RAVELOSON CONSTANT : TSY AZO SOLOKIANA NY SAFIDIM-BAHOAKA

Raveloson-Constant1

Raveloson ConstantIty fifidianana natao omaly ity hoy ny Ct Raveloson Constant androany Sabotsy 21 desambra teny amin’ny Magro Behoririka dia nametrahantsika fa miova tànana ny firenena. Mitady tsy hanaiky hoy izy ry  zalahy, mitady hiomankomana hoe ho tian’ny vahoaka ny natao nandritra ny 2009. Izay tarehimarika avoaka izany hoy izy dia sitraka sy telina ao ampon’ny vahoaka ny 2009. Te hibaby loza ny vahoaka, te hifidy an’i Hery ary miala tamin’ny fanahy, sanatrian’ny vava izany hoy izy. Ny mahatonga antsika eto hoy Constant dia ianareo sorena, tsy manaiky. Tsotra hoy izy dia tsy azo solokiana n’inon’inona fahaizan-dry zalahy ny safidim-bahoaka. Santionan’ny hatezeram-bahoaka hoy izy  ny teto tamin’ny maraina, isaky ny mijery vaovao. Ny tenako hoy izy nahazo sms
avy any amin’ny faritra hoe misy halabato, ka inona no atao. Rariny ny hasosoranareo , ny hatezeranareo, rariny raha mifanontany ny any amin’ny faritra any satria mitsapatsapa antsika ireo. Efa nanandrana izany izy ireo tamin’ny fihodinana faharoa. Manomboka androany dia mibaribary amintsika fa fanonganam-panjakana faharoa indray no tian-dRajoelina atao amin’ny valim-pifidianana satria  tsy may manota, te hanao hena antanantska izy. Matoa izahay mijoro eto hoy Constant ary matoa mitsapatsapa anareo izy ireo dia te hampirina any Afrika atsimo ny filoha Ravalomanana. Mitetika ny hampirina ny filoha izy, mitetika ihany koa ny hiteny ny iraisampirenena hoe hitanareo fa ilay olona te hody izao dia io ny isanjato azony , ilay vahoaka tsy mihetsika. Rariny hoy izy raha miteny zokibe hoe ataovy ny adihevitra fa ny filoha Ravalomanana tsy avelany any ivelany any. Foromporonina hoy izy ny hoe hanao halabato, izao indray dia foronina ny hoe tsy marina ny vokam-pifidianana fihodinana voalohany iny. . Raha lehilahy
hoy izy izay mihevitra fa hitondra ity tanintsika ity kanefa ny lahimatoan’ity tani ity asitrika any Afrika Atsimo. Dimy taona hoy izy
teo nanosihosy ny zon’olombelona , tsy nahavita inona. Noho izany miantso anareo aho , tsoahy ny anatra tamin’ny dimy taona .Avoahy ny marina ary ny zavatra mandeha amin’ny hitsiny atao fa aza ny vahoaka no tsaptsapaina. Ho antsika mpitolona eto hoy Constant dia fisendrana lehibe no diavintsika. Nahazoana anatra ny omaly, ka ny voalohany  dia izao no tena hampisehoana fitiavana ny mpitarika antsika. Ilay maramara fihetsika , ilay misambambaka amin’ny foza orana dia tsarovy fa izao no fisendrana lehibe ka sahin’ny olona ny mitsapatsapa antsika.

20 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : TSY AZO SOLOKIANA NY SAFIDIM-BAHOAKA”

  1. Ka zao ary raha mba mamaky ity ianao ing Costant de inona no tokony atao @maha mpitarika anao,5 taona mantsy zay toa nandefitra fona isika dia androany izahay mpikambana ao @mouvement des jeunes milaza fa hampy izay,efa tsy nahavita ianareo…

  2. Isika aloha dia nofitahin’ny foza sy ny sasany t@ ireo mpitarika. Dia sady tsy miteny tsy manihitra ireny fangalana be dia be nataon’ny foza t@ fiodinana voalohany ireny. Tsy mba nanaraka ny fikarakarana ny fifidianana. Aiza no handresen’i Fery any @ faritra ? Fa ny halatra isan-karazany, tsy faajana lalana, fampiasana fitaovam-panjakana, famohana volabem-bahoaka, tsy fanarahamaso tsara ny fikarakarana ny fififianana natoan’ny CENI-T, ny tsy fijerevana ny ordinateur-n’ny CENI-T. Tena maro be ny lesoka ysy mba mahitsy akory. Ny solontena (delegue’) @ izany dia misy manondrana sy sandoka….. feno foza ny tanana, ka na eto Antananarivo aza dia nahazo vato be dia be i Fery. Izao mihasarotra ny tolona.

  3. fandeferana lava êeeeeeeeee…..amin’na pa

    fiavanana êeeeeee……fositra

    izany faona no mampanjo faoriana lava antsika gasy !!!!!!!!!!!!!
    Tsy ho tafarina mihintsy raha mbola mitohy ny fomba « mora-mora » ,
    na hoe « mandeha ho azy amin’zao io !!! »

    Le taux de participation de 50% dénonce bien le je-m’enfoutisme , l’inconséquence d’une partie de la population très heureuse de jouer « LES PETITES ESCLAVES SOUMISES  » de Rajoelina ou de Ratsiraka….

    A FRANCHEMENT DEGOUTER ….

    Mais on ne peut pas aussi laisser tomber les 50% de compatriotes capables de penser, réfléchir et désireux de changement…

    L’absence de combativité, d’agressivité pourtant légitime dans l’éducation traditionnelle , contribue à ENTERRER VIVANTS NOS ENFANTS ET LEUR AVENIR !!!!!

  4. Ho gaga va ianao ry LAZALAZAO, raha tokony hanao fampielezan-kevitra sy hanazàva ny zava-misy marina eto amin’ny Firenena amin’ny vahoaka ny sasany, manao footing sy mamafa lalana no atao !
    Eny ê, misy tafita foana, fa ny sasany ahoana ? Sa, dia samy mandeha samy mitady ny lalànam-piainana, na dia ao anatin’ny antoko aza ?
    Raha sanatria ianareo izay voafidy minoritaire, dia hilaza tahaky ny nihidiranareo tao amin’ilay rafitra indray ary hilaza hoe : Ao anatiny izahay no hiady mafy ??

    marina daholo ny voalazan’ireo namana eo ambony eo ireo !

    Aoka izay ny fandeferana, sy ny fitadiavana FIHAVANANA AMIN’NY DEMONY SY JIOLAHY !

    Fitoriana manara-penitra an’ireo izay nahavanin-doza, no takianay aminareo amin’izao fotoana.

    Efa fantatra ny heloka nataon’ny foza, koa raha tsy manana arguments sy textes juridiques ianareo, dia homenay !

    Zavatra mazava mba atao, fa aza mianatra ny fanaon’ny foza ! Leo fikafika ny vahoaka, dia iny koa ny vendrana sasany tsy mandeha mifidy !

    Mangataka ny mpisera mba hitsidika ny site-n’ny TIM aloha, dia vakio ilay post hoe : FANAMBARANA NATAONY NY VOT !!

    Sady mba misy vaovao ihany koa ao ê !

  5. Vokampifidianana amboarimboarina ve no mba hifalian’ny foza-potaka !

    IREO MAPAR VENDRANA IREO ALOHA DIA HO HITAN’NY HAVANY SY NY VAHOAKA Ê §

  6. Tana makaleo mihintsy ity resaka be hoe « fihavanana » etsy su ero !!!!!!

    Fantatra tsara fa jolay vonona hanitsaka izay hory , tsy misy scrupule , dia hiombona foana ve ???

    STOP !!!!!!!!!!!!!

  7. Misaotra an’i Tovo, fa maro be no tsy mahasokatra an’io lien io mivantana !
    Tsy maintsy mihiditra Internet explorer !
    Inona ilay lohanteny ?

  8. Ka milliara no noraisin’ireo tsy maintsy izy manome fahafaham-po ny fozany.
    Tsy olana izany fa MITONIA daholo fa antsika ny FARANY e!!!misy farany ny zavatra rehetra.
    Ary inona no nataon’ireto nolazaina fa mpanara-maso isaky ny BV ???ary inona koa no dikan’ilay 00….
    tsy nisy nifidy sa nakantona fa tsy azo hangalarana???
    Dia ny mamo indray no miantso POLISY an!!fomba fiadin’i foza io efa hita hatr@ voalohany naha foza azy
    ity mody ny azy no ataony tonga aloha ,mody mitapy!!!
    Ny mety @’izy ity dia atao ohatra ny nanaovan’i dada an’i DEBA e!!fongorina tsirairay dia arahana iza avy no
    dėlegue t@’ireo toerana ireo fa misy tsy nanao tsara ny asany angamba.

  9. Intéressant io lien io fa mba jereo. Samia mahereza e! Tsy maintsy mandresy isika. Dontandroka amboalohany ny an’ny sasany . Mila manana lazonady koa isika e! Isika koa anie efa experimenté amin’izany e! Zanaky ny efa mangotraka ny zanak’i dada rehetra.

  10. Resy isika ‘zany e!
    De toute manière efa io no hitranga na dia teo aza ny fanantenana be tokoa. Mbola tsy vonona amin’ny fivoarana isika mbola tokony hidina ambanimbany kokoa angamba e?
    Izao ny lahatra hoy ny sasany ka dia aleo ekena!

  11. Mazava aminizay ny tetiky ny foza : Mody izay birao nahazoan’i Hery ihany no avoaka dia avy eo tady amboharina ny ambiny! Mazava be: nahoana ny birao eto antananarivo akaiky kely eo, azo andehanana tongotra… nahoana no ao @ siten’ny Cenit no milaza fa mbola tsy tonga ihany ireo hatr@izao…nefa à 15min andehanana tongotra!!! Inona no antony??? Ao ilay halabato!!! Dia mody alefa ao amin’ny vaovao foana hoe Hery no mitarika mba hanamboarana ny sain’ny olona aminilay halabato!!!Ka ny cenit koa no miray tsikombakomba amin’ny hery ao. Efa nolazaiko teto foana fa conseillère an’i Hery taloha io Beatrice Attalah io ary natao président an’ny Cenit. Dia milaza moa ireo hoe misy solotenan’ny mouvance ra8 ao… Ka nahasay ve ireo hoe io réprésentant io no natao président Cenit??? Président tsy mitovy amin’ny membre tsotra!!! Ary enga anie ka hisy ahatsikaritra ny halabaton’io ramatoa io mba ahamora n fidirany eny tsiafahy.

  12. ny halabato misy foana ry namana a! Tsy tadidinao nga tamin’ny andron’ny RA8. FEno valopy misy vaton’ny Hery Rafalimanana ny urne. FA tsy nahasakana ny foza tsy ho lany maire zany. Les hommes changent mais les pratiques restent. Dia rehefa ianareo ve no manao dia tsy manina, fa rehefa ny hafa dia MPANGALATRA. Tsongoy fon’olona, tsongoy fon-tena hoy ny fahendrena Ntaolo. Nareo irery pro RA8 ns pro JLR rery no ndeha hidina an-dalam-be fa zahay kosa hanampy ny miaramila hanohatra anareo. Ho fongorana atramy ny fakany ny fitondran-dra8 ka ariana any amin-ny antsana, tsy hahita lalan-kiverennana intsony, fio ihany no manimba ity firenena ity

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *