HILARION RARISON : RAHA MISY FIFANARAHANA DIA NY FAMPODIANA AN’I DADA ALOHA NO ZAVATRA ATAO

IMG_0312

IMG_0312Raha misy fifanarahana hoy ny Ct Hilarion Rarison androany Zoma 24 janoary 2014 teny amin’ny Magro Behoririka na ho an’ny movansa Ravalomanana na ho an’i Robinson dia ny fampodiana an’i dada aloha no zavatra atao.Raha tafaresaka tamin’ny filoha Ravalomanana ny tenako hoy izy omaly fa androany izy dia mbola misy fivoriana iarahany amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny vondrona Afrikana, dia nambarako azy fa in-efatra voafitaka ary nofatahin’ny Sadc troika isika. Eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny filohan’ny troika ka tereo ny delegasiona antsika eto Antananarivo hangataka fihaonana aminy hiresahana ny fampodiana anao. Nahatadidy tsara aho hoy Hilarion fa nosiavinao ny Ni  Ni , noterena i neny hiala, noterena hanohana kandida amin’ireo 33 ianao, na di anangidy taminay aza izany, kanefa mbola tsy misy ny fampodiana anao.Hatramin’izao hoy Hilarion dia efa manao fifanarahana ny dokotera Robinson, Ravatomanga amin’ny fampodiana an’i dada. Misy ihany koa ny fihaonana eo amin’ny ray amandreny am-panahy Lala Rasendrahasina izay filohan’ny Fjkm sy Hery Rajaonarimampianina izay mpino Fjkm. Vit ahoy izy ny fifamindram-pahefana izao ka tsy mitovy amin’ny tetezamita nentin-dRajoelina ny zavamisy amin’izao fotoana izao. Momba ny fanatrehana ny lanonana fametrahana an’i Hery eny Mahamasina rahampitso dia nambarany fa hahazo sms avy amin’ny filoha Ravalomanana izahay rahariva hatramin’ny 10ora alina, na ho eny na tsia. Raha ohatra hoy izy mandeha eny i neny. Matoa izy mandeha eny dia efa misy zavatra nifampirarahana natao. Raha tsy mandeha  eny izy dia tsy mbola nisy zavatra nifampiresahana. Noho izany dia anjarantsika eto no manapa-kevitra amin’ny fanohizana ny tolona. Raha mandeha i neny hoy ity mpanao politika ity dia fampodiana an’i dada satria misy solontenan’ny troika eto. Isika hoy izy nofitahina foana, niditra tao anaty governemanta fa tsynody izy. Matoa izy mankeny dia baiko avy amin’ny vadiny. Ny tsy nampody an’i dada tao anatin’ny tetezamita dia Rajoelina sy ny manamboninahitra. Izao Rajoelina efa tsy manam-pahefana intsony ary Hery tsy manana depiote fa isika manana. Ho hitantsika eo hoy izy rahampitso  fa raha tonga eny I neny dia mihoby isika fa mody I dada. Ankoatra izay dia nambarany fa efa mitsangana ny antsoina hoe mpanohitra ny fitondrana. Alaintsika hoy izy ny fahefan’ny mpanohitra. Namafin’ny Ct Hilarion fa tsy ho eny Mahamasina izy rahampitso fa nisafidy ny hijanona eny amin’ny Magro Behoririka.

20 pensées sur “HILARION RARISON : RAHA MISY FIFANARAHANA DIA NY FAMPODIANA AN’I DADA ALOHA NO ZAVATRA ATAO”

  1. Izaho no hiady izay miady ho anareoMatoky aho fa henona Andriamanitra izao.Aleho izy no hiady .Voahozona izay matoky olona.Tsy ny Ci na Sadec na Trika na JLr no AndriamanitraOlombelona daholo ireo ka eleo iska hivavaka hoany Firenena sy Familles Ravalomanana

  2. I Ravalo mihitsy no naif an, ho voafitaka fanindiminy indray izany nareo, toa tsy fantatrareo fa ny fanatrehan lalao io fotoana io no hampanan-danja azy , ny ankoatr’izay tsy misy dikany na iza na iza. Hi cautioné fifidianana maloto ndray izany
    Efa tsinjoko fa ny famitahana fahadimy dia hoe, ekeo ny filoha vaovao de mody ianao, dia hanaiky tokoa

  3. MAMO TE HODY. Mifanaraka ahoana e!

    Raha tsy adala, hifiran-dRa8 eo indray ohatran’ny t@ Dakar 1 & 2 (2002) sy t@ ilay resaka hoe mahazo mody RANENY hikarakara ny reniny fa tsy hiresaka pôlitika.

  4. FA TSY EFA NISY FIFANARAHANA FOANA ANGAHA HATR@’IZAY FA
    REHEFA VITA NY HILAN’NY ALIKA AZY DIA HIFIRANY AVY HATRANY ILAY
    FIFANEKENA, ARY IRENY ZAVA-NITRANGA t@ FAHATONGAVAn’i NENY SY NY VINANTONY IRENY
    NO VOKANY, dia ho terena indray i Neny HANIRATSIRANA IRETO VAHOAKA EFA MANGIDY NY HO
    ENTINY???SAO DIA TSY METY e!!!dia mbola ho fitahana fampiriny eo indray???i DIKOTERA NO TOKONY
    HO TOMPOn’ANTOKA IZAO FA TSY MILA MANDADY @ DEVOLY MIHINTSY I NENY NA MIOHAKA @’ireny
    FAKO TSY FAKA TARANAKA IRENY, AZAFADY TOMPOKO FA MBA MAHALALA MAHARARY NY VAHOAKA
    FA TSY TSIRATSIRAIBA LAVA TOY IZAO a!!!MBA AOKA HISY FETRANY ITY FANAOVANA TS’INONA2 NY
    VAHOAKA ity an!!AMPY IZAO KOSA ANGAMBA AN!!vita indray ny hilany an’i Neny eo dia ,Andraso aloha????

  5. ……de rehefa vitany indray ny hilany azy dia HIFIRANY TSARA indray.
    Ary mba aiza i dokotera e?raha vao tsy tonga talohan’iny fifidianana iny dada dia
    efa tokony NADABOKA ny rehetra, tsy sanatria mandatsa fa mba nofo sy rà ihany ny tena ary mahatsapa
    tsara ny fahorian’ireto vahoaka MANANTENA sy misy lava eto.
    I dokotera no tokony ho tompon’ andraikitra SISA @ FODIAn’i DADA fa izay no nifanarahana ny antony
    NANOHANANA azy.
    Ary toa vohizina tsikelikely foana koa hoe: « TSY MAPAR fa fery vao2 « ?maninona tsara daholo?amiko
    REFA FOZA DIA IRAY LASY ary MPANGALATRA SY MPANDROBA, amiko ohatry ny terena tsikeli2
    sa ankolaka ny vahoaka hanaiky fa « TSY JOELA NO LANY FA FERY VAO2″Izahay tsy manaiky io hatr@
    farany fa ala-bato io koa aza mampandry adrisa sahady an!!!Tsy hita mbamin’ny dia-tongotr’ ‘i Radoko!!
    Mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana dia tsy hita sahady???dada mody no nifanarahana an!!!

  6. o O R ILAY KELY ITY NY ALATRA T@ FIFIDIANANA NO RESAKA IZAO , KA MITARIKA NY VAHOAKA HO ENY MAHAMASINA HIHOAGAHOGA NY commmunauté internationale , Hvm ary Rajoelina ary i FABIUS , Manomboka @ orakoraka KA NA HIAFARA @ ORAKA AZA TSY MAODINY .

  7. NY ZAVA -MISY DIA VITA TEO NY FIHEDINEN-rajoelina !!Ireny sy toa ireny no very fanahy mbola velona ary may ny afo narehany !!
    nesorina tsy mahazo nandray anjara tamin’ny fifidianana ary izao dia manantena fa ho tendrena ho praiministra izy.
    Maro ireo Firenen-dehibe no nitsipaka ny fanaovana iny fifidianana manosihosy ny lalana ihombonana izay mampiray vy Firenena 197 ao amin’ny Firenena Mikabana
    Ny USA , ny Allemagne ,ny Japon Norvege nny Angjeterre ary io Firenena ao anatin’ny BGJC’S6 BRESIL ,RUSSIE,INDE, CHINE,SUD AFRIQUE_!
    Fjrenena manana ny maha izy azy ireo ary majoja sy manan-kery na min’ny isan’ny mponina , na fahaizana , na ny toekarena , na ny fanam-bola !
    Tadidio ny filamatry ny USA : »pas d’aide pour le développement là où il n’y a pas de respect de la démocratie « !
    Ireo maivan-doha eto madagasikara dia milaza fa midongy ny USA ! Fa nahoana izy no midongy ? Mba asandrato kely ny fisainana !
    Hatao ahoana ireo Malagasy mpamboly coton ? Ary ny USA no niantoko ny fividianana ny vokatra tamn’ny alalan’ny AGOA !
    Ho hitantsika koa hatraiza ny fahalalaha’ity mitondra napetraka eo anolohan’ty rajoelina lohan’angidina ity..
    Ho sahy hibaikobaiko ve ity manao saim-boto ity
    Olom-boafidy ity moterterna eo amin’ny seza-pitondrana na fifidiana hosoka aza no nahalany azy (tsy mbola natao ny fampitahana ny isam-bato avy amin’ny ankilany roa ary rajoelina anie ka tsy nahazo alalana nandray anjara tamin’ity fifidianana izay namboamboarin’ny namany ..
    Dia hanaiky ho baikon-drajoelina sy namany ve ity mpitondra ity ka hanaiky ho feheziny ?

  8. i Hery dia tsy avita izay hanarina an’ny Madagasikara eo akory.Noho izany dia tsy maintsy mila an’i RAVALOMANANA i Hery ho hanatsara ny fiainan’ny MALAGASY @ alalan’ny TIKO.
    Izany hoe incontournable ny fiverenan’i RAVALOMANANA ao an_Tanindrazana.
    Hadisoina be ho an’i Hery raha mbola hametraka an’i Domelina ho 1er ministra satria tonga dia maloto amboalohanyhany ny fitondrana vaovao io…..ary dia ADY_antrano samy FOZA no ho hita eo
    Tsy ho « Prix Nobel de la Paix » foana akory ny ho filoha Amerikana
    Efa miakatra dia miakatra ao Frantsa ny FN (Front National)….mbola mila an’izany FranceAfrika ve ny FN raha tonga eo @ fitondrana ?????
    Aoka NY andro ho avy anambara an’izany rehetra izany

  9. inona no idiran’i samy maha-fjkm an’i pasitera sy i fHery?
    i risara baomba aza nisy fotoana nety notaomin’ny HMF hetsiky ny mpitondra fivavahana teny anoloan’ny alitara nifandray tanana tsy hamono olona nanantena ny vahoaka faly ery fa hitsahatra ny asa-ratsy ampanirahana sy ahazahoan’io karama en Euro

    fa eee jere ity izy: zandary firantay mivavaka fjkm mitondra baiboly isan’alahady lava izao!!

  10. Tsy mampifangaro ny fivavahana sy politika aho .Fa kosa mampahery ny Malagasy sy ny ffamilles Ravalomanana;Niandry ny Sadc isika nanantena Ci @tsy ra

  11. tsy nahazo ny fahefana davida mpanjaka raha tsy niankina tamin’Andriamanitra,noho izany tsy misy mihintsy maharatsy ny fampiarahana ny politika sy ny fanompoana an’Andriamanitra,koa aoka tsy ho diso hevitra isika fz raha tsy miankina aminy isika (rehetra ) dia tsy hahefa na inona na inona. mbola averiko iany fa tsy tia ratsy Andriamanitra,fa matoa mipetraka izao fitondrana vaovao izao dia,saino tsara fa misy zavatra tsy mbola ankasitrahanAtra ny fombatsika tsi1-1 hatramin’ny mpitarika ka hatramin’ny vahoaka madinika indrindra. Koa samia re mandinin tena e. Aoka hisaina tsara. Mahereza daolo.

  12. Ny atao dia mifanaraka @ fery dia mamerina an i Ra8, dia mangina @izay i Ra8 tsy manao politika tsony.
    Ny fifanarahana azo atao koa dia izao : mitambatra ni mpanohitra rehetra ( mouv ra8, mmm ,hiaraka isika , vert ary MIVIDY INDEPANDANT izay efa fanao hatrizay ) mba ahazahoana manolotra PM dia i rajoel ndray sy ny Mapar no lasa mpanohitra

  13. Mr et Mme Lalao Ravalomanana,

    Nanomboka ny taona 1999 dia anisan’ny olona nanohana anao ny tenako na dia tsy fantatrao aza.Hatrmin’izao dia mbola manohana anao ny tenako, anisany nakeny Mavoloha ny alin’ny 16 Mars 2009, anisany teny antranonao ny Janvier fevrier 2002.
    Anisan’ny nangataka taminareo mivady ny tenako ny hanotronanareo io lanonana ao Mahamasina io nefa raha ny fahitako azy dia tsy naotrona izany ianao Mme Lalao Ravalomanana, enga anie ho diso aho.Aoka izay ny fiantosanareo vahoaka rahja tsy nanatrika tao ianao.Aoka izay.Hiomehezan’ny olona sisa ianareo mianakavy noho ny ambompo diso toerana be loatra.Marina fa manana ny ampy ianareo, marina izany nefa noho ny fitiavan’ny olona sy ny mpanohana anareo bebe kokoa no nangatahana ny hankanesanao ao noho ny hoe afaka mifampiraharaha amin’izay amin’ny filoha izay lany eo.Fa dia naeshonareo fa tsy mila mifampiraharaha ianareo fa ho tonga eto hoa azy andriamatao Marc Ravalomanana.
    Mirary soa anareo ny vahoaka fa dia tapitra hatreto ny fanohanana anareo noho io ambompo diso toerana izay efa hita sy tsapa fa tsy hitondra makaiza indrindra amin’izao vanimpotoana izao.
    Mirary soa.

  14. APPEL A LALAO RAVALOMANANA :

    illuminat 7 n’est autre que DENISE , porte parole de VIVA pour Rajoelina

    1) Elle INSISTE à plusieurs reprises pour que LaLAO fassse preuve » d’ALLEGEANCE A HERY : notamment en assistant à son investirure

    2) Elle ou le clan Rajoelina A BESOIN DE CETTE ALLEGEANCE DE LALAO POUR CONFORTER LA POSITION DE HERY à l’égard de la C.I. : à travers les ambassades qui y seront présentées.

    3) par moment elle fait sentir une pression , voire une condition menaçante pour le retour de Ravalimanana
    * au passage demandant incessamment la fermeture de MAGRO qui en soi constitue l’incarnation de l’OPPOSITION FERME ET VIVANTE !!!!

    ===> Ne pas oublier que le RETOUR DE RAVALOMANANA était seulement conditionné par l’acceptation des ELECTIONS : R8 avait accepté
    ===> HERY EST OBLIGE DE FAIRE RENTRER R8
    ===> Goldblatt se portait même GARANT ! Hery ne pourra jamais se défaire !

    RESUME :
    1) SVP ne jamais fermer Mabro
    2) Lalao est notre fer de lance : SVP : INTERDIT de DONNER L’ONCTION AUX ELECTIONS FRAUDULEUSES , en assistant à l’investiture de Hery
    => ce serait FAIRE ACTE D’ALLEGEANCE et renier toute notre lutte dans son âme même
    => donc BAFOUER TOUS CEUX QUI CROIENT ETRE DANS L’OPPOSITION avec RAVALOMANANA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *