I-KOTOZAFY IHANY NO BE_TRICE

bea

beaRehefa avy nanao fety am-pilaminana  nandritra ny fetin’ny krismasy ny vahoaka Malagasy dia hiatrika indray ny raharaham-pirenena. Ny nalaza tamin’ity herinandro ity dia ny vokam-pifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka. Samy miandry ny vokam-pifidianana avoakan’ny CES avokoa ny vahoaka malagasy manerana ny nosy ary miandry ny valin’ny fitarainana nataon’ny mpifidy nandritra ny fifidianana. Ny CES anefa dia tsy azo antenaina satria tamin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany,  rehefa avy mamoaka ny vokam-pifidianana izy ireo, izay vao mamaly ny fangatahana ataon’ny mpitory. Ny ankamaroan’izany anefa dia tsy nisy noraisiny. Toy izany ihany koa ilay didim-panjakana farany teo izay niteraka resabe teto amin’ny firenena. Efa tapitra ny fampielezankevitra vao namoaka ny fanapahankevitra ny CES. Efa hatrany amboalohany ny CES no nitanila any amin’ny mpanongam-panjakana izay  nanala ny maha kandida an-dRamatoa Lalao Ravalomanana tsy afaka hifaninana amin’ny fifidianana filohampirenena.

Ny Ceni-T indray izay mamoaka ny vokam-pifidianana vonjimaika alohan’ny handefasana azy any amin’ny CES, dia mampiahiahy ny besinimaro ny fomba fiasany.Ny voalohany dia  tsy mahaleontena tanteraka ity rafitra ity fa mitanila any amin’ny mpanongam-panjakana. Anisan’ny niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fifandraisana eo amin-dRamatoa Attalah Beatrice sy Hery Rajaonarimampianina. Ny filohan’ny Ceni-T mantsy dia efa mpanolontsaina teknika tao amin’ny minisiteran’ny teti-bola izay ingahy Hery no nitantana izany minisitera izany. Talohan ‘ny fifidianana aza dia efa nisy ny fihaonana mangingina nataon’ny roa tonta. Midika izany fa tsy maintsy manome vahana ny fandresen’I Hery ny filohan’ny Ceni-T.    Ny faharoa dia ny fomba famoahan’izy ireo ny vokam-pifidianana tsikelikely, ny tsy fanekena ny hamoaka isaky ny birao-pifidianana. Inona no antony ? Ny movansy Ravalomanana dia nangataka ny hijerena isaky ny birao-pifidianana ny vokatra, ka ho sahy hanao izany ve ny Ceni-T?

Maro dia maro ny hosoka goavana  na “fraude massive” hitan’ny olompirenena tamin’ity fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa sy solombavambahoaka ity. Anisan’izany ny fanovana tamin’ny ora farany ireo mpikambana tao anatin’ny biraom-pifidianana sasantsasany manerana ny nosy, izay midika fa olona azo baikona no napetraka tao. Ireo bileta tokana izay nampisaina dia tsy fantatra mazava ny isan’ny natonta satria nisy tamin’ireo biraom-pifidianana no tsy ampy izany. Nankaiza ireo bileta tokana ireo sa nentina nampiasaina toy ny  zavanitranga tany Marovoay izay nahatratrarana vata misy bileta tokana efa vita marika mialoha ka hampandresena ny kandida Hery Rajaonarimampianina.  Ny Proces Verbaux (PV) ho an’ny fifidianana filohampirenena ihany koa dia tsy ampy tamin’ireo biraom-pifidianana sasantsasany. Tsy fahaiza miasan’ny Ceni-T ve sa nentina nampiasaina amin’ny halabato ? Manoloana izany dia toa mangina tsy ahita teny ny solontenan’ny movansy Ravalomanana ao anatin’ny Ceni-T. Efa voavidy vola ve sa tratran’ny be no vitsy?

Fehiny : Mitanila any amin’ny mpanongam-panjakana ka manao izay hampandresy ny kandida tohanan-dRajoelina ireto andrim-panjakana roa izay mikarakara ny fifidianana, ny Ceni-T sy ny CES ireto.

 

 

 

51 pensées sur “I-KOTOZAFY IHANY NO BE_TRICE”

  1. Averiko eto indray fa mersenera politika ireto:
    1_RAY AMAN_DRENY MIJORO (NAJORO)
    2_FFM
    3_CENIT
    4_CES…
    Ary misy kajy politika daolo ny nanomezana miaramila ny FILOHA dr Robinson,ny nanetsehana ny miaramila,ny fomba famoahana ny resultat,ny …

  2. Ny nandeanan’ny Hery,Roland,Patrick,Mamy any France.
    Ary tsy maintsy mitady moyen i Hery andresena satria dia misy volan’ing Rolland 30milliards any aminy nanaovana ireny propagandy ireny,zay nentina nandemena ny safidim_bahoaka…

  3. Niainga omaly ihany koa ny prezidà foza hoe ?

    Ny vokampifidianana solombavambahoaka mbola tsy misy fantatra, dia ahoana izany hoe amin’ny 31 desambra ny fetra farany azahoana mametraka fitoriana any amin’ny CES ?
    Tsy resak’adala ve izany ?

    http://www.midi-madagascar.mg/a-la-une/2013/12/27/cour-electorale-speciale-aucune-requete-sur-des-fraudes/

    NY FANAPAHANKEVITRA NAVOAKAN’NY CES FARANY INY, DIA AZO AMPIASAINA HANAFOANANA NY FIROTSAHAN’IREO MAPAR SY NY NAMANY !

    RAISO NY ANDRAIKITRA, FA AZA BE RESAKA SY MANDANY ANDRO !

  4. Mila MANOVA politika sy mandalina statistika ny zanaky dada.
    Raha nilaza ho tiny vahoaka maro anisa eto Madagasikara dia diso satria tsy lany 1er tour.
    Mihevitra ve fa ny olona nifidy an’i Ratsiraka R., Hajo A. , Camille sy ireo no lazaina fa foza t@ zany androny dia amindra ny vatony ho @JLR????
    Tsy miteny aho hoe tian’i HVM ireto farany fa « deuxieme tour= vote par elimination et non adhesion » noho izany « entre deux maux, les gens choisissent le moindre »:
    le moins DENIGREUR, le moins hautain, le moins belliqueux, …. bref le plus diplomate (meme hypocrite:) et SURTOUT PAS FRANC-MACON!!!!!
    ==>sur la base des resultats 1er tour, on peut projeter ceux du second:
    -JLR 2em tour= (JLR + Sarah+)1er tour et des poussieres
    -HVM 2em tour= (Tous ce que vous aviez qualifie de Foza dans le tps)1er tour et des poussieres
    Certes, la majorite des malagasy n’a pas fait le bon choix mais au moins elle a fait son choix d’eliminer celui qu’elle semble etre le pire.

    A bon entendeur, salut.

    PS: En ce moment, les 10,19% (779 bureaux de vote) de ces bureaux de vote qui restent à comptabiliser se trouvent dans 5 régions (Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra et Betsiboka). Les 89,81% (6.860 bureaux de vote) de ces bureaux de vote se trouvent dans les 17 régions restantes. Alors arreter de jouer le ridicule sinon dans 5 ans ce serait pire.

  5. En résumé: « Mitanila any amin’ny mpanongam-panjakana ka manao izay hampandresy ny kandida tohanan-dRajoelina ireto andrim-panjakana roa izay mikarakara ny fifidianana, ny Ceni-T sy ny CES ireto. »

    Izaho koa dia gaga vao namaky ny gazety mcar-midi teo
    milaza fa TSY misy fitarainana tonga HONO any @ ces??!!

    Misy zavatra tsy milamina ao
    satria nahoana ihany koa io gazety io mamoaka valim-pifidianana omaly
    izay résultat efa tranainy be – le lendemain de date du scrutin CERTAINEMENT
    alors que plusieurs jours se sont écoulés

    MBOLA VAO 8 SA 10 sur anaty 25 hono ny chiffre omena ety @ distrika misy anay???!!!

    Obscurtantisme
    TROUBLE misy manao trouble évidente

    tssssss

  6. Ka raha toa anie ka lazainareo hoe manohana an’i Hery daholo ireo lazainareo (CES, CENIT, MMM,sns sns tsy voatanisa…)rehetra ireo dia midika mazava izany fa ny olon-drehetra mihitsy izany no tia azy e! Ny ao amin’ny Magro zany sisa manohana an’i doko sy valo! Ao anatin’ireo voalazanareo ireo manko nefa dia misy olonareo jiaby, ka raha toa ka manohana an’i Hery jiaby izy ireo dia nahatsapa zany ireo olona ireo ao fa mahery i Hery ka lasa naka an’i Hery koa izy ireo! Koa aza kaondrakaondrana eo intsony ianareo ireo!

  7. Mais Denise , ma cocotte

    tu ne nous apprend rien !

    nous savons parfaitement que ces institutions sont gangrénées jusqu’au trognon : comme dans tout pays autoritariste ……….

    cela n’empêche et n’empêchera pas les citoyens dignes de ce nom de chercher à s’en défaire..

    Et pour ta gouverne : il me semble que nous votions pour JLR et NON pour Ravalomanana : non ?

    et parmis les observateurs il n’y a pas que des lapinistes….

  8. Aza omenareo fanantenana intsony ny vahoaka ry mydao.com fa efa mazava izao fa ho resy i jean louis Robinson.Tsy misy hirarahian’ny CES izany brian currin izany.
    Aza mifendrofendro sy malahelo intsony ianareo ry zanaky dada fa mazava izao ny fandresen’i Hery.Misy lafny iray izay mahatsara azy anefa……

  9. Que signifient ces déclarations ARRIEREES ??????? SOU-DEVELOPPEES ????

    Que le pourcentage soit de 10% ou de 99% : peu importe !

    ==> Cela avait déjà été écrit

    L’essentiel est de FAIRE ECLATER LA VERITE en dénonçant ce que l’on sait devoir annoncer : LES FRAUDES INDIGNES EN DEMOCRATIE

    Nous savons pertinnement que le République des copains de Rajoelinba/Hery EST BANANANIERE .

    C’est avec cette mentalité que les pays nantis (européens, arabes ou chinois) arrivent à réduire les populations faibles en ESCLAVAGE

    Vous aimez vous prostituer , pas nous ….

    Nous luttons pour des convictions , non pour le pouvoir absolument en nous vendant ..

  10. La victoire est là pour Mr Her Rajaonarimampianina.Didier Ignace Ratsiraka avait déjà dit alors que Mr Hery Rajaonarimampianina n’était pas encore candidat, je cite « vous trouvez ça normal que Mme Béatrice attalah est la présidente du CENIT alors qu’elle est ue membre de staff du ministre des finances? ».
    Les zanaky dada n’ont rien vu.

  11. AZA METY LEMEN’IRETO IRAKY NY DEVOLY IRETO!
    MIDIKA IZAO HOE: AJANONY NY FITORIANA. POV CON!!!MAHONENA!!!
    FOZA MAIVANA TOA ANAREO FITAHANA FA AZA ATY NO MITONANTONANA.
    ARY AIZA ILAY MPITORAKA VONINKAZO AN’i KOTOVELO NO TSY MAHITA LAZAINA @’izao
    faotana mafaty ataon’i kotovelo izao????

    ISIKA TSY MAINTSY MANDRESY!!HOMBA ANTSIKA LALANDAVA ANDRIAMANITRA!!!!
    TANY MASINA IO!!!ANDRIAMANITRA TSY MANARY NY OLONY!!!!

  12. Ny fomba famoahan’izy ireo ny vokam-pifidianana tsikelikely anie dia mitovy t@ 1er tour, fa maninona aza isika tsy nitsikera t@izany? Satria isika no ni-mène!

  13. misy politika avo lenta ny ao ambadikio ; resaka communication fotsiny de efa zavadehibe izay!! fandementsainy io teknika ataondry zareo io amzay mahay mionona ny mbomba ny ankilany; fa raha ny tena resultat dia resy ny HVM. Fa misy ny fangalarambato manarapenitra; ny fividianana safidy; ny fanaovany andry rajoelina propangandy tsy mety daholo izany; tokony hop neutre ianao raha ohatra ka mitondra ny malagasy rehetra!!!!

  14. Analyse-ko ty a!
    Avoaka faran’izay aingana ny vokatra,(CENIT)maresy ny HVM.En abscence ny Ing Hery & Rajoelina,ka raha milamina ny vahoaka de tonga aingana ry zareo fa raha maro ny mitsipaka de any reo de any,mba itsinjovany ny fampihavanam_pirenena

  15. Aza manofinofy re ianareo eto amin’ity forum ity e.Tsy hanaiky ho resy eo ny MAPAR sy ny HVM.Na inona ataonareo eo na inona ataonareo eo.Raha mandresy amin’ny aradlàana izy dia vao maika ianareo hitsahiny fa izy aloha dia tsy maintsy ataony izay ahalany azy.

  16. MBA JEREVO KELY ANGE NY TENINY BARY

    16h30>

    OPINION : 

    « Le détournement des résultats électoraux me paraît impossible » a indiqué Paul Rabary, du comité de soutien de Hery Rajaonarimampianina,  qui a par ailleurs  fait remarquer que « les observateurs internationaux ont déjà rapporté leur constat positif sur le déroulement des scrutins ».Date : 27/12/2013

  17. DIA JEREVO INDRAY IRETO FITARAINANA MAROBE IRETO. INONA NY VALINTENY BARY AMINIREO SA KOSA IMPOSSIBLE N’EST PAS MALAGASY

    5h00>

    SITUATION POSTELECTORALE : 

    les contestations autour de la présidentielle et des législatives du 20 décembre prennent de l’ampleur en régions. Une vingtaine de candidats vont déposer une plainte pour demander l’annulation du scrutin à Taolagnaro. A Marovoay, 11 urnes remplies de bulletins non numérotés et pré cochés auraient été découvertes. A Morondava, une manifestation  dirigée par une dizaine de candidats aux législatives a eu lieu pour dénoncer selon eux les fraudes effectuées par le MAPAR. à Morombe, 12 candidats députés demandent l’annulation du scrutin, tandis qu’à Tuléar, un collectif de candidats députés évoquent l’existence de bulletins cochés au feutre en faveur d’un candidat et des achats de voix. 

  18. Vao2 tsara
    MANDAMINA e!!!tsy nahazo avara-patana ny alika nitonantonana any frantsa.
    Ireo foza2 frantsay angamba na nanamafy ny tokony t@ devoly sisa nalehany any na HITADY LALANA MARINA.
    Nareo koa anie vao vonoiny lolo fa hakao frantsa de efa taitra , isika mihintsy koa no mila manamboatr saina MAFY.
    Bedin’i ingahy Holland Rafabiosy raha vao SANATRIA NANDRAY IREO FOZA LANY HENATRA IREO.
    I kala BE-TRICHE efa manomboka MIPARARETRA, izay no mahatonga ny MPISOLELAKA MANDEMY ETO IZAY
    MITADY HAMITA-BITRO HOE: HAJANONY NY FITORIANA @ HALa-BATO, efa mipoitra daholo ny kapa nafenina,
    erak’i MADA mihintsy kay no nisy ilay ala-bato.
    Efa hietsika ny any MORONDAVA- TULEAR ary TANA ???mbola hiandry an’i Kotovelo avy mitsangatsangana miaraka
    @ foza avy ao frantsa angah????????

  19. Ranavalona a
    Enao aza mora rebirebena frantsay ne io e,ampiady an_trano anao ary ataony
    Everinao adalan’ny dada ny nametraka ny 22regions mba isoroana ny ady an_trano
    Zay le hoe matoritory anaterako hena

  20. Ary sao de betsaka ny hitenirery eny andàlana mamerimberina ny hoe foza…devoly…foza…devoly…rehefa mivoaka ny an’ny CES ? Efa fantatra mazava mantsy izay havoakan’io. Ary efa nampitandrina koa ny miaramilam-potaka…Hifarana ny 31 déc ny fandraisan’io fitoriana, ary ho laviny avokoa izay fitoriana mety hanova ny vokatra efa navoakan’ny cenit.

    Tsy misy izy ny cenit, ffm, ces,sns….efa elabe no fantatsika izany….efa fantatsika koa fa tsy izy ny fitondrana sy ny filohany…efa fantatsika koa fa tsy mamely ny famoaham-boka-pifidianana ataon’ny cenit t@ 1er tour…

    Tsy isika ve izany no tena adala sy vendrana niroso nanaraka ny dia nitondran’izy ireo antsika ? Nanaraka ny dian’ireo antsoina lava eto hoe devoly ?

    Eto aho vao mahita fa ny an’i Naika Eliane no tena nety.

  21. HAFATRA LEHIBE HO ANTSIKA REHETRA MANOHANA ANY I ROBINSON/RAVALOMANANA

    1-AOKA IZAY NY FAHAKIVIANA
    2-AOKA IZAY NY FANARATSIANA ANY MAMY RAKOTOARIVELO
    3-AOKA IZAY NY MANAMAIVANA NY ASA ATAONIREO DELEGUE MIARAKA AMINY ROBINSON/RAVALOMANANA FA TSY MORA NY MANAO ZAVATRA
    4-AJANONY NY MAMALY ANY I DENISE FA DEVOLY I DENISE ARY SAROTRA NY MIADY AMINY DEVOLY FA RESY IHANY AMINY FARANY
    5-MAZAVA ANGAMBA NY NANDEFASANY I RAVALOMANANA MARC ANIO OLONA NALEFA NY IO
    6-ISIKA DIA TOKONY TSY HO ENTINY NY FO
    7-MAZAVA FA MANERANA ANY I MADAGASIKARA NY HALABATO
    8-MIDIKA IZANY FA MITOMBINA NY FITORIANA
    9-AOKA IZAY NY FIJERINTSIKA IZAY MANAO FIJERIN’NY MPIJERY BAOLINA FOTSINY MI-CRITIQUER FOTSINY FA REHEFA EO AMBONINY TERRAIN TSY HITA IZAY ATAO
    10-ATAOVY AO ANATINY LOHA FA MANANA NY FANDRESENA ISIKA
    11-MINOA FOTSINY IHANY

  22. Ny an’i Denise anie, amin’ny maha mpiasan’ny radio Viva an’i Denise dia efa tsianjery maimbo ny an’dry zareo mpiasan’ny viva ao. Tsy dia misy maha taitra loatra.

  23. Illuminati, denise , nary sy izay rehetra mitovy hevitra aminy. Mba faniriana ihany ny hifampiresahina aminareo ary samy teny gasy no hampiasantsika eto. Midika izany fa farafaharatsiny dia hitovizantsika io teny io.

    Marihiko eto aloha ny hevitr’i Denise hoe raha ny CES, CENI-T MMM sns.. ireny anie ry denis ka natsanaga hanohana ny mpanogam-panjakana e. Olona vitsy ihany anie no ao anatin’ireny e 20 na 30 fara fahabetsany fa ny fahefan’izy ireo no « nagalarina » satria mpangalatra no nanome azy ho azy ireo. Raha hilaza ireo antoko efa ho 300 mahery mpanohana ny FAT dia saika ny birao dia olona telo na efatra fotsiny.. ka tsy izany mihitsy no hilazana hoe be mpanohana izy… Aoka isika tsy ho zaza bodo na ho zazasary fa amidin’ny olona fotsiny.

    hoan’i illuminati,
    Aoka tsy hanome fanatenana hoan’olona ve, ekena ary fa ahoana kosa ny hevitra @ ireo fitaraina mitranga etsy sy eroa. Ankoatry efa napetrako etsy sy eroa dia mba jereo ihany ireto sao mba ho fantatrao ihany hoe tsy adala ny Malagasy tsy hanaiky io vokam-pifidianana io . tena mijaly anie ny olona ao anatin’ity fanjakana nagalarina ity e. Tsy misy ny aino aman-jery, ny gadra politika mbola misy, fanejhana fangalarana, tsy fandriampahalemana sns… tsy ilain’ny olona intsony izany ka tsy azo antoka izany hoe mbola ny minisitry ny FAT ihany no handresy.

    Hoa n’i nary mba jereo ihany ny vaovao

    Distrika AmbatondrazakaBirao fandatsaham-bato 32 amin’ny 207 nisy olana ny PV
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11973&idcat=6

    Hala-bato tao Antsirabe
    Tezitra ka mitady hitroatra ny Vahoaka
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11971&idcat=6

    Nitrangana hala-bato tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11966&idcat=6

    MorondavaNidina an-dalambe ny Vahoaka
    http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=11965&idcat=10&une=1

  24. Eny indray ary tompoko !ekena mba tsy hifandihirana!!!
    Izay izany!!tsisy mifanome tsiny e!!izay eo eo!!izay vita dia tantara!!

  25. Il y a FRAUDE : ON LE SAIT

    Mais magnez vous à INONDER LA C.E.S de REQUETES avant le 31 décembre !!!!!!

    Sinon autant tout laisser tomber !

  26. Il n’ya aura pas de confrontation.La mouvance Ravalomanana le sait, Brian currin le sait mais tout simplement c’est pour épater la galérie , c’est pour faire quelques gesticulations pour prouver à Ravalomanana qu’on est avec lui.Non, il n’y aura pas de confrontation.

    Hafatra kely ho an’andriamatoa filoha Marc Ravalomanana.Maro ny malagasy niandrandra fandresena, maro ny malagasy malahelo anao, maro ny malagasy tena kivy tanteraka amin’izao fotoana izao.Afaka mamaly izany alahelo maro samihafa izany anefa ianao raha ohatra ka, andao ekena izay valimpifidianana avoakan’ny CES eo.Arahabaina izay nandresy raha ohatra ka tsy ny candidat izay notohanana no mandresy.Amiko tena fanetrentena izay ary handamina zavatra maro samihafa.Mety ho betsaka ny tezitra fa tsy maintsy manao izay fihetsika izay ianao mba hampilamina na ny fianakavianao, na ny orinasanao, na ny tenanao manokana.Eny, mafy tokoa izany, mafy ary anisan’ny tena malahelo ny zava-mitranga ny tenako.
    Minoa ahy ianao, fa afaka manohy ny asa izay noeritreretinao ianao afaka fotoana fohy ka ahafahanao manompo ny firenena indray.Tsy manoro vohana anao ny tenako fa mibanjina ny ho avy mba ahafahanao manampy indray ny firenena malagasy.

    Miala tsiny raha somary lava ary enga anie ka misy hodinihanao izay teny ambara amin’ny fo tony sy ampitiavana tanteraka.

  27. VIVE LA GROSSE RIGOLADE NATIONALE ???

    Conseil de l’ECOLE DU RIRE de Denise, et ses pseudos divers dont illumination sacrée ?

    Dans sa République Bananière , elle avait écrit par ailleurs que cela fait partie du système !!!!!!!!!!

    Alors on continue ? la grande réconciliation au nom de la RIGOLAZDE NATIONANE ???

    OYEZ

    OYEZ

    VIVE LA GROSSE RIGOLADE NATIONALE ????

    Je rêve …..Mais : dans quel monde sommes nous ?

  28. Illuminati7
    Aza miteniteny fôna,zany ve ny fahendrena aminao ny nandeferana atr@zay zany tsy fahendrena.
    Heverinao fa misy ho azy tsony moa io orinasa io ra taraiky any izy,anafaona ny anarany eto dago ary ataonareo TIKO=RaVALOMANANA.

  29. Ny fraude hoa tsy tenenina fotsiny fa ho ento eny amin’ny CES.Ho hitanao eo ny hanaovan’ny CES izay mpahay lalàna na avocat matanjaka indrindra ao amin’ny mouvance Ravalomanana.Tsy afaka ny hanao na inona manoloana ny CES.

  30. Randrianina>>>> izay no hitenenako hoe fahendrena ny miaiky hoe resy.Mety hisy mangirana ny ho avin’ny orinasa TIKO raha izay no mitranga.Marina fa mety tsy ho avelan’ny filoha vaovao hiditra i Marc Ravalomanana fa saingy izao azo atao tsara ny mangina , azo atao tsara ny mifampiraharaha hoe ahoana ny momba ny orinasa TIKO, satria efa ho eken’izao tontolo izao ny fitondrana izay lany eo.

  31. Mba fantatrao moa fa zany Ra8 zany tsy ho tafody eto ra vao mbola mandefitra eo,io ary izy mihetsika sakanana @fomba rehetra vao maika angina,ra hifanaraka ny sonia natao tany maputô,ny tondrozotra aza hivadiana.
    SANATRIA NY VAVA HIFANARAKA AMINAREO

  32. Aona moa ny ilazanao fa ze lany eo de eken’izao tontolo izao??HVM ve lany de anaiky azy ny Amerikana ary t@ ala_bato manarapenitra,de tsarovy zao teniko zao fa ho pire nohon’ny teo ny zavamisy eto dago
    ……….A SUIVRE

  33. Randianianina>>>>aoka re ny filazana fa tsy hanaiky azy izao tontolo izao.Fifidianana, nandatsabato ange ny vahoaka malagasy e!!!Fantatrao ve aloha ny lanjan’izany fifidianana izany e???Tsy hanaiky hoy ianao ny amerikanina!!!!Aoka re e!!!!!Tena aza miteniteny foana re tompoko o……Aza ampiesoninareo anie ny vahoaka e……Vao avy manambara ny vokatra ofisialy ny CES, minoa ahy ianao fa afaka adin’iray dia hiarahaba anizay mandresy eo izao tontolo izao.Ka aoka re ny fampandriana adrisa ny vahoaka malagasy fa tena mampalahelo e.Aleo lazaina ny marina na mafy aza.

  34. ==>Illuminati7
    Tsy misy lainga ny teneniko f »ianao io mihintsy no mitady amitaka ny vahoaka,tsika rehetra manoratr’eto dia ho tsarain »ny ze nosoratan_tsika isika,koa dia mangatak’aho @mydago mba tsy ho fafana ireny fa ho atao archive

  35. ==>Illuminati7
    Manaiky aho fa nisy fifidianana teto,fa fifidianana miorina @ala_bato(fraude massive)ary efa nanaiky zany R/toa Bea,sady efa mamita_bahoaka no mbola mamitatena
    Ary ianao an’isany le mpandray vola anamaimbo ny tolona

  36. =>Illuminat7
    Nofy ririna ny anao ra aharesy lahatr’ahy eo.
    Tsy ho adinoko velively ny namonoanareo olona t@ 2009 na mivantana na ankolaka
    EFA MANAKAIKY NY VALIN’IRENY @2016 RA ELA INDRINDRA
    Sady hajanony ny fiatsaram_belatsinao tompoko tompoko

  37. FRAUDER C’EST VOLER

    BASTA !

    Les recours sont à faire tous azimuts

    A NOUS TOUS de transmettre au Q.G. toutes les PREUVES ( dont photos, videos,contestation pour faux et usage de faux en falsifiant les signatures sur PV etc…. etc)

    Les DECISIONS DE JUSTICE en matière électorale ont un EFFET RETROACTIF

    VOILA CE QUE CRAIGNENT FORT LES FOZA !

    Voilà pourtzant on demande à Denise/illulmination et autres pseudos caméléonisés de PLEURNICHER SUR NOS SITES :

    ==> appelant à la grande réconciliation SUR FOND DE FRAUDE , DE VOL

    Za tsy mba miteny hoe »minoha fontsiny »

    hoy ao hoe : AZA AVELA MIHINTSY ………….AZA MATORYTORY

    KAPAO FA MANIMBA NY TANY hoy ilay namantsika……..

  38. Randrianina>>>Izaho tsy handresy lahatra anao, fa ampanaiky anao ny zavamisy.Samihafa izany.Ianao tsy ho resy lahatra amin’ny hery vaovao mihitsy na oviana na oviana fa ny zavamisy no lazaiko hoe mandresy izy dia afaka adin’ny iray dia hanaiky azy izao tontolo izao.Noho izany, aoka isika mba hanaiky ny valimpifidianana.Misy hirarahian’ny CES izany maitre Hanitra izany?Misy hirarahioan’ny CES an’izany Mamy Rakotoarivelo izany.Tsy misy na dia kely aza.
    Aza ampiesoninareo intsony ny vahoaka fa aoka izy hiaina ny zavatra marina sy hibanjina ny zavamisy.

  39. FRAUDER C’EST VOLER

    VOLER C’EST VOLER !!!!!!!!!!!!
    TRICHER…TRUANDER…FLOUER ….enfants chéris de Hery/Rajoelina !!!!!!!!

    rien de plus

    les actions de justice sont là pour remettre les choses à leur place

  40. LAZALAZAO> ohatry ny tsy azonao mihitsy le tiako ho lazaina.
    Feno halabato eraky ny tanàna, marina izany. Matoa ny candidats @ ligislative marobe mimenomenona dia feno ny hala-bato, ary mazava koa izany fa feno ny hala-bato t@ presidentielle.

    Efa fantatsika hoe iza no mitondra, iza ny cenit, iza ny miaramila, ary inona no lazain’ireo CI sy mpanaramaso ny fifidianana. @ izy rehetra ireo dia azo ekena @ akapobeny ny fifidianana donc i HVM no mivoaka mpandresy.

    Ny vahoaka kosa nahita fa feno hala-bato. Saingy mila lohany ny vahoaka, mila mpitarika ampy stratégie tsara hitarika azy hampandresy ny tolona atao. Eto isika mianakavy dia mivoavoa miantso devoly sy foza tsisy farany eto, fa tsy izay paika mahomby no ketrehina. Nga ny ompa sy voavoa mahafaty fahavalo ??

    Amiko dia tara loatra ny ompa miraradraraka atao @ cenit raha efa nahita ny fomba fiasany t@ 1er tour isika, nefa tsy nisy action natao na iray aza fa dia nanaiky tsotra ny hitantanany indray indray ny 2è tour…Dia miverina indray io ny fanaony..dia ahoana ? Satria vitsy an’isa ao anatin’ny cenit sy ces sy gouvernement dia tsy henoin-teny ?? Ka raha izany tsy naleho tsy niditra avy hatrany raha vao namalan-kira ny ces nana an’i Lalao ??

    Izay le lazaiko hoe ny an’i Naika Eliane no nety.

  41. Eny e! marina daholo izany. Lundi ty ny andro, izahay efa mifantoka @ tolona hataontsika . Efa tsy andrinay ny ahavitan’ny nouvel an hitolomanay @ tanindrazanatsika.
    Dia rahoviana izany no hanomboka ity fidinana andalambe ity? Misaotra tompoko.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *