HAMPITENENO NY AMIN’NY ARABE, RINDRINA NY BANDEROLE ARY HANAOVY NY TEE SHIRT ROBINSON

Raveloson Constant
Constant Raveloson
Constant Raveloson

Raha tena tiantsika hoy Robert solontenan’ny fikambanana androany teny amin’ny Magro Behoririka dia ampiteneno io rindrina io. Tsy manana toerana hahafahana miteny isika hoy izy raha tsy eto ka aoka isika hitondra ny banderole avy. Any Ambatomaro hoy izy dia efa misy ny fampihorohoroana ny zanak’i dada. Raha mbola misy miteny eo ny zanak’i dada dia hosamborina. Manomboka miteny ireo olona nokaramainy ireo . Noho izany dia tsy tokony hiandry baiko isika amin’ny fampitenenana ny banderole. Somary matoritory ihany isika ary ho avy indray ny radio hilaza fa efa matory ao amin’ny Magro ireo. Samy tomponandraikitra isika hoy Robert ka aoka tsy hatoritory manomboka any amin’ny fokontany. Ny Ct Raveloson Constant dia nilaza fa sarotiny amin’ny vato isika. Tsy misy vahoaka na iza na iza na karamaina 2alina ariary aza dia tsy misy olombelona hanaiky ny hitso-drano ny otafady  tamin’ny 2009, fa ho entin-dRajaonarimampianina ny firenena. Tsy misy malagasy hifidy izany heo tohizano Rajaonarimampianina ny tamin’ny 2009. Lainga izany ary ompa ho an’ny firenena. Ny halabato dia fomba hanarotsaronany ny fanonganam-panjakana hatramin’izay. Tsotra ny teny hoy izy efa halabato voatetika hatrany amboaloany. Efa fababoana ny vato ho andry zalahy no natao nefa na nanao izany aza Rajoelina dia mbola tsy nahavoa ny ekipany. Tohizany io hoy Constant raha mbola diso hendry isika.Samy manana ny anjara tandrify azy iska, ny dokotera Robinson dia manana ny anjarany amin’ny fanaovana ny fitoriana any amin’ny Ceni-T, fa hihomehezan’ny vazaha fotsiny rehefa tsy misy tolombahoaka no mihetsika. Arakarak’izay no maha hendry ny Ceni-T.
Tamin’ny voalohany dia io Attalah io mihitsy no nindrikina kanefa nanaiky ihany. Ny anjarantsika hoy izy dia mindrikina, maneho amin’ny tee-shirt, tsy misy manaiky ny hitohizan’ny dimy taona teo fa ilay ataon-dRajoelina teo no tohizany ka izay no mahasaropiaro. Avoahy tany amin’ny fokontany hoy Constant ny sarin-dRajoelina, ary apetaho eny amin’ny arabe, avelao ny vahoaka hianatra izay tokony hajaina sy ny hanariana azy any rehetra any ny 20013. Ankoatra dia nambarany fa tsytokony asiana fijanonany ny hetsika eny amin’ny Magro amin’io herinandro io satria raha tsy misy fanehoankevitar eny dia lazain’ny olona tsy misy isika.

26 pensées sur “HAMPITENENO NY AMIN’NY ARABE, RINDRINA NY BANDEROLE ARY HANAOVY NY TEE SHIRT ROBINSON”

  1. Raha tena tiantsika hoy Robert solontenan’ny fikambanana androany teny amin’ny Magro Behoririka dia ampiteneno io rindrina io.

    >>> Dia mba asio VIDEOS ary ê !

  2. AOK’IZAY NY TROP BONS TROP CONS !!!

    Être bon ne signifie pas mou, trouillard et résigné ! La bonté envers le peuple doit être prouvée par la capacité des dirigeants à défendre ses droits, de même que ses choix !

  3. Fa nankaiza ireo tompon’andraikitra sasany tsy hita fa i Constant foana no manentan eto ??? Shhhhh ! Ento midina andalambe @ zay fa tsy rariny intsony !!!!

  4. Ho an’ny gazety La Nation, hafatra mba tiako ampitainy ho an’i Ra-Jeannot !

    http://www.lanation.mg/article.php?id=8479

    Rahatoa ka bobaka laotra anie ny tiserta azon’i Ra-Jeannot, lazao izy hitondra azy ireo eny amin’ny mpanjaitra ê !
    Mividy tady na lastika kely fotsiny, dia azo avadika ho silipo ireo ê ! Mig 21 aza izany voavadika ho kôkôty !

  5. TAIRO NY MASKITA FRANTSAY DE ASIO SAKAY TSRA FA IZAY IHIANY SISA NO METY HANOVA NY HEVINY E . TOY IZANY NO ATAON NY ARABO ATY ANDAFY ARY MANDEHA TSARA SY MANDAITRA TSARA MIHITSY NANOMBOKA 1987 KA HATRAMIN IZAO

    MASAHIA RY MALAGASY MALALA

  6. KM

    jereo kely ange ny ferme pilote/centre de formation SONGHAÏ any Bénin

    Tena mafinaritra sy mampihaiky ny asann’ity mopera dominikana ity , de formation ingénieur électronique no mpitantana…

    Porofo fa mahavita azy ny Afrikana , tsy mila fransafrika mpanangeja gena sy mpamorona potsista !

    Angataho stazy any ao aoriana éééééé !
    Hanatra ho antsika.

    Tsy mila zavatra goavana be dia mahatsara ny fiainan’ ny vahoaka sy mampiadana ny sainy (formation et production) …

    Petit Bemol : la corruption commence à ronger ce rare pays africain démocratique…

  7. Fantatro ny lehiben-n’ny Shongaï rahatoa ianao ka te-hanao stazy pisikiltira, fambolena, fromazy, na mekanika aza !

  8. Tena miandry kely alo ry Tovo a,miandry ny vokatra avoakan’ny CENIT & CES vao mihetsika rehefa tsy mamaly ny fangatahan_tsika reo de lasa zao
    Mety hiafara @ chasse a l’homme mitsy ty fa hamafiso ny fiaraha_miasa

  9. Ary ahoana koa iretsy Ambany tanàna efa mi-ménace sahady hoe ho avy izahay raha manakotaba eo nareo? Dé tena hojerena fotsiny ve izany rehetra izany e? aiza isika lehilahy?

  10. Zay tsaho zay ne fomba fiady teto atr@zay e,zay matonga an’i dada milaza fona hoe:miraisa hina
    Reo manko no jamban »ny vola ka mahazo kely izy de zay ny mpanao rugby indrindra2 mila mijery tsara & miaino isika
    Aza matahotra minoa fotsiny ihany

  11. nY POLITIKA tokony ho entin’ny Ankolafy Ravalomanana dia ity e :

    – Tsy mila MANGATAKA INTSONY (Fongoru amin’ny saina ny hoe : Nous DEMANDONS….sns

    – Ny tokony atao : dia ny MANAO AVY HATRANY ( TSY MILA MANDALO AKORY AMIN4I bERIZIKY fa iny sy Béa dia volongita). I Beriziky no foza miady toerana tsy mety miala ao fa tsy mila mikasikasika an’i Mamy Rakotoarivelo ry marivo salosana-bekonetakataka isany a 🙁 Mba mianara manao politika, fa aza manao toa an’i Eliane.
    – Mbola averiko fa ny midina an-dalam-be no ala-olana ary tsy voasakan’i Fatin’alika.

    – ATOMBOY – ALEFASO : NY GREVE GENERALE ILLIMITEE HANDROAKA AN’ HERIM-BOATAY sy DOMELINA.

  12. Tena manopa an’i Dada – Dr ROBINSON – NY AVANA manontolo – ity mi-critique an’i Mamy lava ity, nefa ireo rehetra ireo mbola matoky sy mitana an’i Mamy Rakotoarivelo hatrany.
    Aza marivo ihany oa !

  13. Mitovy evitr’amiko i Njara,tsika ra mandefitra lava eto de eto sika no raisina,
    Efa teniko teto hoe tokony ho eny @CENIT tsika manao meeting sady manery azy anao confrotation,ampiasa ny hery misy eo am_pelatanany reo fa tsika tsy anaiky lemena

  14. Ary mbola manaiky ihany ko za ny tokony tsy ifanaratsian_tsika ato @mouvance Ra8,ianao mahalala dada tsy atoro(efa hoe sarotra ny toerana nisy iny olona iny tao anaty ny 5ans,metez_vous a sa place)
    Zay le hoe ny adalan’ny hafa ihomeezana ny antena

  15. Mba jereo @ fo tsy miangatra kosa aloha!!ary aza malaky saringitina daholo
    ity olona hatao fitaovana fa ampy kosa angamba izay kah???
    IZA ITY MPITARIKA HO ANDRASANAREO RAY OLONA????MIANDRY AN’i PAOLY???
    MISY MIIIHHHAAAINNOOO???
    MBA LAZAO KELY AZA HOE AIZA ILAY ATAO HOE MPITARIKA @’IZAO FOTOANA?????
    FA ISIKA VE NANDRA E???? »isika anie mandefitra foana e!!! »hoy ilay mpitarika lasa nitsanga2
    any la frantsa any zay, niaraka @ foza.

  16. Tsy kivy ianao Atoa Mamy RAKOTOARIVELO, fa hita tsara izao ny marivo salosana sy bekonetaka. Tohizo ny asanao ary tsy misy tokony hitomaniana akory ny hoe hihaona amin’ny GTT, fa tsy hanao azy ireo.
    Raha itony Ranavalona itony no dinihina dia TSY HANDROSO MIHITSY ISIKA.Misy Hafa koa izay nilaza fa misy vazaha nanatona azy ary TE-HANAMPY NY MALAGASY. Mampihomehy mihitsy ity vazaha te-hanampy ny gasy ity.
    Rehefa tsy mahavita azy ny gasy dia avelao hinanana eo e !Tena misy mahavita anefa vao mahita vola dia amidy hatramin’ny reniny sy anabaviny, dia hoe : antsoy hoe Premiere Dame aho sns…
    Asiako fanamarihana kely : TSY MISY MAHARAKA MIHITSY ny Hafetsena ataon’i SUISSE mikasika an’i Madagasikara, ne io tany io dia MANAMPY-MANOSIKA an’i Lafrantsa amin’ny fomba mahery vaika mihitsy, fa mody hoe manome fanampiana sy ny karazany anefa FANAMPIANA HO AN’NY FOZA (RAJOELINA) no tena kendreny.
    Araho maso tsara fa mandefa fanomezam-bola matetika mihitsy io tany hatramin’ny Fiatombohan’ny Fifidianana. Ary avy aiza moa no fihavian’i François Goldblatt ??? Mba azo valiana ve izay ???
    Tandremonareo ry GTTSRA o ! Mba jereo ihany hoe aiz no misy ny tongotra e !
    Rahoviana hono no hidina an-dalam-be eny Paris ny GTT ? Ary rehefa misy midina, miangavy mba ataovy hoe ny Malagasy NIHETSIKA SY NILAHATRA FA TSY gtt IHANY.

  17. MAHONENA ILAY FIRAISANA TSIKOMBA2 @ RATSY! efa hita eo ve fa maimbo dia mbola
    hombako ihany na dia za be konetaka ity aza???TOHIZO HOY NJARA NY FANDETEHANA AN’i
    DAGO MIARAKA @ FOZA RAMAMY ô!!!EFA NAHAZO ALALANA MALALAKA IANAO FA TOOOOHHHIIIIZZOOO!!!
    avelao ny vahoaka handefitra lava eto hitrotrongy @ malotony e!!!
    Dia mba manontany tena za hoe: fa iza moa no misolelaka @’ireto frantsay sy i « gadradraka volamena » ingahy maso ivoho
    raha tsy io olona tohananao mafy io, mitovy hevitra tsara ianareo samy mpankahala an’i dada fa sainga misy tombontsoanareo
    ao matoa ianareo mijanona ao,mbola tadidiko anie ny teninao farany njara e!!na hiova anarana in-100 aza ianao ny momba ny
    dadanay sy neninay,aleo aloha tsy mbola teneniko eto fa raha tianao dia avokako eto tsara be.NY VAVANAO IO MOMBA AN’i
    DADA SY NENINAY dada Ravalo sy NENY Lalao, ka io no tsy mahagaga ahy ny @ fanohananao an’i kotovelo fa MITOVY
    FISAINANA MIHINTSY IANAREO ny @ Dada Ravalo.

  18. Mankasitraka mihitsy aloha raha misy hetsika atao an-dalam-be ao Paris e ! Saingy…..SAINGY…angamba tsy hisy izany satria tsy hevitra avy ao @ birao fa hevitra avy ety ivelany (olonolom-poana) ka hampalaina an-drizareo ny hanao azy, fa toy ny manambany azy.
    Manome voninahitra ny ao Morondava aloha e ! BRAVO MORONDAVA !
    Antananaerivo ny wawawa no betsaka ary efa mankaleo mihitsy aza.
    Miandry ny ao Marovoay efa nanomboka nihetsika koa. Alefaso ny anareo Toamasina, Antsiranana, Mahajanga, Fianar, eee! roso ny dia e !

  19. Ianao anie ka manafi-kiho nefa efa mirangaranga eo ny rangotrao e!!!
    Aiza no tsy hivoaka ny marina e!!mba jereo anie ny mba toe-tsainao e!!
    Izao ve no toe-tsain’olona mba antenaina hamonjy an’i Madagasikara???tsy ho tafarina mandrakizay
    Dago raha olona toy izao no hianteherana.
    Aiza koa no hisy zavatra handeha ? aiza no tsy vao maika hilentika ny firenena???MAHONENA!!!!

  20. Taratasy misokatra ho an’ny Mouvance Ravalomanana,

    Dimy taona izay no nisian’ny olana arapolitika teto Madagasikara.Samy niaiky na ny andaniny na ny ankilany fa tena lalimpaka tokoa ny olana sy ny fankahalana.Raha tsiahivina dia nanao ny ezaka mafy ianareo mba hampiverina an’andriamatoa Marc Ravalomanana.Hiaraha-nahita anefa ny vokany fa mbola any ivelany ny filoha, ianareo mpitarika migalabona tanteraka .Tsapa anefa ankehitriny tao aorinan’ny fifidianana fa tonga amin’ny fetra ianareo.Aoka izay ny fampandriana adrisa ny vahoaka izay tena mpitolona.Dia mbola hoentinareo amin’ny kizo ihany ve ny vahoaka malagasy.Mety hiteny ianareo mpitarika hoe ka i Marc Ravalomanana ihany no mahatonga an’izao.Azo ekena izany nefa ianareo no aty Madagasikara.Tsy misy tsy mahalala ny fihetsika ataaonareo sy ny teny avoakanareo.

    Mandresy tanteraka i Hery Rajaonarimampianina.Ny angatahanay dia aoka mba hanaiky izay vokatra eo ianareo , aza omenareo fanantenana intsony na ny vahoaka na Mr Ravalomanana Marc.Lazao azy ny marina mba ahafahany maka fanampahankevitra.

    Eto ihany koa izahay dia mangataka aminao andriamatoa Filoha Marc Ravalomanana, fahendrena tanteraka ny manaiky izay vokatra hivoaka eo.Fahendrena tanteraka ny fiarahabana izay filoha ho lany eo.Raiso antanana amin’izay ny ho avinao sy ny fianakavianao samy irery.Mino sy manantena anefa izahay fa afaka fotoana fohy dia afaka ny hiarahiasa amin’ny malagasy tsy vaky volo ianao na ny fianakavianao.

    Mafy be tokoa ny hery etsy ankilany.Betsaka ny mpamadika, izay no mahatonga ahy mangataka aminao hoe fahendrena ny manaiky izay vokatra hivoaka eo.

    Maro ihany izay soratra nalefako izay , ka mino aho fa misy ho raisinao ihany ny teny.Aza raisina ho fankahalana no hitenena izany fa tena olona mpitolona tokoa nanomboka ny taona 1999 na dia tsy fantatrao aza.

    Misaotra Tompoko.

  21. OADRAY

    miantso anto :
    illuminat , denise, zano and c°

    OYEZ

    OYEZ

    VIVE NOTRE FRAUDE ET DITES NOUS MERCI : SURTOUT EN NE FAISANT PAS DE RECOURS AU C.E.S. !!!!!!!

    Sa tsa izany va ??????????????

    Continuez vos leçons apprises à l’ECOLE DU RIRE !

    Ecole du Rire = madagate et radio Viva !)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *