FILOHA RAVALOMANANA : AROVY HATRAMIN ‘NY FARANY NY SAFIDIMBAHOAKA

s15
s15Feno hipoka ny kianjan’ny Magro Behoririka androany Sabotsy 4 Janoary 2014 na dia teo aza ny firotsahan’ny orana teto an-drenivohitra. Maro ihany koa ireo mpitarika no tonga teny an-toerana, izay nahitana ny lehiben’ny delegasiona ny movansa Ravalomanana Roland Ravatomanga, ny filoha lefitry ny Cst Hanitra Razafimanantsoa , ny minisitry ny varotra Olga Ramalason, ny talen’ny fampielezankevitry ny dokotera Robinson Razaka Elyseé, ireo  cst sy ct sasantsasany avy ao amin’ny movansa. Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana. Tena faly aho hoy izy fa afaka miresaka mivantana aminareo avy aty Afrika Atsimo. Tena faly aho fa manana mpitolona tsy mihemotra mihitsy ka hoy i dada hoe raha tsy tonga any aho tsy mijanona ny tolona. Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika hoy izy fa nahatafita ny taona 2013. Tsy maintsy mitolona hatramin’ny farany isika ary miaro ny safidintsika. Ny movansa Ravalomanana hoy izy dia efa nilaza fa tsy matahotra fifidianana raha tena fifidianana marina nijerena ny safidimbahoaka. Ity fifidianana ity dia tsy mandeha araka ny tokony noheverana azy. Noho izany arovy hatramin’ny farany ny safidinao. Matoa i dada hoy izy miteny izany dia tsy fitiavan-tseza fa fitiavana ny vahoaka malagasy. Tena zavadehibe ny fiarovana ny safidintsika, ary niarahantsika nahalala fa nandefa iraka tany aho tamin’ny heriny androany dia Brian Currin. Amin’izao fotoana izao hoy izy dia efa mandinika izay fomba fanodikodinana vatompifidianana izahay. Iarahantsika mahalala fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fifidianana kanefa hendry ny vahoaka malagasy ka araraotin’ny sasany izany. Zavatra roa hoy izy no tiako lazaina anareo, ny voalohany dia tamin’ny Alarobia teo dia niantso ahy ingahy Chissano, niresaka tamiko izy hoe teneno ny vahoakanao ho tony. Hoy aho taminy hoe maninona raha teninano izy ireo. Nilaza taminy aho hoy ny filoha Ravalomanana fa raha tena Sadc marina no nanao ny tondrozotra dia tokony notanterahana antsakany sy andavany. Tsy izay anefa no nitranga. Ny lalàna dia tsy azo soloina amin’ny didim-panjakana. Ny faharoa dia nanontaniako izy hoe ianareo ve dia nahalala fa nizotra am-pilaminana iny fifidianana iny fa amin’izao dia misy fitarinana 300 na 400 eo. Niaky i Chissano hoy izy fa nisy lesoka iny. ianao tany anndritra ny fampilezankevitra ka naninona no tsy noteneninao izany, namaly Chissano hoy ny filoha Ravalomanana hoe izaho koa tsy nahalala. Tadidinareo tsara fa nisy olona nitaraina hoy izy fa nisy vato efa vita marika mialoha, ary nilaza izany ihany koa Brian Currin. Amin’izao fotoana izao dia fa tadiavinay hoy izy , iza no nanao ny bileta tokana. Arovy hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka ary aza manaiky lembenanan ianareo. Io tolona ataontsika io dia hoan’ny firenena..

Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany. Aoka hiray hina tsara isika, tsy hifanilikilika na heo izahay efa lany na izahay tsy lany.

Momba ny fanoloana ny lehiben’ny delegasiona dia nambarany fa tsy maintsy nandraisana fanapahankevitra maika izany. Noho ny antony hoe lehiben’ny andrimapanjakana izy.Chissano hoy ny filoha Ravalomanana dia nilaza tamiko fa ny lehiben’ny delegasiona movansa Ravalomanana dia lehiben’ny andrimampanjakana Mamy Rakotoarivelo; noho izany dia tsy tokony handray anjara amin’ny lehiben’ny delegaisona. Nomena an’i Roland Ravatomanga hoy izy izany. Mato aho milaza izany dia hajao tsara ny toromarika omeny, raha misy fanontaniana any dia tsotra hoe Mmay lehiben’ny andrimpanjakana. Aza mieritreritra hoe misy inona fa efa niresaka tamin’ny Mamy Rakotoarivelo aho alohan’ny nanendrena an’i Roland Ravatomanga. Isika rehetra hoy izy dia tsy maintsy miara miasa, ary aza jerena fotisny ireo depiote lany ireo.

18 pensées sur “FILOHA RAVALOMANANA : AROVY HATRAMIN ‘NY FARANY NY SAFIDIMBAHOAKA”

  1. I kotovelo aloha dia ho poizina tsy foin’i Ravalomanana mihitsy ka akory atao. Izaho aloha dia tena tsy mankasitra ity kotovelo ity mihitsy fa izay no baikon’i dada dia ekena. Ho hita eo any aoriana. Enga anie ka ho tateraka ireo baiko nomen’ny filoha ireo. ho hita izay nanao ny vato efa voakosoka mialoha ary i Chissano dia mila hanaovana fanoherna ihany koa. nadia filanjana sora-baventy fotsiny ihany aza. Iny mantsy no tena mano alikan’ny frantsay ka mandainga sy mamitak’olona , iny no naman’i kotoarivelo.
    Tsy maintsy averina ny 2002 raha tsy maanasazy @ hala-bato ny CES

  2. Tsy mbola misy depiote lany izany eo, araky ny fahafantarako azy !

    Na ekena, na tsy ekena ireo fifidianana ireo ! Aoka mba tsy voafitaka intsony, fa efa betsaka izay adalàna vita izay !

    Ny fanafoanana an’ireo fifidianana ireo, ary ny fanesorana an’ireo tsy nitsahatra NANDIKA LALÀNA IREO, no tokony atao voalohan-daharana raha tena vonona hiaro ny safidim-bahoaka, sy hitsinjo ny hoavin’ny Firenena isika mpiaro ny ara-dalàna !

  3. mahagaga …

    hoatry hoe tsy misy olana
    ity GILBERT LI : DELINQUANT INFORMATIQUE « MULTIRICIVISTE » de surcroit:

    ==> navohaka teny Antanimora

    ==> nomen’i Rajoelina « AMNISTIE » , izay tsy azo homena récidivista

    ==> natolotr’i Rajoelina an i Attalah hikaja ny informatika ny CENI T momba ireto ny fifidianana goavana be !!!!!!!!!

    ==> dia tsy misy mihontsona aho aminy movansa

    Sao dia faly ny fitenenany Brian Curry hoe « satisfaction » momba ny fomba asab »i CENI T

    AAAAMEN !!!!!!!!

    ALLELUIA le médiateur pacificateur a parlé

    Sarotra ve mamaky blog i MEDIAPART 02/01/12014 ????

    Circulez y a rien à voir , le gestionnaire de conflits a parlé ???

  4. Matory andro anie reto movansa reto ry GBD e, mihinana sominifera ,g efa voa foana vo mihilana. Na depiote aza aza midedaka hoe lany fa fifidianana maloto be io

  5. Hay tokoa moa ka isan’ny lehiben’ny andrim-panjakana koa i Kotovelo? Ary mety samy ho disqualifiés daolo zany na i jlr na i hvm raha foanana ilay didim-panjakana nandrava lalàna fototra a. Ny annulation mantsy hono hozizy ry zareo mpahay lalàna manana effet retrospective foana, ka samy ho tratra ao daolo na i Rajoelina na i Kotovelo nanatrika propagandy. Ka tsy ho ny kandidà malheureux toa andrỳ Hajo sy Rolland ndray ve zany no hiakatra eo raha izao e?

  6. FALY AHO ARY TENA FALY FA TSY TONGA TAO AM MAGRO I KOTOARIVELO! NA LE PONT MANKO IO NA LA PONT DIA TATEZANA BE VATA DAHOLO!

  7. Adinon-dravalo sahady ny ezaka nataon kotovelo hatram izay,afaka herinandro i reveran satrobory ndray filohan ny mouvance r8,esorina ndray kotomanga satria tsy niova ny vokatra navoakan’ny CES…mampalahelo ny toe tsaina

  8. Au nom des babakotos de Madagascar ,qui vont s’affrontter ,faute de confrontation de PV ,
    Je m’adresse à Mme la representante de la banque Mondiale ,qui a adressé un satisfecit à Mr Hery ancien ministre des finances et aux representant de l’Union Europeenne qui a adressé un satisfecit à la CENIT .
    Voulez vous une dictature mondiale ou une democratie mondiale ?
    Voulez un printemps arabe dans l’ocean indien dans un future troche ?
    Voulez vous que le racisme s’installe à Madagascar comme en Grece à la chasse des etrangers ?
    Cette interpellation personnelle que je vous adresse ,est aussi pour vous rappeler mon precedent post sur vos « gorilles » que vous avez envoyé à Madagascar avec l’argent des cytoens du Monde.
    La vérité sortira tot ou tard ,soit par le nombre de morts de chaque camp apres les affrontements soit par la confrontation des PV ,à vous maintenant de choisir !
    Seulement je voudrai vous avertir amicalement : à force d’envoyer des gorilles chez nous et ailleurs ,des gorilles aussi seront vos maitres par une dictature mondiale .

  9. malahelo ndray ny foza fa nesorina ny foza be nangy namany hiihihihihih, dia tsy hisy mpitsikilo intsony izany ry denise ko!!!!!!!!!!!!!4 ème vague io, asa raha mbola hisy 5ème vague!!!!!!

  10. Dada ra8 raha mba mamaky ity ianao dia izao:ny vahoaka efa vonona tanteraka hiaro ny safidiny,fa ny mpitarika ao @mouvance mintsy no tsy mihetsika,tadidio fa vao tara kely eo dia ho kivy ny vahoaka,ka dia araraotyeee
    FOTOANA IZAO,SAHIA F’AZA MIAHOTRA

  11. Hain-drainivoanjo t@ 2002 ny nampiesona ny olona woe, minoa fotsiny ihany, ary ny vahoaka tsy ho azon’ny velapandrikareo, hanakorontana sy hampihitatatra foana ny krizy. Na ny CI aza tsy azonareo fitahana intsony. Tany aloha mantsy de nahay nampiesona, fa zao efa araky ny olona ny paika sy ny kajikajy maloto nampiasaina an’i dr Mamolava, de tsy manana ny légitimité intsony Rainivoanjo eo anatrehan’ny vahoaka malagasy, indrindra ny SADEC, UE, NU, Bekintana, fa tsisy fika afatsy ny barofo sisa, de io fa miady an-trano, lasa Naika, de io fa voabôty koa Mamy be, de iza koa ny manaraka, ary tena hitako fa misaina ry TIM Andrianatoandro sy Rapatrika sy ny tariny. Aza manantena surprise izany fa efa ao ny valiny faran’ny CES 2 ry Zanakosy isany ô!
    5 taona tsy hita zay vita fa raha vao maneno any atsimo any ny ankoho fataka de mihorakoraka daholo ny dondrona rehetra, kanefa ny tsy fahaizan’io politika sy ny hadondronana @ stratégie entina miatrika adve no betsaka, de olona franç maçon frantsay, mambra PS ireny ve no natao teo. Satria nahatoky lery fa mbola tian’ny gasy sy populaire be, ka na inona na inona lazaiko de manaraka daholo ireo, de iny ny vokany, any @ halabato indray ty no mitabataba.
    Jereo fotsiny, raha tarafina @ fifdianana député, nahazo 50 mahery ny MAPAR,io le woe vendrana a! 30 ny TIM io le woe favy be a! zay fotsiny de mangina ny vava, aiza le woe, hahita TIM 60% ao @ assemblé, sy le woe 1er tour de vita. Reto woa tsy ho tafa na oviana na oviana, raha tsy manao auto critique @ havendranany, ary mijery woe inona no tsy nety. Tsy nahita ve ny Zanakosy, raha tsy hijery fotsiny lay personalité n’ilay saribakoly be isika, zay olona tia ady sy mpanao valifaty mialoha ny hifidianana azy, ny fahaiza-miteny zéro, ny tena raha vao mba maneho hevitra de manao ahoana ireny jiolahimboto mpidoroka be ireny, zany woe stature -na président izany, e!e!e! de ny tena no menatra e!de tsy nisy nanolon-kevitra, fa de entim-po mandroatra fotsiny woe, lanintsika io hoy dada fa aza matahotra minoa fotsiny ihany an’i saint Marc, fa miaraka amin’i Saint Marc tsisy problema, de io ny vokany satria les malgaches ne sont pas dupes ry zanakidada sagnagna isany ô!

  12. Hain-drainivoanjo t@ 2002 ny nampiesona ny olona woe, minoa fotsiny ihany, ary ny vahoaka tsy ho azon’ny velapandrikareo, hanakorontana sy hampihitatatra foana ny krizy. Na ny CI aza tsy azonareo fitahana intsony. Tany aloha mantsy de nahay nampiesona, fa zao efa araky ny olona ny paika sy ny kajikajy maloto nampiasaina an’i dr Mamolava, de tsy manana ny légitimité intsony Rainivoanjo eo anatrehan’ny vahoaka malagasy, indrindra ny SADEC, UE, NU, Bekintana, fa tsisy fika afatsy ny barofo sisa, de io fa miady an-trano, lasa Naika, de io fa voabôty koa Mamy be, de iza koa ny manaraka, ary tena hitako fa misaina ry TIM Andrianatoandro sy Rapatrika sy ny tariny. Aza manantena surprise izany fa efa ao ny valiny faran’ny CES 2 ry Zanakosy isany ô!
    5 taona tsy hita zay vita fa raha vao maneno any atsimo any ny ankoho fataka de mihorakoraka daholo ny dondrona rehetra, kanefa ny tsy fahaizan’io politika sy ny hadondronana @ stratégie entina miatrika adve no betsaka, de olona franç maçon frantsay, mambra PS ireny ve no natao teo. Satria nahatoky lery fa mbola tian’ny gasy sy populaire be, ka na inona na inona lazaiko de manaraka daholo ireo, de iny ny vokany, any @ halabato indray ty no mitabataba.
    Jereo fotsiny, raha tarafina @ fifdianana député, nahazo 50 mahery ny MAPAR,io le woe vendrana a! 30 ny TIM io le woe favy be a! zay fotsiny de mangina ny vava, aiza le woe, hahita TIM 60% ao @ assemblé, sy le woe 1er tour de vita. Reto woa tsy ho tafa na oviana na oviana, raha tsy manao auto critique @ havendranany, ary mijery woe inona no tsy nety. Tsy nahita ve ny Zanakosy, raha tsy hijery fotsiny lay personalité n’ilay saribakoly be isika, zay olona tia ady sy mpanao valifaty mialoha ny hifidianana azy, ny fahaiza-miteny zéro, ny tena raha vao mba maneho hevitra de manao ahoana ireny jiolahimboto mpidoroka be ireny, zany woe stature -na président izany, e!e!e! de ny tena no menatra e!de tsy nisy nanolon-kevitra, fa de entim-po mandroatra fotsiny woe, lanintsika io hoy dada fa aza matahotra minoa fotsiny ihany an’i saint Marc, fa miaraka amin’i Saint Marc tsisy problema, de io ny vokany satria les malgaches ne sont pas dupes ry zanakidada sagnagna isany ô!

  13. hatreto aloha ra ny fahitako azy de tsy mbola nisy nahavita ny vitan-drainivoanjo, na i ikotoronono na izay iantsoanareo azy tsy maninona na lalana io na tatezana io na ny vidin’entana ilaina andavan’andro .aiza ho aiza izany ankehitriny ????? ny manarapenitra no be tsy andraofana

  14. marti sy rabe ary tena mitovy ny commentaira-nareo an! zao fotsiny ataovy voky tsara ireo rasil sy ny moreg ireo fa sao de lasa otran’le t@ mars 2009 de ho hitantsika eo zay tena henjana, kodiarantsarety ny fiainana ….

  15. Marti sy rabe dia zanaka mapar-n’ny foza ! Tonga dia traingo amin’ireo posts roa ireo ny saina ratsiny !
    Tsy mahagaga !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *