ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : FOTOANA IRAY HIHAINOANA , NY TANORA, NY VAHOAKA , NY ZOKIOLONA IZAO

Me Hanitra 07 dec 13 (11)

Me Hanitra 07 dec 13 (11)Notontosaina androany Sabotsy 07 Desambra tetsy 67 ha afovoany ny fifaninanana tsipy kanetibe izay tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe « tournoi Me Hanitra ». Fifaninana izay nandraisain’ireo olondroa lehilahy miaraka, izay nosakanjiana tao anatin’ny vondrona roa izy ireo ka nahatratra 26 ny mpandray anjara tamin’izany.Notanterahana androany tontolo andro avokoa moa ny lalao fifanintsanana sy ny lalao famaranana tamin’ity tsipy kanetibe ity. Ny kandida solombavambahoaka laharana faha 6 ny Me Hanitra Razafimanantsoa izay natolotry ny movansa Ravalomanana eny amin’ny boriborintany I sy ireo ekipany no tonga nanatrika izany teny an-toerana.  Nambaran’ity kandida ity fa tena faly ny tenako hoy izy fa sambany izao fa tamin’ny mbola kely no nanao farany ity tsipy kanetibe ity. Fotoana iray izao hoy izy ifampiresahana, sy fihainoana ny tanora, ny zokiolona , ny vahoaka. Marobe  ny hetaheta hoy izy ka anisan’izany ity fanamboarana ity kianja ity. Rehefa lany aho hoy Me Hanitra dia atao vahindohandraharaha ny hanamboatra ity kianaj ity fa tsy vita ao anatin’ny 12 andro. Tsy atao kombaka ambava ny hetaheta toyizao hoy izy  fa zavatra asan’ny depiote voalohany dia ny ikirakira lalàna, ny mamolavola lalàna, ary ny hetahetanareo no avadika ho lalàna. Eo ihany koa ny fanarahamaso ny asan’ny governemanta, ny tenako hoy izy dia vonona handodona ny mpiara miombon’antoka miaraka amin’ny tomponandraikitra hanao izany. Tsyvitako irery anefa izany fa miaraka isika . Raha tsy miteny ny hetahetanareo ianareo hoy izy dia sarotra ny mitondra izany any amin’ny mpitondra. Tamin’io  fotoana ioihany koa no nampahafantarana ireo olona iray lisitra aminy ao anatin’ny boriborintany I. Ankoatra izay dia nitohy ihany koa ny porte porte nataon’ny kandida solombavambahoaka laharana faha 6 Me Hanitra teny Ampefiloha sy ny manodidina, nentina nandresen-dahatra ny mpifidy amin’ny 20 desambra izao. Momba ny fampielezankevitra tao anatin’ny herinandro dia nambarany fa fahombiazana izany ary tontosa antsakany sy andavany avokoa.

 

3 pensées sur “ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : FOTOANA IRAY HIHAINOANA , NY TANORA, NY VAHOAKA , NY ZOKIOLONA IZAO”

  1. Diso be loatra ny olona tsy mahatoky an’io, ry mangidy ry gr.
    Dia aoka koa izay ilay fanaovana toetra ratsy ny antoko Ny avana sy ny MFM fa tena higagambahoaka mihintsy.
    Tsy resahina intsony ny resaka fanodikodinambola. Vola natao ho an’ny fifidianana filoha no napetraka koa aza golirina fa ataovy amin’ny tokony hanaovana azy ny legislative é
    Mankaleo, mankaloiloy daholo ireto
    Ravalomanana mivady sy JLR sisa no azo atokisana

  2. Dia aoka ianao no hilaza azy rahavako any dilam-bato!!
    Ohatry ny marina iahny ilay voalazan’ilay olona teto fa » misy raharaha hafa
    tokony ho ataon’i M Hanitra noho izao » amiko dia tsy tokony ve izy hanao » MINISITRY NY FITSARANA »
    ohatra satria izy midra4 foana ny tsy fanarahan-dalana ???asa raha mety ???izay mantsy hoy izy no antony
    tsy fahombiazany @’izay hataony koa asa rehefa izy no eo angamba mety hisy ny mangaraara ao @ fitsarana??

  3. Ankaotr’izay voalazanareo, ny tena tsy azoko dia nahoana no io irery no anaovana dokam-barotra be ato ? Ny kandidà hafa angaha tsy mba manan-kambara, na tsy mendrika ?

    Ho an’i GTT Philippines, Nadia azoko ihany aza ny tianao ho lazaina :
    Diso maro na diso be ( isa ), sa diso ( eritreritra ) be ny olona tsy mahatoky an’io ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *