FILOHA RAVALOMANANA : « TANDREMO ADINO NY MIFIDY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA, AMIN’IZAY I NENY KOA TAFAVOAKA »

ROBINSON à  ARIVONIMAMO 06-12-2013-10

ROBINSON à  ARIVONIMAMO 06-12-2013-10Arivonimamo, Mahavelona, Manazary Miarinarivo, Ankadinondry Sakay, Tsiroanomandidy, ireo indray no faritra notetezin’ny kandida dokotera Robinson, niaraka tamin’i Neny androany Zoma 06 Desambra 2013, nanatanterahana ny fampielezankevitra amin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa. Vory lanona hatrany ny vahoaka nihaino ny kabarin’ny kandida Robinson sy Neny ary ny filoha Ravalomanana. Naleon’ireo mponina nampitsahatra ny asa andavanandrony toy izay tsy ahita mivantana ireto delegasiona ireto. Nambaran’i Neny tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony tamin’izany:

Misaotra anareo amin’ny fisafidianana tamin’ny fihodinana voalohany. Afaka fotoana vitsivitsy hoy izy dia ahazo filoha vaovao isika, ary hiverina ny tany tan-dalàna. Mila miray hina sy mifampatoky isika hoy izy ka ao anatin’izay dia miasa miaraka mba ahitana fahombiazana.Miara mandroso isika mankany mankany hanangana firenena vanona ho lovan’ny taranaka fara amandimby. Tohanana vavaka anefa izany rehetra izany fa ny vavakano manova zavatra. Ilazao hoy I Neny ny mpiarabelona, ny manodidina fa hitantsika ny lalantsara ary aza matahotra minoa fotsiny ihany.

Ny kandida dokotera Robinson dia nanambara fa aty amin’ny faritr’Itasy Bongolava dia amboarina ny làlana, ary atsangana ny lisea, raha vao tonga eo amin’ny fitondrana ny tenako dia ampodinay dadanay fa ampy izay. Atao vaindohandraharaha hoy izy ny lafiny fampianarana. Hampanaovina fiofanana hoy izy ireo mpampianatra FRAM ary hampidirina ho mpiasam-panjakana ka tsy ny ray amandreny intsony no hiantoka ny karaman’izy ireo. Omena sakafo ny zaza dia ampianarina , ary jerena manokana ny Reny sy ny zaza. Nilaza ihany koa izy fa hosokafana orinasa nakatona toy ny Magro sy ny TIKO. Hojerena ny fampidirana angovo herinaratra mba tsy hisy intsony ny delestazy « veloman hatreo ny delestazy ». Mahakasika ny hopitaly dia nambaran’I kandida Robinson fa hatao hopitaly  CHU  ny hopitaly ny ao Arivonimamo. Momba ireo depiote natolotry ny movansy Ravalomanana sy ny Avana dia nambarany fa miara miasa isika ka fidio ny kandida depiote natolotry ny movansy sy ny Avana. Ny fahamaroan’ny depiotentsika ho lany maroan’isa hoy izy no mahatonga an’I Neny ho Praiminisitra. Lany Robinson, lany ny depiote atolotry ny movansy Ravalomanana , lasa Praiminsitra I Neny. Ny fihavanana hoy izy no ampinga ary mandresy no toromarika. Noho izany dia aoka isika ho mailo amin’ny latsabato ataontsika fa misy ny mikonokonona fangalara-bato, arovy ny vatotsika.

Ny filoha Ravalomanana izay niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby dia nanamafy hatrany ny tamin’ny vahoaka ny tokony hifidianana ny dokotera Robinson. Fidio hoy izy ireo depiote ofisialy atolotry ny movansy Ravalomanana.”tandremo adino ny mifidy ny solombavambahoaka amin’izay Neny koa tafavoaka” Ezaka farany ity ataontsika ity hoy izy fa tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra koa aoka isika hifidy. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanararaotana ny nanolorana ireo depiote ofisialy avy amin’ny movansa Ravalomanana ka tao Arivonimamo dia ahitana  Rodin Rakotomanjato, Miarinarivo, dia Guillaume, tao Tsiroanomandidy dia Rapierre.

ARIVONIMAMO

MANAZARY

ANKADINONDRY-SAKAY

MAHAVELONA

 

26 pensées sur “FILOHA RAVALOMANANA : « TANDREMO ADINO NY MIFIDY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA, AMIN’IZAY I NENY KOA TAFAVOAKA »”

  1. Tsara ny fa filazana ny zavatra hatao fa aza dia atao mihoa-papana ny fampanantenana fa mbola sarotra ny ts maintsy ho sahanina,ny fanarenana kasao dia tsy ho vita.Asa?asa?asa?……

  2. Dia mba mampitovy biby tsy miady koa ilay olona .
    Aiza indray no hisy mpanan-kanto hitovy @ Bodo???
    sady izy tsy nivadika mihintsy, sady taviny no volony.Mitsiki2 lava …….mahasarika e!!
    F’inona koa ny blem-n’i Ndefo?amiko i Dokotera dia TSY MISY KIANINA na dia hiezahana
    hosoram-potaka aza, tsy mba be teny na mahay mandahatra lainga ohatry ny foza , ny foza
    aza FANINA mihintsy hanaovany azy.

  3. Dokotera tsy mba manao ronono an-tavy toan-dry Fery, ireo kandida depute avana sy mouvance Ravalo ka dia tokony hihetsika hanentana ny olona aby, hatrany amin’ny faritra rehetra any sao tara loatra an

  4. Mangataka an I jLR tsy Andray Anjara @ débat télévisé mitent Frantsay .Raha Andray Anjara ianao dia Valio @ te ny Gasy n’y resaka . N’y Akaotra izay dia hanainga n’y vahoaka tsy hifidy Anao n’y tenanay.

  5. reveko le sary rasamy a,
    miaraka @rajoelina ho be:- ny makorelina
    – ny mpisotro dromelina,de ho bado sady domelina ny taranaka ary ho ho taraiky anaty tonelina.

  6. Miarahaba antsika mianakavy,

    Dia manantena ny fiarahamientana @ fanohanana aramoraly ny filoha Robinson.
    Inona moa no hanaovana débat @ teny frantsay nefa ny vahoaka malagasy no hifidy filoha. Izahay koa dia miombokevitra miangavy ny filoha Dr Robinson tsy handray anjara @ io débat @ teny frantsay io. Miangavy ihany koa raha azo atao ho an’ny olona afaka mifampiresaka aminy mba hilaza aminy izany resaka izany.

    Inona moa izay teny frantsy no hanaovana débat nefa ny teny malagasy aza tsy lany amamiana ifampiresahan’ny samy malagasy ary azon’ny malagasy 100% manerana an’i Madagasikara. Maninona ny vazaha frantsay raha maka traducteur raha te hanaraka ny fifampiresahan’ny kandida malagasy roa tonta?

    Aoka isika ho mailo fa manana ny maha izy azy isika malagasy sy ny tenindrazantsika koa aza manaiky izany débat @ teny frantsay izay langue efa nanandevozan’ny frantsay antsika ka nahafadiranovana antsika tahaka izao.

    Tiako raha manao fanamarihana ianareo namana ato mahakasika io débat @ teny frantsay io.

    Homva antsika Andriamanitra.

  7. Aza dia ahilikilika ireo député tsy natolotra mouvance nefa manohina Dr Robinson e ! Zavatra hita @ faritra maro izany. Ilay député natolotra mouvance tsy tian’olona nefa misy député milaza fa manohana Robinson dia lazaina fa misandoka nefa dia manao propagande Robinson zao ireo député ireo rehefa manao fampielezazn-kevitra. Mba diniho ihany fa tsy hoe tsy nisy dikany akory ilay nananganana ilay Tranobe vovonana .Rehefa mandalo i Robinson dia ilay kandida natolotra ihany no aroso vahoaka nefa maro ireo antoko izay manohana Robinson kanefa ahilika any @ députation. Ho diso paika ianareo fa aza dia matoky tena loatra hoe rehefa atolotra Mouvance dia ho lany.Mba jereo ihany izay mamim-bahoaka eo an-tanàna.

  8. Ka tsy misy hamahanana lalitra ilay ambany tanana ,
    fa dia mba vao2 hafa kely indray izany ray olona an!tena efa fanambaniana kosa
    angamba izany kah???
    Mandà ankitsirano ny @ fanaovana dėbat @ teny frantsay ao MADAGASIKARA izahay Malagasy.
    Inona no hatahorana e??nanantena fa hisosa lava @’ity lainga , ataon’i Dokotera fanina mihintsy,
    Sady dokotera TSY MISY KIANINA dia mody i dada sisa hialana vokona fa tsy mahita rirany mihintsy
    @ dokotera, LANY BALA. Ajanony fotsiny izao ilay resaka rehefa matahotra e!!
    Io efa fantany fa efa tena LEO sy TOFOKA ny vahoaka dia mitady hampandry adrisa foana nefa matahotra.

  9. Loly aoka ny vahoaka tsy ho voafitaka fa misy dia misy ao @ ankolafy
    rajakom-poza ary tompon’andraikitra tsara miara-miosona @ foza @ fandetehana ny
    firenena toy izao, ary anisan’ny VATO MISAKANA NY FFODIAN’i DADA ka tsy ny ankolafy no fidiana fa
    izay olona TENA MADIO TSY MPISOLELAKA @ FOZA na manao fitaovana an’i Dada fotsiny. tandremo
    fa MISY DIA MISY NY AMBOADIA MITAFY OD-IJANAk’ONDRY ao @ ankolafy koa MAILO ô!!!

  10. Marina loatra ny voalazanao ry Ranavalona : Jereo tsara izay fidiana ry vahoaka fa tsy izay mpamadika palitao rehetra eo ! Maro ny député manohana Robinson fa tsy natolotra ankolafy Ravalo, nefa manaporofo izany amin’ny sady fanaovana fampielezan-kevitra Députation no mamporisika ny hifidianana an’i Robinson.

  11. Njara : ZOMBI gasy ve io Patrick io ?

    LOL

    Mampatsiaro an’i ilay TGV be taim-bava aminy teny tsotssska satria zatra « boite de nuit » be menasofina…

    Il a simplement oublié de remplir un peu plus sa « calebasse » à l’école…
    Intellectuellement c’est un « vadin-drasazy »…

    diplomée = mialy à la maison !!!!!!!!!!

  12. J’adôooooooooooooore ces photos
    Cela réchauffe le coeur.

    Je garde en précieux souvenir nos photos prises à Diégo, lors d’un meeting du PR.M.Ravalomanana en 2008 !!!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *