FIANGONANA ADVANDISTA SOAMANANDRARINY : NITROTRO AM-BAVAKA NY FIFIDIANANA

07-12-2013 ROBINSON à  FIANGONANA ADVANDISTA SOAMANANDRARINY-5

07-12-2013 ROBINSON à  FIANGONANA ADVANDISTA SOAMANANDRARINY-5Nanatontosa fotoam-pivavahana lehibe ho fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana androany ny Fiangonana Advandista Soamanandrariny, hitondrana am-bavaka ihany koa ny fandriam-pahalemana amin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity. Tonga niombom-bavaka tamin’izany ny kandidà Jean-Louis Robinson sy i NenyLalao Ravalomanana. Tsy tonga kosa ny kandidà Rajaonarimampianina ary tsy nandefa solontena akory.  Nalaina tao amin’ny Jaona 17 : 17-21 ny torinteny ka ny kandidà Robinson no namaky izany ary ny mpitandrina Samoely Lala James no nitondra ny hafatra . Niarahan’ny rehetra niredona ny « zanahary ô tahio ny tanindrazanay, handroso lalandava handry fahizay »  Nisy ihany koa ny fandraisam-pitenenana nataon’ny solontenan’ny  CENIT izay tompomarika tamin’ity fotoam-pivavahana ity ary nisaorany ireo tonga nanotrona izany, tsy tonga tamin’ity fotoana ity kosa ny filohan’ny CENIT Attalah Beatrice.

5 pensées sur “FIANGONANA ADVANDISTA SOAMANANDRARINY : NITROTRO AM-BAVAKA NY FIFIDIANANA”

  1. Mahafinaritra ary miteny ny sary fa satana no ambadik’i ny fery vao2,
    ary aiza i kala beatrisy koa miaraka aminy??ny devoliny mihintsy no nanakana azy
    tsy ho tonga teto.
    Fa maninona tokoa no tsy mandeha province e??toa i Tsega foana no lisaka nefa ao no tena be
    alika tsisy fehy vozona.(imeritsiatosika io)
    Homba sy hitahy antsika anie Andriamanitra!!

  2. Toa tsy nisy olona hono tany Haute Matsiatra. Izaho manokana mahita fa ilay olona mpanentana any mihintsy no tsy mahavoa. Olana mitovy t@ fihodinana voalohany ihany. Tokony mba tena mi-fonce isika ary soloina ny tomponandraikitra any. Tahak’izay ihany koa ny eto Antsirabe. Toa mangingina be ihany. ANTSIRABE ve 35 % fotsiny ny mpomba an-dRavalo. Tsy ampy fanentanana mihintsy e! Ilay Deo (UNDP) indray maresaka kokoa noho ny Mouvance Ravalo (députation). Mba henoy ihany e!

  3. ito resaka atolotr’i tovo eto ambony ito dia manintona tokoa

    JEREO TSARA NY MIKASIKA IREO VOATANISA IREO E!

    ____________

    Fa ny zava-mitranga eto andrenivohitra (nitarina any @ province hafa)
    dia mampiorina atidoha

    fa kay itony artista dia nomen’i Andry Rajoelina vola hirotsaka ho candidat @ DEPUTation, amin’izay ho tafiditra PremierMinistre ilay bandit io candidat efa lany t@ FANONGANAM-PANJAKANA COUP D’ETAT 2009

    ___________

  4. Bonjour,

    Tsaratsara kokoa raha tsy nandeha niangona tany @ advantista omaly fa novitaina aloha ny faritra avaratry ny nosy (DIANA,SAVA) dia tany no niangona androany dia notohizana ny alahady ariva ny faritra avartra. Tsy sanatria hoe mibaikobaiko na hoe tsy mahalala ny tokony hatao hianareo fa fitiavana no hitenenana izany.Mandeha be ny fotoana tompoko.

    Misaotra tompoko.

  5. Be ny zavatra tsy fantatrao ka tsy omena tsiny ianao. Mila vavaka betsaka mitovy @ asa betsaka isika.

    MISY DIKANY MATOA TSY MANAIKY HIVAVAKA TENY @ ADVANTISTA MIHITSY HATRAMIN’IZAY NY EKIPAN’NY TGV???? IZAY TENA MPANOMPO SAMPY ARA-BAKITENY…..NY MIFANOHITRA @ ZAVATRA ATAONY FOANA NO HISEHOANY ETY IVELANY……

    TSY HO AVELAN’NY DEVOLY HANATRIKA FOTOAM-PIVAVAHANA TOY ITONY VELIVELY NY TGV E…..

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *