FIHAONANA TANY ADDIS ABEBA : ATOMOTRA NY FODIAN’I DADA

Neny RAVALOMANANA Lalao tao amin'ny Magro Toamasina (35)

Neny RAVALOMANANA Lalao tao amin'ny Magro Toamasina (35)Niainga omaly nihazo an’ Afrika Atsimo Ramatoa Ravalomanana Lalao, Tojo Ravalomanana sy ny vadiny. Zotra Bangkok-Gangzhou no nitondra azy ireo. Tampoka tamin’ny rehetra  ary natao miafina ihany ny fiaingan’izy ireo. Samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe : inona no antony ? Hiaraka hidinika amin’ny filoha Ravalomanana vadiny sy Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina any Addis Abeba ve sa hanomana ny entany rehetra any Afrika Atsimo, fa hiverina eto an-tanindrazany ny fianakaviana manontolo?  Ny azo antoka aloha dia andro vitsivitsy no hijanonan’izy ireo any dia hitodi-doha hiverina an-tanindrazana ihany izy ireo. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia nisafidy ny hangina, Ny Alarobia 15 Janoary 2014 izy no  nitafa mivantana tamin’ny antso an-tariby tamin’ny vahoaka tao amin’ny Magro Behoririka, ka taorian’izay dia tsy heno intsony, inona no anton’izany fahanginana izany?   Fantatra ihany koa  dia nihaona tamin’I Hery Rajaonarimampianina izy omaly. Tsy nisy nipika aloha ny vontoantin’izany fihaonana izany. Inoana fa tsy maintsy ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana sy ny orinasa Tiko no voaresaka nandritra izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany. Tsy azo  iadian-kevitra aloha izay fodiany izay satria efa lalàna izany , izay voalaza ao anatin’ny tondrozotra. Ny adihevitra eo anivon’ny mpanao politika izao dia ny mahakasika ny hoe : ho asiana fepetra ve ny fahatongavany eto, avelao hanao politika ve izy ?

Taorian’ny fahalanian’I Hery Rajaonarimampianina dia nihevitra ny maro fa lasa mpanohitra ny movansa Ravalomanana. Rah a ny zavatra hita amin’izao fotaona izao anefa  dia ny MAPAR no mpanohitra ary ny movansa Ravalomanana indray no lasa mpiara miasa akaiky amin’i Hery (?). Mivadibadika be ihany ny politika eto Madagasikara fa ny ampitso no hamaritra azy.

42 pensées sur “FIHAONANA TANY ADDIS ABEBA : ATOMOTRA NY FODIAN’I DADA”

  1. Sarotra be zany hoe:mapar parti contre zany sady tsy possible,fa ny azo antoka dia mody dada misokatra ny groupe TIKO&MAGRO ary miantona ny resaka politika dia tahaka ny nivoahany teto ny fidirany suivant ny accord satria tena ataorana be io olona io

  2. Manangan-torana ny Foza aman-MAPAR amin’izao an. Ary aiza le Rinah Rakotomanga manampahaizana @ « serasera » iny sa tompon’andraikitra @ ilay kabary dika mitovy lasa henatra irasam-pirenena?
    Ny atahorako @ ity Hery ity dia ohatran’ny fiara miaraka @ motera avo lenta (Rolls , Bentley,..) fa ny « boîte de vitesse » anan’ 2CV . Na koa ordinatera avo lenta miaraka @ Disque Dur 80 Giga fa ny Ram 256 ihany dia mi-planty foana é. (Copie-collé)
    Ny « Commandement » amin’ireto be galona efa za-dratsy ireto sao itodiahan’ny basy eo vao tara loatra, soloy Capitaine daholo aloha raha te ho lava andro hiainana é.

  3. Ka eto indrindra isika izao!!MAILO e!!!Mailo tompoko ô!!
    Fanahy ratsy anie ny fahavalontsika e!!any mety maniky Rajao fa …..
    Tandremo ny fiverenany eo @ tanana bola zavatra hafa eeee
    Aza hadino fa ny frantsay anie no nametraka an-dRajao teo e!!
    sao sanatria hanao Ratsimandrava mantsy Rajao raha hiova hevitra
    tampoka eo.
    Aleo aloha ho jerena tsara ny fandehan’ny raharaha, amiko aloha an!!

    Bisous be @ dada any neny a!

  4. Efa manomana basy amantafondro any izao i sankalité fa tsy nahovoka tamin’ny nilaivany azy ny famonoany fianakaviana farany teo

  5. Lasa izy mianaka, satria tsy maintsy ry zareo ihany vao mahavita ny famerenana an’ny Filoha Ravalomanana !

    Ny zavatra fantatra na inona na inona fifanarahana any ambonimbony any, dia HO FANTATR’INGAHY RAINY MAZAVA TSARA AMIN’IZAY NY ZAVATRA REHETRA NATAON’IRETO MOVANSA IRETO.

    HANAO TATITRA MANARA-PENITRA IZY MIANAKA.

    MAPAR MPANOHITRA HOE ??? FA ADALA ANGAHA IZAO TONTOLO IZAO NO TSY HAHAFANTATRA FA ILAY DOMELINA IHANY NO NANOHANA AN’ILAY FERY VAO SY IREO HOE « MIARAK’AMIN’NY PREZIDÀ ANDRY RAJOELINA » ?????

    TSY NY MAPAR INDRAY ANGAHA NO MAJORITAIRE, ARY REHEFA MAJORITAIRE NY MAPAR DIA LASA OPPOSITION ????? MITAPY SY MIDEGANY DAHOLO !!! NY DIKAN’NY « MAPAR » MOA DIA HOE DONDRONA HOY ILAY DOKOTERA IZAY, AMIN’NY TENY ZOULOU !

    FOANY ANIE ILAY DECRET MILAZA FA HOMENA AVANTAGES BE IZAY LEHIBEN’NY MPANOHITRA Ê, DIA INY INDRAY IZY HANOHANA AN’ILAY FERY VAO !

    IO DECRET IO TOKONY HO FOANANA ANY ALOHA, SATRIA TSY MISY DIKANY SY ILAN’AZY ! VOLA TOKONY HO AN’NY VAHOAKA MADINIKA, HANATAVEZANA OLONA TSY HANAO INONA NA INONA, FA HAMBOLY KORONTANA FOTSINY !!

  6. io ne maika ny ahazo fankatoavana fotsiny dia mody midinikeee,ary dada mahafantatra tsara ny strategie atongavany eto ary @reo gadra politika reo koa ne misy tena tsy azO antokd mihintsy oh:koutity,ety ivelany ry Lilyson zay tena nahavita be t@ 07 fevrier 2009,ka tsara lavitra aza dada tsenaina noho izy tonga mangina

  7. KM,
    Efa nolazaiko io scenario iray io. Ary io mihitsy no dikan’iny kabarin’i fery t@ investiture iny.
    Ary tsy ahagaga ahy mihitsy raha hisy PM mouvance Ravalomanana.
    Manaiky ny firaisam-pirenena aho. Efa natao io t@ 1958 rehefa avy namono MDRM tsy tambo isaina ny padesm. Natao io t@ 1972 rehefa namono mpianatra tsiranana, mbola natao ihany koa io t@ 1991 rehefa namono olona ratsiraka/ndrema/zefa. Natao io t@ 2002 rehefa nanapoaka ny firenena ratsiraka. Tsy natao io rehefa nanapoaka firenena rajoelina sy rajaonarimampianina t@ 2009… dia izao ve hoe atao?
    Fa marina ny anao hoe MITAPY SY MIDEGANY DAHOLO>

  8. zaho alo zao raha vao resaka investiture kabariny ing Hery dia tsy mba nijery aho ary tena taraik’ah t@iny ka tsy mba manak’holazaina

  9. izay no tena mahavoa antsika mora manadino ka tsy mahatsindro lavitra e! tena marina mihitsy ny voalaza eto fa Hery = Rajoelina ihany ary tsy mety foana io satria niaraka nihinana tamin’ny tetezamita fa mba ahazoana ireo fanampiana avy any ivelany dia tsy maintsy atao daholo aloha izay maha democratika an’ny Madagasikara eo alonan’izao tontolo izao ,foanana daholo ilay fitondrana jadona tamin’ny tetezamita atao maika daholo izany zavatra rehetra izany amin’izay ny malagasy indrindra Antananarivo tsy nifidy Hery tonga dia faly ary tsy mahavita manadihady sy misaina fa avy dia mibitaka ohatran’ny akoho notsipazana fotsy bary, dia adino ny adidy tokony ho takiana amin’ny Hery toy ny bois de rose, ny ady tany atsimo, Remenabila, ny volan’ny banque centrale, ny BNI, ny Tiko rehetra , izany rehetra izany volan’ny malagasy ka tokony ho hamarinina ary tokony haverina ao amin’ny kita-bolan’ny fanjakana, izay no hitakoa , ilaina tena ilaina ny fodin-dRavalomanana fa samia samy mailo e! sao tonga eto izy vao ranomaso no takalony avy eo satria i Hery tsy afaka ny hiantoka ny ainy fa mba hazahoana point tsara amin’ny mponina Antananarivo sy ny CI dia nataony fa tsy amin’ny fo ka tandremo ihany a!

  10. Amiko dia tena fanapahan-kevitra sy fahendrena ny ataon’i Ravalomanana dia ny mangina. Rehefa tena mangina manana ny marina sy ny rariny isika, dia afaka manao zava-mahagaga Andriamanitra. Mila manankina Aminy amin’ny zavatra rehetra, ny ho avin’ny Malagasy sy Madagasikara.
    Asa raha mba hitanareo fa ny vadiny dia tsy hahenoana teny mihitsy, mino aho fa vavaka no ataony be dia be.
    Ary aza alefa lavitra amin’ny resaka négatif loatra ny saintsika re e.
    Ao anatin’ny fahanginana no ahafahana misaina bebe kokoa, sa ahoana ny hevitrareo ?

  11. tsara ny fahanginana satria samy milaza an’izay daholo na ny baiboly na ny ntaolo
    1-misy fotoana anginana
    2-zay mangina volamena,tsy resy tsy akory ny olo-mangina
    ny an’ny vazaha mena sofina dia hoe:manaiky matoa tsy miteny
    Ireo rehetra ireo nefa dia samy Manana tanjona na Nanana tanjona.
    Dia anjaran-tsika tsirairay mandinika

  12. dia apetrako @tsika ny fanontaniana hoe: »sao dia tokony angina anaraka izay koa aloha MAGRO »mety maro be ny olona tonga saina @zay hoe:fa naninona fa misy inona ,fa bediabe…

  13. Izahay tsy miandry valim-bavaka izany intsony ê ! Vavaka nandritry ny dimy taona ka tsy ren’Andriamanitra izany, dia tsy vavaka intsony !
    Fanapahan-kevitra arahin’asa na hetsika ( tsy korontana ) tena hitan’izao tontolo izao no tadiavinay !

  14. Asany mantsy ry Vonifanja!!!ny Air Mad izay mbola tsy hita be ihany ny fandehany
    ihany koa.
    Bedy tsara izao rajao rehefa avy eo hoe: » inona no resahanareo nitokana tany ? »
    Fa efa nisy niteny ve hoe:  » tsy tsenaina ? » tsy avela mifaly marina ny Gasy , efa tena aretina ilay izy fa tsy
    inona intsony kah! hita mihintsy hoe : devoly tsy tia tsara.

  15. Dia ny an’i dada no hitondrako azy raha izay hoe: « Radoko PM izay  »
    « Aleoko gisitra toy izay hafa-2 « raha mbola manan-kambo fa efa tsy
    manana moa izy matoa NITONANTONANA teny Mahamasina nihaino ity kabarina Boloky
    dia ny tena no menatsa!!mba lehilahy lehibe ihany ny tena,Neny aza vehivavy iny nahay
    nanaja tena.MAHONENA!!!

  16. izy io ne RANAVALONA ny fandiniako azy dia izao e
    ny CI no nanao ny CES2,ka tsy possible tsony raha izy indray no itsipaka ny vokatr’avokany CES2,noho izany apetraka ny resaka diplomatie,ary pressing international no nahatongavany teny Mahamasina,ary mino aho fa dada no nanao ny manipilation ary normal be ny tsy nandeanany Neny teny
    1-mba itolerena ny mpifidy an’i dr Robinson
    2-izy irery fa tsy mba miaraka @ dada
    ary farany ing Andry mihintsy no mila ailika tsy ho ao anaty ny fitondran’i Hery,analyziko io,izy ity mantsy miova isandro ny toe-draharaha

  17. tsy laitra mintsini reto zanaki dadakoto reto. ari aiza oa le favoris nareo si le mpanohina anazi naheri fo e.
    mbola ho itanareo tsara oe iza tokoa mo zani ravalo zani fa aleo ni fotoana no hilaza anazi. zai efa nahazo nenjaranai fahini fa nareo tsy manatsini si tsy maharaka ininona reo mbola hilaza iani oe : <> ozi ni tanora zai refa ho avi le fanapakevitra tsy apoizina ataoni dadaman, le super ronono. mdr

  18. Izahay mba mandefa video tsata tarehy ho an’ity ranavalona saron-kenatra dia tsy mba jereny akory !
    Mba jereo ô !
    Ary voafafa ny anay, fa ity foza ity indray no mameno sy sehatra ?

  19. manombok’eto ndray zao a dia aza misy mamaly ty masahy ratsy ty ny olo-marina zany mitondra zay porofo misy any aminy,rehefa mandea ve ny fotoana tsy hipoitra eny iany hoe:denise
    Aleo asian-tsika izany hoe:FIRAISANKINA ZANY

  20. KintanaMananDrambo
    merci pour le mot FOZA. je suis un et fière de l’être. ndraso angie mba tantaraina keli eto ni atao oe foza.
    h@ zai, olona eni ambani tanana, mahantra, de eo ko ni tovovavy mivarotena, ni vevavy miaraka @ lehilahi maromaro, le mpivarotra anana si mpamboli maloto reni no nataon’i jiolamboto foza. ny olona madio si eni amboni tanana (classe moyenne) no tena nampieli anio terme foza io. refa tonga ni 2009 de reo olona reo no nanohona an’i rajouel teni @ 13 mais ka nopetahini olona oe foza rajouel satry miaraka @foza.
    kaji sampona avi ati amiko : ni 70% ni malagasi zai eni ambani tanana zani foza daholo. sa tsy zani ri zala.

  21. Ny fanamarihakop dia resaka sur la forme fotsiny anio: Maninona no tsy asiana Titre hoe Filoha eo anoloan i Hery Rajoanarimampianina fa ny an i MArc Ravalomanana mbola asiana teny hoe filoha foana??? zany ve tsy mitongilana no sady efa mivilana?????
    tsss

  22. Ity ilay izy RANDRIANIAINA a! Jereo eo ambanimbany eo ilay video .
    http://www.linfo.re/049-Ocean-Indien/382-Politique/544285-La-France-a-evince-le-president-Ravalomanana-en-2009
    ==>
    FANAMARIHANA ,

    Efa in-4 aho izao no nadefa comm nefa tsy mety mivoaka.Toa voa mitovy @ Randrianiaina koa aho angamaba = moderation sa virus ??

    Les memes propos qu’ONT EU LES GENERAUX pour les menacer de « leur » donner le Pouvoir.
    Quand le loup aboie, et menace de mordre, vue la tournure qui se dessine en prevision du retour de Ra8Ilay MENACE DE MORT

  23. Aiza izany video zany lesy!!za vao malahelo kely ery hoe: tsisy mpandefa video tsony
    hay mba nisy nahatsiaro ihany,iza no lazinao fa saro-kenatra ndray ??azafady !!!tsia an!!

    Za indray kosa aloha ry Randrianiaina dia tsy tė halala na iza na iza no naniraka an’i Radokotra teny Mahamasina an!!
    efa hay anie ny dikan’ireny fa nalohan’i Foza ny vola laniny e!!fa ny lanin’i dada tsy nasiana sira,sady olona tsy nitolona
    koa ireny fa nialangalana nandeha ninono tany @ renikeliny vao raikitra ny sakoroka dia nivarilavo t@ francmacon. koa
    inona no andrasana sy antenaina @ olona RAMASABOMANGA toy ireny???
    Misy antony koa i dada matoa nilaza avy hatrany fa  » IZY IHANY NO HAMPODY NY TENANY » koa ahoana no hioako fa
    i dada no nandefa azy teny Mahamasina??TSY MINO AHO!!
    Soa aho fa efa niteny dia ny mialoha fa :  » rehefa i dokotera no ho tohanana dia tohano fa aza dia manantena n’inona2 ny
    aminy ». teniko teto io t@’ izaho saika hiala fa leo be t@’ireny.nefa noho i Neny moa dia nanaiky ihany ny tena avy eo,tsy
    azo avela irery koa izy.

  24. Ny zavamisy dia na hiezaka aza i Rajao hiova dia tsy ho tafa satria efa sokona nifankahita
    kapa tao ry zareo ka tsy hifanisy Hasina ,izay no ho olana eto, ny alika koa moa romotra rahateo,
    joely kely may volo-tratra @’ireto MAFIA miandry azy,dia asa izay hitranga eo fa raha izaho dada dia jereko tsara aloha
    ny fandehany fa sao mibolitra tampoka eo.
    Dia tokony ho ajanona ity fanomezana toky poakaty lava @ fodian’i dada ity fa efa niteny anie izy fa « IZY IHANY NO MILAZA
    NY FOTOANA AHATONGAVANY e!!! »koa aoka mba HATSINTSIANA RY ZAREO a!dia tsy hitako koa izay fiomanana hatao @
    fahatongavany??efa 5 taona ny vahoaka no vonona @ fitsenana an’i Dada e!!manome litika indraindray!!

  25. Veloma ry Neny..Mampamangy @ Dada any.
    Rehefa tsy hody ihany ve i Dada tsy aleo miverina eo anilany i Neny?
    Ny mpitarika ato @ Magro mifandrirotra ankavia sy ankavanana, samy mirehaka ho mahavita azy; te hiseho fa raha tsy izy tsy tafody i Dada.
    Omeo ny baiko ry Dada hananganana rafitra sy politika vaovao fa « mpikabary » ny mpamahan-dalitra anay isanandro eto fa tsy « mpitolona ».

  26. Vakio ny artikla miseho @ La Nation fa FANOMEZAN-TSINY ny HAT no mamemon pejy.

    -Ny Trano nipetrahan’ireo vendrana isan-karazany CT.
    -Tsy misy mivoaka an’i Mcar aloha (Interdiction de sortie du Territoire).
    -Ny halatra bois de rose
    Ny halatra taomabilina sy ny sisa…
    Miseho ao daholo ny HAT malazan’i Domelina, ireo lazain’i Rabe hoe « olona eny ambani-tanàna e ! hi hi hi.
    Jiolahim-boto isan-karazany sy fatifatin’olona no nahatonga an’i Mcar hilentika tao anatin’ny 5 taona. io ilay 3V e!
    -Izany mitady andositra ny Tanàna izany anie milaza fa olona NANAO NY TSY FANAO E.

    Manatena fa isan’ireny ry Leloup, andry rajoelina, ireo bekitana kapsily….
    Mbola averiko fa tsara ihany ny tsy nahalany an’i JLR, fa ho enjana ny baolina, ary izanymisy mandefa tsao izany sahady hoe : hanao Coup d’Etat vaovao atoato.

  27. ranavalona,
    Ao amin’ilay sujet  » Tsy miova ny fitankiantsika…. » ny vidéo namelan-kafatra ê !
    Noeveriko fa hikombona mandrak’izay mantsy ! MDR !!!

    Ho an’ity hoe Masahy ity indray na saika tsy hamaly azy aza ny tenako,
    Foza orana, raha jerena toa biby azo hoanina, mety mahasoa ny fahasalamàna kinanjo tsara haripaka sy fanary any an-jaoridira fa manimba ny tontolo iainana !

    Ny foza izay avy amin’ny hoe foza orana izay lasa « terme générique » amiko, dia tsy iza fa ireo malagasy ( na iza na iza ) tsy manan-tsaina afa-tsy ny hamotika ny tanàna, ny firenena !
    Na avy eny amin’ny lazain’ny sasany hoe ambany tanàna, na avy eny amin’ny tendrombohitra, na avy any amin’ny sisin-dranomasina !

    Miaraka amin’ireo tena tsy menatra sy mitonontena ho foza, dia eo koa ireo olona tsy alehany satria miara-mitakosona ary toa mitovy fisainana, ka antsoiko hoe olona maimbo fofom-poza !

    Amiko aloha na foza na ireo mamofom-poza, dia olona vahalom-pirenena daholo !

    Ho an’ilay ranamana ato ! Niatsampazan’ny zanam-poza tena rain-dahany ny boay kely, ka soa ihany, fa tena saika afa-baraka izahay roa !

    Ampianaro ny ankizy ry zareo, fa mba azavao aminy koa ny tena fandehan’ny tantaram-pirenena ; ampahafantaro ny ankizy arak’izay azonareo atao ireo fianakaviana na olona mpivarotra tanindrazana ireo !

    Avy eo mantsy mety ho tara loatra !

    Amin’ny fomba ahoana no hitaizàna zafikelim-poza ? Tsssssss !!!!

    Ho an’ny rehetra,
    Mandeha be ny siosion-dresaka fa ho amidin’ilay fery vao amin’i Sôdiaty, ary ariary « saim-bô-alika » hono, ny Air-Mad ! Avy eo dia ho amidy, ho tsinjaraina ka hihiditra amin’izany ny môrisiana !
    Averina indray ny fika efa nampiasaina, raha nihiniana novonoina ny CFM ( Chemin de fer Malgache ), mba ahafahin’ny akama mampandroso ny bizina ; dia novidiana indray avy eo ny taolam-paty, ary novelombelomin’ny mpanao mazia ! Afaka manamarina an’izany ilay beatrisy satria izy no anisan’ireo mpanao mazia !

  28. Hay ve e!!efa hitako lesy raha iny a!!de iza ilay mifolaka dia iza ilay mikombona a???
    mahita zavatra koa anie nareo ry Kintana e!

    Za koa efa nilaza fa « tsara ihany ny tsy nahalany an’i Radokotra raha izao no fandehany « .
    Tsy midika kosa anefa fa HANKASITRAKA an’i rajao za an!!sanatria!!raha ny tena izy anie
    samy tsy izy,izy 2 lahy ,fa TERENA fotsiny no naha teo azy ireo e!
    Za mbola te ahita ny tohin’ny tantara!!HIFAMPITAZANA ETO ISIKA ZALAH a!!!samià velon’aina e!
    Manko moa radoko sy rajao ô!!!izahay indray no mba mitehaka sy mihomehy atsy ho atsy e!!ny anio anie
    ho vita ihany e!!toy nympinan-tsakay io e!!!tsy maintsy mandalo @ ladoany ô!!

  29. je rejoins Ranavaliona

    LE PAYS EST LOIN D’ETRE APAISE

    Attention à une manifestation de masse qui puisse NUIRE au retour de Ravalomanana

    PERSONNE ne pourra le protéger d’une balle de kalachnikov de la part de ces limitaires COMPLETEMENT FELES comme Koutity , que Boloky 1° ni personne à Madagascar ne controle vraiment !

    Pourquoi prendre le risque de faire de Ravalomanana un martyr comme Ratsimandravza ?

    LE PAYS A BESOIN D’UN RAVALOMANANA QUI RENTRE AU PAYS :

    ==> VIVANT !

    La mouvance a été INCAPABLE d’organiser une grêve générale AVANT la décision de la C.E.S.

    Pourquoi la mouvance peut elle SE VANTER D’ASSURER LA SECURITE DE RAVALOMANANA avec un comité d’acceuil à sa sauce ????

    Je me demande si , EN SOURDINE , il n’y a pas sournoisement le but de « FAIRE ELIUMINER EN BEAUTE RAVALOMANANA  » et dire après « c’est pas moi , c’est l’autre ! »

    Il suffit de se demander à qui profiterait le crime dans ce cas de figure funeste ….

    SOYONS UN PEU PLUS MACHIAVELIQUES : ASSURONS NOUS DE LA GARANTIE DE LA FRANCE leur copain !
    MEME EN SIMPLE DECLARATION DIPLOMATIQUE ALORS !
    Il me semble que cette ambassadeur s’était prononcé dans ce sens …

    Il serait dur pour les foza de manger leur chapeau !

    Une fois R8 de retour : RIEN N’EMPËCHE UNE GRANDE MANIFESTATION De LIESSE POUR FETER SON RETOUR par exemple à MAHAMASINA !

    RETOUR D’UN RAVALOMANANA : VIVANT !

  30. MAPAR mpanohatra hoe e ? Tsy lojika velively mihitsy.Tsy niafina mihitsy fa naretirety be tamin’ny affiches ny fanohanany an’ilay Hery.Lany ilay Hery,dia toheriny indray !!!!Asa,tsy manaiky azy (TGV io)ho praiministra angamba ilay Hery dia tezitra ankitsirano fotsiny izao: »izaho no nahalàny an’ielà,nanampy an’ielà,sns… »I reny malala koa toa tsy hanaiky an’ny boay kely ho praiministra izany e,efa vita ny nilàny azy.

  31. I BOAY KELY DIA TSY HANAO PRAIMINISTRA E! NY HO FILOHA AMIN’NY 2018 NO ANJARA MIANDRY AZY! IO MAHA FILOHA IO MANKO DIA TENA VOCATION MIHITSY HO AZY! FA IZA LOATRA NO NAMORONA ILAY LAINGA MARIVO TOTOTRA KA NILAZA FA NIHAONA I HERY SY VALO E? AZA FAHANAN-DALITRA HOA NY VAHOAKA! NAREO VE KAONDRANA E! tsara tokoa raha MBA MIHAONA I LALAO SY VALO E! MPIVADY ANIE IRENY E! TSY MAINTSY MBA MANAO NY ASAN’NY MPIVADY IZY IREO APRES PLUSIEURS MOIS D’ABSTINENCE, AU MOINS POUR LALAO!

  32. eny wa , dia miandry D.J. koa ve ny firenena amin’ny 2018 ?

    tsy mety kokoa ve mba mihevitra fa hoe manantsaina kokoa ireto fok’Iarivo amin’izany fotoana izany ???

  33. eny wa , dia miandry D.J. koa ve ny firenena amin’ny 2018 ?

    tsy mety kokoa ve mba mihevitra fa hoe manantsaina kokoa ireto fokon’Iarivo amin’izany fotoana izany ???

  34. RANDRIANIAINA
    tsy zahai mintsini akorini zani denise ani se zani
    zao marina oa ri zala, ini ô dada ô, mitondra mofo ô
    mdr, mafinaritra mintsini ni maita ni spéculation nareo zai milaza fa marina si milaza manana porofo reo fa ni anai mo zani dia resabe fotsini.
    mbola tsy naita anareo nitondra porofo teto na indrai mande azani ni tenako fa de be vava eni amboni tamboho fotsini.
    tohizo zala fa tsy ampiova na inona na inona izani.
    de aza rarahina ito message ito a, fa vakina fotsini. mdrrrrr

  35. Niainga omaly nihazo an’ Afrika Atsimo Ramatoa Ravalomanana Lalao, Tojo Ravalomanana sy ny vadiny. Zotra Bangkok-Gangzhou no nitondra azy ireo. Tampoka tamin’ny rehetra ary natao miafina ihany ny fiaingan’izy ireo. Samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe : inona no antony ?

    Mazava be raha tsy mahalala ny programan’i Neny ireo « DOUBLA PALITAO » mpandray fitenenana sy mpampiesona eto @ Magro. Tsy nampahafantarina programa satria tsy azo itokisana sy mpanimpy hoditr’akondro an’ Dada sy Neny.

  36. Aiza ho aiza ny hevitsika Mouvance amin’io Gvt io? Olona iray ve sady redoublant no noraisin’i Hery, izay ve hilazana ny tanjaky ny zanak’i Dada eto Madagasikara ary d’accord amin’izao ve ny Filoha Ravalomanana, sa ny azy ihany koa ny fodiany no jereny? Dia tsy misy olona afatsy ireo ve eto Gasikara sa tsy nisy nanolotra, sa inona fotsiny ilay hoe CV telo metatra ny haavony.? Lany fotoana fotsiny izany i Dr Rabinson Jean Louis, nilaza fa hiditra ao anaty fitondrana, ary kabary ambony vavahady fotsiny ny hoe fampihavanampirenena sy ny tenin’i Me Hanitra, sao fanivahivana azy izo ataon’ny HVM izao? Dia tsy maintsy ireo nanongampanjakana ihany ve nefa hoe olombaovao ? Mbola hanohana io ve ny Mouvance Ravalomanana? Misy avenir politique ve ny fiverenan’i Dada? Hanaiky ve i Maharane sy Rolland Ratsiraka, ary inona no ho vitan-dRavatomanga ao, teo aza izy dimy tsy nahatafody an’i Dada, izao iray fotsiny. Mampieritreritra an!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *