe de tout cœur , de toute intelligence avec tout ce ce que vous avez dit.
    Merci encore..
    Que DIEU Nous guide en toute circonstance !

  6. Vendrana daholo izany ny olona rehetra tsy nahita an’izany fanonganam-panjakàna izany !
    Mila mailo fa rahatoa ka ireny no lazainy fa tsy fanonganam-panjakàna, mety hahavita zavatra ratsy noho ireny izany ny foza !

    1) TSY MENDRIKA OMENA ANDRAIKITRA SY ATAO HOE MANAM-PAHEFANA IZANY IO FERY VAO IO !

    Nahoana no androany 18 DECEMBRE vao naka décision ny CES, nanafoana an’ilay décret navoaka tamin’ny 6 août teo ?

    Vita ny campagne, VITA NY FANAOVANA KILALAKA SNS…. vao mody miteny hoe tsy mety sy tsy tokony natao ??? Inona ny antony ??

    Asa aloha, fa amiko dia izao no fandehany :

    2) Amboary ny valizinareo ry foza, fa tsy hanaiky an’io olona io na anareo mianakavy, hitondra firenena izany hoy aho ny vondrona iraisam-pirenena !

    Vita ny an’ny foza, fa na dia izany aza avelao hizotra ny fifidianana, ary atao milay ny vokany !
    Avy eo manao recours ny rehetra MANAFOANA NY FIROTSAHAN’ILAY FERY VAO, IZAY TOHANAN’ILAY DOMELINA SY IRETO MAPARA ( teny zoulou ) ireto !

    Bye bye ry procambarus, fa ny anay aloha dia mba hanana tsirony amin’izay ny langosta amin’ity taona ity !

    Langoustes, langoustines, homards, tourteaux, gambas na camarons, huîtres, palourdes, bigorneaux, bulots,etc.. tena ho ataonay majifa amin’izay ! Tsy raharahinay inona izay lokon’ny crrrrrrrrabes sy crrrrrrrevettes rehefa masaka !

    Efa efa-taona no niandry sy vonona ny Gewurt sy Sylvany ary ny Champany !!

  7. Antsonjombe + débats face à face : nivoaka nandresy foana ny antsika.
    Miaro ny délégués ambanivolo tsy hovoavidin’ny putchistes sisa.

  8. Mazava ny zavatra rehetra na ny zava-nitranga teny @ Collesium na ny débat tao @ TVM ny hariva teo. Mazava fa dia filohampirenena izany ny Dr Jean Louis ROBINSON. Tsy misy hiadiana hevitra intsony fa dia miharihary sahala @ masoandro be lohataona fa hivoaka mpandresy ny kandidantsika.

    Izao anefa , aleo mailo hatrany. Tongava mifidy daholo ary ataovy alohaloha na maraindraina sao dia misy empêchement tampoka raha miandry ny après midi, orana mikija ohatra.Aleo rahampitso jeudi dia ataovy vonona @ toerana iray daholo ny CIN sy ny karampifidianana.

    Na mazava aza ny fandresentsika dia aleo ihany vigilants hatrany isika.

    Ny hariva dia aleo assurer tsara ny dépouillement sy ny fanisambato.

    Tsara asiana rendez vous eny @ Magro ny samedi. Ny matinée no tsara fa henjana be ny orambaratra ny après Midi. Manomboka @ 9h00 dia mirava @ 14h00 no tsara kanefa ny tompon’Andraikitra no tena mahita izay tokony hatao ny @ izany.

    Ny farany dia aza adino ny mitondra ambavaka ny firenena fa ny vavaky ny maro no mahery indrindra. Raha mazoto isika demain @ 9 ora halina dia ndao samy hivavaka any antrano na any @ izay misy antsika isika mba ho an’ny firenena.

    Mahereza tompoko.

  9. Aiza zany dėbat zany fa zay tsy mahita?tena manaintaina be le sipa an!
    tampina ny dômy e!mankasitraka ry vahoaka tonga saina!homba antsika Andriamanitra e!
    tsy maintsy mandresy ny tolona! ny marina marina ihany !
    Hisaorana manokana i Neny fa raha tsy teo izy tsy ho tonga t@’izao isika! bisous be Neny a!

  10. Tany masina io oah!!!tsy maintsy avotan’Andriamanitra .
    Faly aho tena faly !!!tsy maintsy ho avotra i Madagasikara malalantsika!!
    Ampy izay!!!tofoka sy lao FOZA ny vahoaka.
     » aza hadino ny mifidy « ??? ilay caratra hifidianana mihinsy anie no tsy am-pelan-tanana e!!!
    Maro ny bola tsy nahazo fa mba fialana bala fotsiny ny nanampiana azy teo fa toa foza fotsiny
    no nateveniny,isika nefy sy kivy fa MAHARESY NO ANTSIKA.


  11. « Nahoana no androany 18 DECEMBRE vao naka décision ny CES, … »

    valiny: satria nanantena ilay « manaiky matoa tsy miteny », fa dia misaotra hatrany anareo gtt mijoro amin’ny tanjaka (imperturbable)mampandala ny ARA-DALANA

    ho an’i gbd: t@ izaho niaina lavitra tany ivelany taloha, dia kely foana fa naniry mafy ho DROIT ny fianarana nidirako, tellement de ce côté c’était de la pourriture désolant frustrant du temps de Ratsiraka (intimidation, népotisme, corruption, communisme, …)

    _________

    Na dia tsy mbola vita aza ny raharaha,
    dia misaotra antsika rehetra mandray anjara eto

    Hatreto dia efa ilay CONVICTION ny manentana ny haingam-panahin’ny olona:
    miainga avy amin’ireo mpivarotra ambulant na amoron-dalana
    – ilay teny Analakely, sady mihazakazaka ilay ramatoa miloloa glace anaty koveta, no misy ilay fanion sary ra8 mivady
    – nony tonga ety @ tanana, mihoraka ny olona toa miara-paly amin’ireto anaty fiara avy teny antsonjombe

    tonga @ teny hoe « nanantena hanilika vao maika mampivandra »

    (nisy niaino débat ihany koa ny tato an-trano; misy afaka manolotra eto ve?)

  12. Faly aho,tena faly.
    Misaotra betsaka anareo candidat sy mpanao politika tonga nanotrona teny ary tsy menatra fa sahy nijoro maneo fa tsy rariny intsony ity zava-misy eto @firenen-tsika ity ary hanoatra ity fanjakana MPAMITA-BAHOAKA ITY ikoizana ity

  13. Enga anie ka t@ nahim-ponareo no nandeananareo teny fa tsy ambadika politika na koa fitadiavan-tseza,Mahereza ry malagasy kely sisa,dia iala @zao krizy nampitondray ny iraky satana teto isika,ary mitandrema @lay MPAMINANY SANDOKA INY

  14. Ty misy vavaka ataovy rariva @70dia rampitso aloha ny andeananao hifidy:
    Jehovah A/tray ô misaotra @famindram-ponao,ary mamelà ny helokay sy ireo mpitondra anay,ka raha iatrika fifidianana zahay vahoakanao dia apetray feno eo am-pelatananao izany…

  15. Efa fantatr’i lavanify fa ratsy laza ilay fiantsoana hoe TGV dia nosoloina Mapar,izay midika hoe Vendrana amin’ny teny Zoulou

    Ity tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe : Aza mba V ihany !

    Efa fantany tsara fa tsy hoe modiany tsy fantatra fa tsy tafa intsony ilay fiantsoana hoe TGV, kinanjo vao miha-vendrana ny nanoloany azy

  16. Ny firantay dia tena tsy faly amin’izao fotoana izao noho io fiakaran’i JLR io. Mampanantena rà mandriaka sahady ny sasany raha toa ka mody eto ny filoha Ra8.
    Aoka isika tsy hisy mihemotra amin’ny fampihorohoroana.
    Masina ny tanindrazana.

    http://www.gttsra.org

  17. Ataovy @fahamarinana foana fa tsy nisy fanjakana natanjaka mihoatra any Babylonina teto nefa tao anaty alina iray monja dia rava,tsy misy matahotra ny marina izany eto na atao PDS kolonely daholo ny eto @tanana.RAVA RAVA RAVA Rajoelina sy ny EKIPANY

  18. Hoan’ny malagasy rehetra liam-pivoarana, aoka isika tsy hanonofy hoe efa nadresy. Tsia dia tsia.Mila mitanaona olona aloha, dia avy eo mandeha mifidy, avy eo manara-maso ny vato nalatsaka @ fomba rehetra ary farany dia manome vaovao ny manodidina. Izay no adidy miandry antsika sy ny mivaingana indridra. Ny vavaka sns.. dia atao mangina any an-trano sy any am-po ary tsy variana @ izany koa anefa fa izao sady andro fety no andro fifidianana, tena fanararaotan’ny olon-dratsy.
    ny fangalaran’ny foza dia alohan’ny fifidianana, manomana ny vato sy ny birao izy ireo ary na inona na inona nitranga tao, zavatra hafa no mivoaka ao. Ny faharoa dia ny CENI-T izay mampiasa solosaina fangalaram-bato sady manova anarana no manova vato. Raha ireo no voa haram-so dia ho kenda ny foza tsy afaka hangala-bato.
    Hoa n’ireo mpanara-maso na délégué. Maro t@ izy ireo no nivadika rehefa nahazo tsolotra avy t@ naman-dry Fery vaovao, ka aoka isika ho maila tsy HIFANARA-MASO. Izay mba afaka, maka sarimihetsika, na telephona na camera dia alaivo sary ny ao @ biraom-pifidianana ahitana ny hoe iza avy no tao , ary indrindra, ilay valim-pifidianana soratana eo @ solairebe, dia tonga dia alaina film, ialy solaitra be, dia hamparitaka @ internet sy ny QG ny ankolafy Ravalomanana sy ny Avana…
    Tsy hoe vita eo anefa ny tolona fa rehefa mandry i Robinson dia eo no manomboka ny tena tolona……

  19. Ny tolona natao, dia tsy ny fanaisorana ny foza teo amin’io toerana nangalarina io ihany, fa ny famerenana an’izany hoe FRIENENA TAN-DALÀNA izany no tena tanjona, ary ny fiverenanan’ny fandriam-pahalemana !

    Manao resaka be ny frantsay ary mimenomenona fa mahatratra 17 % hono ry zareo no mitebiteby isan’andro, raha resaka « insécurité » no resahana !
    Mba inona moa ity insécurité lazainy ity ? Ny mpangaro-paosy ve sa ny mpamaky trano ??

    Fa rahatoa ka ry zareo izany no eo amin’ny toeran’ny vahoaka malagasy, dia mba inona no ho lazainy ?

    Zavatra betsaka no miandry an-tsika na dia lany eo aza ny Dr Robinson, ary eo vao ho tena mazana ny asa, SATRIA MIANKINA AMIN’IZAY ISAN’NY DEPIOTE AZON-TSIKA IHANY KOA IO !

    Fehiny :
    – Ny Dr Robinson dia ho lany Filoham-pirenena, satria ilay Fery vao izay efa lasa dridra, dia tsy tian’ny rehetra ; ireo izay mankafia maimbo ihany no mbola misisika ary tsy mahagaga intsony izany !
    – Mila depiote maro dia maro isika hanampy an’i Dr Robinson sy ny praiministra IZAY HO TENDREN-TSIKA, satria ireo no hitantana ny firenena SY HANARA-MASO AN’IRETO MPAHAY LALÀNA MISAHANA NY FITSARÀNA !!!!

    Tsy maintsy miasa sy manao ny asan’ireo, fa tsy azo avelavela fotsiny amin’izao ireo nahavita heloka be vava !!!

    Tsy hiverenako intsony ny fomba ahazoana depiote maro satria efa fantatry ny rehetra no tokony atao !!! MIFIDY SY MANARAKA TSARA NY FIFIDIANANA SY NY VOKAMPIFIDIANANA !

    TANDREMO FA TAFIDITRA AO ANATIN’NY ANDRO FETY NY FIKARAKARAN’NY CENIT VOKAMPIFIDIANANA, KA SAO LAHY OLONA DÔZIDÔZY NO HIKARAKARA AN’IZANY DIA TSY HANDEHA AMIN’IZAY LAONINY NY ASANY !! TSY HO HITA EO INDRAY IZAY HANJAVONAN’NY PV, SATRIA LASA NIREVIREVY NY MPIASA.

    TADIDINAREO ANGAMBA IRETO HOE PV NATORY INDRAY ALINA TEO ANTOKOTANIN’ILAY FIANARANA, TSY NISY MPIAMBINA AKORY. NY MAMPALAHELO DIA HOE TAO ANDRENIVOHITRA NO NITRANGA IZANY ZAVATRA IZANY !

    Mailo ary mailo atramin’ny farany !

  20. Ity misy zavatra toa tsy nisy nanao tamin’ny 1er tour.

    Izay vokampifidianana tao amin’ny birao iray, raha ny araky ny Lalàna, dia tsy maintsy apetraka na atao « peta-drindrina » eo ivelan’ny trano, ho hitan’izay rehetra nifidy tao amin’ilay birao !

    Izany aloha ny « fanaon’ny any amin’ny tany mazava sy tan-dalàna, fa ny « antsika » mba ahoana ?

    Asan’ny délégués ny manara-maso an’izany koa, sy « maka sary » izay vokampifidianana hita rehetra !

  21. Coucou DCR et KM sin’sisa

    je ne vends pas la peau de l’ours

    Mais en politique il est élémentaire d’ANTICIPER

    JLR a mis le doigt sur deux préoccupations premières :
    1) la lutte contre la corruption
    2) l’ASSAINISSEMENT DE LA JUSTICE , bourrée d’INSANITES par les foza
    La justice n’a plus la dignité qu’elle est censée avoir !

    Si je peux me permettre de suggérer :
    ====> nommer donc LALAO RAVALOMANANA en charge d’un ministère chargé de la COMMUNICATION….ajoutant le PLANNING FAMILIAL (la surpopulation , la non maitrise démographique est un sujet à le fois GRAVE ET DELICAT qui serait à la portée de Lalao !)
    Elle a la personnalité idoine pour savoir être proche de la population.
    Lors du gouvernement Ravalomanana la communication était le talon d’Achille
    IL EST IMPORTANT DE RESTER EN CONTACT , être à l’ECOUTE DE LA POPULATION.Que le peuple sache que l’ON GOUVERNE POUR LE BIEN ETRE DU PEUPLE
    Que le peuple n’ait pas seulement servi à être élu

    ===> deuxième problème ; l’ARMEE avec sa cohorte de factieux d’une par et d’affidés de Ratsiraka d’autre part
    Marc Ravalomanana a eu le défaut de caresser dans le sens des poils seulement les généraux…on a vu le résultat avec des Sarla Be qui ne comprernnent rien à la déontologie de l’armée…
    Je suggère que CAMILLE VITALpour mettre de l’ordre ,
    il militaire de carrière -> donc crédible
    de surcroit originaire du sud -> apaiserait et donnerait confiance au SUD de Madagascar toujours délaissé depuis la colonisation (sans projet socio économique réel ou viable)

    ====> l’armée doit être mise à contribution par des OBLIGATIONS CIVIQUES sur btout le territoire ( ex travaux de mise en valeur de territoires défavorisées , travaux d’adduction d’eaux ou creusement de opuis , travaux de voiries secondaires de zones inaccesssibles…)

    IL FAUT UN HOMME DE POIGNE pour gérer l’armée , reconnu et respectée par elle…

    ===> LUTTE CONTRE LA DEFORESTATION et politique non folklorique et démagogique (comme du temps de Tsiranana), mais une ACTION ECONOMIQUE REELLE doublée de communication +++

    ===> rappel enfin : l’EDUCATION PULBLIQUE GRATUITE ET DE QUALITE

    Conseils de partisan cher JLR !!!!!!!!!!

    Des besoins de BASE : quels sont les actions prioritaires? besoin basique d’investissement en management humain ?

    Pour la 5° république ne vous privez pas des conseils de Raymond Ranjeva…qui serait intéressant comme ministre des affaires étrangères et DRAINER les investissements étrangers avec Marc Ravalomananba

  22. zao aloha de foza tonga de tsoriko ary tsy menatra aho, kanefa ndehana zavatra hafa endasina ry ngahy Jean Louis oooo! raha ianao ngeh no ho lany eo mba ho président an’ireo foza ireo ihany ianao e!!! nefa mivavaka mafy aho mba tsy hisy izany.

  23. ALLO ALLO !!!!! ANTSO MAIKA DIA MAIKA !!!

    HIANGAVIANA IZAY AFAKA REHETRA, HANAMPY AN’ILAY MPITAZONA NY TAHIRIM-BOLA HIKARAKARÀNA IREO DELEGUES !

    TOA TSY HITA NY LAKILE KANEFA ANDROANY SY RAHAMPITSO NO TENA ILÀNA NY VOLA FA TSY AMIN’NY KRISIMASY SY TAOM-BAOVAO AKORY !!!

    TONGAVA MARO HITADY AN’ILAY LAKILE, FA SASA-MIANDRY NY DELEGUES REHETRA !! NY LALANA ITY SADY MBOLA LAVITRA ARY NY TOE-TRANDRO HIARAHA-MAHAFANTATRA !!!

    HO AN’ILAY MPITAHIRY VOLA, SANGY RATSY KOSA RAHATOA KA AFENINAO NY LAKILE Ê !!!!

  24. Izay mendrika dia mendrika, Président hitantana Firenena sy vahoaka mendrika no tadiavinay !
    Ny toerana hametrahana ny foza dia ho hitanay eo ihany !
    Ny fanontaniana mipetraka dia ho anisan’ny vahoaka mendrika sa tsia, ary ho biby ratsy tsy mihevitra afa-tsy ny hanimba zavatra sy ny tontolo iainana foana sa tsia ??

    Izany no anisan’ny fanontaniana apetraka amin’ny foza rehetra !

    Ireo rehetra izay nanao ratsy aloha, dia izahay vahoaka tsy hanaiky mihintsy na inona na inona promesses nataon’Ingahy Robinson taminareo !
    Tsy mendrika, ary manana fotom-pisainana tena ambany dia ambany ianareo na ireo lazainareo fa sefonareo ireo !!

    Miaramila hanavotra tanindrazana ve no mbola lazaina fa mpanongam-panjakàna ?

    Mba olona nandia fianarana sy mieritreritra va ianareo, satria aminareo dia olona tsy mendrika daholo izany ny olona toa an-dry De Gaulle, ary koa ireo miaramila maro be nanavotra an’i Lafrantsa !
    Raisoko ho ohatra i Lafrantsa satria ilay domelina nilaza fa De Gaulle malagasy !
    Tsy mahagaga moa fa rehefa V dia V hoy ny sasany !

    http://www.midi-madagascar.mg/politique/2013/12/19/affaire-fign-le-col-raymond-et-le-gp2-fikisy-lydie-sanctionnes-par-une-retraite-disciplinaire/

  25. http://www.midi-madagascar.mgpolitique/2013/12/19/neutralite-des-chefs-dinstitution-la-ces-annule-le-decret-scelerat/

    Iza avy moa ireo nanao sonia an’io lazaina fa décret scélérat io ? Minisitra telo FOTSINY ARY TAO ANISANY ILAY FERY VAO, izany hoe raha atao amin’ny teny frantsay LE FERY VAO ETAIT À LA FOIS JUGE ET PARTIE !!

    Ny tenany ihany no namboamboatra an’ilay dekre izay nandika an’ilay Tondrozotra !!

    Marihina eto fa ny Tondrozotra izay efa lasa lalàna ary manana lanja izay azo ampitahina amin’ny lalàm-panorenena, dia tsy azo ovaovaina amin’ny dekre ka izay maha metimety an’ny tena dia atao daholo !

    Nandika Lalàna hatramin’ny 2009 ilay domel-mapara ao Ambohitsirohitra, miaraka amin’ireto namany, ary tsy mitsahatra manitsakitsaka ny zoan’ny vahoaka MANDRAK’IZAO !

    2 milliards de dollars hoe ny trosan’i Madasikara, kanefa ny foza sy ny namany nanondrana bois de rose tsy ara-dalàna mitentina 9 milliards de dollars !

    Tsy mba hoe ariary akory fa dolara !!!

    TSSSSSSSSSSSS!!!!! Fihavanana inona no mbola tadiavina amin’ny mpangalatra sy mpamono olona ? Ho ataonareo vinanto sa rafozana ny karazan’olona tahak’izany ??

    Tsy ho mpendarin-dry zareo ao daholo koa ianareo mianakavy ???

  26. Efa mazava ny tenin’i Dokotera fa  » mandany menaka raha mbola ho endasina ireto foza  »
    fa kosa ilay » bye bye FOZA  » no mety.
    Izany rė no aina koa tė hanao e!!!ny fanarahan-dalala indray no avadiny ho valifaty ,( ireto foza )fa mihevitra
    ry zareo fa ho HIALA MENAKA t@ zavatra tsy rariny rehetra nataony ???
    Tiako be ilay dėbat ,tena nahafa-po mihintsy ilay adi-hevitra,nataon’i dokotera tena MAIVANA ohatry ny takotra
    ary nahazo teo imason’olona maro teo mihintsy, fa ny zavatra tena nanome litika ahy dia ny NAHITA IRETO GĖNÀ
    rehetra rajakom-bazaha nanatrika tao , ireny no tokony ho dakana voalohany , ireo no tena PIOZINA . Sady
    mba miseho ho manjakazaka aty @ tanin’ny GASY mbola matsilo lavitra noho izy aty??Atao raoka alika ireny avy eo
    fa TSY MISY HILANA AZY.
    Homba antsika anie Andriamanitra mandra-pahatonga ilay FANDRESENA FARANY!!!tsy maintsy mandresy ny RARINY!!

  27. Mirary fitahiana sy fahombiazana avy @Ilay Nahary ny Fahazavana ho anao sy ny tena vahoaka vita malagasy aho Atoa Filoha. Izy nahare ny vavaka namarananao ny fotoana teny Antsonjombe anie no hamosaka ny tena lala-mazava tokony ho diavin’i Madagasikara ary andevina sy anafoana ny haizina eto @ Firenena. Apetrantsika eo am-pelatanan’i Nahary ny famaranana ny nofiratsy niainana teto nandritra izay 4 taona izay ka @ alalan’ny fifidianana (andrahoina, endasina, dorana sns) no anaovantsika izany fa tsy @ fandrobana na famotehana tahaka ny notanterahin’ny sasany ara-bakiteny. « Aza matahotra minoa fotaniny ihany » :

    THERE CAN BE MIRACLES WHEN YOU BELIEVE
    THOUGH HOPE IS FRAIL IT’S HARD TO GIVE
    WHO KNOWS WHAT MIRACLE YOU YOU CAN ACHIEVE
    WHEN YOU BELIEVE
    SOMEHOW YOU WILL, YOU WILL WHEN YOU BELIEVE

  28. Eny e! samy manana ny faniriany daholo isika. Ny fifidianana demain aloha no imasoantsika hatr@ farany. Tsy ho ela dia ho avy Dada , ary tsy maintsy misy séances maromaro hiresahan’i Dada @ vahoaka. @ izay fotoana izay isika rehetra afaka mitafa aminy ny @ souci ntsika rehetra. Tsy misy atahorana ny @ izany fa hojeren’i Dada daholo izany…ireo foza nandroba firenena tsy tokony omena famelankeloka fotsiny @ izao…sns.

  29. Ho tsara ny communication rehefa tonga i Dada satria isika efa vita sedra teny @ Magro pendant 5 ans. Isan’andro teny foana tsy kivy tsy nitarain’tanamihepaka na dia rovitra pataloha aza. Afaka miresaka amintsika systématiquement mivantana farafahakeliny isak’samedi Dada eny @ Magro na @ toerana hafa.

  30. tsy vitan’izay tonga maro ny vahoaka fa sady FENO TSIKY sy FANANTENANA.

    Mba handefaso ilay teny Antsonjombe omaly zalaha raha musy any a!!VODEO moa e!!

    Ary inona koa no nampivin-daka an’i Kotovelo omaly tao @’ilay Dėbat??ohatry ny zaza mikapa alina no
    paozin’i Lėry tao,ny olona anefa nihomehy daholo nanaovan’i dokotera azy dia izy irery no ..tsy hay na nisy
    inona ???misy tsy milamina!!!aleo aza olona ivelan’i Ankolafy mihintsy no azoko ahatokisana noho ny ao
    anatiny an!!!MAILO ZALAH a!!!in-1 mandalo ihany io fa tsisy faha-2 an!!

  31. AMPITAO NY HAFATRA. NY VOLAN NY DELEGUES NTSIKA TOKON .Y TSY ATAO TSIRAMBINA SATRIA MBA OLOMELONA IHANY IRENY. MILA MISAKAFO. ARY METY HO VOASARIKY NY FOZA RAH TOA KA TSY MAHAZO IZAY SAHAZA AZY.

    MIARA-MIASA HATRAMIN NY FARANY ISIKA RAHAMPITSO MBA HAHAZOANA NY FANDRESENA.

    TENA GASY TSY MAINTSY MANDRESY

  32. Merci GBD, Merci à tous! Que Dieu nous benisse. Mandehana mifidy daholo e! Entano ny namana rehetra rehetra. Ambeno tsara ny safidy

  33. ALLO ALLO !!!

    EFA HITA VE NY LAKILEN’ILAY TAHIRIM-BOLA, IZAY NANAOVAKO ANTSO TAMIN’NY ANTOANDRO Ê ???????

  34. HO ANNY MALAGASY TSY VAKY VOLO !

    Dimy taona latsaka ny famiaraviraina , ny nihanihaniana ny Malagasy , no naseho azy ny fampitahorana am_basy , ny anitsakitsahany làlana sy ny didy jadona , ny fahasahiana nanovo ny làlana sy ireo mpiasam-panjakana misahana ny fampiarana ny làlana ..
    TENA JIOLAHY SY TONTAKELY NO NANAO FEHI 6MAMBA NY FIRENENA SY VAHOAKA !
    Na nanao izay tiany ho tanterahana aza ireo jiolahy ireto , dia nahita hatao , hehefa roa andro aloh’ny fanapahan’ny Troika ny heviyra farany MMIKASIKA ITY FIFIDIANAna ATY MADAGASIKARA DIA NANAIKY NY HIHAINO NY SOSO-KEVITRA AVY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NY TROIKA VAOVAO, TSY MISY AN’I chISSANO.NEKENY IRETO MPIVORY TANY NAMIBIE NY HEVITRA NARON4NY FILOHA RAVALOMANANA MARC / NANDRINGA NY FIFIDIANANA RAHA TSY MANDRAY ANJARA NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC KOA DIA MAHAZO MANOHANA CANDIDAT EFA 3VOAFANTIN’ NY CES IZY..
    NY DOCTEUR ROBINSON JEAN LOUIS NO TOHANAN ‘I FILOHA RAVALOMANANA SY INENY RAVALOMANANA LALAO ARY NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC !
    TONGA EO AMIN4NY FIHODINANA FAHAROA AMIN’NY FIFIDIANANA IZAY HO FILOHAN’NY FIRENENA..!
    Mbola ho betsaka ny resaka mikasika ity fifidianana ity
    nY SEKOSEKO ? NY FIBOTSIBOTSIN6DRAJOELINA SY NY FIHEVERANY NY TENANY HO KATRAKA DIA MITONDRA AZY MIVANTANA ANY AN-KADY HO TOTOFANA NY FAKON’antanarivo TSY NORAOFINY !
    ZARO AMIN’NY LALANA TOKONY ALEHAN’NY ANKIZY! hampianaro azy ireo lalandava ny fahamarinana ,ny fanarahan-DALANA SY NY RARINY ARY NY HITSINY
    ARY ISIKA RAY AMANDRENY DIA HO FILAMATRA SY HO FAKAN’ IREO TAHAKA AMIN’NY FIJOROANTSIKA HO VAVOLOMBELONA EO AMIN’NY FIAINANTSIKA EO ANIVON’NY FIARAHA-MONINA TONY SY MIVAOTRA !

  35. Miverina amin’io resaka eo ambony io ihany !

    http://www.tananews.com/2013/12/mamy-rakotoarivelo-le-decret-n-2013-593-ete-adopte-par-3-ministres-et-le-premier-ministre/

    Mba asaivo manao fanambaràna Ingahy Beriziky, izay nanao tsinontsinona ny Patrô-ny !
    Nahoana no niara-nitsikombakomba niaraka tamin’ilay Fery vao ???

    Fanamarihana, fa misy tsy azoko ny hevitry ry zalahy sasany raha mahita ny voasoratra tao amin’ny Tananews !

    Misy resaka an’izany hoe « non retroactivité de la Loi » mantsy, ka hoe tsy concernés intsony ireo chefs d’Institutions, fa ireo kandidà MAPAR no mbola « mety » ho olana !!

    Tsy misy resaka non retroactivité de la Loi izany ! Mazava ny Feuille de route fa TSY MAINTSY NEUTRE ILAY DOMELINA ; ary vao vita sonia ilay izy, dia efa nohitsakitsahan’ilay sefom-poza.

    Tsy misy resaka azo ahodina any amin’izany non retroactivité de la Loi izany eo !

    Natao ny Fifanarahana (FDR) mba hiverenan’ny filaminana sy ny Firenena tan-dalàna fa dia izao no vokany satria ratsy saina ilay mpanongam-panjakàna, manao sain-devoly !

    Ireo kandidà MAPAR ireo aloha dia hahita zavatra avy amin’ny Vondrona iraisam-pirenena ! Hitanay koa na dia ny lalan-kely mankany amin-dry zareo aza !
    Tena mapara marina !

  36. HI HI

    mety izany rehzfa hita ny lakilé

    Momba ny foza dia araky teny tsotsoka :
    COUCHE

    A1 LA NICHE !toherana mendrika azy , mihandry ny ho

  37. mihandry ny « POURSUITES JUDICIAIRES » normales et légales pour tout CONTREVENANT PENAL

    *corruption hoe

    *prévarication hoe

    *prise illégale d’intêret hoe

    Tery-tery eny ANTANIMORA …

  38. Ity misy souci kely:

    Mety ho cinéma politique ihany io annulation du décret nataon’ny CES io satria fantatry ry zareo pro Rajoelina fa ho resy izy @ ity 2nd tour ity. Mamorona argument hafa indray ry zareo entiny hialokalofana ka ho lazainy fa victime innocent ry zareo. Dia ho lazainy fa io no naharesy azy fa tsy tokony ho resy izy. Dia hovoiziny fa nailikilika izy sy natao izay ni éliminer na azy…sns.

    Tokony ho mailo ihany isika satria tokony ho resintsika mazava @ izao izy na misy io annulation de décret nataon’ny CES io na tsy misy.Raha ny hevitro dia tsy tiako loatra io zavatra nataon’ny CEE io fa aleo ihany izy resena fotsiny @ izao dia izay.

    Mila mitandrina koa ny isika fa maninona ny CES hoe omaly hariva no nandray iny zavatra iny? Misy zavatra mahalasa aneritreritra. Fifidianana naman’ny efa vita ary efa hita fa resy izao izy dia maninona no misy izany indray?

    Ahoana ny hevitr’i RANDRIANIAINA sy GBD fa nareo hitako hoe mazoto manao analyse? Ny hevtry ny rehetra ihany koa??

  39. Efa hita ve aloha ilay lakile ry zareo a!!
    Za koa mba mihevitra fa misy zavatra ambadika io resaka CES io,
    aoka isika sy ho variana ,voasilasilak’i Dokotera kosa aloha ireo omaly e!!koa asa koa ??
    sady tsy ho afa-bela eo anie e!!hitsikafona eo daholo ny nafenina rehetra.

    Za vao saika hanontany ilay lakilė ve efa hita???tsy milamina izany !!misy tsy mazava!!!tsy maty voalavo an-kibo!
    ahhhhh mbola i Kotovelo ihany ho PM hoe???MIFONA ry zareo fa tena tssssssss tsy milamina e!!domelina izay
    nolelafiny aza tsy nanaiky azy ho PM ,koa maika fa isika efa naletiny lalina toy izao????HIFINANA TOMPOKO Ô!!
    mbola hisalovana an’i Neny indray ve???ampy izay kosa e!!!

  40. HIGADONA RAHAMPITSO NY FIFIDIANANA ANY MADAGASIKARA
    ANTSOINA DAHOLO ISIKA REHETRA AZA MANAO TARA
    TANDREMO TSARA, AZA HADINO IZAY ILAINA
    ALOHANY HANDEHANANA MANAOVA VOKO TSARA MILAMINA TSARA NY SAINA
    ISIAKA MANOKANA MIPETRAKA ETO ANTANANARIVO
    AROTSAHY RE NY VATO AHAZOANA ZATO ARIVO
    OMENA ANY I ROBINSON RAVALOMANANA
    TSY MARINA VE IZANY LAZAIKO IZANY RANAMANA
    TORAKIZANY KOA IREO NY AMINY FARITRA NY ANY AMBANY VOLO
    TENA MARINA ANGE IZANY FA TSY HEVITRA BOTOLO
    SAMIA VELONAINA HAHITA NY VALIMPIFIDIANANA
    MANANA TSINDRY MANDRY TENA TSARA IZAHO FA LANY I ROBINSON RAVALOMANANA

  41. Malagasy misaina

    governemanta sandoka…

    GVT de transition ne peut prendre de dispositions POUR LES AFFAIRES COURANTES !!!

    FANTATR ‘i RATSIRAHONANA TSARA LAOTRA IZANY REEEEE !

    Ils savent btrès bien que ce décret peut être mis aux orties par le futur gouvernement LEGAL ,
    issu des urnes !!!!!!!!!!!! GOVERNEMENTA ARA-DALANA !!!!!!!!

    Betsaka ny cinéma rehefa DJ zahatra mively amponga an’i boite de nuit !

    « decret » na boite de nuit io ry zareo â !

    resaka ambony vavahady !!!!!!!!

  42. rectif : « ne peut prendre de dispositions QUE pour les affaires courantes »

    koropaka laotra aminy clavier rehefa betsaka no tiana ambara ..
    hoatry mitraillette…

    AZAFADY

  43. Merci beaucoup Rasamy a! raha any ampitandranomasina any hianao , hianao mantsy niteny hoe any Madagasikara, dia izao no lazaiko anao eto ambavaka ny firenantsika fa dia ampiasain’ny devoly reto foza foza ireto.

  44. Minuit izao ry zareo a! miarahaba antsika rehetra tratry ny andro androany 20 décembre 2013. Daty manantantara eo @ fiainantsika sy ny firenentsika. Ora 7 sisa dia hivoha ny birao fandatsahambato hanefantsika ny adidy masina ho an’ny tanindrazana. Omentsika ny filohampirenena Dr Jean Louis ROBINSON androany ny fahefana hitondra ny tany sy ny fanjakana.

    Homba antsika Andriamanitra.

    Saika adinoko, raha mbola manana poésie Rasamy dia tohizo ihany.Merci

  45. Avelao aloha Rasamy hatory fa sao tsy tafafoa maraina hifidy e!
    Bon8 Rasamy a!!!rahampitso indray mandefa Hira sy poėsie e!

    Ataoko ihany ny hitony ry zareo fa tsy mety a!!misavoamboana be ihany izy izany,
    ho Koto sa ho iKala???

    homba antsika lalandava Andriamanitra !!tsy maintsy mandresy ny tolona!!!

    Izay mbola misalasala arotsay ny vato ho ahy hifidianako an’i Dokotera.

  46. Aza matahotra minoa fotsiny ihany
    Fa i Robinson/Ravalomanana tsy maintsy lany
    Nataony ny Foza daholo ny fanalàna baraka
    Tsy maninona anefa izany fa vao mainka mampitraka
    Namory vahoaka ry Fery vao tao Andohatapenaka
    Tsy nahafeno toerana akory hita tao ketraka
    Nefa jerevo ny any Robinson/Ravalomanana
    Betsaka ny olona tsy azo notohanana
    Efa hamarana ihany ny havanareo Rasamy
    Tsy ho ela intsony ny efa taona nangidy hivadika mamy

  47. Azafady , tsy rahampitso moa izany fa androany fa diso kely ny teniko. Rehefa avy eo zany e!! courage!

    Izaho hoa lasa eritreritra hoe maninona moa isika reto toa efa tena mpinamana be na dia tsy mifankahalala endrika aza. Indray andro any tsika hi organiser rencontre na excursion kely…mety ho tsara ihany an!…tsy haiko aloha e!

  48. Tsy maninona na tonga ao aza i Denise sy i Marty fa raisintsika foana… iza no mahita hoe efa niova ry zareo @ izay …mety efa tsy foza intsony. Samy malagasy e!

  49. Fa dia inona loatra no tena mba ao an-dohan reto ces reto e?
    Efa vita ndray ny fampielezan-kevitra vao……Mampiteniteny foana fa mba misaina sy mizotra am zay nanakaramàna sy nianianana;

  50. Arahabaina tokoa ry malagasy isany tratry ity andro iray tsy manam-paharoa ity. Andro tokana ho an’ny tantaram-pirenena. Mandehna mifidy ary entano ny manodidina. Arovy ny safidinao.

    Tena malagasy tsy maintsy mandresy

  51. Salama dôlany,miala-tsiny fa mbola nandamina badge fa misy tsy nilamina,de mbola averiko indray fa mersenera ny:CES,CENIT,FFM,…
    Ka mila mailo fona isika,ny tanjony Rajoelina de ny andrava ity fifidianana ity ra azony atao dia omena an’i Mailhol…

  52. Ka sahia mandray andraikitra manao dingana lehibe,
    ==>Fa manina no efa vita propagandy vao manao zavatra ny CES
    Apatoritorina @isika de ra mahita zavatra tsy mety dia angina,MBA MAILO

  53. Ô ry reto a!Ny adalan’ny hafa ihomehezana ny any tena tafin-damba,
    Sarotra ny toerana nisy azy iny nandritra izay 4taona izay ka de samy ato isika k’aza mifanaratsy,tsy misy mahalala ny amaray fa samy sambo iray

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *