ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : MANAMELOKA NY FANGALARA-BATO

me hanitra

me hanitraNy Me Hanitra Razafimanantsoa no namaky lay ny fandraisana fitenenana teny amin’ny Magro Behoririka androany Talata 24 desambra. Fisaorana ireo nifidy na tsy nifidy ny dokotera Robinson no nataony voalohany. Nisaotra ihany koa ireo mpifidy tao amin’ny boriborintany voalohany ny tenany nametraka fitokisana aminy tamin’ny fifiidianana depiote. Tsy maintsy miteny hoy izy satria dia mitovy aminareo ihany koa izahay , sosotra, malahelo mahita amin’ireny amin’ny fahitalavitra ireny. Tsy maintsymiteny satria ohatra isika nanao fifidianana dia fifidianana mangarahara, dmokratika kanefa dia tany amboalohany dia tsy mangarahara fa nesorina ny maha kandida an’i neny. Na izany aza hoy izy dia niroso tamin’ny fanohanana ny dokotera Robinson isika. Nandeha ny fihodinana voalohany kanefa nisy zavatra tsy ara-dalàna tao fa isika nanaran-dalàna. Tafiditra tamin’ny fihodianana volaohany  isika, ary nandeha ny fihodianana faharoa, nandeha ny propandagy. Nitety faritra maro i neny hoy izy sy ny dokoteraRobinson. Nahit afaritra maro isika fa tany tsy nisy fitaterana olona, fizarana zavatra fa zavatra hita tany dia olona resy lahatra. Mino aho hoy Me Hanitra fa nandresy lavitra be ny dokoetra Robinson tany.Nandeha ny fifidianana tamin’ny Zoma teo hoy izy ary 10 andro mialoha io izahay dia efa betsaka ny tatitra azonay fa mitandrema ianareo fa hanao ny fomba rehetra izay handresena ny dokotera Robinson izy ireo. Eto aho hoy ity olomboantendry ity dia manameloka ny fangalara-bato. Misy fangalara-bato amin’ny fomba rehetra handresen’ny olona tsy maharesy. Misy mpiray tsikombakomba ao ary anisan’ny ny Ceni-t. Isika hoy izy efa niteny foana fa ekena ny valin’ny fifidianana raha nandeha araka ny tokony izy. Na dia eto Antananarivo aza hoy izy dia misy fangalara-bato, tsy mbola misy ny vokatra navoakan’ny Ceni-t na dia eto amin’ny boriborintany voalohany aza izay tsy lavitra akory. Misyzavatra tsy mazava ao ary manana porofo isika. Notanisain’ny Me Hanitra tamin’izany ihany koa ireo karazana hala-bato nisy nandritra ny fifidianana. Efa nisy hoy izy ny taratasy nalefa tany amin’ny filohan’ny Ceni-t kanefa tsynisy valiny hatramin’izao. Manao antso avo antsika rehetra manana porofo hoy izy tongava daholo ao amin’ny Magro fa iaraka isika. Raha ny PV eo am-pelantanantsika hoy izy dia mandresy lavitra i Robinson.

9 pensées sur “ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA : MANAMELOKA NY FANGALARA-BATO”

  1. Haoka mihintsy izay ry Hanitra

    Il ne suffit pas de tambouriner qu’il y a eu fraude

    Il FAUT ETTRE VRAIMENT OFFENSIF !

    Vous êtes avocate , mais non spécialiste de droit public…

    S.V.P. ayez une STRATEGIE PERFORMANTE : FAITES DONC APPEL A RAYMOND RANJEVA par exemple

    Il est exaspérant de voir les conseillers de JLR de soigner davantage LEUR EGO au lieu de taper là où il faut , ce qu’il faut et avec qui il faut

    SVP

    l’enjeu est terrible
    le peuple n’en peut plus et ESPERE échapper enfin à ce régime pourri !

    Mettez l’amour propre de coté pour ne PAS SABOTER LA CAUSE QUE VOUS DEFENDEZ !!!!!

    FAITES APPEL A UN JURISTE DE DROIT PUBLIC CONFIRME (docteur ou agrégé de droit constitutionel)

    VOUS EN SORTIREZ GRANDIE !!!!!!!!!!

  2. Il faut se concentrer à cette nouvelle lutte. Je propose à la mouvance Ravalomanana de renforcer la communication et la diplomatie. La communication car pas seulement nous n’avons ni télé ni radio ni journaux, mais aussi il faut choisir des gens qui parlent bien, comme Raveloson Constant, entre-autre, il faut les laisser-parler, chacun de nous doit, là où nous sommes, faire le maximum de bruit pour se faire entendre.

    La diplomatie, car si la C.I accepte ce résultat bidon , il sera validé et les putschistes aurons, le fusil et et l’argent.. Dada restera en Afrique du Sud, le general Raoelina en prison et la vie de la majorité des malgaches vont pourrir davantage.

  3. Mba mangataka @nareo mba hasehovy izany pv eo am-pelatananareo izany mba ho hitam-bahoaka fa nandresy lavitra ny Dr Robinson ny marina mitavozavoza tsy mandresy ny lainga tsara lahatra efa ho dimy taona izay nanaiky foana ary ny vahoaka no tena mitondra faisana ka mba miangavy havohay ny pv rehetra satria ny Cenit andro vitsy dia hilaza ny valim-pifidianana ka handray andraikitra ny vahoaka ra nisy nanodina ny safidiny.

  4. communication agressive aussi

    avec Raveloson ? Guy Rivo ?

    A tous ceux qui ont talent d’orateur et partout …….

    Magro est un site fermé et déjà acquis …mais il est vrai un bastion actif aussi

    Quid AMNESTY INTERNATIONAL?

    journal « LIBERATION » en France ?

    MEDIAPART ? le GTT ne peut il pas interpeller Edwy Plenel ?

  5. ASA FA TSY BLA BLA Ô!!!!!MILA ASA MIVAINGANA FA EFA FANTATRA IZANY!!!
    EFA TSY TAKONA HAFENINA!!!FA INONA NO NATAOn’OREO MPANARA-MASO???
    MISY INONA MARINA AO e???AVOAY DAHOLO NY MARINA REHETRA FA MISY MPIRAY PETSAPETSA
    AO MATOA IREO TAFAVOAKA TOY IZAO.Tsy afaka miasa irery ireo koa harao hatrany @ ifotony .
    Ireny fanoloana ny lehiben’ny faritra ireny ve mba nisy ARAKARAKA sa Anjely daholo izy ireo ka tsy NAMPANINONA??
    EFA LASA MPIFOSA FOANA VAO MIFAFA TRANO, sao dia mba FIALANA BALA NO BETSAKA e!!!

    ATAO IHANY NY TSY HIAKATRA FA EFA TENA MIOHAM-PAMPANA LOATRA ILAY FITAVOZAVOZANA ! saa kosa..?

  6. Ho entina hifirana tsy ho ela any an-dava-piringy ohatra ilay FR koa izany PV izany eeeeee
    sady maka afo @ maty sa any am-baravaran’ny mpams no manontany sikidy???inona no hivakian’i
    beatrisy izay taratasy fitarainana any????MANONOFY?? izy ihany no MANATANTERAKA SY MANAO IO
    ALA-BATO IO???dia vita eo ve fa tsy namaly i kala soavaly tava iny???ENDRASO EO ARY HAMALY IZY e!!!
    rehefa lany avy @ ala-bato i fery vao2.

  7. AZAFADY INDRINDRA

    APPEL AU STAFF DE LA MOUVANCE

    examiner bien le nombre de voix obtenu par JLR dans le SUD

    VITAL et MOINJA ROINDEFO se sont ralliés dès les premières heures !!!!!

    Il s’agit des SEULS PERSONNAGES INFLUENTS DU SUD

    il est IMPOSSIBLE que Hery y ait battu JLR à plate couture !

    REVERIFIER TOUT A LA LOUPE ,
    s’il y a fraude massive à mon avis c’est surtout le SUD
    loin de tout : il est facile de tout manipuler !,

  8. Mba misy mihaino ve ny resaka rehetra avoaky ny mpamaky eto: mohaka loatra ny mpitarika. Ny vahoaka efa vonona hiaro ny zony. Tsy ampy fampahafantarana ny zava-misy ny mpanohana an’i JLR. Amboary io. Ataovy ren-tany ren-danitra ny halatra. Avoahy ny pv na vitsivitsy fotsiny aza aloha. Ampiasao ny RFI, France 24, Aljazera, Voice of America, sns, na dia tsy azahoana sehatra aza ny eto an-tanana. Manahy aho fa mihanahana sy mialangalana ny staff-n’i JLR satria matahotra no sady miadam-pinaritra ry zareo. Enga anie ka tsy ho izay.

    Misaotra indrindra.

  9. Ny olona hoy aho dai tsy nanan olona sur terrain isika nijery ny kajikajy fanagalarambato. Ny listes additives natevina. Ny listes présidetielles nampiana anarana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *