Filoha RAVALOMANANA : REHEFA MIARAKA AMIN’I DADA DIA AZA MATAHOTRA.

dada

dadaTsy adinoko ianareo hoy ny filoha Ravalomanana androany Talata 17 desam bra 2013, raha niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby teny amin’ny Magro Behoririka fa aza matahotra. Tsy maintsy arahina tsara hoy izy ny toromarik’i dada, ampitao amin’ny namana sy ny fianakaviana izany. Fidio ny dokotera Robinson, fa izy ilay favori, rehefa jerena ny tabilao dia 33 ilay nomerao. Jereo tsara ihany koa hoy izy ireo kandida depiote natolotry dada sy neny niaraka amin’ny Avana, efa nandefa lisitra, afisy izahay. Marina dia marina fa nisy kandida 2 amin’ny boriborintany iray , ohatra amin’izany ny boriborintany faha 5, misy an’I Guy Rivo izay laharana faha 5 ary Constant laharana faha 15, izay samy natolotry ny movansa Ravalomanana. Rehefa mifidy hoy izy dia iray ihany no kosehana, toy izany koa ny Atsimondrano izay misy an’i Jaona galana sy Voahangy. Tiako ho marihina hoy izy fa rehefa iray no fidiana dia tsy fidiana ny iray. Matoa aho manazava izany dia tsy tiako ho tompontrano mihono ianareo eto amin’ny Magro, na hoe miangatra I dada, tsy miangatra izany i dada. Toy ny fanohanako an’I dokotera Robinson ihany hoy izy no hanohanako azy ireo. Ny fitaovana ampiasain’izy ireo dia avy aty amiko daholo ary mitovy. Rehefa miaraka amin’I dada dia aza matahotra.Mbola betsaka ny zavatra atao fa tsy maintsy hifandaminana ny toerana sy ny asa, fa aza tonga dia manafintohina ny sasany. Tongava mifidy daholo fa izao vao  manana fahalalahana hifidy isika fa hatramin’izay dia fampihorohoroana. Misaotra an’Andriamanitra isika hoy izy fa tanteraka ny fifidianana ary tsy ho ela dia ho avy i dada, ary tsy maintsy mahita vahaolana isika. Tsy mijanona ny tolona raha tsy tonga any ny tenako ary rehefa ho avy i dada dia misy zavatra iarahantsika miaraka.

27 pensées sur “Filoha RAVALOMANANA : REHEFA MIARAKA AMIN’I DADA DIA AZA MATAHOTRA.”

  1. ARY INGAHY MANOELA IZAY AO AMIN’NY BORIBORINTANY FAHA-DIMY, NA IREO KANDIDÀ NATOLOTRY NY GTT, AHOANA ???? TOA ADINO ????

    MBOLA TSY AZONAREO IHANY VE IRENY NISEHO TANY TSIROANOMANDIDY IRENY ??? REHEFA TAHAK’IZAO IHANY NY RAHARAHA, MIANGAVY IZAHAY MBA TSOFI-RANO NY VAHOAKA HANEHO NY SAFIDINY AN-KALALAHANA Ê !

  2. Hanao fara-doboka àty Antsirabe hono i Hery rahampitso. Efa miasa mafy ny campagne de dénigrement. Aleo miaraka aminay fa tsy franc-maçon. Tsy dia tena ampy loatra ny campagnen’i Michel Ambalavato. Alea jacta est. Rendez vous le 20. Robinson ihany aloha no fidintsika dia ho hita eo ny tohiny.

  3. KM

    il y a des observateurs internationaux officiels….

    Supposons que Rajoelina tente un putsch pseudo électoral…

    A partir de ses propres tricheries …juge et jugé ???

    Il essaierait donc de revenir à la case zéro ?

    En clair il perpétue ce qu’il a toujours fait depuis 2009 :
    ==> VOLER AU MAXIMUM ,
    ==> LE PLUS LONGTEMPS POSSIBLE ……..

    Au point où sont les affaires , cette politique de l’autruche ne serait il pas suicidaire pour lui ?

    1) l’embargo sera encore plus dur (les observateurs ne sont pas des débiles mentaux en principe et réagiront à la moindre RECLAMATION QUI TOMBERA A COUP SUR )

    2) Rajoelina est en train de devenir un « ROI NU  » sans grand soutien , ni soutien fiaqble suffisant

    3) à mon avis il y aurait un embrasement sur tout le territoire :
    LA MAJORITE DU PEUPLE N’ACCEPTERA PAS QU’ON LEUR VOLE LEUR VICTOIRE

    Si les Malgaches se laissent encore faire :
    alors là , ce serait désespérant , il n’y a plus grande chance de les débarasser d’un putschiste d’opérette pourtant !

    En Afrique ou chez les Antandroy le « coupe coupe » aurait fait son travail….

  4. Ny fanohanana an’ireo kandidà ho depiote no tena tsy maintsy atao tonga lafatra ê !
    Ny fanaraha-maso ny fifidianana ilaina koa, ary anisan’izany ny fankàna sary ny vokam-pifidianana !

    Tsara ho fantatry ny olona, fa araky ny feo re dia mbola tsy nametra-pialàna amin’ny maha PCA-n’ny Air Mad ny tenany ilay fery vao atramin’ny androany !

    Izany dia efa fandikàna Lalàna rahatoa ka marina !

  5. GBD,
    Un domelina est incapable d’analyser quoique ce soit ! D’ailleurs, cette idée ne vient sûrement pas de lui ! Idée imposée ou suggérée par ses gourous maléfiques ?? Je suis sûr que tu as en tête le nom d’au moins un de ces derniers !!

    La majorité du peuple n’acceptera pas qu’on leur vole leur victoire !!

    Et après ??
    Qu’est-ce qu’il va faire ce peuple qui n’a quasiment rien fait ( j’exagère un peu ) depuis cinq ans de règne putschiste et de misère ??? Se soulever ????

  6. Ho atao mahagaga ve izany ry Kintana a???izay tsy fanarahan-dalanan’i fery vao2???

    Ry zareo mpanara-dia an’i dada ô!!eto no fitsapana antsika farany raha tena fitiavana no nitolomantsika
    hatr’izay , koa mankahery ny sasany izay mahatsapa fa voahilika fa efa miteny dada fa mbola maro ny toerana mbola
    azo hifampizarana ,tandremo ny ambom-po diso toerana ary sao sanatria ka ho vidiana lafo ohatra izay 5 taona lasa
    izay indray, mba miangavy ny rehetra mba hanana fanetren-tena fa ADY FARANY ITY TOMPOKO ô!!!mba ataovy ho
    an’i tanindrazana sy ny taranaka afara any re e!!!vonjeo ny tanintsika fa aoka ho any aloha ny disadisa.
    Hisaorako manokana eto koa ny Kung- fu fa handray anjara @ fanaraha-maso ny VB rehetra ary izany no hilaina @’izao
    izay tsy vitan’ireto izay atao hoe zanak’i dada akory ny ankolafy Ravalomanana t@ 1 er tour,mankasitraka an’i M Avoko 100%
    kosa aloha ny @’izay, tsy noterena izy ireo tsy nokaramaina an!!

  7. Mila ‘mpitolona mafy ny vahoaka, satria,ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana dia mbola misy ny mametraka olana, Nefa azo atao tsara ny mikatsaka ny fandresena. Mila mandresy ireo solombavambahoaka ka ireo. Ny boriboritany faha 5 dia olona roa fa ny iray tsy nanao propagandy mihitsy… Mety nifanarahana angamba izany. Ny filoham-pirenena sy ny praiministra dia tsy maintsy atao izay ahazahoana azy. Ary ny fiarahana miasa @ AVANA dia mila fototra tsara Soa hiady an-trano ao indray. Ny fanaraha-maso ny fifidianana sy ny fijerena nyasan’ny CENI-T no hampangaraharaha ity fifidianana ity. Ireo observateurs internationaux , dia mâte titilla manaiky ny hala-Bato Isan-karazany ka tsy vaha-olana.

    Na ny Fozaorana aza efa misy Tonga saina ka hanohana an’ i JLR33 toy ny Gradiloafo, ny KMD, Camille vital sy ilay…..tandremo amboarina ny fo… i Lahiniriko …. Ekena e ! Mila miaraka mandresy izao, fa Aleo,tsy ho very tadidy fotsiny… Mino aho fa misy,toerana Sahaza ny rehetra. Ny vodi-tsobika aza mana-tandrifiny ….

    Zava-dehibe koa ny ataon’i y Kung Fu izay tsy nanaraka ny baikon’i Me Avoko t@ fiodinanana voalohany ary mpiray hina izao. Izao ilay Kung Fu t@ andron’i Grand maître Pierre Be . Raha izao no mitohy dia handresy isika. Mandry aho mba ho fandresena lehibe ny azo toy ny hoe 60% na mihoatra aza. Efa mandeha mantsy izao no resaka hoe hatao handresy i Fery fa atao mifanakaiky ny isa toy ny hoe 51% – 49% ka mila mailto sy mitandrina mafy isika fa fantatra a hangala tra ry zareo indrindra Any @ birao-pifidianana Any lavitra Andriana any. Eo,koa ny CENI-T izay machine natao hangalatra ka mila jerena akaiky.

  8. Raha tena sérieux ilay resaka Kung-Fu hametraka olona isaky ny Bureau de Vote dia tokony jerena izay BV tsy mbola misy délegués vonona dia aleo jerena akaiky ny tokony handraisana ireo Kung Fu ho isan’ny délegués.

  9. Inona kay no hatao rehefa hita mazava fa mijotso moramora manary 10 à 15% ny vaton’ny JLR eo @ fahatongavan’ny vato avy any ambanivolo mankao @ CENIT ?

    Ny prise de note any ambadika ataon’ny delegués tsy manankery @ Cenit sy CES, fa ny PV tonga eo aminy avy any ambanivohitra lavitra, nadalo lalan-dratsy sy niampita rano dia lasa niova, no PV officiel. Efa iaraha-mahita sy mahalala io zavatra io, de inona no hatao ? Ny centaines na milliers d’observateurs tsy hahasarona na oviana na ovina any 20 000 bureaux de vote.

  10. salam dholo Tompoko ô!!!
    Tena tsy afaka mandao ny toeram-piasana izahay zao nohon’ny
    antony arak’asa,fa mba fangatahana ihany ity ra mba mety ee
    Afak mba alefa mivantana amn’ny RADIO FEON’NY MERINA 101.6
    ve le eny amn coliseum fa tena mangetaheta tompoko ô;d mba miara
    miasa amn’reo mpanao gazety ao amniny TIA TANINDRAZANA SY NY
    VAOVAONTSIKA amn fampitana azy,Tena mengavy e,mino aho fa ho
    tafita any amnin’ny tompon’andraiktra kosa angamba zao hetahetanay
    zao e,ato mantsy ny radio feon’ny merina hira sy fampielezankevtra
    JLR syreo depute no mande ato,Mba ampitao zao hafatra zao Mydago a
    MANKASITRAKA INDRINDRA EEEEEEEE?HO TONGA ANIE NY FAHAFAHANA SY NY
    FANDRESENA

  11. Hevitra efa naroso mialohan’ny 1er tour :

    1) Ny BV IZAY BETSAKA MPIFIDY ALOHA no tsy maintsy araha-maso voalohany
    2) Tsy manao sonia an’ilay PV, rahatoa ka zavatra diso no voasoratra sy entina ho « tatitra »
    3) Alaina sary ny PV izay nosoniavina

    Mahazo manatrika ny fanisam-bato ao amin’ny BV nanefany adidy ny mpifidy rehetra, ka afaka manao « reporter occasionnel » ihany koa, maka sary an’izay azony alaina sary rehetra rahatoa ka mahita zavatra tsy ara-dalàna !

    Samy nahatadidy angamba fa tao amin’ny BV iray dia nisy naka sary tamin’ny 1er tour, ary maro no nahita ilay PV mbola tsy nisy na inona na inona voasoratra tao dia efa VOASONIA !! TSY AZO EKENA AKORY IZANY, ARY IREO IZAY NANAO SONIA DIA AZO TORIANA SY TSARAINA ANY AMIN’NY TRIBONALY MIHINTSY !
    Zavatra tahak’izany dia ilaina fantarina !

  12. KM> Ka efa voalazako io fa ny BV avy any ambanivolo izay TSY BE MPIFIDY fa kosa BV marobe miakatra tsikelikely no lazaina fa mampindina 10% ny vato efa azo.

    Ny vahaolanao maka sary sns aty antanàn-dehibe betsaka olona no azo atao.

    Any ambanivolo saro-dàlana, na dia ny présence physique ao anaty birao aza mety ahazoana loza raha tsy mitandrina.

    Misy sonia feno avokoa ireny PV tonga eny @ Cenit sy CES ireny na tsy hanao sonia aza ianao. Ny hala-bato nge tsy ety @ toerana be mpifidy izay afaka manara-maso fa any @ tany lavitr’andriana e.

    Dans 3 jours après fifidianana ohatra ianao, voaray ny PV rehetra @ tanàna tongan’ny fiara izay nahazoanao sary ny PV, dia mitarika 60% ianao. Fito andro aty aoriana, midina isan’andro io mandrapaha-very ny 11%, ary 49% sisa. Cas efa niainana foana io, na t@ 2001, na t@ 1er tour teo, dia inona no ataonao ?

  13. Ô ry Koto a! fa inona no mampitetateta anareo ho eny @ Coliseum? Fanga dadanareo nanamboatra an’io? Aiza ny fanenjehana an’i Zandry namboatra an’io. Tena nanangana Zandrinay iny. Mais bon, tsy maninona izany e! ampiasao tsara fa tia tanindrazana izy sady tena fair play be, ka na de ny adve aza, de avelany malalaka mampiasa ny zavatra nantsangany handaniana io candidat n-dRaosy tsy manakambo io. Raha tena milay anefa mahamasina malalaka be fa hita eny foana ny tsisy hambo. Efa niteny matetika moa izy woe, an’ny zavakanto gasy no nananganako an’io, ka n’iza n’iza mampiasa azy, de tsy sakanana.
    Ny resaka kung fu ndray, de tsy misy de matahotra azy na oviana na oviana, na hodidinina aza ny bureau de vote. Ny safidin’olona safidiny foana, ary tsisy azo hanaovana intimidation zany eo.
    NY AVOKO iny koa moa de nandiso fanantenana ireo kung fu tranainy, niaraka t@ dadany Pierre be, satria Ratsiraka zay namono ny dadany, sy ireo mpianany t@izany, aza, rehefa notambazany volabe Iavoko, de nandihy nanao kung fu, teo imasony. Raha za aloha no t@ toerany, na tsy afaka namaly faty aza, zay deraina azy izany, ny honneur-ko, ny honneur n-dray tsy hamidiko @ olona nandatsaka ny ain-draiko. De tsy mahagaga raha mora @lery ny mandray ny volan-Dravalo. Ny mahagaga kely fotsiny, raha mamaky ny sata mifehy ny kung fu izay art avy any Chine, miresaka fandeferana , fitavana ny hafa, tsy miady, de io fa mety ampiasain’olona mpandatsa-drà, toa an’iny Deba sy Raosy. Mamy ny vola ry Iavoko, faza mampiana-dratsy ireo mpianatrao, fa nitomany dadanao, raha nitsangana t@n’ny maty teo izy. De ambeno tsara ny bureaux de vote fa tsy hampiova ny voakatra ny faharesenareo io e! tsara aza nareo eo mihitsy hahita azy. De mahereza ry Avoko, fa mahatsara zavatra mihitsy ny maha eo anareo a!

  14. Nary,
    Tsy midika velively hoe tsy tokony araha-maso na atao antsirambina ny any ambanivolo, io hevitra narosoko io.
    Tadidio fa tamin’ny 1er tour, tao an-drenivohitra (be mpifidy) aza nisy BV izay tsy nahitàna délégués ! Dia mba ahoana izany ?

    Marina dia marina koa ny momban’ireo BV any ambanivolo, izay lazainao fa saro-dalana ( tsy hay koa ny mety ho toe-trandro ), sns…. : Efa misy dia misy aloha ny hezaka mba handrakofana ny BV rehetra arak’izay azo atao. Ny GTT dia anisan’ireo hanara-maso koa, miaraka amin’ireo voalazan’i LAZALAZAO ireo.

    Fa ny olana, dia mbola ao ihany ny sain-dratsin’ny sasany izay toa vonona ny hiala-bala sy hialangalana fotsiny ; tsy vonona ny handray andraikitra kanefa tokony ho voalohan-daharana amin’ny fanomezana maodely !

    Anjaran’ny tompon’andraikitra no mitsinjara ny asa ! Tsy olona mipetraka sy mpifidy ao Antaninarivo no hiazakazaka, hanara-maso sy hijery izay zava-misy rehetra any Betroka !

  15. Tsmis esainay saina zany MARTI aaaa,vola naloanay tamn’ny alalan’ny hetra io;ka hanjakanay,ny 5etoile ko ne dadanay no nanamboatra anio e,f izy mou no mi_style eny fona;aoka hazava ny reska;asaivo asin’ny madagate commentaire nenazy d any mitatasika fatsy aty amanay aty;Any no sahaza ny foza

  16. KM

    on revient au même principe:

    « poignez vilain , vilain oindra,
    oignez vilain il vous poindra ! »

    VIGILANCE, VIGILANCE EXTREME comme tu préconises…

    Le peuple est souvent suiviste chez nous (« rien fait pendant cinq ans »)
    Passif comme tout peuple pauvre et peu cultivé, qui a toujours vécu des successions de régimes violents…
    Dans un pays riches en ressource attirant les prédateurs multinationaux(français, chinois, arabes, canadiens, américains…russes..
    Bref tous ceux qui ont de l’argent pour mettre à la tête du pays un dictateur à leur solde.

    D’où nécessité , pour les convaincus de toux ceux qui veulent mettre à terre le système Rajoelina , DE DONNER UN COUP DE POINT PARTOUT ET JUSQU’AU BOUT AVANT LES ELECTIOINS …

    N’attendons pas un peuple passif qui souvent « miandry ny omen’Andramanitra » quite à se faire harakiri comme dab’ ……….
    Ratsiraka a bien perduré 25 ans !
    Notre contexte insulaire permet aux dictateurs de tout ficeler…
    de censurer ,
    d’interdire …

    Du temps de Tsiranana les livres étaient sous haute surveillance de la police (ex : censure du livre de Dumont ou les livres de Garaudy…
    Du temps de Tsiranana encore la faculté de sociologie était fermée …
    Car la sociologies est dangereuse pour le pouvoir autoritaire en place…

    Pour tout dictateur un citoyen qui a la connaissance et qui réfléchis est un danger politique potentiel.

    J’exclus de cette notion de peuple passif tous ceux qui ont bougé et bougent encore leur popotin…pour les autres.
    Minorité pensante ou agissante.

    Malheureusement c’est souvent comme cela chez nous , même dans nos propres familles les discussions sont ardues +++ et l’incompréhension +++

    Mais je préfère avoir confiance ,

    notre peuple est suiviste d’apparence car pétri de « d’apathie religieuse » ,
    néanmoins il devrait avoir une maturité politique à la suite de ces années à voir leurs enfants mourir de faim …
    sachant que la cause est essentiellement politique.

  17. Zao e nde atombo-tsika dia ny izao ny fampiavanam_pirenena,ka samia mahay mankasitraka zay zava-bitan’ny candidatny avy tsy aiza manko ireny fa eto amtsika iany na miala ary ny mpitondra dia reny mitoetra ho lovain’ny taranaka mifandimby…

  18. Koa mahaiza mifamela sy mifankatia(tsika miady an-trano manko no tanjon’ny FRANTSAYmba afahany mampiditra ny tafiny eto)ny hevitra no tsy mitovy ka ampanajana no anehoan-tsika izany,izay raha teo ny tanjony candidat-tsika J.L Robinson

  19. Reseho lahatra ireo vahoaka diso lalana mpanohana ny sefom-poza !! Ny sefom-poza dia arak’io voalazan’i GBD io, dia tsy maintsy mamerina ny arenam-bahoaka nangalarina ! Midika zavatra betsaka izany !

  20. FIDIO NY NUMERAO 33
    ASA MISALASALA TSY MARINA IZANY VE WOA
    TSY ATORO ANAO INTSONY ANGAMBA ROBINSON RAVALOMANANA
    AMINIREO TRAIKEFA EFA HANANANY
    KA AMINY ZOMA HO AVY IZAO
    MIFOHAZA VAO MARAINA SAO TARA EO HIANAO
    EFA ELA ANGAMBA IZAY NO NIJALIANTSIKA
    NOHO NY RATSY NATAONY RAJOELINA ,MPANDAINGA,MPANGALATRA RAHA ATAO SARY IRAY MIPIKA
    ARY ITY MISY HAFATRA LEHIBE HOTENENIKO ANAREO
    HEMBENO TSARA DAHOLO NY BIRAO DE VOTE MANERANA ANY MADAGASIKARA
    HIALANA AMINY HALATRA REHETRA SAO TROP TARA
    IZANY MANTSY NO NAHAVOANTSIKA TAMINY FIODINANA VOALOHANY
    TSY NASIANTSIKA OLONA NANARAMASO TANY AMBANY VOLO REHETRA TANY KA TENA MANAFITOHINA
    IZAHO MALALA, HIANAO TSY ATORO
    BONNE CHANCE DAHOLO AZA MATORITORY.

  21. ireo kung fu tarihin’i Me Avoko (nanohana an’i Rabetsaroana)

    ==> alefaso manakaiky ireo Jeneraly miaramila
    natao solon’ny sefo région taty aoriana ny 1er tour

    manao intimidation
    mampiantra karazana directoire militaire any amin’ny faritra nandefasana ireo any

    kôzy sérieux

  22. Zao an!Ny fanisam-bato no arahi-maso tsara dia fenoina daholo ny p.v,ny copie-tazomina ho an-tsika ary aterina any @zay tomponandraikitra avy @mouvance RA8 na ny antoko AVANA,ary isika mandefa msg ho fanamafisana any @ 033 33 330 33 …

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *