TSY HANAO VALIVATY VELIVELY ISIKA

ROBINSON à ALAROBIA VATOSOLA 04-12-2013-8

ROBINSON à ALAROBIA VATOSOLA 04-12-2013-8Alarobia Ambatomanga, Alarobia Vatosola, Fihaonana distrikta Ankazobe, Imeritsiatosika no toerana nanaovan’ny kandidà Jean-Loius Robinson sy Neny Ravalomanana fampielezankevitra androany. Vory vahoaka hatrany ireo toerana ireo.

Faly aho fa tafaray ny tia sy ny manina hoy i Neny, afaka herinandro vitsivitsy dia hahazo filohampirenena isika, filoha hitondra ny anjara masoandro ho an’ny tokantrano tsirairay hoy izy. Tohanana vavaka hatrany anefa izany . Nanome hafatra ho an’ny tanora ihany koa i Neny androany,  miraisa hina hifidy an’ny dokotera , mijoroa ho tanora vonona hatrany hanarina ny firenena.

Fa tamin’ny kabary rehetra nataon’ny dokotera Robinson androany no nanamafisany ireo programan’asany toy ny hanokafana ny toerana fandidiana sy fitiliana any Fihaonana, ny fanamboarana kianja filalaovam-baolina any Imeritsiatosika, ny fampanantenana ny fampianarana maimaimpoana sy fahazoana kity skolaira, sns…

Raha lany filohampirenena eo aho hoy Robinson dia mampanantena anareo tsy mitovy fijery amiko fa tsy hanao valifaty velively, na izany aza hoy izy ilaina koa ny rehetra mahatsapa ny fahadisoana ka ny heloka hibaboana mody rariny hoy ny Ntaolo.Fa nanamafy hatrany i Dr Robinson fa antoka iray lehibe hahatonga an’i Neny hotendrena Praiminisitra ny fahamaroan’ny depioté manaradia azy ao amin’ny parlemanta.

Fa i Dada Ravalomanana hatrany no namarana ny kabary tamin’ireo toerana naleha, nazava ny hafatry ny filoha ny hifidianan’ireo rehetra mpanaradia azy  ny kandidà dokotera Jean-Louis Robinson ho filoha. Izy no hampody an’i Dada koa entano ny olona rehetra hifidy azy. Ombieny ombieny koa no nanoloran’ny filoha Ravalomanana ireo kandidà ho depioté, fidio izy ireny hoy izy hahazoantsika ny maro an’isa ahafahana manarina ny firenena.

Hitohy rahampitso indray moa ny fitetezam-paritry ny kandidà Robinson sy neny Ravalomanana.

Andian-tsary tao  IMERITSIATOSIKA 04-12-2013

Andian-tsary tao Fihaonana

Andian-tsary Alarobia Ambatomanga

Andian-tsary Alarobia Vatosola

39 pensées sur “TSY HANAO VALIVATY VELIVELY ISIKA”

  1. Hafatra ho anao Directeur de Campagne: Eto aho dia tena direct satria basy antifi-kavana, « tena manorisory, maharikoriko, mahatsiravina ny ataon’ireo tompon’andraikitra mikarakara ireo fizarana ireo affiche sy ny sisa. Toa lasa familafila le izy! Antsoina ny tompon’andraikitra miavonavona tsy mandray telephone, andrasana amin’ny 15h hariva vao tonga, desolé fa tena mandreraka. Matoa izahay tonga, de hanampy, hifanampy fa tsy sanatria akory ianareo no andriamanitra ivavahana. Ny fandraisana zero, nefa misy anie olona tena avy any amin’ny faritra lavitra any niakatra eto Tana tsy ianareo no nanome ny frais nefa dia mitonatonana eto fotsiny 03 andro na mihoatra vao mahazo izay ilaina. Ekena fa sarotra ny manao zavatra nefa trop trop c’est trop satria nahita aho ary raha ilaina ny hanonona anarana dia tsy maninona fa omeko izany. Natao izao mba hiovana fa tena mandratsy endrika ny tolona, mahakivy fo ny mpanohana ery mahaketraka ny osa! Raisiko ho mpamadika tsotra izao ireo olona ireo.
    Mahereza fa mbola tsy kivy na dia izany aza satria masina ny tanindrazana!

  2. Rehefa mba misy olana tahak’izao dia mba vahana haingana satria olona iray no mitaraina nefa mety olona marobe no victime-ny zavatra tahaka izao.

  3. tsik ko otran las b resak fotsn ato a!za zao androany nitet fkt 8 ato anatin’ny com morarano distric amparafa d zao ny vao2 ao:mis mpifid nafindran’ny CENIT BV any @ 5km ny anarany,d malaina reo oul reo hifid 147votan

  4. Mirary soa ho antsika mianakavy,

    Tsy fantatro hoe ahoana ny planning an’i Dr Robinson fa raha ny hetahetako dia tokony handany fotoana betsaka @ propagande any @ faritany naharesy antsika izy. Ohatra tokony hitsidika au maximum ny faritra Sava, Diana, Sud Est, Brickaville…sns. Tokony avoaka ho hitan’ny vahoaka tsy vaky volo mialoha izany planning izany mba ahafahan’ny vahoaka miomana @ fandalovany any .

    Toa mitebiteby ihany aho fa hatramin’izao dia miodinkodina eto @ province Antananarivo ihany ny candidat tsika, nefa ny fotoana tsy dia misy hivalamparana be loatra. Koa dia miangavy ny Pr Mangalaza mba hanao transparence mahakasika io planning io na miangavy izay afaka miresaka @ ry zareo mba hanentana azy ny @ izany.

    Misaotra indrindra tompoko. Ny tanjona dia ny fandresena @ 2nd tour.

    Mahereza daholo

  5. L’Utopie négative de rajoelina …va finir par le détruire!

    Durant moins de cinq as , rajoelina et ses obligés ont pratiqué la politique qui roule en tenat d’écraser sur leur passage tous qui n’ont les évieter lors de leues folles activités délirantes de destruction ,de démolition
    ( promulgation d’ordonnanes , de décrets , de lois et autres dispositions illégales…effacent ,qui loquent des dispositions antérieures légales protégeant les intérêts et la souveraineté du Peupe de Madagascar…!
    Oui rajoelina joue et s’amuse comme tous les dictateurs: dans son délire chronique , toujours irrité et excité et obnubilé
    et mort de trouuille par la force tranquile du Président de la République
    RALOMANANA MARC…!
    En effet ,les résultats du premier tour des présidentiels publiés le 20 octobre 2013 ont été une très mauvaise srprise et e grande déception pour rajoelina qui a escompté sur une défaité irrémédiable du clan RAVALOMANANA MARC,qui cotrairement aux espoirs imbéciles de rajoelina ,quin’ont été que d’illusion inroyable pour rajoelina , qui a beaucoup misé aveuglement sur les tripatouilages et manipulations des comptages des résultats dans les bureaux des votes. Ces manipulations ont expliqué le retard  » de sottie des chiffres manipulés…!
    A contre-coeur , rajoelina a été obligé de « dicter  » la publication de ces résultats qui ont anéanti l’objet de son délire :
    « Le Président de la République RAVALOMANANA MARC a encore gagné ! ».
    Porté pr sa furie délirante ,il ne sait qsue faire et s’ev à Paris pour faire aux Malgaches qu’il encre des faveurs à Paris.
    Mis à Paris ,il fait publier dans le Monde sa menace à peine voilée aux autoritéses en leur rappelant qu’elles l’ont aidé en 2003 et que maintenant qu’il besoin d’un soutien ..personne n’est là alors que mon poulain sera élu président de Madagascar ! Oui il a eu besoin d’assouvir sa sifde battre et de gratter son prurit de délirant impatient de voir son triomphe !
    Jusqu’au 20 décembre il trouvera des des tours ,des démonstrations de force pour résoudre sa quadrature du cercle :loharimampianina président ,lui rajoelina premier ministre à la Poutine ..C’est lui qui dirige et c’est qui décide de tout !
    Actuellement sa mégalomanie est à son paroxysme , dès lors il devient dandereux pour sa propre personne et dangereux pour chacun et chacune d’entre Kous..
    Ce qu’il a fait auPays et au Peruple Malgache ne peut etre pardonné surtot ne peut être passé sous silence et ne *etre ignoré par la Justice…
    Son agonie a trop duré et les Malgaches en ont marre de ses gesticulations et de ses extravagances…
    Il ne maîtrise plus rien ! ..il est désinhibé !

    ..

  6. rajoelina le délirant
    La déclaration grandiloquente faite par le piteux comédien rajoelina n’ a qu’une seule prétention qui cherche à démontrer aux responsbles français qui l’ont aidé pour commettre le coup d’état..Le rappel de la prise en charge dans la voiture diplomatique de Madame GIARDUN Claire attestant cette réalité n’est innocent…
    rajoeline se trouve dan la mouise noire tente toute manoeuvre pour éventuellement obtenir toute aide , tout soutien est le bien venu car depuis qu’il a été lçaché par les autorités françaises rajoeline peine et ne sait plus à quel démon s’appuyer..
    Sa déclaration dans le Monde ,édité et publié à Paris relève d’un calcul qui cherche à amadouer ou à menacer ceux qui l’ont soutenu hier et l’ont abandonné ..IL veut dire à ses anciens supporters français qu’il peut encore gagner les présidentielle et aussi…peut tout déballer ..!
    .Que croit-il obtenir avec ce chantage d’un petit morveux éconduit.., très mauvais bougre : oublie-t-il que le coup d’état est un crime ,qu’il est pendable ?
    Ce comportement suicidaire de rajoelina trahit la déconfiture des putschistes ayant perdu de leur superbe, de leur fanfaronnade , de leur imbécilité..avec le tarissement des ressources financières!
    Plus rajoelina s’évertue à supporter son malheurux candidat ,plus rajoelina affaiblit ce candidat !
    rajoelina a toujours été tête à gifles,reste toujours vaniteux et s’en va les yeux fermés contre le mur des Malgaches prêts à le lyncher !

  7. Manamafy ny voalazan’i Fatidra.

    Aiza ireo fitaovana hoenti-manao propagady fa mandeha ny fotoan? Ny olona efa lasa lavitra be. Tena ady ity ka tsy tokony atao tsirambina.

    Tena gasy tsy maintsy mandresy

  8. ny « Hery tsy mahaleo ny fanahy »: de raha noana ny kibo mireny ny fanahy

    omeo fahatokisana ny OLONA MAHAFOY TENA & FOTOANA & HERIM-PO sns
    fa efa hatramin’ny 1er tour ireo olona no nampiomana

    i mydago ato koa mba hitsangana
    hampifandray ny etsy sy eroa k’ity!

    ilay EGO an’ny sasany

  9. zao an!ny planing d ten mis tokoa f ts azo avoak mialo b mb hosecurite-ny prezida & PM(neny),ar any@reo faritra naaresy antsik mits no somar iangaran @ty(@poster,tisert,ny vola ho entin @zan fampielezan-kevitr zany)so d gaga eo ndray nareo

  10. Marina avokoa izay voateny ka mitandrema sao lahy – kely foana dia manimba zavatra !

    Ny any amin’ny faritany, vohizo haingana fa aza mifampiandry re

    Mitondra ambavaka anareo rehetra é ! Mahereza tompoko

  11. Ilay fery vao nilaza fa raha tonga eo amin’ny fitondràna izy, dia ho azo indray ny vola avy amin’ny AGOA sy ireo orin’asa nikatona rehetra !
    Diso be izany, ary tokony azavaina amin’ny vahoaka fa ny amerikàna tsy hankasitraka an’ireo mpanongam-panjakàna ireo !
    Ilaina koa ny mampatsiahy ny vahoaka fa tamin’ny alàlan’ny fanonganam-panjakàna no nahatonga an’ireo foza ireo teo amin’ny fitondràna, ary mbola hiaran’ny sazy i Madagasikara hatramin’izao !
    Nisy heloka be vava nataon’ireo mpanongana ireo, dia hoy ianareo : TSY HANAO VALIFATY VELIVELY ISIKA !

    Ny heloka hibaboana mody rariny ! Tsy ireo olona nifidy mpanongana no diso, satria ny ankabeazany tsy mahafantatra izay fandehan’ny tantara akory. Ary izany no hilàna fampielezan-kevitra, manazàva ny toe-draharaha. Tsy fanenjehana sy fanendrikendrehana, ny filazàna ny marina ! Ny fampielezan-kevitra ilaina dia ny fanoroana ny vahoaka ny lalana tsara tokony hizoran’ny firenena sy ny mpitondra !

    Tsy ny fampanantenàna (promesses) isan-karazany no tokony atao, fa ny fitakiana na fangatahana fanampiana avy any amin’ny vahoaka mba HIVERENAN’NY ARA-DALÀNA !

    Noho izany rehetra izany, mba azavao kely aminay fa tsy azonay ny dikan’izany hoe : Tsy hanao valifaty ê !

    Tsy hisy famotorana izany ho atao fa dia matimaty foana tahaky ny valala nosamborom-boka fotsiny ireo rehetra namoy ny ainy ? Ireo nangalatra nandritry ny dimy taona, dia hadidio tsara tahaky ny lamba nosasàna tamin’ny savony M’lay ?

    Ho foanana mihintsy ve izany ny Fitsaràna ? Tandremo hoy aho fa ho raisin’ny foza amin’ny vava navoakanareo, ianareo !

  12. Miarahaba antsika mianakavy,

    Dia mankasitraka ny fihetsika sy ny fomba firesaka an’i Dr Robinson omaly alina tao @ TVM. Ny antsika malagasy mantsy dia ny lafiny pratika sy ny terrain no tena zava-dehiba fa tsy théorie sahala @ an’i Hery. Ny sentiment koa dia ananan’ny malagasy koa izaho mahita fa mety @ psychologie tena malagasy ireny fomba fihetsika sy firesaky ny kandidantsika ireny.

    Manaraka izany, tsy hoe tsy tian’ny olona ny kandidanysika tany @ toerana izay naharesy antsika fa nohon’ny tsy fahavitan’ny fandalovana tany t@ propagande 1er tour no naharesy antsika tany. Noho izany dia maniry aho ny handalovan’i Docteur any maika dia maika tokoa.

    Manaraka ihany koa dia soa ihany fa dokotera ny kandidantsika. Mino aho fa fantany be loatra na tokony hihinana vitamines na fanatanjahana …sns izy . Mbola mafy ny lalana mbola hodiavina mandrampahavita ny propagande. Tokony hatanjaka sy ho salkama tsara ny kandidantsika mandritra izany.

    Tsy Dokotera ihany fa i Neny koa indrindra indrindra, dia mino aho fa mihinana vitamines . Soa ihany fa dokotera ny eo akaikiny eo…dia jereo tsara ny fahasalamana e!! manaova matanjaka tsara.

    Izahay dia manohana ambavaka anareo . Mahereza tompoko.

  13. Tena hoe resaka mamolava sy resaka bontolo fotsiny ny an-dRadokotra lehiretsy! Mba dokotera ihany leiry fa tena maivana be ny fanehoan-keviny! Tena mahamenatra raha izany no ho filoha! Soa fa tsy ho lany i leiry!

  14. Misaotra anao ry Denise nandany fotoana nidirana tato a! malahelo anefa aho milaza aùminao fa tahakan’ny tsy ho voatampina mihintsy ilay emoragiebe mipotsiatra ao anatinao ao raha izao no mitohy. Ny hôpitaly manarapenitra natsanganareo anie tsy misy bloc operatoire hanohizana ny lalandrànao tapaka io raha tsy i Dokotera JLR tena tompon’ny operation no hanamboatra azy e!
    Misaotra betsaka President JLR t@ iny face à face tao @ TVM omaly iny fa vitanao tanteraka ny nametraka tsara t@ toerana sahaza azy an’i Hery rajaonarimampiesona a! Misy tolokevitra kely ity ny @ ilay lafiny fandrihimpahalemana eto Madagasikara: – Voalaohany indrindra aloha dia mila manatanteraka ny asa nametrahana azy ny mpitandro ny filaminana rehetra eto, satria natao hiaro ny vahoaka Malagasy sy ny fananany ireo; – Faharoa dia tsarovy fa ny vahoaka no manakarama sy mamelona ny vady amanjanak’ireo mpitandro ny filaminana ireo @ alalan’ny hetra alaina @ tambikaramany; ka noho izany dia tsy mety intsony izany vahoaka hampanaovina andrimasompokon’olona izany fa sady hanakarama ireo mpitandro filaminana ireo ve no sady hitandro ny filaminana eo @ manodidina azy hiany koa??? Izany akory tsy midika hoe tsy handray andraikitra mihintsy ny vahoaka eo @ fiarahamonina malagasy misy azy avy fa mba misy fotoanany koa izany. Rehefa izay no tian’ny mpitondra hatao dia tsaratsara kokoa angamba foanana mihintsy ny Zandary sy ny miaramila dia aleo ny vahoaka no handamina ny fiarahamonina misy any aminy e!(Fiarahamonina faha Gasy io an!). Koa noho izany dia manentana antsika rehetra tena Tia ny Tanindrazantsika hiombonana ity mba tsy harirariran’ireo mpanao pôltika maloto ireo intsony fa mba hahay handinika sy hamakafaka ny fomba fitantanana ny firenentsika fa tena misy mihintsy ireo taranaky ny mpanjanaka sy ny mpanao ny zarazarao hanjakana!
    manohana tsy misy fepetra anao President JLR 33 !33 ary mirary soa sy fitahin’Andriamanitra hoanao sy ny ankohonanao hahavita be sy marina ary masina eto @ity tanindrazantsika ity!

  15. Misaotra an’i Mavitrika nanao famelabelarana sy fanamarihana, fa izao ê !
    Fandriampahalemana sy fandrosoana izany tsy hisy velively rahatoa ka tsy tafapetraka izany atao hoe Firenena tan-dalàna izany !

    Ny fampiarana ny Lalàna velona sy ny fanarahan’ny tsirairay avy an’ireo Lalàna ireo no hitondra ny fahafahàna !

    Antsika ny raharaha, noho izany dia isika malagasy no tokony ho tompon’andraikitra voalohany, fa tsy miandry ny avy any ivelany.
    Noho ny hetraketraka sy asaratsin’ny sasany, dia na vondrona iraisam-pirenena aza dia nahavita nandika ny Fifanarahana izay natao rehetra ! Tsy nampaninona an-dry zareo na voahitsakitsaka aza ny zon’ny malagasy, satria sarotra amin-dry zareo ny hanasazy an’ireto « nanohana mpanongam-panjakàna avy any ivelany » !

    Misy zavatra tsy azo ekena intsony, ary izany no namerenako an’io fanontaniana io hoe : Rehefa inona dia azo lazaina fa hoe valifaty ??

    Valifaty ve ny fitsaràna an’ireo izay meloka ??? Aza adino itony, satria FRIENENA TAN-DALÀNA NO MBA TADIAVINAY SY ANTENAINAY !

    http://www.midi-madagasikara.mg/a-la-une/2013/12/05/cl-charles-andrianasoavina-contre-le-maintien-au-pouvoir-de-rajoelina-et-consorts/

  16. Zavatra toy izao dia tena mahonena!!tsy mahasakana ny mpisolelaka
    hitakosona @ olona toy ity domelina ny zavatra efa mazava be izao.
    Inona no tsy hanaovana ireny famoahana ataon’i Charles ireny @ TV sns atao drindrangilo e???
    Raha tena mba olona marina ireo izay MATAHOTRA VALIFATY dia tokony miaiky sy MANARINA
    toy ny ataon’i Charles fa tsy MIARO NY RAMBONY FOTSINY, tokony hiseho izy ireo fa tena NIOVA
    sy NIALA t@ ratsy nataony ary manefa, fantatra koa mantsy fa ireo izay nanana fanana be t@ fandrobana
    ireny no tena MATAHOTRA ,ka ny FANANANY no hatahorany fa tsy mba ilay TANINDRAZANA na mba hoe
    MBA FIHAVANANA e!!!
    AVERENO IZAY NANGALARINA RAHA MATAHOTRA FITSARANA FA TSY MIDIKA VALIFATY NY FANARAHANA
    NY LALANA RY MPANGALATRA ISANY ô!!
    Na dia ireny vono moka any Atsimo ireny aza ve dia ho hatao ho vita mora????TSY METY eee!!!

  17. Dr Robinson métisse franco-sino-malagasy, plus Ra8, ireo zany no hikomandy ity saribakoly be ity, Ra8 koa tsy adala tsy nametraka candidat toa an-dry Mamy, na Botozaza, na Hanitra, fa hitany tsara ny faiblesse-ny misy hangalana haingana ny toerany.
    Ireny ve no fomba famalina futur prezida, techniquement tena zéro manatody, araka ilay etsy ambony woe, bontolo be fotsiny. Aza mikorapaka woa ianareo, fa ny tsy fahaizanareo sy ny tsy fananareo stratégie matipaika no mahatonga izao fikoropahanareo izao, ary niainga avy atsy Sud Af io hadondronana io. Efa ela zahay no niteny, izany fa noraisina ho fahanaratsiana hatrany, tsy mba nisy nanao autocritique, de fa ho any fa hoany fotsiny e. Tsapatsapa vodin’akoho, raha tsy tay atody, tsy mba nisy nahatolokevitra an-dramose, na nanohatra azy raha hita be izao fa risque be iny, fa izay avoakanlery de ouimse, ouimse, de izao no vokany. Aza ailika @ olona foana ny tsy fahaizana n’inona n’inona ry Dr Céléstin fopla, fa na ny fanoratrareo lay teny baiko aza eto mahamenatra a! Nareo sy ny tsy fahaizanareo no problema, fa tsy ny olona velively, avelao ny fifidianana no hitsara, fa 21% n-dR8 woa, tsy mankaiza @ Hery + Hajo+ Rolland+ Camille+ Edgar+ Dadafara, ary ny hatahorako aza lay score tsara azo tao province Tana io, de hihena be indray, vokatry ny fahitan’ny Tana ny tsy fananan’io candidat nareo stature na prezida, ary ny tsy fananany hazon-damosina, fa ho candidat fotsiny hamerina olona iray @ toerany sy ny tombontsoany izay antony nahavoaongana azy, ary aza manao ny malagasy ho sagnagna woa, fa fantatry ny olona eo foana ny tena vrai, fa tsy zay saribakoly tsisy hazondamosina sy mitana ny mahlehilahy azy izao akory no ndeha fidiana hamita-bahoaka eo indray. Mirimorimo be ry KM ny 20 Déc a! raha tsy ho lany eo ndray ty olona tohananareo ity de iza ndray no diso? Ny vahoaka nifidy sa, Rajoelina, sa fanodikodinana safidy, sa i Neny? Ny marina de ny tantaran-dRa8 sy ny taranany mihitsy no efa navalon’ny gasy, teny atsipy ho an’ny manapanahy ireo.

  18. Dr Robinson métisse franco-sino-malagasy, plus Ra8, ireo zany no hikomandy ity saribakoly be ity, Ra8 koa tsy adala tsy nametraka candidat toa an-dry Mamy, na Botozaza, na Hanitra, fa hitany tsara ny faiblesse-ny misy hangalana haingana ny toerany.
    Ireny ve no fomba famalina futur prezida, techniquement tena zéro manatody, araka ilay etsy ambony woe, bontolo be fotsiny. Aza mikorapaka woa ianareo, fa ny tsy fahaizanareo sy ny tsy fananareo stratégie matipaika no mahatonga izao fikoropahanareo izao, ary niainga avy atsy Sud Af io hadondronana io. Efa ela zahay no niteny, izany fa noraisina ho fahanaratsiana hatrany, tsy mba nisy nanao autocritique, de fa ho any fa hoany fotsiny e. Tsapatsapa vodin’akoho, raha tsy tay atody, tsy mba nisy nahatolokevitra an-dramose, na nanohatra azy raha hita be izao fa risque be iny, fa izay avoakanlery de ouimse, ouimse, de izao no vokany. Aza ailika @ olona foana ny tsy fahaizana n’inona n’inona ry Dr Céléstin fopla, fa na ny fanoratrareo lay teny baiko aza eto mahamenatra a! Nareo sy ny tsy fahaizanareo no problema, fa tsy ny olona velively, avelao ny fifidianana no hitsara, fa 21% n-dR8 woa, tsy mankaiza @ Hery + Hajo+ Rolland+ Camille+ Edgar+ Dadafara, ary ny hatahorako aza lay score tsara azo tao province Tana io, de hihena be indray, vokatry ny fahitan’ny Tana ny tsy fananan’io candidat nareo stature na prezida, ary ny tsy fananany hazon-damosina, fa ho candidat fotsiny hamerina olona iray @ toerany sy ny tombontsoany izay antony nahavoaongana azy, ary aza manao ny malagasy ho sagnagna woa, fa fantatry ny olona eo foana ny tena vrai, fa tsy zay saribakoly tsisy hazondamosina sy mitana ny mahlehilahy azy izao akory no ndeha fidiana hamita-bahoaka eo indray. Mirimorimo be ry KM ny 20 Déc a! raha tsy ho lany eo ndray ty olona tohananareo ity de iza ndray no diso? Ny vahoaka nifidy sa, Rajoelina, sa fanodikodinana safidy, sa i Neny? Ny marina de ny tantaran-dRa8 sy ny taranany mihitsy no efa navalon’ny gasy, teny atsipy ho an’ny manapanahy ireo.

  19. marty & rio bogor font du « copie collé ». Ils n’ont pas une bonne culture économique et politique puis se cantonnent dans le racisme. Ce sont les copains de Marine Le Pen!!!

  20. Marty dia anisan’ny tropin’ny mpamadika, ireo miara-misôsy amin’ny mpanongana !

    Tsy ho voafahan-dalitry ny foza ny tena mpitolona, fa matoa mino an’izay lazainy dia mitovy saranga aminy izay !

    Aza taitra ianao ry ma ty fa efa fantatray daholo ireo mpamadika « tanindrazana » rehetra hatramin’ny 2009, na aiza na aiza misy azy ! Anisan’izany ireo nitonantonana nangataka fanohanana avy amin’ny frantsay !

    Nolazaina teto foana fa ny rindrina aza hono manan-tsofina !

    Matoa izahay mbola misera eto, dia mampatsiahy an’ireo lazaina fa mpitarika ny zavatra tokony ho ataon-dry zareo !

    Tsy baiko araky ny filazanao rafoza no ataon’ny Filoha fa mba mampatsiahy ny hetahetam-bahoaka toa ny rehetra koa ny tenany !

  21. Aza miteniteny foafa ry « marty » sy Denise » fa tsy mitombona resakareo a. Efa krizy lalina be izao ve dia mbola hanohy @ FAT miaraka @ Fery 100%… Sao mba olona tsy midray @ krizy akory ianareo fa te-hampiseho hadondronana eto ? Mba lazao hoe inona ohatrinona ny frais ny Bus 114 eto Tana, na koa hoe izay ny depute’ avy @ FAT milatsaka any @ SAVA ? Ohatry ny be resaka fotsiny ianareo fa lavitra ilay krizy. Misy Malagasy maro any ivelany kanefa dia hiharan’ilay krizy na ry zareo na ny olona manodidina azy ka misy fiantraikany eo @ fiaiany. Inona kosa ny @ « marty » sy « Denise » ?

  22. Débat télévisé sur TVM: Jean-Louis Robinson ne fait pas le poids
    Débat médiatisé des plus animés, hier sur les deux chaînes nationales.

    Entre les deux candidats retenus pour affronter le second tour de la présidentielle du vendredi 20 décembre prochain. Débat très engagé d’un côté comme de l’autre, ayant permis de se faire certaines idées fidèles sur la personnalité respective des deux prétendants à la magistrature suprême, à Madagascar. Le moins qu’on puisse avancer, à ce propos, le candidat Hery Rajaonarimampianina – celui qui, en théorie, devrait incarner le changement prôné depuis la Place du 13 mai en 2009 – observe une certaine bienséance vis-à-vis de son adversaire et surtout des électeurs. Tandis que dans le camp d’en face – celui de la mouvance Ravalomanana, d’une manière englobante – l’on avait brillé notamment par cette manière dépourvue pratiquement de tous sens de distinction, pour une personnalité du rang du docteur Jean-Louis Robinson…

    Ce dernier a effectivement montré ses limites sur les questions relatives à l’économie nationale, notamment aux secteurs de l’énergie et du tourisme. A défaut d’arguments, Jean-Louis Robinson n’a trouvé mieux qu’évoquer l’histoire de coup d’Etat de 2009, alors que le débat portait sur l’inévitable hausse des prix des carburants à la pompe dans un futur proche et la survie de la Jirama.

    Dans la soirée d’hier, donc, sur TVM et RNM, Hery Rajaonarimampianina et Jean-Louis Robinson ont fait part de leurs différents projets d’avenir pour le mieux-être de ce pays en proie à toutes sortes de dépravation, depuis quasiment les 50 dernières années. Si le premier était dans la mesure de développer, avec une certaine aisance, ses programmes socioéconomiques envisagés dans les années à venir en cas de victoire à l’issue de ce scrutin présidentiel, et dans des secteurs divers et diversifiés tels que l’énergie, le développement en milieu rurale ainsi que la lutte anticorruption pour l’avènement d’un véritable Etat de droit sur l’ensemble de l’île.

    L’autre, pour sa part, s’était rabattu simplement sur le principe du rétablissement de l’ordre social basé sur la solidarité à la malgache, autrement dit le « fihavanana ». Le concept peut valoir ce qu’il vaut dans l’esprit des gens civilisés, mais quand c’est ce candidat-là qui le met en avant tout au long de sa campagne électorale, il y a forcément matière à réflexion… La force politique à laquelle appartient Jean-Louis Robinson n’est pas de ce genre-là : faut-il croire que celui-là et par extension la mouvance Ravolamanana, seraient-ils enclins au rassemblement de toutes les forces vives locales pour faire le développement humanitaire de ce pays ? Sans répondre directement à cette question cruciale, il importe de noter que, de par ses attitudes peu courtoises d’hier à travers les médias publics reconnus par tous, le candidat Jean-Louis Robinson est loin d’incarner le renouveau pour remédier tous ces maux qui guettent actuellement la Grande île, en cette phase cruciale de la résolution de la crise…

    Aux dernières nouvelles que la rédaction a obtenues tard dans la soirée, il y aurait eu discordance entre Jean-Louis Robinson et Lalao Ravalomanana, l’épouse et non moins bras droit incontesté de l’exilé d’Afrique du Sud. En effet, selon les informations recueillies à ce sujet, une réunion se serait tenue avant-hier du côté de Faravohitra (domicile de l’ex-chef d’Etat en exil depuis 2009), comme quoi les derniers mots devraient appartenir à celui-ci (Marc Ravalomanana, en l’occurrence) pour ce qui est de la gestion des affaires nationales, en particulier dans le cas où le président déchu regagnerait le pouvoir via la victoire du candidat n°33 au sortir de cette même élection présidentielle…

    Par ailleurs, à travers le débat d’hier sur les stations publiques du pays, Jean-Louis Robinson a publié des notes qui contribueraient plutôt à ternir davantage son blason. En effet, comment expliquer que ce candidat pourtant porté favori dans le cadre de cette même élection nationale pourrait se comporter de la même façon devant les téléspectateurs et surtout les électeurs potentiels ?

  23. hoy i bogor:
    « lay score tsara azo tao province Tana io, de hihena be indray, … »

    nirotsaka anivon’ny vahoaka aiza ny candidat filouan’i fHery tranainy k’ity?

    tsy mahita affiche vao2 zahay eto tanà
    ny tranainy tsy nisy saky nikitika teo aloha aza – tena akaiky ny fonenany ==> lasa voavoly Robinson ngezabe eo amboniny??!!

  24. Jeannot Ramambazafy ihany kay ity DENISE

    5taona nihainana teto zahay NOLOTOINA foana,
    efa tsy ahoan’ny vahoaka inona ireo rapport-ny interprétation nao ireo

  25. Efa fantatra io olona io fa MPISOLELAKA gaigy lahy ary voavidin’i KOTOVELO
    omeko eto ny tena izy raha mbola miantsy ady toy izao ainao io , dia aza malaky miova2
    anarana oah fa mijoroa raha TENA MANANA NY MARINA.MAHONENA!!!
    Marina ny anao ry Kintana , avy dia lazao lesy iza indray no MISOLELAKA tany a!!aoka tsy ho voafitaka
    intsony ny vahoaka .
    Alahelonkanina ny an’ireo , nanantena ny hamahan-dalitra an’i dada lava ka voan’ny daka tsy hita maso
    MIAKAPOKAPOKA fa VOADAKAn’i dada t@ kely foana.MANKASITRAKA DADA a!!!MAMY BE ZANY DADA
    IZANY ARY TSY AZO AMIDY!!!!HOMBA ANAO MANDRAKARIVA ANDRIAMANITRA DADA a!!!

  26. Haveriko ary mbola haveriko ho anareo ireo denise, bogor fa rehefa miresaka ianareo dia zavatra mazava resahana fa aza atao resaka maizina izay ianareo irery no mahita azy ao amin’ny maizina ao fa ny vahoaka dia ny hitan’ny be sy ny maro amin’ny mazava no tadiaviny , ianareo na omena hazavana aza tsy mahazaka fa jemby avy hatrany ny masonareo ka olana ho an’ny firenena ny fisianareo fa mba mihezaha amin’ny fanavaozana ny saina e! ity izao misy fanamarihina kely ataoko ka asa izay filazanareo azy na hijery mazava ianareo na ho jamba tsy fitiavana toy an’ny Voninahitsy indray izay tsy mahalala afa-tsy ny tenany ka mihevitra fa izy no tompon’ny Madagasikara ka izy no mandidy hoe tsy tiako I Ravalo hody, io anie tsy tonkatranonao e! fa firenena Ravoninahitsy o !iny eo ihany fa ity ilay ho lazaiko , I Ravalomanana tamin’ny 1er tour nanohana an’ny Dokotera nolazaina fa saribakolin-dRavalomanana i Dokotera , dia hoy aho hoe tsara anie izany e! tafaray ny tia sy ny manina ka inona indray ary mety ny nataony matoa ilay izy aty amin’ny 2e tour alain’i rajoelina tahaka , tsy hita moa raolona fa i rajoelina dia zatra ny manao copie colle, ka inon-drajoelina izany izao i hery ? i rajoelina aza eo amin’ny HAT tsy menatra akory fa

  27. Ny tena mapmė ry Vonifanja dia nahay naka Pasipaoro tsara i Voninahitsy fa
    « mahazo mody dada « FA noheveriny fa izay no ahalany ity JIOLAHY MPISANDOKA???
    Izao indray ity tsy lany rangahy dia  » tsy mahazo mody « indray ??? FA IZA ITY IZY ???tena miakapokapoka!!
    efa hitan’i sė ve aloha ilay Debat t@ le 4 e!!Tiako be dokotera fa napetrapetrany tsara t@ toerana sahaza azy
    mihintsy ilay FAKO LAHY efa mivilam-bava @ lainga tsara lahatra iny.

  28. Tsy tiako Ravalomanana nefa izy no ataon’i rajoelina mianakavy ho fankatahaka, nefa mampalahelo fa tsy mahavita ny vitan-dRavalomanana izany ianareo , I Hery izao vao milaza hoe hanangana orin’asa hono e!rehefa lany eo e! nefa Ravalomanana ilay lazaina fa dondrona tsy teo amin’ny fitondrana akory dia efa nahatsangana orin’asa izay no hitenenako hoe any aorian-dRavalomanana ianareo ka reraka foana manenjika azy e!dia inona koa ilay tsiririntinareo an-dRavalomanana ! teo aloha ianareo nilaza fa lalana angaha azo hoanina ! ka manino raha atao ao anaty programan’asan-dRahery ny famotehina ny lalana rehetra eto amin’ny tanana ! izay angamba izao no tena tetik’asa tena azonareo vitaina ao anatin’ny fotoana fohy ! fa ilay vary mora , menaka mora , frais tsy miakatra efa tsy misy vitanareo izany e! vao 1er tour ary no vita dia efa niakatra ny lasantsy nameno ny banga hanaovana 2e tour indray , ka inona indray ilay maizina mbola harosonareo ny vahoaka eo e! tsy hita moa fa fahasambarana ho anareo HAT ny mahita vahoaka mahantra dia amin’izay mora vidina sy ambakaina nefa ianareo HAT milaza fa malagasy , izaho anefa mino fa tsy hanao izany I Dokotera izay lazainareo tsy malagasy ! ka mbola fotoana izao hijerenareo ny mazava fa aza dia mijanona ao amin’ny maizina ao foana;

  29. Marina ny filazanao Ranavalona fa tena mazava tsara ny debat an’ny Dokotera , miresaka tsara ny zava-misy izay rehetra azo tanterahana fa tsy manao nofinofy ka mampanantena volana ny vahoaka toy an-dRahery e! ilaina mihitsy ny mahitsy toy ireny mba hafantaran’ny vahoaka ny marina ka mahatonga ny krizy iainany amin’izao fotoana

  30. Fitiavana io samy manana ny safidiny fa ny marina marina ihany ,
    tsy voatery hitia an-dRanona sy Raanona koa vao afaka hamonjy ny tanindrazana
    fa adidy tsy an’olon-dratsy e!! ny tanindrazana no vonjena .Tsy mifanome tsiny e!!

  31. Tsongoy tsiriray woa raha tena mahay sy misaina ary lehilahy ireo nolazaiko ireo, fa na i Vonifanja miseho ho amboadia mitafy hodi-janakosy hay azafady zanak’ondry aza eto, tsy mahavaly zay hambarako. Ny marina io maharary foana, fa mbola averiko, raha olona nanana bonne foi dadanareo, tsy nanao fitaovana poitika iny rafozambaviny nahonena iny, zay fotsiny ankoatr’ireo rà nalatsany. Raneny moa defa voahitsakitsaka tokantrano, sy manatanteraka ny baikony, @n’izato alahelo mafy pouvoir. Rafozako, vadiko, gasy novonoiko, tsy misy raharahiako, aleo ho faty any, raha miohatra @ sezako. Mandratra ny marina ry Denise a! manopaompa sy miteniteny foana sisa azon’ireo atao.

  32. marty, rio bogor, Denise…

    Arrêtez donc de faire mourir de rire….

    Votre putschiste BÔ GOOOOOOOOOSSSSSSSS DJ à la Denise , soutient son pantin Hery pour SES INTERTETS OERSONNELS EN JEU
    Tout le monde le sait.

    Rien dans le crane , tout dans le bermuda à l’ile Maurice

    Que comprenez vous de l’économie ?

    Les TGVistes n’ont jamais compris que l’embargo est la sanction internationale de leur ILLEGITIMITE AU POUVOIR

    Les « théories » de poubelle de Ratsirahonana n’embuent que vos petites cervelles

    FOMENTEURS DE CRISE : RAUSSS RAUSSS

    en attendant les jugements réguliers de prévarication , corruption à haute dose , j’espère vivement

  33. Enfin, manomboka manao propagande any @ faritra atsinanana ny Dr Robinson. Matoky aho fa handresy @ 2nd tour ny Dokotera ary isika rehetra dia hanao araka izay azo atao @ fanohanana azy indrindra fa ny fitondrana azy ambavaka. Aza adino ny faritra avaratra, Sud-Est, Androy…sns.

    Miankina tanteraka @ fandresen’i Dokotera Robinson ny hoavin’ny vahoaka malagasy izay efa fadiran’ovana ny 95% ary indrindra ny hoavin’ny firenena malagasy iray manontolo. Dokotera Robinson no fanantenana @ izao mahazo ny firenena izao koa dia aleo hery ry mpiray tanindrazana malala isany.

    Homba antsika Andriamanitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *