HERY RAJAONARIMAMPIANINA : BOLOKIM-BAZAHA

bolokom-bazahaBolokim-bazaha io no voambolana azo ambara mikasika ny kabary izay nataon’i Hery Rajaonarimampianina teny Mahamasina. Ny kabarin’ny filoha Frantsay teo aloha Sarkozy no nalainy tahaka. Tsy henatra tsy tahotra akory ity filohampirenena malagasy ity izay voalaza fa be diplaoma naka tahaka izany , izay melohin’ny lalàna. Efa hatramin’izay no fantatra fa ny frantsay no tao ambadiky ny fanonganam-panjakana teto amintsika, ary izy  no mametraka izay heveriny ho mpitondra an’i Madagasikara. Porofo izany fa kandidan’ny frantsay i Hery Rajaonarimampianina. Na ny minisitry ny frankofonia nanatrika ny lanonana teny Mahamasina aza dia nitehaka naheno ilay kabary izay efa fantany fa an’i Sarkozy. Vao ora vitsivitsy no nitondrany dia tsikaritra sahady ny tsy fahaizany miasa. Toy ny fahavitsian’ny olona teny Mahamasina, ny tsy firindran’ny arofenitra izay nikorontana tanteraka. Voalaza anefa fa olona manam-pahaizana eo amin’ny lafiny fikarakarana lanonana no eo akaikin’ingahy Hery. Araka izany dia lasa ny « foza » , niditra indray ny « bolokim-bazaha ». 
« BOLOKIM-BAZAHA »
Jereo ity « boloky » fa hoe lasa ambony
Ka tsy mba miharo amin’ ny namany intsony
Niofo ka tonga Vazaha lehibe
Fa efa mandroso, na sivilize!
Nomem-pataloha sy satro-baonetra,
akanjo jaby na didy jaketra;
Ny salotra anatiny asiam-pehitenda
Sy kaolina henjana mila hahakenda.
Mahazo latabatra fisakafoana,
Mampidin-divay ho rano sotroina,
Mifoka sigara rehefa mba voky,
Mamela-gazety, manokatra boky,
Mivimbina tehina nony mamindra,
Manao solomaso ka fatratra indrindra.
Dia jenitra i « Boloky » fa « tsara tarehy »;
Ataony ho dera ny akora sy ny hehy!
Ny tompony izany dia mody mandoka
Kanefa ao anatiny dia manafoka!
Mba inona isika izay be fakan-tahaka,
Mangilatra ivelany toa voronkahaka?
Fiteny sy fomba nadika avokoa
Fa ny an’ ny tena… »valalan’amboa! »
– Aleoko manandratra izay nentin-drazana
Na dia mavomavo sy vitsy mpitazana,
Toy izay kevokevoka maro mpizaha
Kanefa fosaina : « BOLOKIM-BAZAHA »
Jean NARIVONY (1898-1980)

 

85 réflexions sur « HERY RAJAONARIMAMPIANINA : BOLOKIM-BAZAHA »

  1. Tena loza mihitsy, ary jereo koa ity isika rehetra fa manaiky entin’ny boloky sy eo ambanin’ny boloky.

    Mi wawawawa be ato anaty forum sy ato anaty fefy daholo, fa raha vao mivoaka ny fefy dia manaiky ny herin’ny boloky daholo fa tsy mba misy na dia iray aza sahy manohitra ampahibemaso ! Boloky sy rajako no mahay mampiasa hery amin’olombelona misaina depuis 5 ans ??

  2. Pehana i sankalité, pehana i ratsirahondrana, pehana i hanitrabe, pehana i manoela, pehana i guyrivo, pehana i mahafaritsy (ankiafina be) pehanaconstant, nopehana fetison,, nopehana tonton ravonison, nopehana i ramrsely, nopehana i dadaroby, izao indray pehanay i herimbotany fa i dada ihany no hiaran’ny rihatran’ny zanany
    Tsy misy atao intsony isika, atsangano ny ringa ao amin’ny magro hifampitahana é

  3. Araky ny voalazan’i GBD, fiarovana ny hoavin’ny tanindrazana no atao ato ; anisan’izany ny fiarovana ny ara-dalàna sy ny fiandrianam-pirenena, izay tsy tokony atao ambanin-javatra !

    Matoa misy olona milaza fa namitaka i Robinson, dia nahatsapa ireo olona ireo fa tsy arak’izay tokony ho izy no ataon’i Robinson amin’izao fotoana, indrindra rehefa nitabataba hoe hijoro atramin’ny farany sy hiaro ny rariny sy ny hintsiny !
    Dido hevitra ve ireo olona ireo ?

    Torak’izany koa ireto miseko fa voafidy ary manofaofa ny anaran’Ingahy Ravalomanana, satria voafidy amin’ny anaran’izany hoe Mouvance Ravalomanana !

    Fa io Mouvance Ravalomanana io angaha, nentina hazahoam-bola fotsiny fa tsy hiaro ny ara-dalàna sy ny zoan’ny malagasy ?

    Navelavela sy tonga dia nariana ny fiarovana ny ara-dalàna, fa izany atao hoe « collaboration » izany indray izao no no tena masaka ao an-dohan’ny sasany ! Tsy mahagaga anay rahatoa ka misy andian’olona milaza fa tena misy marina ireo antsoin-dry zareo hoe « collabos » ireo !

    Hisy fiovàna azo antenaina ve rahatoa ka dia tsy lasa lavitra tahak’izany foana ny fomba fijerin’ireo nilaza fa mpandàla ny ara-dalàna ireo ? Tsia !

    Izao indray koa dia mandeha ny resaka, ary mbola tsy hanonon’anarana, fa dia hoe efa mifanaraka amin’ireto hoe MAPAR ireto ilay olona iray ao amin’ny Mouvance Ravalomana, ka ho sandan’ny fanakonam-bava sy fanekena an’ity lazaina fa bolokom-bazaha ity, dia homena ho tantanan’ny Mouvance ny renivohitra, izany hoe Antananarivo !

    Fa nahoana ? Satria tsy araky ny mpanongana intsony ny fandraofam-pako sy ny fiambenana ny ain’ny vahoakan’Antananarivo ? Avy eo dia hilaza fa tsy mahavit’azy akory ireo avy ao amin’ny Mouvance Ravalomanana !

    Amiko dia tokony ho foanan’ny Filoha Ravalomanana any io Mouvance Mouvance io, fa nampiasain’ny sasany ho an’ny tenany fotsiny, ary nandrebirebena vahoaka !
    Mbola averiko eto ihany ! Raha tena tia tanindrazana sy manankambo ireo milaza fa voafidy ireo, dia tokony hametra-pialàna na handà an’ireo fifidianana ireo atramin’ny farany, ary dien’izao !

  4. Biby ts misy lou zareo ts mande a, mba mitadiava lou nareo lohany e, de mba nareo ndray mifidy de atolory ny dadanareo e, toa ze tondroiny rehetr mants tou namoa-tsampona daholo leaza a, zao sisa le Magro, tena MAAAAAAAA GROS marina, minaonaona fotsin fa tsy misy apoaka, lol, manaratsy olona de manambany de manafozafoza, zay sisa mba azo ato, mampalaelo nareo e, de mbol hiampy 5 ndray nareo zany hanaratsy olona, rehef manaratsy lou de le Filoha iany aratsiana e, izy no tsy tinareo mantsy fa tsy malagasy rehetra mino zà, zay fa bye ry MAAAAAAAAAAAAA GROOOOOOOOS A

  5. Fanitsiana : Fanakombonam-bava fa tsy fanakonam-bava ! Aza fady !

    Ny rariny sy ny hintsiny, ny ara-dalàna ihany ry Nana â !

  6. Aza gaga fa niainga tany amin’ny saka ange io fitondrana io e, avy eo toa hoe foza izao izany boloky atsy ho atsy mety v….
    Ho aiza ity tanindrazana e?

  7. Mitady hevitra rehetra ity ny zanaky ravalo tsy BOLOKIM-BAZAHA,fa zanaky ravalo bolokim-bazaha américain sa bolokim-bazaha anglophone sa ragindro-sinoa ,aoka zay tsy nanota taminy nareo no hitoram-bato azy.Mba njerevo aloha ny fomba fiteny dadanareo rehefa miteny frantsay na anglish tamin’izy teo @fitondrana vao miteny olona na ankizy ao primaire mianatra ao @ ecole anglophone na francophone azy mahay no izy.Rehefa misy bonne exemple tsy maintsy arahana, haotrany any mpianarana ihany io,ireo firenena rehetra ireo mifangalataka discours daholo ny akamarony ,mba manaraha tsara vaovao na tsy kopi collé aza.Ny kabary tompoko dia kabary raha mitovy na tsy mitovy,ny zavam- bita no tsaraina .
    Ny zanaky ravalo tena lasa an-dala rehefa kely kely sady malahelo seza fitondrana no ratsy saina be.,vao mainka vita tanteraka neny dadanareo tsy avelany vazaha mody intsony i dadanareo raha tsy feno 100 taona.

  8. Depuis 2009 nous traversons une période de HAUTE TURBULENCE

    je dirais même plus : nous vivons dans une société de VIOLENCE.

    Société de violence dans laquelle mêmes les mères ont du mal à reconnaitre leurs petits…

    Mais il s’agit de vouloir FAIRE VIVRE NOTRE PAYS DANS LA DIGNITE , avec libertév et DEMOCRATIE.

    FAIRE PROFITER LE PEUPLE DES RICHESSES DU PAYS !!!!!! tout simplement .
    Au lieu des prédateurs étrangers ou nationaux

    La démocratie est une LUTTE DE LONGUE HALEINE …elle n’a jamais été donnée de toute l’histoire de l’humanité.

    Alors ,
    ne désarmons pas et revoyons nos billes avec FERMETE et SANS COMPROMISSION
    (casting, stratégie, visées à court , moyen, long terme)

    Il ne s’agit pas de mettre au pilori X ou Y , mais reconnaitre les errements et se recentrer sur l’essentiel des objectifs : SUR TOUT LE TERRITOIRE

    Ex Diégo qui bascule pour Hery , même s’il y a qqes fraudes : bizarre pour moi !

    Idem le sud avec le ralliement de Vital et de Roindefo : ALLIANCES A ENTRETENIR

    Tout mouvement peut traverser des crises : mais attention à la démolition dommageable du mouvement sous la pulsion du moment ,
    l’opposition doit au contraire se forger une CARAPACE PLUS SOLIDE, car fozaland continue….et notre lutte avec !

  9. Jereo fotsiny fa misy faly dia faly sy mibitak’ato, satria rendrika ny firenena ê !
    Efa hita izao fa dahalo sy mpangalatra no naka ny fahefàna, dia mbola « oui m’sié » ndao handihy !

  10. http://www.hat.gov.mg/cmdn/
    Hohitanao ao ny karazan’olona tsy an’inn tsy an’inn FA ANAMPY ISA fotsiny
    Jereo ny anaran’ireo CST – CT dia hazava aminao
    Ary satria efa mistangana ny Repoblika faha4:

    MBOLA HITSANGANA IHANY VE NY CST SY CT ??? Volam-bahoaka tsy hita eritretina no lanin’ireo fotsiny.
    Toy izany ny vola lanin’ny Miaramila TSY MISY ILANA AZY.

  11. Ö non KM c’est trop mignon un cacatoes !

    notre BOLOKY I° ressemble plutôt au vilain boloky gris terne de Mahatsara …………

    J’en avais un à Tamatave : mpiteny ratsy be !

  12. 1° ENVOYER LES MILITAIRES sur les chantiers de CONSTRUCTION DES ROUTES ET DES CHEMINS DE FER
    2° ENVOYER LES MILITAIRES vers l’EDUCATION DES ENFANTS DE BROUSSE pour que l’enseignement soit OBLIGATOIRE POUR tous les enfants et……GRATUIT
    3° ENVOYER LES MILITAIRES SUR LES CHANTIERS DE L’ELEVAGE – AGRICULTURE.


    vOILA 0 QUOI POURRAIENT SERVIR ces militaires QUI NOUS BOUFFENT L’argent public POUR RIEN sinon ASSASSINER la population, sur ordre politique

  13. Efa ho dimy taona zay no nanompoana olona teo @ magro tsy hita zay vokany, koa inona moa no mahasamihafa ny manompo olona sy bolokimbazaha?

  14. miverina kely é! fa na ny akanjo anaovanareo na ny slip anaovanareo io aza dia FANGALANA TAHAKA, ny razan-tsika dia miteny « NY SOA FIANATSA » ka raha mitovy ny tanjona,ny finiavana ampandroso ny tanindrazana, INONA NO MAHADISO????ny mampalahelo sy mampihome dia ilay KELY ATI-DOHA tsy manan-katao nandany andro handinika izay tsipelina voalaza tao!!!mino aho fa olona anisan’ireo izay miseho ho tia tanindrazana any France, lavitry ny fahorian’ny Gasy fa misakafo tsara,voavolavola hanakorontana mandrakariva ary te ampijaly ny Gasy te hivoatra tsy mila ny dadany.ho ela velona MADAGASIKARA!ary hahaleo hahalasa anao President Hery!!

  15. Eto moa izany dia ezahina arovana ny halatra na dia efa tratra izao aza, ny mpangalatra rehetra ange manana ny antony daholo e!!!! misy rangahy tratra nangalatra akoho, dia nolazainy rehefa nanontaniana izy fa tsy mihinankanina ny zananay, dia tena mampalahelo tokoa izany!! nefa tsy mety satria maka ny an’ny hafa e!! dia toy izany koa ity filoha vaovao, maka ny an’ny hafa, nefa eto dia mbola misy mahita lazaina indray fa soa fianatra, tsy mianatra ny iantsona izany fa MANGALATRA. TENA MAMPALAHELO NY TOETSAINA

  16. Makasitraka gisafolaka

    l’armée ne sert qu’a entretenir les dictazteurs successifs : mour MATER LE PEUPLE et non l’enneme

    Peuple = ennemi des dictateurs

    l’armée servirait le pays en assurant UN SER4VICE CIVIQUE (agriculture(reboisement et et TREAVAUX D’IRRIGATION ), éducation , voirie, travaux publics)

  17. Ho an’ity hoe Frank !

    Fantatray daholo izay rehetra niseo tao amin’ny Magro !

    Tompoy izay tianareo tompoina na devoly aza ! Tsy misy quoi izany, fa mahaiza mandini-tena marina raha mbola mihevitra fa misy an’izany hoe ati-doha ao anatin’ny lohabe-nao io !!

    Mitolona ny olona izay mbola mieritreritra fa tsy rariny ny zavatra nataon’ireo nilaza, fa tena malagasy miaro ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy, na teny amin’ny 13 mai tamin’ny 2009, na tao amin’ny Magro !

    Matoa izahay mbola eto, asa mety ho voarara indray andro any, kanefa mino aho fa mbola mahatsiaro ny tenany ho tia tanindrazana ny tompon’ity site ity, izay efa nihaona tamiko indray andro izay ! Tsy fantatro na tadidiny aho na tsia, fa efa nolazaiko taminy hoe : Izaho no…… »la comète » (araky ny filazan’ilay olona izay), ary ianao no solotenan’ny loko maitson’ny fanantenàna !!

    Tolona ho an’ny ny tanindrazana no atao ato fa tsy fandanian’andro ! Matoa izahay manana fotoana hiseràna ato, dia satria manana fotoana hiseràna no mba afaka mitady an’izay ho atokona ao am-bilany ! Tsy ny malagasy rehetra no afaka manao an’izany, ary ireo malagasy ao Madagasikara afaka mampiasa Internet amin’izao fotoana, dia ny ankabeazany (malahelo aho milaza izany), dia miaro an’ity fihinanana kely azo daholo !

    Manitsakitsaka ny vazaha, ny karana, ny sinoa, ny môrisiana, dia indreto koa ny sônagaly sy ny arabo dia iny mbola faly mitsinjaka ihany ireto vendram-poza !

    TTTTTTSSSSSSSSSSSS !!!

  18. Ho an’ity hoe Mahita indray !

    Ny soa marina no fianatra fa tsy ny ratsy, ary rehefa ampiasaina araky ny tokony ho izy izay zavatra tsara ataon’ny sasany, dia izay no atao hoe fivoarana !

    Rehefa avy mangery ny silamo ( arabo, karana,.. sns) dia manasa fitombenana amin’ny tanana ! Maro amin’izy ireo no manana ny ampy amin’izao fotoana, ary efa manana fitaovana « manadio amin’ny fomba afakely (manarapenitra???) h an’ity zavatra tsy tian’ny rehetra no kasiana akory ! Fivoarana izany amin-dry zareo sa tsia ?

    Maka tahaka ?? Maka tahaka sy mangala-tahaka ary tsy miera amin’ny tompony dia zavatra roa samy hafa !

    Noho izany, aza ampidirina ao amin’ny resaka tolom-bahoaka ny hoe maka tahaka, manao silipo sy ny sisa, fa rehefa mbola tia salaka sy miboridana, dia anareo ny anareo !!

    Asa na iza no resahiny eto, fa tsy misy firenena handroso rahatoa ka mbola mpivavaka amin’i Al Capone no avela hitondra firenena !

  19. izany koa angamba ny antony  » cholera endémique » avy any tany silamo ireo…

    Kanefa kosa ,

    Ny atidoa mila sasana betadine na eau de javel angamba dia ireny mihevitra androso aminy MPITONDRA TSIY VAOFIDIM-BAHOAHA

    MPANGALATRA SY MPANAVETAVETA NY FIFIDIANAM-BAHOAKA

    Tsy misy firenena vanina aminy LAINGA SY HALATRA !

    Mitohy ny tolona na

  20. ce bonhomme fait partie de cette cohorte de FRANCAIS COMPLEXES DE NE PAS AVOIR ETE CAPABLES DE DECROCHER LE CONCOURS DE L’ENA ou de SCIENCES PO Paris:

    tels:

    Sarkozy, Guaino, Brice Horteufeux…
    Ils ont du effacer de leur CV l’inscription : sciences po ou ENA après découverte du pot aux roses par les journalistes…

    Il vient se faire les dents à Madagascar : pomper n’est pas étonnant pour ce type de recalé à son ambition première…

  21. Girouette de 1ère classe ?? Distinction à créer pour ce genre d’énergumène !!!
    Tous ceux qui avaient lutté et milité en 2011-2002 en faveur du Pdt Ravalomanana, peuvent témoigner, y compris mézigue !

  22. KESSAKO ???? tous rateliers ???

    en effet ,

    du monima à Rajoelina passant par Ravalomanana ,

    en passant par l’UMP

    = serpillère , même pas digne d’être porte serviette !

    Avec un tel instable , comme dit une certaine dame : Hery ferait mieux de faire attention devant que derrière…

  23. Malheureusement GBD, ce genre d’olibrius n’est pas un cas unique !
    Curieusement, bon nombre de ceux qui avaient soutenu « énergiquement » Ravalomanana en 2002, figurent dans la tête de liste de ceux qui ont réclamé sa tête ( je dis bien sa tête ) en 2008-2009 !
    La raison ? Mijapy train ou Mitaingina TGV !!!! Beurkk !!

  24. Ny feo ny fieritreretana sisa no mitondra @zao nefa ny akamaroan-tsika maty heritreritra
    Ny »election president »manarak’eo(2018 angamba)dia mbola ho ratsy nohon’ny t@ ty 2014 ty taux de participation ~45% eo ho eo ary aza mieritreritra mihintsy hoe:tsy olon’ny frantsay satria tsy nahavita nijoro atr@ farany niaro ny safidy ary aza manantena an’i dada ho tafalatsaka eo izany intsony koa dia mankahery antsika zanak’i dada sy ho antsika nahita fa tsara ny fitondran’ny filoha RAVALOMANANA
    Anjara-tsika tsirairay no mandinika fa na ireo manaiky an’i Hery amin’izao aza dia atsapa izany

  25. Toujours dans le genre « Mampiesona » !!

    Tananews, quant à une éventuelle adhésion du parti vert au CNOCL ( Les « kinaoly » pour moi ) !

    http://www.tananews.com/asides/adhesion-au-cnocl-le-parti-vert-se-penche-sur-la-question/

    Inutile de tourner autour du pot, le représentant de ce parti a déjà sorti leur point de vue, dans un article paru dans Madagascar Tribune !
    Le représentant avait sorti :

    « Démocrates, on va peut-être obligés de choisir le camp de Hery, parce que face à ces puissances financières et face à ces mafias organisées qui se sentent en plus certainement flouées, il va falloir que la coalition derrière le président soit la plus solide possible pour espérer écarter la menace Rajoelina et sortir le pays des ténèbres ».

    « On a donc ici une véritable déclaration de guerre émise par Hery à l’encontre de Rajoelina et de sa clique mafieuse. Tactique politicienne diront certains. La charge est trop forte pour que ce soit ça. D’autant que prononcée devant un parterre de personnalités diplomatiques, cette charge sonne plutôt comme un engagement ou un appel à l’aide ».

     » EN BREF, UN DISCOURS ENLEVE, ENGAGE, RESPONSABLE ».

    Titre : Présidence (déjà) en (grand) danger ! Lalatiana

    Des démocrates qui volontairement, choisissent de soutenir un truand qui s’était foutu de la gueule du peuple ?? Bizarre !!

    Déclaration de guerre élise à l’encontre de Rajoelina ??? Mais vous débarquez d’où Monsieur Lalatiana ? D’une planète inconnue ? Certes, les malgaches dans leur grande majorité sont croyants, mais en tant qu’enfants d’un certain Bon Dieu, ne les prenez surtout pas pour des canards sauvages en plus d’être des babakoto !

    Qui pourrait croire un seul instant que le fery vao qui était de mèche avec le putschiste, irait jusqu’à l’attaquer sur des crimes qu’ils avaient commis ensemble ???

    Mais est-ce que je rêve ou quoi ??

    Ayez au moins l’honnêteté intellectuelle, d’aller jusqu’au fond de vos idées !

  26. Randrianiaina

    je ne te suis pas tout à fait

    la victoire était vraiment à notre portée pour que notre pays sorte de cette satanée françafrique…

    AVEC PLUS DE PUGNACITE !!!!!!!!!!!!

    Il y eut beaucoup d’impairs , je pense du fait que notre leader est à l’extérieur du pays depuis 5 ans…
    Role de leader difficile à assurer de loin…

    MAIS LALAO EST LA QD MËME !

    Ceux sur place ont été incapables de s’affirmer , j’ai l’impression que la première préoccupation de bon nombre d’entre eux est de « perdurer » sur place ou de « percer » individuellement…

    Ce genre d’individus ne présentent aucun intêret politique , s’agissant d’OPPORTUNISTES à éjecter !

    Magro me semble un lieu d’exutoire public , de grande messe , dommage , car je pense que l’immense majorité a l’espoir de sortir le pays vers le haut.

    Tant que la lutte n’est pas clairement comprise contre LES MEFAITS DE LA FRANCAFRIQUE ( exclavage politique et surtout économique) les choses avanceront peu

    Il faut beaucoup , beaucoup de patience et de pédagogie…

    un peu de pratiques démocratiques : NON ???
    Surtout si l’on veut entrainer les générations futures , commençant par les ETUDIANTS

    Du nord au sud , d’est en ouest de Madagascar les étudiants tous ensemble devraient mettre à contributions leurs neurones…

    pour l’intéret de leur pays

    pour un meilleur avenir…pour eux notamment !

    Comment accepter encore qu’avec la même compétence un blanc perçoive 3.000 euros et bien plus et le Malgache 30 à 200 euros maxi ???

    C’est le maintien du système colonial.

  27. Hanatra ho an’ny malagasy ny zava-misy amin’izao fotoana ry RANDRIANIAINA â !
    Hijery fotsiny sisa ve ???

  28. Henatra lehibe ho an’ny firenena ary fahafahambaraka goavana malaza be erantany ny hala-tahaka (fraude) kabary nataon’i Hery Rajaonarimapianina. Aiza ve dia kabarin’ny filohampirenena hafa no ovainao fotsiny hoe Madagascar izay MISY France???. Fa aiza ilay CV nampideraina …expert comptable..DEA économie..intellect ..ets..no mangala-tahaka ny kabarin’i Nicola SARKOZY???

    Tena loza mahatsiravina mitatao ho an’ny firenena malagasy izay ahitana taratra fa hay na tany ampianarana aza io Hery io dia mety ho mpangalatahaka. Na dia filohampirenena aza dia mbola mangala-tahaka ihany. Maninona raha nanao cours de français tao @ alliance française Andavamamba raha nihevitra mialoha fa hanao président de la république?

    Modely ratsy sy maharikoriko ho an’ny mpianatra primaire, sécondaire sy ny ankizy rehetra ny hoe mpangala-tahaka ihany koa ny filohampirenenay fa tsy vitan’ny hoe mpangala-bato ihany koa. Dia ahoana hoy ny ankizy madinika mahakasika iny fraude n’i Hery iny?

    Raha tsorina ny resaka dia vao mainka isika miditra lalina ao anaty crise e!. Indicateur de crise ireny hoe filohapirenena manao triche na devoir ireny . Halatra sy fraude no iainana eto @ firenena ity. Ny fraude t@ vola nanaovan’i Hery propagande tsy lazaina intsony.

    Dia arahabaina isika malagasy fa nahazo filoha vaovao mpi fraude…mpi triche..mpangalatra…mpandainga ..mpangala-bato.

    Aleko lavitra ny filoha Ravalomanana na votsavotsa aza @ fitenana teny frantsay , tsy mi fraude, tsy mi triche kabarimbazaha.

  29. précipitation ridicule et NAIVETE SANS FIN

    aussi ridicule que « aleao mamba voky  » en réélisant le « nouveau » Ratsiraka

    ==> on a vu la suite et le résultat : 25 ans de dictature !

    Refuser de luter c’est s’offir en appat

  30. Zara aza tsy nataon’ilay foza lahy hoe VIVA LA REPUBLIQUE, VIVE LA FRANCE!!!!!

    MBA MAHALALA MENATRA RY ILAY FOZA LAHY TY A!!!!!!MARINA MAFY E!!!!

    C’EST UNE HONTE!!!!

  31. Madame Lalao Ravalomanana fut plus entourée de cloportes et de cafards et autres chacals, que de véritables patriotes ! Ainsi sont les malgaches !

    Hugh !!!

  32. Tsy naleo ve nanoratra kabary malagasy mihaja @ teny malagasy dia avy eo nanakaramana prof de français tao @ CEG Tsimbazaza na CEG Avaradrova namadika azy @ teny frantsay toy izay manala baraka firenena sahala @ ireny?

  33. Malagasy misaina

    tant que Madagascar est incapable de sortir de cette « BEBETISATISATION FRANCAFRICAINE »

    les Malgaches ne seront qu’un éternel peuple condamné à la misère et à l’ignorance pour mieux les exploiter :

    * comme les Congolais de Sassou Nguessou

    * ou les Gzabonais de Bongo

    La crise est mondiale , mais notre problème est LA CORRUPTION DE GOUVERNANT porte flingue des multinationales étrangères !

  34. En complément de ce que j’avais avancé plus haut, devant un parterre de personnalités diplomatiques ou pas, les foza ne sont pas à une connerie ou idiotie près !
    Le discours du fery vao est un exemple des plus criants !

  35. Ka inina no nanjo an’i NAIKA ???

    fantatra hiany kalou fa i Lalao tsy « bête politique » , disons porte fanion ?

    Aminy fomba hahoana nipohiran’ity JLR ???

  36. ny gasy koa dia mipararetra raha vao mahita leader « radical »

    Alhehony aza DJ be fety sy be fihetsehana na dia loham-borona aza !

  37. tsia dia tsia ry KMD a ary sahia manao tsia.Mila manangana zavatra mafy fototra aloha isika miaraka @filoha RAVALOMANANA ary olona tena mahatoky sy mahavita zavatra miaraka iraisana kanefa tsy aingana fa maharitra,anisan’izany ny fanomanana election maire surtout tana ville

  38. Randrianina

    pourquoi créer sur des cendres , risque d’éparpillement et de tatonnerment …

    N’est il pas plus cohérent et efficace de tonifier et grossir les rangs de GTT ???

    même pour la mairie : du sang neuf , mais plutôt « régénéré » , moins avachi que le QG apoplectique de la mouvance…

    Là je serais OK

  39. Reraka aho zalahy. Jereo ange isika tavela ato @ MAGRO e? olona be nangy,diso fanantenana hatrany. Toa marina ihany ny an’i Dr, nandalo sy niserana ihany dia nahatsapa fa diso lalana isika ato anaty vala ato. Na i Ravatomanga koa iny efa tsy hay tsy hay.
    Ny an’olona mba bolokim-bazaha, fa isika zanak’i dada kosa bolokin’iza?
    Ireo CST sy CT mpikabary eto toa tsy nisy lany depute koa, mino aho fa handeha hila ranondranony any amin’ny lazaintsika fa bolokim-bazaha koa ireny atsy ho atsy.
    Hamafiso sy zairo indray ny vodim-patalohantsika mandritra ny 5 taona mba hampanankarena faingana ireo mpitarin-tolona eto @ MAGRO.

  40. ary ny faha2 izay zavatra tena sarotra indrindra kanefa tsy maintsy eken-tsika ary raha ny fahitako azy dia efa manomboka mirona makany ny tolona dia ny aneken-tsika aloa fa i Hery no prezida tahaka izay niainan’i Jesosy kristy nanaiky ny fanapahan’i Pontio Pilato izy nefa raha nampiasa hery izy dia afaka kanefa nanaiky izy mba afantaran’ny olona ny mahatsara ny fitondrana miaraka @YHWH dia aleo aloha ho entiny tahaka ny nitondrany i Andry teo e samy naita sy nahatsapa na ny sondazy natao ary dia milaza fa mbola hafa i dada zay ilay fahendren’ny Ntaolo hoe: »TAMBATAMBAZO NY MPAMOSAVY… »
    Ary raha zohina ny tantara ka atao ny analyse @ 2016 dada tonga eto farafahatarany
    Aza sokajinareo manao fisainana foza zaho fa raha ireo depute lany teo ireo tsy mahavita mampody an’i dada ireo

  41. Olona iray ary fantatra anie io mody tė ho derain’ny alika io e!!!
    Tsisy foza vao2 izany ireo fa MPISOLELAKA IO ry zareo a!!MAHONENA!!

  42. Tena marina ary olon-kendry ianao RANDRIANIAINA.
    Tsy ho tafody na ovian na oviana mihintsy i Dada raha mbola misy ny hetsika eto @ MAGRO.
    Dada o, ny tena marina dia ny tsy hampody anao no tadiavin’ireo mpitarika anay eto fa ny hitady seza sy hameno ny paosiny.
    Dada o, mampametram-panontaniana tokoa fa maninona ireo olo-maventy mpitarika anay eto no tsy misy lany depute na iray aza?
    Dada o, lasa anara-maneso ilay oe MAGRO fa izahay ato tsy misy GROS intsony fa MAHIA, tsy lelafin’ny namany.

  43. Miangavy anao re ry RANDRIANIAINA, raha tianao ho matotra ny resaka, dia adaboy any izany resaka Jesosy Kristy izany â !

    Tsy hoe fanambaniana an’izay mpivavaka sy mpihino sanatria (tsindraindray aho mba manadala ny mpisera hoe tsy mihino sy tsy mivavaka, na dia sefrera niala aza), fa resaka mba terre à terre hoy aho mba entina eto amin’izay !

    Anisan’ny Voalohany indrindra nampahory ny vaohaka malagasy amin’izao fotoana izao, dia MPITONDRA FIVAVAHANA DAHOLO ! Misy tera-tany malagasy ary misy vazaha be volom-bava !

  44. Ary mba taiza i Solo Razafy no nahita ity Boloky orange ray olona e???
    Kisendrasendra sa zavatra nifanandrify???
    I Beriziky hono no PM kintana a???

  45. Je n’ai pas suivi DU TOUT l’investiture des macaques… je ne vais pas la visualiser mais je me réveille. Est-ce vrai que le discours POMPÉ était en français?
    Si c’était cela… rien d’étonnant.

    Pour « la comète », j’apprécie ce que vous préconisez, la démission de tous ces PARASITES de la « mouvance ». Mais il ne faut pas être puriste… L’OS et la position sociale sont tellement irrésistibles qu’y renoncer maintenant demanderait une FORCE MENTALE… qu’ils n’ont jamais eue auparavant.

    L’idée de DISSOUDRE LA MOUVANCE EST POUR MOI, INÉDITE ET INTELLIGENTE. La seule proposition abordable qui ait été faite depuis. J’espère la comète, qu’on vous exaucera.

    Par contre, vous ne cessez de répéter que tout le combat ici A TOUJOURS ÉTÉ LE SAUVETAGE ET LA PROSPÉRITÉ DE MADAGASCAR. Permettez-moi d’en douter l’ami.

    Ce qui a été écrit ici en kilométrage illimité depuis 2009, N’A ÉTÉ QUE L’ENCENSEMENT D’UN IDOLE nommé ravalomanana, femme, monsieur etc… Un messianisme DIGNE D’UN mailhol, le charlatan notoire bourreur de mou de désespérés.

    TOUT A ÉTÉ IDOLÂTRIE MALHEUREUSE. L’érection – pas ce que vous croyez, car il s’agit d’une IMPUISSANCE, vous le disiez tantôt, l’erection de la mouvance Ravalomanana N’A ÉTÉ QUE L’ÉTABLISSEMENT D’UN ÉCRIN POUR LE MONSIEUR!

    Dangereuse et fatale erreur. Voyez la suite.

    TOUT SE DÉLITE À UNE VITESSE PRÉVISIBLE, CELLE DES INTÉRÊTS PERSONNELS FLATTÉS PAR L’ENNEMI… HÉLAS.

    Il RESTE ALORS VITAL, ESSENTIEL, pour tout mouvement PATRIOTE, d’appuyer SENSIBLEMENT SUR LA SOURDINE ravalomanana, sinon ABANDONNEZ, VOUS IRIEZ IMMANQUABLEMENT VERS D’AUTRES PLUS GROSSES FRUSTRATIONS ET DECEPTIONS.

    Quand guy rivo regard fuyant, vous demandait d’être pas trop critiqueS précocément envers robinson – sous-entendant que sa participation à l’investiture DES CRIMINELS serait une stratégie – ON EST EN DROIT de s’interroger sur la NATURE de cette stratégie. À cette heure, ça ressemble à une TENTATIVE DE RETOURNEMENT DE MAJORITÉ dans le futur parlement. J’ai bien dit tentative, car les 5 dernières années nous ont montré à tous:
    QUE RAJOELINA N’EST PAS LE DERNIER COUILLON!

    Ce genre de « stratégie » suicidaire sinon TRAÎTRESSE ET CALCULÉE EN AMONT DES ELECTIONS, NE PEUT PAS ÊTRE LA BONNE, FACE À UN RAT INTELLIGENT OU QUI ÉCOUTE ATTENTIVEMENT LES CONSEILS QU’ON LUI PRODIGUE…

    Dans la réalité des FAITS, des INTENTIONS à peine cachées des uns et des autres, l’ULTIME QUESTION reste paradoxalement celle qu’on aurait dû se poser un soir où ravalaomana AVAIT RECONNU RAJOELINA COMME PRÉSIDENT DE LA TRANSITION, qui est:

    NE FAUT-IL PAS DÉFINITIVEMENT ACCEPTER LA FORCE, L’ÉNERGIE, UNE LÉGITIMITÉ DE COHÉRENCE, À RAJOELINA?

    Je supute au regard de tout ce qui a été déjà dit, que trés peu ici y pensent, ALORS QUE LES FAITS, LES ACTES ET LES RÉPONSES À CES ACTES, INDIQUENT QU’IL VA FALLOIR LE FAIRE.

    rajao LAKILEBOARITRA – ça lui va mieux que bolokim-bazaha – VA EN FAIRE LES FRAIS!
    rIEN QUE POUR ÇA, je viendrai régulièrement scruter vos reactions ici.
    Amicalement surtout au LOYAL « la comète ».
    PS: Une comète consume sa queue et finit par se désintégrer…

  46. KintanaManandrambo,
    Dia atao aiza izany ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izay nitondra ambavaka ny tolona nentinay hatrizay?
    Marina ihany ny anao angamba, na i Pasitera Mailhol aza moa diso daty hono ny faminaniany.
    Ary i Pasitera Lala, efa nampisotroindry zalahy jus mafana; isaky ny mijery azy mitory teny aho dia ohatra mahita azy misotro rano hatrany.
    LA RELIGION C’EST L’OPIUM DU PEUPLE…

  47. velouma ry magro reraka e, nilaozan ny Dr namonjy boloky e, tena Omby mahia tokoa ka ts lelafin’ny namany e, veloum eeeeee, midonana-poana, fahanan’ny olona lainga sy abobo fotsiny tss, ataon’ny olona tohatra fiakarana, LALAO RAVALOMANANANA zao efa miroso @ dinika any @ i Hery mba ampodiana an’i Dada, nareo mody avelany eo fotsin, nga nareo mbola nandre feon’ny dadanareo miits tamin’iny Dr Jean Louis teny Mahamasina tamin’ny Sabotsy, mba misaina wa fa aza midonana-poana otran’io e,

  48. ohatra entina anehoako hevitra io KMD a
    ho an’i RANAVALONA indray misy dikany ny mahatonga ny anarako »bleu »mydago ao mahita ary mahafantatra zavatra tsy azotsika iodifirana io nolazaiko io.
    Ho an’i Magro reraka(jamais reraka)izany akory tsy midika hoe: »anaraka ny adalanareo mianakavy ny zanak’i dada sy ny mouvance dada »ndea miala any.
    Zay re no izy ry RANAVALONA A ary aza dia masiaka fa ny vitako t@ dada tsy vitanao ary tsy ho vitanao,ny fanenjehana ahy noho i dada tsy zakanao ary tsy ho zakanao,ny aditsaiko @dada tsy ho aditsainao,manantena za fa mbola hisy andro iahona-tsika
    (fantatro ny nahatonga anao ho RANAVALONA fa ianao masika loatra dia nataony ramsenao hoe:RANAVALONA)

  49. Tsy maninona ny boloky raha misy miteny oe « LE PONT » dia mamerina hoe « LE PONT ».
    Fa ny ignare no asaina manonona hoe « LE PONT » nefa miteny hoe « LA PONT ».
    Attendez 5 ou 10 ans pour vour remettre sur la corde.

  50. Hay ve i GBD ao NAntes e?

    Ho an’ny daholo be,

    Misy ny hetsika azo atao ary tena tokony ahomby fa ny zavatra tzara ho fantatra fotsiny dia ny hoe mahasahy ve isika?
    Mipetraka eo @ toeran-dRavalomanana aho. Mahita an’ireto bblabla be dia be eto ireto. Amin’ny fomba ahoana no handraofako olona eto?
    Manaraka izany, moa ce isika tsy maintsy miandry an-dRavalomanana foana vao hanao zavatra ho antsika, ho an’ny Tanindrazantsika?
    Manaova kopahi-tanana izay marisika ny hanao.

  51. Andrianiaina
    Azafady fa tsy fantatro ianao koa ahoana no hilazanao fa manenjika anao za??
    Za koa tsy masika fa MAHITSY,tsy hainao marina aho fa mitadiava ianao olona tsara fanahy ohatra ahy.
    Za tsy mila zavatra MIKILIOLIO( hoy bebenay izay) ,ny zavatra izay mahazo anao dia tsy laviko raha misy
    izany satria olona mba mandinika ihany aho,raha tsy hiteny afa tsy ireto Gadra politika fotsiny aza aho , azoko
    tsara FA mila mahitsy ianao miteny dia mijoro na ianao manohitra na ianao MOMBA fa raha vao mievaeva
    ianao dia izay no mampasiaka ahy indraindray, angamb izay no hilazanao fa masika za??
    Dia miala tsiny aho raha nanome alahelo anao fa tsy fantatra moa izay te iza marina no ambadik’ity serasera ity??
    fa ny fantatro kosa dia tsy mitana am-po aho fa vita eto ny resaka ,dia hiezaka aho @ sisa tsy hanao izay
    mampalahelo ny hafa e!!
    marina ny anao fa olona no nametaka io anarako io hoe: » ranavalona » ,fa aza afangaro kosa ny masiaka sy MAHITS e!
    Ny hafa koa torak’izany ,azafady tompoko raha nnao izay nampalahelo anareo za!tsy ahy irery Dago fa hiombonana
    koa izaho no hiseho ho hasiaka eto??MIFONA e!’!

  52. Petit moment de détente et de DIVERTISSEMENT chez Canal + ( Le Petit Journal d’hier soir et ce matin encore).

    La honte pour tout un peuple, à cause de cette bande de voyous et de tricheurs !!

    Efa malaza ratsy hoy aho ny gasy, any ka tsy raharahin’ny olona intsony ! Ao amin’ny ambasady frantsay aza tena misy sahy milaza fa voalavo na « rats » hono, ny malagasy !

    http://www.canalplus.fr/c-divertissement/c-le-petit-journal/pid6381-les-extraits.html?vid=1011022

  53. Alidera

    eny wa Nantes misy koa Pornic, Guérande, La Turballe , Penbron, Le Croisic mahafinaritra jeren-maso , fa ny ranomasina dia gla gla gla be ho antsika !!!!!!!!!!!!

    Akotr’izany tsy nahazo valiny ny fanantaniako hoe : misy GTT ve eto Nantes ?

    Tsy ratsy ange manao sitting eo place Graslin , na place de la Bourse é !

    OUEST FRANCE (journal régional…catho… très lu et qui s’intéresse de près à Madagascar pour les missionnaires là bas)

    Les élections sont faites mais la lutte pour la démocratie continue (ex les Thibétains, les Birmans etc…)

    Amnesty international est à ameuter (car la ligue des droits de l’homme est truffée d’opportuniste d’ONG bizness)

  54. http://www.canalplus.fr/c-divertissement/c-le-petit-journal/pid6381-les-extraits.html?vid=1011022

    Après avoir bien reconsidérer les choses, je ne trouve pas que ce copié-collé soit un simple copié-collé.
    Le gars fait son discours de prise de fonction.
    Il est vu et est scruté par le monde entier.
    Singer un discours comme celui là n’est pas fortuit.
    C’est juste un remerciement et reconnaissance envers celui et/ou le pays qui lui a permis d’être là.

  55. GBD,
    Je ne sais pas si il y a un GTT à Nantes.
    Je sais qu’il y en avait à Bordeaux.
    Je sais que t’es catho mais je ne peux pas oublier que P de villiers était et un des supporters de rajoelina. ajouter à cela don bosco, le nonce, etc., je crois qu’il faut oublier ce coté là. De plus le fery est protestant qui fornique avec ces complotistes…
    Si on veut lutter contre ce régime illégal, on doit procéder autrement.

  56. Fery na hoe protestant aza dia parmi les parasites des protestants . Ny tiako lazaina dia izao henatra ho an’ny protestantisme izany hoe sady mpangalatahaka (fraudeur et tricheur) ny kabarin’i Sarkozy no mpangalabato ihany koa. Mahamenatra raha hoe ireny no protestant na koa hoe kristiana mihitsy aza e! Lasa enta-mavesatra ho an’ny fiangonana ny fisian’ny olona sahala @ i Hery ao @ fiangonana. Mety ho izany angamba ny tsy nanasan’ny Fjkm azy ( izaho aloha tsy mahalala) t@ fotoampivavahana lehibe teny Antsahamanitra t@ herin’ny alahady teo. Tsy haiko aloha e!…. Raha izaho ny mpiandraikitra foibe Fjkm na FLM na tsy miankina tsy mba mi inviter an’iny aho rehefa misy fotoandehibe fa mahamenatra.

  57. VAO LASA PRESIDENT I HERY DIA NISEHO NY MAHA TSY MISY VALEUR AZY. 100 AR NY IRAY KAPOAKA …..AZONAREO NY TIAKO TENENINA.

  58. Alidera

    misy TGV atrany Pornic ! passant pas Nantes nien sûr …

    Ne me parle pas de De Villiers , supporter de Rajoelina ??? MDR
    Son fils a esté en justice contre son propre frère pour viol…pas mal chez les cathos

    Blague mise à part :
    un grand penseur disait cette semaine :
     » les Chinois ont ceci de supérieur à nous : c’est qu’il ne croient pas en Dieu  »

    Je trouve que c’est bien vu…………..

    Quand les temps sont durs il ne faut pas mélanger les torchons et les serviettes…

  59. Mety mlay kousa zany Rajakom-bazaha zany an, fa le Dog d’Afrique du Sud kou nefa tsy ratsy, manabe nangy fotsiny de mitatasika sy mivovo, de maazo ny fon’ny olona, hahahahahhahaha

  60. marina kalou fa samy tena ratsy tarehy laotra izy mirahalahy etsy ambony !

    BEURRRRRRRRRRRK

    même si pour les p…. un milliardfaire est toujours beau
    na vilam-bava , na bingo orona……..

  61. Tribune.MADA

    Les Rajakom-bazaha :
    … Ce ne sont pas les « PATRICK VAZAHA » (Rajoelina et Leloup) ou les rédacteurs de son discours, plagié mot pour mot sur celui de Sarkozy, qui pourront sortir le nouveau président de ce régime d’indigénat asservi à la France.
    Il nous revient par conséquent de faire comprendre à monsieur Rajaonarimampianina qu’il a d’autres choix que de se réduire à de telle posture et que toute la Nation malagasy est attentive à son choix sur ce sujet…

  62. Rajako, Raboloky, ary Ragondin ?

    Ary itony biby sady kely maso no batry nify itony koa ve, dia tena kabla sa manao herim-boatay fotsiny ê ? Ny fantatra aminy aloha dia anisan’ny tena mpanimba tontolo-iainana gaigy lahy !

  63. Misaotra sy mankasitraka ny prezida rehetra teto mada izahay raha dia tsy arakiny tsy safidiny ny tsirairay aza ny zavatra nisy sy niainana teo.Ary mankasitra any hery vaovao raha nisy fangalaharana azy ny fifidiana hono hoy ireo resy,rabolokim-bazaha enao na tsia tadidio fa i nicolas Sarkozy tsy nanao 2eme mandat ary tsy nanao didy jadona hotrany Ravalo ary mino izahay fa rehefa vita ny mandat iray ka tsy mivaotra ny firenena dia miala ianao tsy manao didy jadona.Miala ny fahendrana rehefa tsy ilainy vahoaka fa tsy midongy toerana.Ary stratégie mendrika nataony andry rajoelina,miala sady tsy nilatsaka raha midongy toerana hotran’i ravalo.raha tsy nety ny zavatra nataonao efa nesorin’Andriamanitra teo ianao.

  64. aza mirediredy ry rabe/neutre/nadia/denizy â !

    Mety kokoa azn gatananao manao DEMISSION ny prezidà mpangala-bato !

    dia vita ny baolina !

    hirahanfantatra izany !

    tsy hilahina miantso fantany Andriamanitra

    AZA MANOTA LAVA !

  65. tsy aiko ty na neutre @le cabla ny JIRAMA reny na neutre @ina??fa dia tena mi-neutreneutre mihintsy ny zavatra lazainy.PRM RAVALOMANANA lazaina fa manao didijadona nefa i Andry Rajoelina no mampiasa heri-pamoretana,dada RAVALOMANANA no lazaina fa midongy seza nefa i Andry Rajoelina mpidongy seza satria…Reraka be za amerimberina ny adalanareo DOMELINA ISANY ireto fa aleo ajanoko eo toizo ry KM/GDB ra mazotonareo a

  66. Je ne sais pas ce que vous en pensez, mais cette personne me fait penser de plus en plus à……, déjà vu quelque part !

    http://bigbrowser.blog.lemonde.fr/2014/01/29/copie-colle-le-president-malgache-reprend-mot-pour-mot-un-bout-de-discours-de-sarkorzy/

    La fameuse plume qui d’après la presse est censée être virée, ferait encore partie de la délégation en partance pour Addis Abeba (avec le staff d’Ambohitsirohitra sous l’ère domelina) !

  67. Marina ny an’i « neutre », aoka izay tsy nanota taminareo no hitorabato azy ! Iza moa no tsy nanao adalana ireo izay nitondra ity firenen-tsika ity fa notampenam-bava isika na migadra direct. Hoan’ireo izay malahelo ny enti-kitain’izy efa nirodana, manaraha azy ireo any. Amiko dia tsy misy mpitondra azo lazaina fa olo-marina izay nitondra teto hatramin’izay ka hatramin’izao !
    Hindramiko ny tenin’i E.D. Andriamalala hoe : »manankarena olomanga isika malagasy fa mahantra olomarina ».
    Misaotra tompoko.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *