FIILOHA RAVALOMANANA : AVELAO NY VAHOAKA NO HISAFIDY FA ANY AMINY NY FAHEFANA

dada_New1

dada_New1Nandritra ny efataona sy tapany isika hoy ny filoha Ravalomanana androany teny amin’ny Magro Behoririka niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby dia tsy nitsahatra nitaky ny famerenana ny  tany tan-dalàna sy ny lalàmpanorenana ary ny soatoavina Malagasy. Hatramin’izao isika mbola eto, mbola tsy vita ny tolona. Mila ezaka mafy hoy izy ny tolona ataontsika izay iankinan’ny fiainan’ny firenentsika io fifidianana amin’ny 20 Desambra io. Ny voalohanteny hoy izy dia fisaorana an’Andriamanitra fa  nandresy isika tamin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany na dia teo aza ny zavatra tsy rariny sy halabato. Mendrika isaorana ny vahoaka Malagasy indrindra ny mpifidy . Tena tsy rariny sady mahamenatra hoy izy raha ireny tarehimarika 30% nidina ho 20%.Samy manontany tena na ireo mpanaramaso taty ivelany na tany an-toerana , hita mihitsy fa nisy fihantsiana fa hoe hikorontana isika. Tadidinareo tsara hoy izy fa nisy ny  fisamborana an’I Hilarion izay tena fihantsiana ireny. Mitaintaina hoy ny filoha Ravalomanana ireo firenena afrikana izay miisa 54 hoe tsy misy mahateny ve na ny Ceni-T  na Ces amin’ireny zavatra nitranga ireny.Ny navaliko hoy izy dia hoe tsy nisy niteny ireo na iray aza. Jereo hoy izy ny zavatra nitranga any centre Afrika vao omaly fa vono olona tsy toko tsy forohana. Amin’isika miteny izao dia manjombona ny firenena Afrikana manontolo noho ny fahafatesan’I Mandela. Noho izany dia miara miory sy miondrika izahay aty izay solontenan’ny malagasy.  Zavatra mamoafady hoy izy sy tsy fampiseho masoandro no natao. Efa fantatry izao tontolo izao fa manohana kandida izy , aiza ilay neutralité. Tena menatra mihitsy aho hoy izy aty , lalàna fehizoro, lalàmpanorenana no itsakitsahan’izy ireo indrindra fa ny prezida. Mba hanontanio Chissano, ny Ceni-T raha mba niteny, tena misy tsy mety ao, misy fitongilanana, matoa aho hoy ny filoha Ravalomanana miteny izany dia mba fifidianana mangarahara, malalaka, madio. Tsy mbola vita akory ny tolona na vita aza ny fifidianana ary tsy mijanona raha tsy miverina any I dada. Ireo firenena eoropeana maromaro dia nandefa ny ambasadaorony taty amiko, samy nilaza izy ireo fa tena misy halabato iny fifidianana iny. Adidiko sy andraikitro hoy izy no mampahafantatra ny vahoaka Malagasy fa ny marina marina ihany  Mijery antsika izao tontolo izao, manohana ny fiffidianana izay ataontsikas ary manantena aho fa hifarana ny krizy raha tena mandray ny andraikitra ny Ceni-T. Miantso anareo aho hoy izy fa tena manana fisainan-dratsy ireo  koa samia samy mitondra ambavaka io fifidianana io isika.Fifidianana tsy mitongilana, tena hilaza ny tena heviny ny vahoaka, mila mandinika tsara isika, jereo hoy izy ireo kandida depiotentsika. Ilazao daholo ny mpiarabelona fa araka ny sata afrikana na dia ny sefo fokontany aza dia tsy azon’izy ireo ny milatsaka. Ireny olona tohanany ireny ihany koa tsy afaka milatsaka, fara ha lany ireny dia izy no hiakatra eo. Fadio tahaka ny anakandriamaso. Mijery antsika izao tontolo izao ary vonona hiara hiasa amintsika ao anatin’ny fotoana fohy. Raha tsy mitongilana ny Ceni-T sy Ces, matahotra izy ireo . Tokony tsy hatahotra hoy izy fa lazao ny marina. Matokia ahy ianareo hoy ny filoha Ravalomanana fa amin’ny herinandro iny no halevina ny vatamangatsiakan’I Mandela, ka hisy ny fihaonan’ny vondrona eoroepana. Manome vaovao anareo ny tenako hoy izy ary aoka hilamina tsara isika, aleo ny vahoaka no hisafidy fa any aminy ny fahefana.

 

29 pensées sur “FIILOHA RAVALOMANANA : AVELAO NY VAHOAKA NO HISAFIDY FA ANY AMINY NY FAHEFANA”

  1. Mankasitraka ny finiavanao @ fanavotana ny tanindrazantsika izahy dada a!!
    dia veloma be any @ Dadabe Mandela any .
    Homba anao mandrakariva Andriamanitra !!tsy maintsy mandresy ny MARINA dada a!!
    Lazao any daholo ny tsy mety rehetra mba ho tonga saina ireo voafahan-dalitra rehetra ao @ UE ireo.

  2. Ny hala-bato teo ihany fa tsy nomena karam-pifidianana mihintsy ny antsasa-manilan’ny
    mpomba an’i Dada ,dia raha vao vaton’i Dr Robinson ka misy hirika hilazany fa vato-maty
    dia ataony daholo na nidina mihintsy aza ny BV sns ny faty moa dia iny hita teo iny ihany koa, satria mpomba an’i dada.

  3. Tsy fantatro ny antony aloha fa maninona no tsy mandeha any Diego,Majunga,Toliary sy Toamasina … i JLR htramin’izao ?

    Amin’ny manaraka angamba ? sao tara loatra ê !!!

  4. 12 andro anie sisa no azo hitsidihana ireo faritra ireo ê ???

    >>> Aza matory rangahy ( mouvansa Ravalomanana ) na mitavozavoza na matahotra fa izay foana no hanenenana avy eo â !!!

  5. Amiko aloha dia tsy ampy mihintsy ny « VIDEOS » hi contrer-na ny TVM ê ???
    Jereo akaiky io !!!

    Marina fa tsy mora ny manao zavatra, nefa tokony efa nihomana @ izany andro @ alina na asabotsy na alahady @ izao fifidianana izao ( cas exceptionnel ).

    >>> Tsy miasa ianareo ny asabotsy sy ny alahady ???
    Nefa tadidido tsara fa ny asabotsy sy alahady ny olona vao mana-potoana malalaka tsara hijery izany?

  6. Izay indrindra no ilazako hoe tokony hisy transparence na planning de propagande n’i Dr Robinson satria raharahan’ny malagasy rehetra izy ity. DIANA, SAVA, BRICKAVILLE, BESALAMPY, MAHANORO, SUD EST, FORT DAUPHIN,…sns. Rahoviana Dokotera no mankany? Pr Mangalaza sy Razaka Elysé ve manana ambara mikasika izany fa mijanona ho point d’interrogation tsy misy réponses hatrany nefa ny fotoana efa mandroso?

    Maninona moa raha tsy manao face à face @ alarobia fa sao mandany andro fotsiny fa avy hatrany dia viatao aloha ny faritra avaratra rehetra sy province de Tuléar? sady ilay izy hoe @ teny frantsay?

  7. Aza atao tompontrano mihono ny vahoaka malagasy mahakasika io tsy fandehanan’i Dr Robinson any @ province io fa fahendrena ny manazava ny sainy mba hampilamina ny fo sy ny sain »ny malagasy izay efa mitebiteby be ihany.

    Misaotra tompoko

  8. Sao mba misy tompon’andraikitra afaka manome fanazavana ny saina mahakasika io point d’interrogation io?

  9. Tsy tokony hisy ny resaky ny moana sy ny marenina fa tokony hisy fanazavana io tsy fandehanan’i Dr Robinson any @ faritany sy ny faritra rehetra naharesy antsika io.

    Homba antsika Andriamanitra.

  10. Malagasy misaina dit :
    7 décembre 2013 à 20 h 19 min

    Aza atao tompontrano mihono ny vahoaka malagasy mahakasika io tsy fandehanan’i Dr Robinson any @ province io fa fahendrena ny manazava ny sainy mba hampilamina ny fo sy ny sain »ny malagasy izay efa mitebiteby be ihany.

    Misaotra tompoko

    >>> TENA MIOMBON-TSAINA AMINAO AHO !!!

  11. Isika samy isika ihany ve no miresaka ato @ ity site ity sa misy tompon’andraikitra ihany koa manaraka ny resaka atao eto satria tena fiainampirenena izy ity .Ary miankina @ fandresen’i Dokotera ny ho avin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy iray manontolo. Koa mba azavao ny sain’ny malagasy mahakasika io tsy fahatongavan’i Dokotera any @ province sy ny faritra naharesy antsika io raha misy tompon’andraikitra maharaka izao resaka sy fanontaniana izao.

    Misaotra tompoko.

  12. Malagasy misaina dit :
    7 décembre 2013 à 21 h 08 min
    Isika samy isika ihany ve no miresaka ato @ ity site ity sa misy tompon’andraikitra … ?

    Tsy haiko aloha fa toa tsy misy réaction hatramin’izao ?

    >>> Izay no nilazako hoe matory vê ny mouvansa Ravalomanana sa ahoahana ê ???

    *** Aiza izao Diego, Mahajnga, Toamasina sy Toliary … ??? hatramin’iazao ???

  13. Za aloha re ol de eee, zeromitsy raha ny direction de campagne, i R8 ihany no agressif @ ity fa ny eto an-toerana dia motraka tanteraka

  14. Mila discretion ihany ny strategie sasany e…. Tsikaritrareo koa ve tsy mahita loatra ny hetsik’i Hery tonta eto tana ianao??? na affiche aza tsy tahaka ny taloha????

    NY ekipan’i JLR indray dia tena miasa be any @ faritra misy azy aloha e….Na izany aza mila mitety faritra strategique maromaro izy….Fa tsy voatery lazaina eto programany nohon’ny resaka securite satria mahazo menace foana anie izy e…Mifanohitra tanteraka amin’izay nolazain’i Richard bombe t@ gazety tompoko ny zavatra ho ataony (source akaiky azy) Tena vonona ny hitifitra an’i JLR sy Ra8 izy…ary tsy vao izao akory ny ekipan’ny TGV no nivadika t@ teny nataony…..Rehefa ho any an-toerana JLR dia efa misy ekipa manomana izany any…fa tsy voatery ho fantatsika mialoha aty Tana izany…..
    Mila mivavaka koa isika e…BEtsaka ny zavatra tsy ho voafehintsika @ maha olona fotsiny….Miasa 100% miaraka amin’ny devoly anie ny TGV fa tsy araka ny fiheveran’ireo olo-tsotra mpanaraka azy e….

  15. @kiki: NY ekipan’i JLR indray dia tena miasa be any @ faritra misy azy aloha e….

    >>> Tsy misy mandà izany voalazanao izany fa avohay ny sary sy ny VIDEOS ho porofo hita eto ary ê !!! fa inona no andrasana tsy hamoahana izany ???

    Herin’andro mahery kely anie sisa dia vita ny propagandy ê !!! aza variana an !

  16. Ahoana ry Zanaky dada a! kivy tanteraka ve e! Ny tena mahagaga, na inona na inona lainga afafin’ity gourou nareo ity de marina foana @nareo.
    De milaza ty Gourou ity, fa mandeha mifampidinika any an-tranony na ilay hotely de luxe be ao Sandtown ireo ambassadeurs eoropeana, miresaka woe, misy fangalarambato t@ 1 er tour  » prezida malagasy amperinasa », rainihambo fotsiny io an, de marina zany dada a!
    kanefa ny mpanaramaso afrikana, eropeana, gasy, de samy nanambara fa nizotra ara-dalàna ny fifidianana, na de nisy aza ny lesoka ara-teknika, araka ny hamehana.
    Tsy de gaga koa moa ny tenanay, fa tsy de nahita fianarana firy io gourou io, ka ny 30% n’ny vato azon-dRasaribakolibe, t@ 30% n’ny mpifidy, izay ny tnan-dehibe sy ny renivohim-paritany no mbola voaisa, de miteny lery eto woe, 30% vato manerana an’i Mada de lasa 21%, de nisy ny halabato, tena an!an! mahagaga fa mbola misy midera ny baratin n’ny dadany foana eto e!
    Ny marina de mahita sahady Ravalo, fa tsy nahomby ny stratégie, nanohana an’ilay bakoly be, faharoa, nandiso fanantenana azy tanteraka iny voka-pifidianana 1er tour iny, satria nanantena loatra rainihambo, fa mbola tian’ny gasy izy ka 1er tour io de vita e!
    Fahatelo, mbola erreur goavana ihany koa ny fifidianana an’i Mangalaza, ka nanilihana ilay teo, hakana ny fon’ny vahoakan’ny Tamatave, de izao mitsingalam-boangidina izao.
    De manomana sahady contestation sahady i Gourou, fa tahaka anareo eto, defa kivy sahady lery, ary efa hainy tsara fa kely de kely ny chance haharesen’ny bakoliny.
    Mapme be koa eto, fa misy matahotra sahady ny débat @ teny frantsay, tahaka an’i dada tsy mahay miteny frantsay, de ho voavolon-dRahery otran’ny volanakoho eo lery, kanefa tsisy tokony hampatahotra izany futur prezida hiteny @ teny vahiny izany rehefa avy nifanandrina t@ teny gasy, ary atao inona moa raha prezida izany no tsy hahafehy teny vahiny izany na de iray aza?
    De hoy zahay woe, manaraka eny foana ny ratsy natao, ary ny lainga hoy ny Ntaolo, toy ny salaka, ka mamatotra ny tompony ihany.
    Lazaiko anareo, fa aleon-dRobinson, tsy lany eo, @zay izy maivamaivana @ pression hanaovan’io Gourou azy io, ary io no mahatonga azy tsy havitrika, fa risque ho azy kokoa sy ho @ fahasalamany ny hiharitra io rangahy mirangorango pouvoir io, raha tonga eo izy, noho ny tsy lany ho voafidy.
    Efa hatra@ ela zahay Ranavalona no nilaza taminareo fa Andriamanitra tsy mijery miakatra fa midina, ka tsy hamerina mpamono olona sy nambotry ny tanindrazana ary nampiasa ny anarany Masina entina hitazonana fahefana a!
    De mitsakoa foana kininina, fa io zanaharinareo Gourou, io tsy Andriamanitry ny gasy na oviana na oviana, ka na de hita izao aza fa mandainga be eto, toy ny fanaony hatr@izay, ohatra woe, nambanana basy t@ fihirifako aho no nampandositra ahy ka 1 volana zahay mivady nandositra tany anaty ala foana, de tohany foana fa aza tolorana hevitra. Raha ny marina aza, izao soratray eto izao no mety hampieritreritra azy, fa fandroborobonareo ny dadanareo lava io, na de hitanareo aza izy fa mivarina ankady, de tsy solution ho azy velively, ary tsy hahita vahaolona velively ato antin’ny 10 andro nareo, fa hatreo ny faharesena, de diniho tsara io lazain’ny Gourou nareo io, fa ady saritaka indray no hitaritany anareo, ny fahakiviany aorian’ny fifidianana, de ho be ny ho fatifaty foana eo, fa lery hono @ izao, maka aina tsara miaraka @ jeune policière kely ao Sud Af, nareo hampiadiany an-trano, Lalao reraka mitabataba @ Bakoly be @ hadondronany. Tena mahatsikaiky nareo reto ka. Aza mba…. ihany woa sady aza manody!!!!

  17. Fa ianareo pro Rajoelina angaha tsy manana site natokana ho anareo. Denise ihany io miova anarana ho marti io fa fantatra. Tsy aleo ve hianareo any @ site n’ny samy foza no miresaka dia mi créer ambiance any hianareo samy foza. Fa maninona no miditra aty @ site pro ravalo dia lasa intrus aty? Tsy aleo ve samy masina antaniny?

  18. Malagasy misaina dit :
    8 décembre 2013 à 15 h 15 min

    Fa ianareo pro Rajoelina angaha tsy manana site natokana ho anareo…. ???

    >>> Manana site ry zareo dia  » MADAGATE  » fa tsy avela miteny @ NY FORUM = DICTATURE !!!

  19. Ataovy matanjaka rangahy ny VIDEOS surtout le week end â ! @ ny sites : GTT Mada, Tim Mada, Dr Robinson, , Lalao Ravalomanana,MyDago…fa toa tsy ampy loatra â !
    TVM vê no andrasanareo @ ny vidéos ê ???

  20. Ao anatin’ny filamatry ny Tolona tohizantsika ny vaovao misy amin’ity faran’ny erinadro ity.
    Ny fahazoan’ny Malagasy mifiy sy mifantina izay olom-pirenena hisahana ny Fiandrinam-pirenena no notadiavintsika ,satria io safidin’ny Vahoaka io ,mangarahara sy malalaka , no hanome ny fahefana ire olomboafidy mendrika sy azo antoka hisahana ny raharam-pirenena ary hitondra sy hitantana hy Tany sy ny Fanjakana ary ny Fampandroana ny Firenena sy ny fianambahoaka..Sarobidi izany ary fantatry ny Malagasy ,tao anatin’izay dimy taona « nahavery zo Antsika izay « ,ny halafon’ny kiry sy ny ezaka tsy maintsy asehontsika mba tsy hiverenan’ireo voakaraman’ny mpanjanaka nampihena ny fahalahana miteny , mivory ,milaza ny hevin-tsika , ary naamafy n fampiarana ny lalàna mba ho mora ny fisamborana , ny fanagadrana ary ny fanenjehan’ny zandary sy polisy..*
    Izany famerana Antsika hanao izao sy izao dia nanamora ny fanodikodihana , ny asan-jiolahy ary ny fandrbana ny harentsika , izay fototry ny fampandroana ny Firenena sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy…
    Nisy fifidianana indroa nisesy teo amin’ny Firenena rana ny fifidiana izay ho Filoha-pirenena no resahina…
    Ireo mpanohitra izay nanao fanonganam-panjakana mba nialany tamin’ny fifidianana indrindra mba hahzoany manao ny asan-jilahy sy manomanana ny fanovana ny lalam-panorenanamifanentana amin’ny fitondrana ateraky ny fanonganam-pankana !
    namaky lpha izy ireo y ny frantsay nampirisik

  21. Ka Frantsay hatramin’ny tsinaimaintiny ane ry Dr fôpla io tohananareo io e! za hoy izy midedaka manana nationalité frantsay, sady mambra ny antoko sosialista frantsay, ary tohanan’ny frantsay, de ianao ndray ve no hampianatra anay eto hanao taribato vilambava, ka ny ataoko aza atao fa zay lazaiko tanterao.
    Fay aloha Rainivoanjo tsy tia frantsay iny de io mody manolotra candidat frantsay io hampihena ny hatezeran’ny frantsay, fa tsy candidat tiany ane io, fa azony manupuler-na, de nirisika ihany lery sao mba…!
    Nareo woa aza manao pôlitika, @ alahelo fotsiny an-DRainivoanjo, fa mba manana fijery objectif. Jereo fotsiny iny débat farany teo iny raha tsy hiresaka an’i Hery, de jereo reny famalina jiolahimboto mokony be fotsiny ireny. Tsy menatra ve nareo, ireny no atolotra ho prezida, otran’ny mbola tsy misinda ny tokanlery, de todihany lamosina matetika ny adve-ny sy ireo journalistes, ary hitodianedala lamosina hatramin’ny téléspectateurs mihitsy. Tsy mitsiky nedala, ary raha mba mitsiky kely, de tena amboarina be, hita mihitsy na ny famaliny aza de olona miavona, ary ny tena mahagaga, de zay efa nolazainay tany am-boalohany, de misy fitovizana be Rainivoanjo sy ny saribakoliny, rehefa miteny sy ny avonavony ary le mokony be @ zavatra atao sy lazaina tsy misy fandinihana. Aza manantena miracle woa fa tsy adala ny mpifidy.

  22. TOHINY…Azafady fa tapaka ilay resaka..
    …sy ny frantsay izay namporisika sy nanampy azy ireo..
    Dia jereo ireto izy nanaiky ny nanaovana ity fifidianana amboletra ity, izay tsy manaja ny Zon’olombelona ary nikakatsaka ny fanilihana ny ankolafy RAVALOMANANA MARC tsy hahazo handray anjara amin’izany fifidiananaizany :izany hoe izy ireo nananogam-panjakana no hifampividy irery…
    Kinanjo tsy nampoizin’izy ireo ny kiry sy ny faha-kingana -taina matsilo izay hain’ny Filoha RAVALOMANANA MARC ny mampiasa izany rehefa tery ny lalan-kaleha..
    dia nohon’ny tsy fanekeny io fifidiananai dia notahana tany NAMIBIE fa mahazo mandray anjara ny mouvance RAVALOMANANA MARC raha mahita candidat neena hilatsaka ho fidiana.
    Iarahantsika mahalala sy mahita ny tohiny !
    Hoy aho etsy ambony fa tafiditra ao anatin’ny vaovao misy amin’ny faran’ny ern’andro teo ny vontoanton’ny TOLONTSIKA :NY FANGATAHANA NY FIANDRIANM-PIRENENA SY FANDRAISANA NY ANDRAIKITRA MIARAKA AMIN’IZANY :

    …1)Ny fivoriam-be ny tany Afrikanina 53 izay nokarakarain’ny Président HOLLANDE:
    ny fehezan-kevitra no dinihina tao dia ny fiarovan-tenan’ny Afrikanina dia tsy miankina amin’ny accods de défense nifanaon’izy ireo tamin’ny frantsay ary vokatr’izany ilay françafrique nataon’i De gaulle lambridy namatorana sy nifehezan’ireo firenena afrikanina Nomeny fahaleovan-tena..Tapitra izany ary ankehitriny dia UE no hanampy ireo Firenena ireo eoamin’ny fiaroana ny fandrihapahalemana sy ny filamina ,ary ny Firenena mikambana no hanaraka izany fifanarhana vaovao izany
    Eto MADAGASIKARA , dia sy misy intsony ny fanampianana ireo mpanongam-panjakana ,raha vao tonga teo amn’ny fitodrana ny Président HOLLANDE ,ireo olon’ny SADC toa an’i chissano no niseho zy ho katraka teo amin’ny fanaovanaio fifidianana io …
    Ankeitriny dia mandrovi-tsihy ireto putchistes nahantra tampoka ka mitady hanova ny safidin’y Vahoaka amin’ny fangalaram-bato ,izay fantatr’ Izao Tontolo izao !

    …2)Ny lesona napetraky ny Président NELSON MANDELA izay niady mba hanafohanana ny fanavakavana izay fototry ny fitondrana nentin’ireo fotsy hoditra..Vitany izany ary lasa Fioha-pirena izy.
    Ny hafatra sy lesona napetrany dia ; »Aza manaiky lembenana ,aza manary toky , fa tanteraho mandra-pahazonao izay takianao ! »

    Ireo no teny entiko hanome hery sy finoana Antsika mba HAHATAFITA SOA AMAN-TSARA NY TOLOM-PIAVONTANA IZAY ATAONTSIKA !

    NY TOMPO ANIE HOMBA SY HITAHY ANTSIKA

  23. Rajoelina Andry s’y n’y mpiaradia @ nô nanotafady n’irai t@ Frantsay n’a motiva N’y firenena nandritra n’y dîme Taona . Ampy izay n’y Andrajoelina sy n’y bandiń ´ny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *