Laharana 16 amin’ireo 109 voasazin’ny CPS sy ny UA ny kandidà Hery Vaovao

IMG_0892Nafana ny hetsika fampielezankevitra androany tetsy amin’ny bypass io tolakandro io. Tsy nahasakana ny zanak’i dada ny orana nikija, hanotrona ny kandidà Robinson Jean-Louis. Horakora-pifaliana no nandraisan’izy ireo ny hafatra avy tamin’ny filoha Ravalomanana.  » Faly aho, tena faly fa afaka miresaka aminareo indray » hoy ny filoha raha vao niditra mivantana avy any afrika atsimo. Amin’ny Alakamisy izao hoy izy dia hisy fihaonako amin’ireo firenen-dehibe hiresahana ny momba an’i Madagasikara, tsy mipetra-potsiny aho aty hoy izy. Nasian’ireo vahiny resaka ny mahakasika ny kandidà mpanongam-panjakana, eran-tany dia tsy azo fidiana ho filoha ny mpanongam-panjakana, eto Madagasikara anefa dia kandidà ny laharana faha 16 amin’ireo 109 voasazin’ny CPS sy ny UA dia i Hery Andrianarimampianina, « gaga » ireo vahiny mahita izany hoy ny filoha. Tamin’ity fotoana ity koa no nanoloran’ny filoha ny kandidà ho depioté eto Atsimondrano dia i Voahangy izany.

13 pensées sur “Laharana 16 amin’ireo 109 voasazin’ny CPS sy ny UA ny kandidà Hery Vaovao”

  1. N’y tenait tsy nahombiazana ange dia tany atsimo.androy. Fort dauphin…..fa atsimo drano anie tsy bistro plana dire t@ 1erTour.

  2. Gaga sa mody adala ireto CPS sy UA ???mody mitapy fa na i domelina aza no lohany teo,
    voaray tsara izy mba hitsofana mora2 an’i Neny, maninona ireo no tsy maka fe-petra haingana??
    efa HITANY izany fa teo reo nanao LOPY be loatra angaha ka nitampina???MPIATSARA-IVELATSIA!!
    Efa fantany tsara izany ary FIRI2 t@’ireo nilatsaka teo no mpanongam-panjakana nefa ry GENA isany mbola misolelaka
    sy MITANILA any indrindra ity kala VORONDOLO? efa mitady ho mandimandina ilay volo fa natsotran’ny volan’ny GASY.

  3. …na ireo vahiny mody gaga koa e!!io domelina mbola midongy toerana hatr@’izao
    ary mbola mitady hanao PM????tena efa lany henatra efa hivika izany raha foza orana.
    Mody gisa daholo fa misy harena MIBANAKA any ka samy mahazo ny anjarany daholo, dia eo ianao ra Dago kely!!
    tssss manome litika!!! »gaga a?? »tsy mino mihintsy aho hoe misy tsy mahita na tsy mahalala ny nataon’ireo foza ireo fa
    dia tapenana fotsiny izao ny maso ary mbola ho hataon’Andriamanitra ho JAMBA daholo raha izay no tadiavin’ireo mba
    atao hoe tompon’Andraikitra mba tokony hanampy nefa dia MIALANGALANA satria ??????
    Tsy ho toy izao foana akory izahay e!!tsy maintsy mbola ho tafarina ny TANINAY!!loza ho an’izay nahavanona izao faha-
    voazana izao ary hanefa hatrany @ taranaka fara-mandimbiny, ny anay vitanay ihany fa TAMDREMO e!!TANY MASINA
    ANIE IO E!!!!!

  4. Ary efa mitady hitsipaka an’i dada sahady i Radoko an! Rariny kosa aloha ny azy e! Aiza ve ka i Ravalo no mitady hanjaka nefa izy Dokotera no candidat!

  5. AZA MATAHOTRA E…NY TODY TSY MISY FA NY NATAON’IREO TSY MATAO TODY IREO DIA TSY MAINTSY HIVERINA RAHA MBOLA MISY KOA IZAO ANDRIAMANITRA TSY MANDAINGA IZAO…..

    HIFANKAHITA ETO ISIKA…

    IREO VAZAHA MODY GAGA IREO DIA HAHITA LOZA AMIN’NY FANDAMINANA NY OLANA MANERAN-TANY MANOMBOKA IZAO SATRIA NY FAMELANA MPANONGAM-PANJAKANA HO LASA ARA-DALANA DIA HO ALAIN’IZAO TTOLO IZAO TAHAKA ARY TSY AFAKA HITENY HAMAHA OLANA MIKASIKA IZANY INTSONY IREO….
    HISAVORITAKA TTERAKA IZAO TTOLO IZAO…..HIFANKAHITA ETO ISIKA E….

  6. Ary toa nalaky nasorina ilay TSIKERA teo alohako teo???
    Tsy notohizana ihany fa???avelao hiarahana mahita eo e!!!
    Aza malaky miala bala, tsy musy mitsaoka eto.

  7. Fa nahoan moa no Voahangy ihany no kandida????? fa angaha tsy hitanareo fa norakorahan’ny olona i Voahangy raha natolotra teo, dia ahoana kosa izany ry Malalatiana ????????????????????????????????????????? ataovy ihany ny fanilihana ary dia ho hita eo ny tohiny e!!!!!!!

  8. zao avelao alo ny adversera ho any @sisiny anao lavage any fa miala tany reo vao makany,ny eto mantsy efa mahalala tsar ny adalan’reo ka na idance miaraka@ mihaly manao akanjo fetina mlomano ary ataon’ny oul fanalan’azy eo fotsin,tohizo ny adalanareo

  9. Mbola ao anaty lisitra, fa nahoana nandritr’izay ela be izay no tsy nisy fanankianana, SY FANENJEHANA ARY FITORIANA an’io kandidà io ?
    Inona fotsiny izany no tena asan’ireo nihiditra tao anatin’ilay rafitra, indrindra moa raha nahita fa tsy nisy notanterahana izay ny ankabeazan’ireo voasoratra ao anatin’ilay tondrozotra ?

    Ankaotry ny maha-potsista ny tenany, tsy adino itony :

    http://www.tim-madagascar.org/index.php/component/k2/item/585-ne-pas-oublier-hery-rajaonarimampianina-est-un-putschiste

    Voalaza koa (hita ao amin’ny Tananews ) fa nandritr’ity taona 2013 ity, dia tsy nanondrana volamena any ivelany i Madagascar, na dia iray grama aza !

    Izany ve no « tena fahaizan’ilay ministra be dehaka », nisekoseko ho « minisitra mahay mitady vola » tao amin’ny TV Plus ?
    Sa mitady vola ho an’ny tenany ihany no tena kapaokany ?

  10. Tropin-dry Bitro domelina, eny Andohotapenaka ! Haka haka….???? Mamono vorona sa vitsika ???

    Tian-dry zareo io baolina lavalava io !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *