FITIFIRANA MPIANATRA TANY MAHAJANGA : NISY NY MATY VOATIFITRY NY « BALLE REELE »

universitaire
universitaireAraka ny vaovao voaray avy amin’ny mpanao gazety avy any an-toerana, dia nisy maty tamin’ireo mpianatra naratra vokatry ny tifitra nataon’ny EMMO REG. Tiamanajarakoto Tianjarafitia Emilien, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny sampana  IBA, zanak’i Bealanana mianatra tao Mahajanga ,ity amin’ny sary ity  dia nodimandry alina  rehefa voatifitry ny bala tena izy teo amin’ny kibony, rehefa notsaboina tao amin’ny hopitalibe Androva moa dia tsy tana intsony ny ainy. Ny isan’ny  namoy ny ainy moa dia tsy voafaritra mazava satria dia milaza ireto farany fa maromaro no maty fa nafenina nohon’ny fatahorana ny fitsaram-bahoaka.
Mampahontsa sy mandrotika fo tokoa ny fahenoana izany vaovao izany satria dia mpianatra Malagasy, tsy niaka dapa, ary tsy nanao fandrobana sanatria, tahakan ny niseho tamin’ny 26 janoary 2009, no notifirina tamin’ny bala tena izy. Izany ve no tena Demokrasia dradrain’ireo mpitondra ankehitriny? Tsy hisy intsony izany ny zo fototra haneho ny hevitra fa tonga dia famonoana no setriny?
Miandry mafy izay mety ho andraikitra ho raisin’ny fitsarana ny mpanara-baovao ankehitriny. Raha ny zavatra niseho tokoa mantsy no ampatsiahivina dia figadrana mandra-pahafaty no nahazo ny filoha Ravalomanana noho ny filazana fa nanafi-dapa niseho tamin’ny 7 febroary raha voatery nitifitra ny mpitandro ny filaminana. Ankehitriny dia mitodika any amin’ny mpitondra ankehitriny ny fanontaniana. Mpianatra, tsy niaka dapa, tsy nandroba. Nahoana no dia novonoina tahaka izao, nefa zaza Malagasy ihany? Dia ho sanatria ve hidiran’ny politika indray ny fitsarana? ka hinia hikipy tahakan’ny niseho tamin’ny 2009, izay nanafenana mafy ny fitsarana ny 26 janoary nefa ny 7 febroary naroso haingana dia haingana.
Ny ahiahin’ny maro dia ny ambadika politika saronan’ity raharaha ity. Betsaka mantsy ny mandinika ka mihevitra fa fampitahorana ny vahoaka Malagasy no antony nitifirana ireo mpianatra ireo. Izany hoe maniry mafy ireo mpitondra ankehitriny hampiseho fa vonona, eny fa na hamono ary, hiaro ny sezany eo amin’ny fitondrana. Dia izany ve sanatria no namonoana ireto mipanatra Malagasy efa sahirana sy mahantra?

22 pensées sur “FITIFIRANA MPIANATRA TANY MAHAJANGA : NISY NY MATY VOATIFITRY NY « BALLE REELE »”

  1. Ity raharaha ity dia fampitandremana antsika fa na dia mpianatra aza dia azon’izireo vonoina tsy misy ambahamba. Ka inona izay olona nifidy ka nangalarana vato ?
    Antsika ny safidy: dia hikipy maso tokoa ve dia hiaritra ny fandringanana tanteraka mandritra ny 5 taona ho avy sa ny fiandriananampirenena no tandrovina ho antoka ho an’ireo faramandimby ?
    Misaona ny tanindrazana !

  2. Comment se fait-il que une greve d’etudiant existait à Majunga depuis octobre 2013 ,pourtant le candidat de la transition a obtenu la majorité à cet endroit depuis le premier tour ? Faut-il que il y ait des morts et des affrontements humains avant que la vérité eclate .

  3. Io ny sary rakoto a. bala no nahafaty azy fa tsy menaka. Maty izy izao dia doroy sahala amin’ny nanaovanareo azy tamin’ny Lundi noir. Efa jamaba mihitsy ry denise sy Rakoto ireto. hanody anareo !

  4. Miondrika am-panajana eo anoloan’ireo namoy ny ainy aho. Malahelo dia malahelo satria dia nisy ra latsaka ary zanaka Malagasy no maty sy nandatsaka ain’olona. F’angaha moa dia tsy mahazo mitaky zavatra intsony izany isika? Terena haniky izay ao an-dohan’ny mafia izany? Ianareo miaramila ve tsy mba manontany tena kely akory hoe aiza ny fitiavako ny tanindrazako fa dia ny olona mandoa ny karamanreo indray no rarafana tsy @ eritreritra? Izao izany no anton’ny nanoloana ny PDS ireny?
    Tadidio fa ny valin’ny nataonareo anie ka mety hangidy e, ….

  5. Miara-miombona alahelo aminareo fianakaviana namoy zanaka. Mamangy ny fahoriana ary mampahery anareo amin’ny anaran’i Jesosy.

  6. Tsy irery ianareo fa mitrotro am-bavaka anareo izahay Malagasy tiatanindrazana sy tia ny Malagasy tahaka anay. Tsy misy resaka politika izany fa fitiavana madio.

  7. Sendra tsy rariny kosa eeeeeeeeeeeee!!!!mirary fihononana tanteraka ho an’ny fianakaviana tompoko;misy farany ny zava-drehetra ry FAT n’alika isany aaaa

  8. Ny hany solution pacifique de ny confrontation PV sy bulletins de vote REHETRA @ birao nisy fitoriana miampy porofo.

    Rehefa tsy hanao an’io ny CES 2 de tokony Neny, Dokotera Robinson sy ireo lohan’ny mpisorona mouvanse ra8 sy avana no mitarika ny cortège midina an-dalam-be! Na ry zareo mitifitra sy misambotra an’i neny + dokotera + vahoaka na ry zareo manaiky fampitahana vokatra!

    Tokony ho sahy ho maritiora avokoa isika rehetra na ny vahoaka izany na i neny na i dokotera Robinson!

    Ndao!

  9. Lé nouveau régime de Hery Rajaonarimampianina a déjà tué par balle réelle à Majunga un étudiant à l’univérsité même si la CES n’ a pas encore fait la proclamation de l’élection. Imaginons qu’il sera à la place du président, il va tuer par balle réelle combien de centaines de compatriotes?

    Ho filoha liandrà sy hitifitra @ balle réelle ny malagasy mpiray tanindrazana aminy. Mpianatra ve dia tifirina @ Kalachnicov sady @ izay balle réelle? maninona raha balle à blanc sy gaz lacrimogène no nampiasaina.

    Aza manaiky ry vahoaka malagasy, fa ny Kalachniv sy ny balles réelles natao hiarovana ny vahoaka sy ny fananay fa tsy hamonoana sy hitifirana ankizy mpianatra eny antsekoly.

    Raha mahay mitifitra @ Kalachnikov io fitondrana io , maninona no tsy ny dahalo sy ny mpandroba no tifirina fa tsy ny ankizy any antsekoly?

  10. Izay no maha Foza orana io DJ Rajoelina io. Tsy fantany hoe ny dahalo no tifirina @ balles réelles @ Kalachnicov fa tsy ny ankizy any ampianarana dia tsy amelana raha tsy afaka ny ainy. Izay no antony hilazan’ny vahoaka azy hoe FOZA ORANA, any @ boite de nuit no tokony hisy an’ialahy fa tsy hitondra firenena. Inona koa moa no fantany @ izay hoe mpianatra eny @ université, Bacc aza tsy ananan’ialahy.

  11. Mirary fiononana feno ho an’ireo Ray aman-dReny avana sy namana nidonam_pahoriana,A/tra sy Jesosy kristy manakarem-pasoava anie ankahery antsika mianakavy ary ny vahoaka malagasy miara hory @tsika
    MAHEREZA ARY MATANJAHA

  12. @ nikodeme!! Tsy le sary sy le vaovao nge no diso fa le fomba fanoratan’i le mpanao gazety mintsy no be sosy lotra e!!
    be opinion perso lotra, fa nga mo tsy afk milaza vaovao raha tsy tantaraina eto daoly ny fahazahoany ny zava nisy!!
    ny comentaire ndray demokrasi io ka samy milaza ze tiany avy e!!!
    Mazava!

  13. dans un pays démocratique : n’importe gouvernement serait jeté aux orties !!!!!!!!

    Fombatsika moa ny « mihonona  » na maty na velona ???

    TSIA NOMEN’ANDRAMANITRA IZANY

    Jésus Christ, pour les Romains , était un GRAND REBELLE QUI A ETE JUSQU’AU BOUT DE SES CONVICTIONS

    nous , nous ne nous rebellons pas pas contre LES RESPONSABLES des BALLES REELLES qui tuent nos jeunes SANS ARME qui chahutent comme tout jeunes …
    Tout bêtement parceque l’intendance n’a pas prévu de stock suffisant de gaz lacrymogène !!!

    YOUPI LES MORTS POUR RIEN !!!!!!!!!!!

    Nous , nous nous planquons au Magro…
    On attend le C.E.S. qui attend juste un moment de calme plat pour sortir sa batterie de tricherie adoptée…

    Pour faire su WA WA WA après…toujours du WA WA WA !

    Magro n’est pas Madagascar

    Quelle action tangible, réelle fait on sur place à MAJUNGA ???

    YOUPI pour une autre période de WAWAWA , de négociations , de magouilles , de traitrises…

    Les Malgaches aiment les « kabary à la sauce « misère »…

    et le « ASA » dans tout ça bordel !

  14. ALLO ALLO ALLO.Tena tsy rariny intsony ity famonoana ity.Dia ahoana no atao haotrizao ny mpianatra zanaka malagasy.Araka ny fiteniny mena sofina mmanao OEIL POUR OEIL DENT POUR POUR DENT.Aleo gorobahinba haotrizao koa ny kibony i Rajoelina, Ratsirahonana,ireo miaramila rehetra taminio fotoana io, ary koa ny namany rehetra tsy misy ankanavaka.Iza zao no tena mpamonolona, olona tsy vanona mianakavy taranaka bibilava.ANTSO AVO LEHIBE: MBOLA HANAIKY ANIZAO IHANY VE ISIAKA;NDAO HANDRODRANA ANIREO TSIVALAHARA, MPAMONO OLONA ireo.IZAY BE NO BASY.

  15. Ca y est le BOUC EMISSAIRE EST DESIGNE :

    * le recteur de l’université de Majunga est suspendu
    * les « revendications sociales » des jeunes entendu…

    MAIS BORDEL :

    * C’est L’ARBRE QUI CACHE LA FORET d’INCURIE ET DE VIOLENCE DE CE GOUVERNEMENT !!!

    * DE LA POUDRE AUX YEUX D’UN GOUVERNEMENT COUPABLE DE FORFAITURE !!!

    Les vrais , les SEULS COUPABLES SONT CEUX QUI ONT LA RESPONSABILITE d’UNE MILICE OU ARMEE envoyé pour « rétablir l’ordre » avec des kalachnikovs

    ET SURTOUT RESPONSABLE DE LEUR AVOIR MIS EN MAIN ces ENGINS DE MORTS face à des gosses…

    je pèse mes mots « MISE EN MAIN » !!!!!

    C’est à dire donner LES MOYENS DE TIRER A BALLES REELLES pour mater une simple manifestation de jeunes qui au maximum « caillassent  » !
    C’est leur grand argument !!!

    AUCUNE PROPORTIONNALITE entre l’attaque à coup de cailloux et des balles réelles QUI TUENT !
    Rajoelina est RESPONSAQBLE ET COUPABLE : c’est le chef d’orchestre.

    L’opposition , TOUT LE PAYS devraient défiler en masse pour ELIMINER CE GOUVERNEMENT BARBARE ? INGIGNE ?? CORROMPU JUSQU’AUX OS et leurs accolytes(Hery et Ratsirahonana)

    Si ne nous le faisions pas

    si nous n’en sommes pas capables

    ALORS ON LA BOUCLE et on va « au coin » , parcequ’alors ON NE SERA PAS NON PLUS CAPABLE DE DEFENDRE LES BASES ELEMENTAIRES D’UNE DEMOCRATIE
    ==> respect du peuple qui délègue le pouvoir aux gouverenants = ZERO
    ==> capacité à assurer pPAIX ET SECURITE = ZERO

    Qu’est ce qu’on continue à jacter pour rien ici !

  16. C’est ce que l’on se dit jour après jour GBD !
    On se dit, allez on laisse tomber ces INCAPABLES, puis FINALEMENT, EST CE QUE L’ON A DROIT DROIT A LAISSER CE PAYS AUX MAINS DE CES INNOMMABLES ASSASSINS – INCAPABLES – et qui plus est DES TRAITRES ?

    lA « pourriture » SOUTENUE PAR RAJAONARIMAMPIANINA a du juger, qu’il ne faudrait pas qu’il y ait des jeunes PLUS INTELLIGENTS que lui.
    Mais une question :
    Est ce que RATSIRAKA n’est pas derriere tout ça ???
    Les jeunes filles envoyées en CHINE (Rasinoa : je vous ai repondu dans la rubrique : »NY FILOHA Ravalomanana / MANAGATAKA AUDIT INTERNATIONAL……. »)
    Les jeunes qui sont vendus pour qu’on leur retire un rein ou un morceau de foie ?
    Une chose est sur : le »Dolin Rasolosoa » ne peut etre que dans cette bande de m….

    Tu as raison :
    Que les gasy se mettent au coin – se taisent, et n’ont qu’à crever….avec leur zétété
    … ou ILS MANIFESTENT.

  17. Njara

    On voit cela même dans l’entourage familiale : indécrotable de certitude et gros bourgeois qui refuse le moindre bobo…
    On fait l’autruche (la tête sous l’aile pour refuser de voir la vérité .

    Tu sais dès fois tu finis par être dégouté ,

    Le coté insulaire y est sans doute pour quelque chose ( vois les Anglais par rapport à l’Europe)

    Mais il est vrai qu’il est impossible rester insouciant face à la MISERE en majorité subie malgré soi…souvent méconnaissance , manque d’information.

  18. Ataontsika HOE… : Tratry ny Fandraikirekena ny Gasy ary…
    Ary ISIKA MALAGASY REHETRA MAHITA ,,,????SY TSY MIHETSIKA…???
    Mba tratry ny inona Randrianiaina ??? Ary ireo noheverina fa mba hitarika, sy nisy lanjany (zétété) ???
    Toa voan’ny FIANDRASANA HO RESY ???dia hoe misaona, tsy mihetsika intsony ve ???
    Ka aiza ny difference ? Ny movansy ihany no mahazo loza, fa isika mitazana sy mi-critique.
    Hitohy indray izany ny Fanjakan’i Beriziky ???Tssssss !!!

  19. « Tu as raison :
    Que les gasy se mettent au coin – se taisent, et n’ont qu’à crever….avec leur zétété  »
    Izaby no tena….. « Izy » ry kiki sy ny tariny a !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *