Hery Rajaonarimampianina : Nasehon’Antananarivo ny tsy fankatoavana azy

MAHAMASINA

MAHAMASINANotontosaina io maraina io ny fihanianana ho filoham-pirenena  ao anatin’ny Repoblika fahefatra. »Tsy hanao hazalambo aho » hoy Rajaonarimampiana tamin’ny lahateniny, midika ve izany fa hampody ny filoha Ravalomanana izy? Ny azo ambara aloha dia tsy hampody an-dRavalomanana izany izy noho ireto antony ireto.Efa nanambara ny tenany fa tsy laharam-pahamehana ho azy izany fa ny vahoaka 20 tapitsisa aloha. Faharoa dia isan’ireo mpanongam-panjakana niaraka tamin’i Andry Rajoelina ny tenany koa tsy hanaiky velively hodian’ny filoha Rvalomanana mihitsy. Fahatelo, dia ireo « mpamatsy vola » na vahiny na malagasy tamin’ny fanonganam-panjakana dia mbola nanome volabe an-dRajaonarimampianina tamin’ny fampielezan-kevitra farany teo. Fahaefatra dia ny Frantsay hatrany no mibaiko an’ny an’ity « saribakoliny » ity koa dia fandrebirebena no ataony.

Nampitolagaga ny maro ihany koa ny nahita an-dRobinson Jean-Louis nanatrika ity fihanianana ity. Robinson anefa dia nanitrikitrika fa halabato bevata no nahalany an’ny Hery Rajaonarimampianina, inona no tambin’ity fihovan-kevitra manaram-penitra ity? namadika ny mpifidy azy Robinson Jean Louis. Toy izay koa i Mamy Rakotoarivelo izay nanaiky avy hatrany ny maha filoha azy, efa fantatry ny filoha Ravalomanana mialoha ve izao ka izay no nanalana azy tsy lehiben’ny delegasiona?

Ny mazava sy azo antoka aloha dia tsy nankatoavin’Antananarivo ity fihanianana ity. Hatramin’ny nampisy fihanianana teto Mahamasina, inty anio ity no vitsy vahoaka nanotrona indrindra. Midika ve izany fa tsy tian’Antananarivo izy ?

64 pensées sur “Hery Rajaonarimampianina : Nasehon’Antananarivo ny tsy fankatoavana azy”

  1. Mr Solo Razafy,

    Minia mikipy ve ianao fa tsy misy hirarahian’ny CI izany hoe vitsy olona izany ao Mahamasina.Io no lany ary navoakan’ny CES.Ampy ho an’ny CI izany.Io izany dia mazava fa lany i Hery Rajaonarimampianaina.Ny tsy fanekena izay dia mampidikizo ireo vahoaka ao amin’ny MAGRO ary tena fanaovana tsinotsinona ireo vahoaka ireo.Ajanony io MAGRO io.Asa aloha fa dia tsy hita teny Mahamasina i Neny Ravalomanana nefa hoy aho hatramin’izay varavarana iray io ahafahana’ny filoha Ravalomanana afaka mody.Dia ho gaga ve ianao raha tsy afaka mody izy indrindra amin’izao fihetsika ataoanareo ao amin’ny MAGRO izao???

  2. Zahay dia mbola manolotra hatrany ny toro-hevitra raha mety mba tsy ahafaty tanteraka ny mouvanse ra8!

    Henotsika iny ny kabarin’i Hery vaovao androany teo Mahamasina. Tsy nifidy azy izahay ary nahafantatra koa fa hala-bato be no anisan’ny nahalany azy. SAINGY efa neken’ny iraisam-pirenena izy ary efa lasa filoha.Misy toetra tsara hita taratra aminy ary enga anie ka tsy ho fitaka izany: olona nahita fianarana izy, mpandinika, tsy taitaim-bombina fa mandalina vao miteny, MISY FANATRE TENA, olona mahay, sns.

    Aleo izy hiasa ho tsaraina. Mifanohitra @ ilay DJ izy aloa hatreto (DJ bling bling, mpandihy, mpieboebo, be ambo po, tsy nandiha fianarana, tsy intellectuel,etc) ary efa nilaza fa hisokatra @ rehetra ny gouvernementa hatsangany!!

    Aleo mijery ny ho avy @ fifidianana maire de avelao hiasa i Hery vaovao, ity DJ ity no ho fahavalon’i Hery vaovao voalohany fa jereo tsara!

    I dokotera Robinson dia toa nanangana comité mpanohitra miaraka @ avana. Ary aiza izany ny rôle ny mouvanse ra8 izay manana député efa ho 30? I Robinson mijanona ho mpikambana @ antoko socialiste frantsay sady franc maçon tsy manana député na 1 aza no lasa ho mpitarika ny mpanohitra fa tsy ny mouvanse ra8 ?
    Ary aiza i neny lalao? Izy no tokony hitantana ny mpanohitra ka ny mouvanse ra8 no tokony hatanjaka amin’izany fa tsy ny avana!

    Rehefa tsy mety ny soso-kevitray dia ario, raha mety kosa mba dinio!

  3. AJANONY IO MAGRO IO……TSY HITONDRA SOA HOA ANAREO INTSONY IO ANDRIAMATOA MARC RAVALOMANANA.HITONDRA SOA HO ANAREO KOSA RAHA TOERANA AZO IVAROTANA NO ATAO HOE IZANY HOE ATSANGANA NY MAGRO TENA IZY.

  4. Na nisy hala-bato na tsia, ny fantatray dia président anisan’ny mpangalatra fahefàna no avelan’ny vahoaka hitondra ny firenena ! Président tsy matahotra manao sy mampiasa taratasy hosoko, ary président tsy mahay mitantana na dia oron’asa aza !

    Tia tanindrazana marina ve ireo lazaina fa vahoaka ireo ?

    Izahay dia tsy hanaiky, ary ho ataonay fantatr’izao tontolo izao ny tena fandehan’ny tantara, sy ny hoe olona tahaky ny ahoana io olona io !

    Ny mpamadika rehetra koa efa fantatray hatrany amboalohany daholo, ary ho avy ny fotoana « F », hanambaràna ny zavatra mampahonena vitan’izy ireo !

    TSY KILALAO NY TANINDRAZANA !

  5. kintanamanandrambo>>> aoka re ity fanenjehana lava reny ity.Tsy hitondra makaiza izany nofinofinao izany.Izahay dia anantena fa dia hanao ny ainy tsy ho zavatra ireo mouvance Ravalomanana hamerenana an’andriamato Marc Ravalomanana.Tsia no valiny.Io misy filoha vaovao izay nandalo fifidianana, sao lahy mba any no lalana ahafahan’ny filoha Ravalomanana Marc mody?Antso ho an’i Mme Lalao Ravalomanana, mandehana eny Mavoloha.Na ny zanakao lahy alefa any fa manolora ihany koa ianareo tanana.

  6. miarahaba antsika vahoaka malagasy nahazo filoha vao2,miarahaba antsika zanak’i dada voafitak’indray mahereza sy matanjaha fa safidy tsara ny an’i dr robinson,efa novohainy ny vavahady nandeanany teny mahamasina niaraha-tsika naita,ary gaga aho milaza nareo fa hoe:tsy miahino antsika ny sadc,ci tsika ato ary tsy mifampihaino koa dia mahereza hoaee

  7. Amiko logique amin’ny tenany Andriamatoa ra8 sy ny ekipany raha tsy tonga eny. natao daholo zay fomba rehetra tsy niverenany eto. Raha tsy ahataona olona instsony koa aloha dia tokony ajanona MAGRO ary dia azavaina amin’ny vahoaka arak’izay hoe ny ankamaroan’ny olona na ts tia an’io Filha io ary dia efa ts vonona iady intsony ka anjary aratraratra foana ny mahery fo.

    Misy fotoana tena ts maints anekena hoe nandamoaka izay natao ary aleo mangina. Hitako rariny raha mieritreritra ny hoaviny ra8 ary ts tokony andady hiditra eto zany fa aleo Gasikara ho eo refa ts ijoro ny vahoakany. Efa niady mafy izy. izay niaritra 5 taona tao Magro, ts tokonyn hanenina, fa niady ny ady tsara izy ireo fa tsy paradisa kanefa ny tany ka ts mandresy foana ny rariny.

  8. Mba havelao ity fitsikerana sy fanilihina ny fahadisoana any @ ny sasany ity.
    Ny fifidianana efa vita ary ny recours izay natao rehetra dia tsy nisy tafita io no izy efa neken’ny CI ary aoka ho marihina fa ny Mouvance Ravalomanana dia nisy solontena tany ary I Manandafy Rakotonirina no nitarika . Tompon’andraikitra voalohany @ izao toe-zavatra izao ny mouvance Ravalo sy ireo mpitarika teo @ ny magro izay lany andro t@ ny fitadiavan-tseza sy voninahitra t@ ny filoha ka nahilika daholo izay nanelingelina nefa izao ny vokany dimy taona tsy nahavita zavatra na iray aza.
    Marina fanisy ny hala-bato na izany aza tsy maintsy hetrehina ny zava misy ka avelao izay manana hevitra hafa hampamerina ny filoha Ravalomanana sy hamoaka ireo gadra politika hanao izay hitany fa ho mety satria ra ireo mpitarika ao @ ny magro no handrasana dia na ho folo taona aza tsy hisy fiovany ka n’iza na iza na i JLR na Camille Vital na Hery no hamerina ireo sesi-tany sy hamoaka ireo gadra politika dia mety daholo ka mba tetika hafa hampiasaina ary havelao ny fitsikerana ny hafa satria efa tsy nahavita ianareo tao @ ny magro

  9. Tsy manome tsiny an’i JLR aho : FAIR PLAY ny azy.
    Ny Vahoaka malagasy mihintsy no efa KIVY ( Tsisy Motivation sy Conviction na toa ny voatsinampy aza) ); no sady TSY MIRAHARAHA NY HO AVINY intsony:

    – Tsy hita hoe MPANOHITRA tsy hita hoe MPANKATO.
    C’est nul!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
    – Elément neutre.

    Etsy andaniny:

    – Tsy azo hatao sorona na AROSO anaty « abattoir humain »‘ny frantsay akory ny VAHOAKA MALAGASY MAGROÏSTE. Manjary lasa responsable direct izy (JLR) raha mitondra vahoaka hiatrika miaramilaharena(vola) efa voakarama hamono.

  10. Kintana ô! misaoatra anao manohy ny tokony atao satria tena mora mivadika daholo ireto olona sa re dia tena kentrona e!
    Lafrantsa reninkelin-dozatra anie ka efa ela no nanomana fanonganana ny filoha M.Ravalomanana e: kanefa dia toa tsy mety tonga an–tsain’ireo miseho be resaka @ serasera eto. Dia izao voapetraky ny mpanjanaka izao ny sovaliny vaovao voavidiny mora foana: efa « congénitale » mihintsy angamba ny fisolelafana ny frantsay ho any sasany tsy azo antsoina intsony akory hoe malagasy fa ….aleo tsy tononina….satria ny makorela aza mbola mihaja noho ireo mpivarotra tanindrazana.
    Ho taon-jato firy indray no mbola hianjadiany « colonsiation française » @ firenena ???
    Ny malagasy angamba no anisany karazan’olona tsy hisy intsony atsy ho atsy …. »en voie de disparition…programmée par les français…
    Aza manody rehefa osa,jamba sy be taraina @ toko sy andininy tantarany sasany ka mitalaho ny potika fako nalohany mpanjanaka sisa dia mahonena mitanisa ny « merci m’sié »
    Safidiny izay tia hanompo frantsya izao no mianjady @ vahoaka very tantra su haja.
    Aza ny filoha M.Ravalomanana sy ny fiankaviany no teren’ireo kentrona hamarotra tena hisolelaka ny mapmotra tanindrazana: manana ny haja sy hasiny io fiankaviana io izay any sisa mbola mitana ny mah malagays azy.
    Atao ny tsy hiherika ny vaovaom-prenena fa raha samy hiala-pà di avo maika koa zav-doza ny hitranga.

  11. Misy marina ny voalazanao io ambony io indrindra ilay resaka « sorona ».
    Manana dia manana fandavan-tena tokoa ny vahoaka fa saingy ilay MPITARIKA no tena
    FANETRIBE dia io voalazan’i SOLO RAZAFY io fa i MAMY Be NANGY io no tena tompon’andraikitra
    VOALOHANY ary 100% @’izao fahavoazana izao, ny nampalahelo anefa dia tsisy nihaino,izao efa tara!!
    Io izy mitonon-tena io ity kotovelo, ary mbola tena mampalahelo dia efa MBA nodakana aza izy mbola nasiana
    FIALAN-TSINY IHANY ny nanalana azy nefa efa hita fa nilaoazany NINONO tany @ RENIKELINY tany nefa ny
    FIRENENA mbola miady t@ ala-bato.
    AMIKO NY FANEKENA ITY MANGIDY ITY HATR@ VOALOHANY NO TENA LESOKA TSY AZO HARENINA.
    dia iza no mibata ny taolam-be sy mitapaka???ny vahoaka!tsy ny vahoaka mihintsy no nankasitraka ity mangidy
    teo fa TERENA hanaiky fotsiny ny olona hanaiky iny BOLOKIM-POZA INY.MAHONENA!!!

  12. Fanenjehana inona moa ? Ho lazainay amin’izay tokony hahafantatra ny zava-nisy rehetra ! Tsy fanenjehana izany fa filazàna ny marina, ary tsy lainga noforonina toy ny fanaon’ny foza !

    Izahay tsy hanongana an’ilay Hery amin’ny alàlan’ny hery !

    Izahay tsy hanaiky mpanao hosoka ê !

    Izahay tsy mpanao paolitika, ary tsy mpikambana ao anatin’ny Mouvance Ravalomanana na Zanak’iDada, na koa Avana !

    Mangataka an’ny Filoha Ravalomanana fotsiny izahay, mba hanaofoana an’izany hoe Mouvance Ravalomanana izany, satria ireo mpikambana tao rehefa tsy nahavita sy nanao an’izay tokony ho atao nandritr’ilay tondrozotra, dia toa mbola ity indray hiara-hitakosona amin’ny olona maloto, ary hiankoaka eo anatrehany.

    Ny hoavin’ny tanindrazanay sy firenenay aloha no jerenay voalohany, ary izahay hijoro lalandava amin’ny maha mpiaro ny ara-dalàna an’ny tenanay !

    Anjaran’ny Filoha Ravalomanana no mandinika ny hoaviny, sy ny milaza amin’ny vahoaka raha mbola tiany ho voahosom-potaka ny anarany.

    Mbola vonona ny hiaro ny ara-dalàna ve ny tenany, fa amin’ny fomba ara-dalàna sy MANARA-PENITRA ?

  13. Raha i Radoko indray ???efa hatr@ voalohany aho no efa TSY NIRAIKA taminy!!!
    Indrindra raha vao henoko fa francmacon lery dia efa tsssss ary tsy fantatry dada ve zany?
    Ataoko fa EFA MBA TONGA SAINA KOSA DADA zao e! ny @ kotovelo sy dokotera ny SADC ny CI sns…
    MBOLA MIASA ANDRIAMANITRA e!!MBOLA MANAVAKA NY VARY SY TSIPARIFARY.
    TANY MASINA IO e!!!ASAKASAK’IZAY MANAO RATSY AO!HIFAMPITAZANA ETO !!
    Aiza daholo no asiana ireto MPISOLELAKA ???avelao handeha ho tazamina.

  14. Eto kosa dia tsy haiko ny tsy hisaotra an’i Solo Razafy @’ilay vao2 TSY MITONGILANA,
    dia miala tsiny za @’ilay fitsaratsarana Mydago a!!azafady tompoko!!hitako izao fa mahitsy ianareo
    matoa sahy mamoaka izao vao2 marina izao, AZAFADY TOMPOKO MYDAGO!

  15. Miarahaba an’i Madagascar, ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka na ireo kamboty velon-dRay aza noho izao nahazoana Filoha endry sy mahay ary indrindra matahotra ny Tompo izao.Mba jereo re ity fahendren’ity rangahy be judoka natolotrareo ity e!misy saina anie io hoy nareo é!!!ary hita marina izany ankehitriny,fantany fa diso lalana izy; ka raha toa mbola ho tohizanareo ity magro ity,maninona raha manakaiky ranomasina Mozambika ianareo(ex: Toliara na Morondava)mety hisy chance mahita sambo hamonjena an’i dadanareo sa ahoana????fa dia mbola ho lotonareo foana ve Behoririka sy alarobia é??aoka re zay é!

  16. Izao fotsiny ê : TSY NY LEHILAHY IRERY NO FOSITRA TAO ! AZA ADINO !!!

    OLONA TSY VONONA NY HIARO NY FIRENENA, ZO SY TOMBONTSOAM-BAHOAKA IZAY REHETRA MIARA-MIASA AMIN’IREO MPANGALATRA IREO (MPANGALA-PAHEFÀNA, MPANGALA-BATO, ARY TSY VOATANISA NY SISA NO IZANY DIA ATAO HOE ETSETRA ETSETRA ) !!!

    DIS-MOI QUI TU FREQUENTES, ET….. HOY NY SASANY IZAY !!! NY MPIARO NY ARA-DALÀNA TSY VIDIANA AMIN’NY VOLA SY NY SISA NA DIA ANTSOINA HOE KARAMA AZA IZANY VOLA IZANY !!!

    REHEFA MANDRAY KARAMA AVY AMAN’OLONA, DIA EFA MPANOMPONY ARY MANAIKY NY BAIKONY NO DIKAN’IZANY !!

    RESAK’ADALA ITY FILAZÀNA FA MPANOHITRA KANEFA MIARA-MISAOSY ITY !

    TSY TAO ANATIN’NY GOVERNEMANTAN’ I VICHY, I DE GAULLE NO NANOHITRA AN’I PETAIN, SAO DIA MBA METY MAHASOA AN’IREO MILAZA NY TENANY HO MPANOHITRA IREO NY FAHAFANTARANA AN’IZANY !!

    Natao inona fotsiny ireo porofo,, rehefa nilaza fa nisy ny « fraudes massives » ?
    Nahoana no tsy navadika ho « armes de refus massives » ireo porofo ireo ?

  17. o ry raditra.marina ny teninao eo tsy Antananarivo irery no madagasikara.nefa tokony ho fantatrao koa fa Antananarivo anie fivondronan’ny malagasy iray manontolo e.na ny andrefana.na ny atsimo.na ny avaratra.na ny atsinanana dia hita ao daolo.jereo fotsiny ny resultat ny éléction teny 67ha dia anjaranao no mandinika oe iza zany no tokony lany.

  18. Eny oooo – mahazo miteny daholo ze te hiteny rehetra fa ny fifidianana ihany no ahalalana hoe iza no alambahoaka sy tiambahoaka. Ny resy tsy akoraina, ny maharesy tsy hobiana, amin’ny 5 taona manaraka indray manao raha mbola sahy eh. Fa zao aloha « silence !!! on tourne »…

  19. Zao no mba teneniko amintsika rehetra zanak’i DADA fa tsy i Robinson mpamadika intsony.Aza kivy fa i RAVALOMANANA ihany ny antsika, na hivadika daholo aza izay te-hivadika fa misy farany daholo ny zavatra rehetra.Manarakizany ny tena mahasosotra sy manirikiry dia i Robinson ilay niteny woe:AMINY SABOTSY NO MIFANKAHITA HANAO DEMONSTRATION DEFORCE AO AMINY MAGROS, ka hay izy ity, AMINY ASABOTSY NO HANAIKY NY FANDRESENY I FERY VAO, tena tsy mena mivadika i leiry fa tsy mampaninona;I koto be LELO indray dia efa ela no mody manao cinéma fa ny mena sofina dia akamany tsara mihitsy, fa ny tena mampalahelo ny havantsika PREZIDA RAVALOMANANA, tsy nampoiziny velively fa hay JODASY daholo ireo nampoiziny hiaraka taminy.Akory atao, tsy mampaninona, fa ny zavatra rehetra misy farany daholo, ary masina ny tanindrazana.Raha tena dinihana izany dia laza FOZA daholo ireo nampoizina hiaraka aminy PREZIDA RAVALOMANANA.FA izaho manokana RASAMY dia tsy miala aminy RAVALOMANANA na misy inona na misy inona.Tsy fombanay izany mamadika izany.Ary tandremo fa manody ireny famadihana ireny noho ny FTIAVAN-TENA, jerevo daholo ireo namadika any i Ravalomanana no niafaràny.

    IZAHAY TSY MIALA AMINY RAVALOMANANA
    NA NAMADIKA AZA IREO NAMANA
    TADIDIVO ARY ATAOVY AO ANTINY LOHA
    FA IZAY MAMADIKA DIA MBOLA HAVADIKA TOKOA
    SAO HIANAREO MIHEVITRA RY RAKOTOARIVELO SY ROBINSON
    FA HITONDRA FAHASAMBARANA MAHAFINARITRA ANAREO IZAO FAMADIHANA TENA CON
    ARY TSAROVY TSARA AMINY ANDRO MANARAKA ANY
    FA MBOLA HATSIARO NY RATSY NATAONAREO TAMINY RAVALOMANANA RAHA MBOLA TANY KOA NY TANY
    MITODIKA MANOKANA ANAO IZAHO ROBINSON TAMINY NAMITAHANAO NY VAHOAKA WOE AMINY ASABOTSY MIFANKAHITA
    HAY HIANAO ITY, MBA LEHILAHY LEHIBE IHANY, NEFA TENA DOBO TSIRIKA
    KATSAKA AHY WOE, VOANJOBORY
    KA HAY HIANAREO IRETO TENA OLONA MPAMADIKA MANOROSORY
    ARY MARINA MIHITSY FA HAY HIANAO ITY TENA FRANC MACON
    TSY MAHAGAGA INTSONY NY ANARANAO AZA ATAO WOE ROBINSON
    TSY HIGOKA INDRAY ZAO HIANAO MONSIEUR L’IVROGNE
    AMINITY FANDRESENY I HERY VAO COMME TU ES SANS VERGOGNE
    BE RESAKA FOTSINY BE BLA BLA BLA
    HAY IZY ITY HITA MIHITSY WOE MIALA PAS
    KA HO ANTSIKA REHETRA MIANDANY AMINY RAVALOMANANA
    MITOHY FOANA NY TOLONA NA LANY AZA NY HANANA AO ANTSINANA

  20. rasamy >> voalazanao tanteraka ny zava-misy koa aoka samy hampita amin’ireo namana,
    mpamadika tsy misy ilana azy daholo, fanahy iniany natao ireny mamo nalaina sary ireny zany hanalana baraka hi-ridiculiser-na ny movansa Ravalo mpanohana azy

  21. Tiako be daholo ny zanak’i dada ato izany fa tena mitovy fijery.
    Misy efa matahotra an’i MAGRO sahady hihihi!!MITSINGILAHILA SAHADY ANGAHA
    ILAY SEZA NOVIDINA t@ VOLAM-BAHOAKA???HAHAHAAAA

    Tsy nahandry andro Zoma anie hono no tsy nanirian’ny nifin’akoho hatr@’izao e!!ho anreo
    mpamadika ireo izany tompoko!!MAZOTOA MIOSIm-POTAKA e!!!

  22. VITA @ IZAY IALAHY RY ANDRY KELY FA TSY MISY MIARAMILA HIARO ANIALAHY INTSONY EO?HO HITANAY FOANA NY TRACE-N-IALAHY NA ETO MADAGASCAR IALAHY NA ANY AN-DAFY.NY TSARA AMIN-IALAHY DIA NY MIAKATRA ANY AN-DANITRA FA ANY IALAHY EN SECURITE KOKOA FA RAHA MBOLA ETO AMBONINY TANY LESY IALAHY DIA VITA MATAVY AH

  23. Izahay tsy nitsahatra niteny fa ilay nomena fitondràna androany dia foza nivarotra tanindrazana, mpandika Lalàna sy mpanongam-panjakàna !
    – Affaire BNI-CL
    – Affaire AIr-Mad satria ny azoma teo izy dia mbola PCA-n’ny Air Mad, ary ny kabinetrany AA-CGA no MOBLA MIKARAKARA NY KAONTIN’NY AIR MAD, IZAY TSY SAHY NAMOAKA NY BILAN-NY 2012 ATRAMIN’IZAO !

    Ny La Gazette DGI aza dia mba kivy ihany koa, satria niara-nivarotra tanindrazana sy NANDIKA NY TONDROZOTRA NIARAKA TAMIN’I HAJO ANDRIANAINARIVELO ILAY FERY VAON’I MADAGASIKARA ! FERY IZAY HO LASA OMA-MIADANA !

    Azo ekena ve izany rehetra izany ? TSIA DIA TSIA TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY !
    AIZA DAHOLO NY MPAHAY LALÀNA REHETRA, SY NY FITSARÀNA ?

    http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&task=view&id=34400&Itemid=55

  24. MBA JERENAREO TSARA ANIE ILAY SARINY HERY RABLABLABLA FA MAHIA KELY IZAO EH.FA AFAKA HERINTAONA IO DIA MATAVY BE ?SATRIA DIA IHINANA NY VOLAM-BAHOAKA NDRAY KOA.DIA HANAO TOURS DU MONDE HOATRANY I BOAY KELY.DIA MIVIDY ENTANA EN ESPECES NO SADY DE MARQUE ANY @ MAGAZAY ANY AN-DAFY TOA ANY I BOAY KELY KOA AH;TSY METY MAMPIASA CHEQUES I BOAY KELY REHEFA MANAO SHOPPING ANY AN-DAFY FA SAO MISY TRACE HONO,T@ IZY SY NY FORONGONY TANY AMERIKA MOA DIA NANAO0 LA VIE MIHINTSY EH,MILLION DE DOLLARDS NO LANINY AH,HOTEL LUXE.SHOPPING AMINA MAGAZAY LUXE,TOURISTES LUXE,TOKONY ALAINA AMINY BOAY KELY AMIZAY IRENY REHETRA IRENY AN !MIAMPY NY TRANO NANMBOARINY SY NOVIDIANY ANY AN-DAFY

  25. ieeeeeh!marina tokoa izany ry fozaorana ah!misy namako izay mantsy miasa ao @ douane tamatave ao dia milaza io olona io fa ny entana nalefan’i andry avy an-dafy ho azy hono dia hataony @ anaran’olon-kafa nefa izy no nividy azy tany an-dafy tany ah!fa ilay tranony any maurice koa mantsy trano be an!lany oa ny volam-bahoaka eh;tongava saina @izay isika malagasy oa!!!!!!!

  26. s’abonner au flux des dépêches18h03>

    ACCIDENT MORTEL : 

    Un cortège en provenance du palais d’Iavoloha a renversé hier, du côté d’Ankadindrantombo, un enfant de six ans. Transporté d’urgence à l’hôpital, l’enfant a succombé à ses blessures en milieu d’après-midi.

  27. Iza no PM ?
    – Andry
    – Norbert
    – Pety
    – Razanakisoa
    sa Dolin satria efa Fianar indray zany zao no ao .
    Miareta tsara ry gasy vendrana isany , ny vatolahy mamany ro atao hoe paompy.

  28. Tena mampiomehy le fomba fanehoankevitra ataonareo mydago. Fa tao anaty fitondrana niarakomana taminy ianareo tsy nahatafaverina an’i Dada dia izy ve izao no mitondra sady eken’ny iraisam-pirenena dia mbola manantena inona ianareo?
    Mandeha indray izao ny hevitra ho anareo mpitondra ny movansa fa tokony hiditra hiara-mitantana dia izay no hamerenana an’i Dada: mampalahelo. Efa tena midina izao ny kaotin’i Dada ka dia ny tianareo dia ny hampiverina azy hanosika bisikileta angambany.
    Aza variana manenjika olona ry mydago fa izao ataonareo izao no efa mankaleo ny olona satria tsy izahay mpitolona anie no nampiakatra an’i JLR teo fa ianareo mpitarika e.
    Aza mifanenjika fa ny fahadisoana dia tsy ho anay izay nitolona nadritra ny 5 taona fa ianareo zay niarakomana tao.Raha mbola lany andro mijery olona ianareo fa tsy mandinitena oe fa naninona no tonga amin’izao dia inona no tokony hanarenena ny tsy mety rehetra dieny izao satria ho avy ny fifidianana maire dia mbola ho Teo Iany no Miverina ihany raha tsy fantatra inona no anton’ny echec. Ambava homana ampo mieritra.

  29. illuminati7
    maninona tsy ny fiteninao sy ny fanaovanao tsinotsinona ny olona no hajananona. Mila tohiza hatrany ny MAGRO ary tsy maintsy mitady lalana isan-karazany.

  30. HO ANAREO IZAY POUR ANI HERY RABLABLABLA DIA TSAHIVO FA VIZANA EO FOTSINY IANAREO SATRIA IZY TSY HIJERY AF-TSY NY FIANANKAVIANY FA TSY HIJERY IREO OLONA POUR AZY ETO AMINY FORUM.KOA DIA TSOTRA IHANY NY TENIKO AZA MANDANY FOTOANA ETO IANREO POUR TGV FA IZAY HINANAM-BARY RAHAMPITSO BANJININA?ET LA MISERE CONTINUE ENCORE ,MANDRAM-PAHATAPITRA FOFONAINA ANAREO

  31. zao a raha ijoro ho mpanohitra dia ovao ny strategie
    1-ialao ireo goaik’antitra mora sepotra ireo mataotra krimozena
    2-aleo iakatra ny jeune k’anomboana azy ny election maire manerana ny nosx
    raha vita,raha tsia fidio ireo toerana azo antoka andresena
    3-atsaharo ny blabla eo @magro sao hotsarain’ny vahoaka @zay lazainao ianao ho tahaka an’ing robinson
    4-mijoroa ho tena mpanoitra ka ataovy @fahanginana ny zava-drehetra fa tsy voatery miteny foana vao hoe:mpanohitra,ary arosoy eo anatrean’ny vahoaka zay masaka,fa mora ny miady @olona be vava

  32. T@ 7 maraina ve alo ity sary ity no nalain Zefa e! Ny zavatra lazainy eto mantsy matetika de tsy ny tena izy fa amboariny @zay mahamety azy (otran le Palais an foza ao Maorisy), tsy gaga za raha izao no niafaran’ny tolona satria olona toy itony ve no miara-miasa @ Dada. Tohizy tompoko fa tsy ho in-droa nahita ny maizina toy ny tain’omby natsetsina lava-bary ianareo fa tena tsy ho tafavoaka ny maizina intsony mihintsy.

  33. Mbola voaporofo androany fa tsy mamimbahoaka io Hery io satria dia vitsy ny olona tonga teny Mahamasina androany. Tadidio fa ny investiture rehetra nisy teto @ firenena dia feno ny kianja Mahamasina depuis 1959 afa-tsy ny t@ ity indray mitoraka ity. Izany dia mampiseho ny hala-bato ka nahatonga azy teo @ io toerana io.

    Ny ahy ny souci ko dia izao, moa ve Andriamanitra handrotsaka ny fitahiany @ filohampirenena iray tonga @ izany toerana izany @ alalan’ny hala-bato sy osoka? Tsia ny valiny, mbola hafa ny filoha homban’ny fitrahian’Andriamanitra sy ampisehoany fahagagana.Fa ny halatra sy hosoka dia ny devoly no tompomarika @ izany koa dia matahotra aho.

    Ny zavatra mananontanona dia izao, vao mainka hihalalina ny crise sy ny fahantrana ary indrindra ny insécurité. Jereo fotsiny fa ny andro anaovan’io rangahy io fihanihanana dia efa niakatra be sahady ny vidimpiainana sy ny lasantsy. Olona tsy mahatakatra ary tsy compétent akory @ fanadiovana tanàna fa dia nanao fianianana tao anaty zaoridira be velarana sy avo be sahala @ tendrombohitra sady maimbo dia maimbo.

    Ny ahy dia izao ihany , ny filohampirenena hajaina Andriamatoa Marc RAVALOMANANA ihany ny ahy no filohampirenena nahavita azy .Ary tsy mbola nisy filohampirenena sahala @ hatrizay hatrizay. Malahelo azy ny vahoaka ary dia tena manque azy ny firenena sy ny développement local. Mbola aiza t@ androndRavalomanana , nenetinety ery ny activités libérales , velombelombolo ery ny vahoaka Malagasy, mipetrapetraka ny disciplines, ary indrindra tsy nisy veively izany hoe jiolahy mitondra basy Kalachnicov manafika tokantrano izany.

    Izao ny ahy no teniko : HO ELA VELONA ARY HO ELA FANAPAHANA AMIN’ITY TANY ITY NY FILOHAMPIRENENENA HAJAINA ANDRIAMATOA MARC RAVALOMANANA MIVADY , RAY AMANDRENY MALALAN’NY FIRENENA MALAGASY.

    Mivavaka ho anao izahay Andriamatoa filohampirenena Marc RAVALOMANANA Mianakavy.Jesoa Kristy Tompon’ny fiadanana anie hampandresy anareo ary hanome hery anareo mandrakariva hiadanan’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo.

  34. Misy teny izay ao @ Baiboly manao hoe « Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina. » Eks 14:14 Fony Isiraely niala tany Egypta (andeva ka tsy nahay nitana fiadiana akory) ka nifanandrina t@ Egyptiana. Mbola naverin’Andriamanitra ihany io fitenenana io rehefa hiditra ny tany kanana ny Isiraelita « Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo » Deot 1:30
    Aoka hangina dia hiditra an-tsehatra Andriamanitra. Hoy ny Ntaolo hoe « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andriko ihany »

  35. « ny fihevitro tsy fihevitrareo »
    ka inona no tsara president (mpanjaka)nangalatra dia lasa nibebaka sa president nanao ny marina dia lasa mangalatra???Tsarovy fa zany resaka hoe:a/tra tsy andrinareo andrinay tokony tsy nifidy zany ianao(isika)satria a/tra mihintsy no anome azy ny fahefana.Ary a/tra tsy maneo fahagagana zany tsony @zao dia ho sitrany ve ny ijalian’ny 95%malagasy???Aza afangaro ny asan’a/tra sy ny andraikitsika tsirairay,ary efa nitsahatra t@ andro ny solomonina mpanjaka ny fametrahana mivantana ny mpanjaka t@ zany andro izany,fa ankehitriny kosa dia feon’ny fieritreretana sisa nefa ny ankamaroan-tsika maty heritreritra noho ny asarotan’ny fiainana sy ny fitiavan-tena

  36. inona no mampivouvou an’i illuminati7
    « hajanony » oe ê?
    tahotra sinon mihevitra ampiasa HERYmpamoretana izato izy!?

    Avy aty Ampefiloha ho eny Amparibe aho tanikeo à 11h,
    nandalo nanavatsava an’i Mahamasina

    mpiloka mena-mahazo na lahy na vavy
    &
    olo-mahantra manao fampisehoana pôvre hisintona mason’ny mpandalo

    NO MBA HITAKO ety amoron’ny zaridaina anosy sy tanimbarin’andriana

    ==> je vous dis: RIEN zéro-air-de-fête
    ny tao anatiny aza moa babangoana
    ny ety ivelany tsy misy mitazana na intéressé na ny pitiny aza!!!

  37. Aleo izay ande ande fa ts maninon zany e. Manana antoko i Ra8 ary betsak ny olo-manga ka ts tokony kivy @izany. Aleo mijanona mpanohitr hatrany ary tazomina hatramin’ny farany ny foto-kevitra ijoroan’ny mouvance. TSY TAPITRA androany ny andro fa ny TANTARA dia mbol hitohy ny raharaham-pirenena torak’izany ary ny fifidianana dia hisy foan isaky ny 5 TAONA. Ka aleo manatsar ny image-ny mouvance hatrany mba ho mamy hoditra @ fitantanana ny raharaham-pirenena. Mila ajaina ny vahoaka nametrak fitokisana t@ ireo candidat depiote antsik.

  38. Ny mahafinaritra dia manomboka mahay manaiky isika,tsy ny fanekena ny fanjakana mijoro anefa,fa ny fanekena ny fitantanan’andriamanitra.tsy hoe koa raha mijoro ny fitondrana dia hoe manaiky anio Andriamanitra,minoa ahy hianareo fa misy zavatra tian’Andriamanitra hanehoany ny voninahiny amin’ny izay manaiky izany fitantanany izany,aza kivy ry mpitolona ary aoka isika hahery hitolona ambavaka hatrany.Homba antsika Andriamanitra.

  39. Tsy nisy Malagasy teto ka sahy nampiasa vola sy nanokatra orin’asa goava sy lehibe ka ny Malagasy mitovy aminy no mpiasa ao, ry mpanongam-panjakana kosa voky vola na bois de rose sy volam-panjakana dia manamboatra villa any DHUBAI, MAURICE, FRANCE, SnS… ireo mpanongam-panjakana sy mpagala-batom-pifidianana ireo dia fehezin’ny frantay sy karana, ka raha ireo no lazaina fa hery vaovao dia sao lahy diso fanantenana ianao. ny frantay sy karana tsy hamela anao hisondrotra zany fa zay ataovy ao an-tsaina, zay no antony nanakaramany ny miaramila GASY hamono malagay mitovy aminy teo Ambohitsirohitra mba hamotehina an’i FILOHA Ravalomanana, mba ity zà eto fa tsy aharitra 5ans zany io fitondrana tsy tian’Antananarivo io,

  40. Ary raha mba tsy nameno tribune kosa ireo tera-tany vahiny, sy ireo tonga avy any anindrana, iza no mba hanotrona teny ? Sa dia ho terena toy ny fanaon’i deba taloha ??
    Iza ireo niazakazaka nanotrona, ankaotr’ireo mitady seza sy vady be na kely ( jereo ny sary navoakan’i Madagascar Tribune ) ?

    Resaka sary ihany : Dia tena tsy menatra mihintsy ialahy ry Benja A. amin’ity famadihana palitao ity ! Ho lasa ministry ny fitanterana izany ?? Tsssssssss !!!

  41. manandafy y était,
    rakotoarivelo y était…
    Le plus intelligent à faire était d’inviter au Magro et dans les rues adjacentes toutes les personnes n’ayant pas voté pour le Fery au lieu d’aller à cette investiture. Une histoire de montrer que les gradins vides s’expliquent par l’adhésion au refus de la tricherie.
    Au lieu de ça, les cons se sont refugiés dans un pseudo jeu d’apaisement.

  42. Hadinoy le Villa any maurice fa mampiesona fotsiny villa tany Texas no nalaina sary. Mino koa za fa ny sisa lainga daholo entina amahanan-dalitra fostiny. Dia ny zefakely manaraka ambokony fotsiny.
    Bois de rose …sns no tanisainy eto fa angaha hadinonarareo Daiwoo, sy force one? ohatra fotsiny reo. Silo port de tamatave… Mpivarotra gisa tany taminy krismasy aza treromina tsy hivarotra fa ny an- dr8 no tasy maintsy vidiana… taiza daholo ianreo tamin’izany ee

    Ra tsy feno mahamasina manin moa? ny cotiers anie no nifidy an’i Hery e, ary izany ny fahadisoan dr8. Tsy nanampy ny mpomba azy fa ny tenany ihany.

    Namadika hono Dokotera – aiza re zany ee…ce ne sont que les imbeciles qui ne change ps d’avis ? le olona mba tongasaina.

    Hoe hamita an AR hono fa efa tsy misy mpiaro. Izany ve ny ao anty lohanareo aiza ianareo no handroso? ka ts handramana ho hita eo… Betsak anie ny Kyouk Soul Deba mba tezitra tamin r8 fa manaja tena daholo e?
    Zao avelao ny gasy mba hiaina amizay fa efa nijaly loatra ……Mandehana any Magro ze te ho any …na afindrao any Morondava Magro any akaiky an dr8….

  43. Mifezaka ny foza, dia mampiady tanindrana sy merina !
    Ny paiso no mihino an’izay rediredinareo !

    IZAO FOTSINY : BORAMENA SY NIONDRIKA NY MENASOFINA MPANOHANA JIOLAHY, REHEFA NASEHO NY POROFO ARY NAZAVAINA TAMIN-DRY ZAREO NY TOE-JAVATRA !

    HO HITA EO NY TOHINY, FA NY TANTARA TSY HO VOAFAFA AMIN’NY GAOMA !

  44. MILA TOHIZINA FOANA NY MAGRO NA INONA ZAVA-MISEHO, AZA KIVY ISIKA RAHA MBOLA EO NY FITIAVANA TANINDRAZANA SY NY ADY @ FAHAMARINANA.
    TSARA ISIKA MIOMANA DIENY ZAO @ FIFIDIANANA BEN’NY TANANA MBA HANOHANA AN’i JAMES RATSIMA na SATROBORY .
    TSARA ISIKA MIANTSO AN’i JAMES RATSIMA (FRONT PATRIOTIQUE de MADAGASCAR) ho ao @ MAGRO satria izy no olona mijoro zao mampiseho ny marina rehetra.
    MAHEREZA DAHOLO ISIKA ZANAK’I DADA

  45. OADRAY

    Adinoko

    ni C.I. i illuminat/Denise etsy ambony dia tst iza akory fa ireto afrikana mpisolelaka sy vaofidy basy ny fransafrika…

    Tsy hilaina manondrona zana-jiolahy isany !!!!!!!!!

    BRAVOOOOOOOOOOOOOOO LALAO !!!!!!!!!!!!

  46. Fa tiako nama ity sary ity a!
    F’angaha tsy nizara t-shirt no tsy nahazo olona? Sa tafakatra dia adino ireny olona ireny?
    Sa hoe mahamenatra i rossy dia tsy nakarina an-tsehatra? mety mba nahasarika olona ihany anie e!
    dia nankaiza ry poopy, ry dama, ry bekoto, ry dadah, ry nono, ry fafah, ry samoela, sns., raha nahamenatra lery? Sa lery mihitsy no niavona satria efa lasa depité?
    ary tsy nikozy2 ny dépité rossy t@ ireny zanaka mapar nipoahan’ny grenade ireny an! sa adino sahady hoe iza izy ireny?

  47. AZA ADINO FA IZAY TSY TIAN’NY ETO TANA DIA TSY MATEZA MIHITSY E….
    RAHA TSY HOE MIOVA TANTERAKA ANGAHA ……NEFA DIA HO SAROTRA TTERAKA IZANY E….
    RAHA MBOLA LA FRANTSA NO NAMETRAKA ANAO TEO….

  48. ekeko fa tsy antananarivo irery no madagasikara; fa izay notsipahin antananarivo niongana daholo. izao ary asaivo miala amin antananarivo na aza asaina manao zavatra mihitsy eto antananarivo hery rajaonarimampianina dia ho hitantsika ny hiafarany. kianjan’mahamasina tsy feno? ny vendrana sy ny tsy misy hatao no nandany andro teny. zaho koa tsy nifidy an jean louis robinson fa lohana metisy tsy tiako. tsy nandray anjara zaho na 1er tour na 2eme tour .kandida foza orana be daholo ireny .fifidianana fandrebirebena ny gasy ireny.zavatra hafa no ndao hatao.

  49. ary aza maika fa mbola mandinika antananarivo . ho avy tsy ho ela ka.aza hadino fa ratsiraka nilaza fa lany t@ 62% t@ 1989 fa afaka roa taona dia vita;

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *