Dr Jean Louis Robinson : hanao fanambarana lehibe eny amin’ny Magro rahampitso

2013-12-10 ROBINSON à AMBATONDRAZAKA-33
2013-12-10 ROBINSON à AMBATONDRAZAKA-33Araka ny efa nampoizina, tsy mandrimandry ny kandidà Robinson miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana. Miantso ny vahoaka hijoro, hitaky ny rariny sy ny hitsiny amin’ny fampitahana ny PV sy ny fangatahana ny mangaraharaha tamin’ny fampiasana ny bileta tokana izy ireo.
Tokony ho tohizana ary atao ampahibemaso ny fanaraha maso nataon’ny CES, tamin’ ny vata rehetra nampiasaina fa tsy mijanona amin’ireo distrika 9 fotsiny ihany hoy hatrany ny kandidà. Satria maro ny tsy ara-dalàna tsikaritra tamin’ireo distrika 9 natomboka teo anivon’ny CES. Nahoana no misy bileta tokana tsy misy laharana nampiasaina? Nahoana no tsy azavaina ampahibemaso ny nampiasaina ny ambin’ny bileta tokana?
Manome toky ny mpanaradia azy ny mpitarika fa ara-dalàna ny fivoriana atao ao amin’ny MAGRO ka tsy tokony hatahotra ny olona satria « Tsy ny tahotra no hampandroso ny firenena »

3 pensées sur “Dr Jean Louis Robinson : hanao fanambarana lehibe eny amin’ny Magro rahampitso”

  1. Hijoro isika vahoaka @ fiarovana ny safidi_tsika.Tsimaintsy atao ny cofrontation ny pv,ny buletin,ny liste.Ka raha vao mampiasa krimogena na mitifitra ny EMMOREG/EMMONAT.Hita_tsika ny trano fonenany(zandary sns)ny vady aman_janany ny sekoly ianarany

  2. Mangina wa rehefa tsy hanao zavatra fa masosotra, be vava fotsiny eo we isika tsy manaiky e, tsy mety zany e, mangalatra e, nefa de vava fotsiny fa tsy hita mihitsy izay hatao e. Ireo indray izao no santionan’ny fanambaran’i JLR eo e, de rapitso de adino oo, de eo indray le MAGRO midonàkà, de tairina kely indray rafak’apitso de izay fona no miverimberina e, hany ka tsy mahagaga raha nahavita nitondra 5 taona ny FOZA ary mbola hitondra 5 taona manaraka indray satria le mpitarika mihitsy no tena sady mahay manentana no mahay mampatory, hany ka vetivety de tonga ny 5 taona, courage daholo e, mbola hoela ny tolona, afaka 5 taona indray izany aloha mihaona sady mbola vo 5 taona kou izay no vita e, mbola misy eo @ 20 taona eo ngamba ny tolona ao @ MAGRO E

  3. Ekena fa misy mampisalasala ny ataon’ny mpitarika. Fa ny vahoaka koa midonàka miandry kabary ao @ Magro ny betsaka. Rehefa mivoaka ao dia vita ny tolona. Tsy misy mitondra any @ toeram-ponenana sy any am-piasàna ny toro-lalana sy toro-marika. Tsy misy mandefa any @ olo-pantatra anay ambanivohitra sy any @ faritra, na @ sms na @ FB na @ mail. Voky kabary tolona dia matory. Afapo fa efa nitehaka mirefodrefotra ho an’ny mpitarika.
    Iny ny baiko: 1) ataovy hitan’ny olona eny @ rindrina, alefaso any @ olo-pantatra rehetra, resaho sy itadiavo izay hanatanterahana azy any @ toeram-ponenana, resaho any @ fetim-pianakaviana, any am-pianarana: RAVAO NY CES. 2) atsangano ny KMSB Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka, hifanentanana, hifampitaomana @ hetsika ho avy. 3) tilio ny toro-lalana sy toro-marika avy @ mpitarika, diniho sy halalino dia tanteraho.
    @zay isika tsy mifanome tsiny fa samy mahalala izay nataony sy vitany.
    Samia mahery @ tandrify azy e.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *