Mbola hotsaraina

TIM

TIMTompon’andraikitra zato isan-jato ianao
Fa tsy hoe olona solafaka e
Iray lalana amin’ny Ponsi Pilato ianao
Fa nandidy sy nanapaka e
Hitondra sy hanompo ianao no nantsoina
Ianao anefa ity no tompotompoina
Ny tena maivamaivana ny aina
Nefa mbola holanjaina

Re hatrany andanitra any anie
Ny kiakan’i Abela sy ny rany
Amoron’ny lanitra ny ety an-tany
Tsy hainao hoe rahoviana ianao no mankany
Hijoro eo anoloan’i Jesosy ianao sakaiza e
Tsy afa-miala na ho aiza ianao na ho aiza
Ny marina zimbazimbaina nefa mbola hotsaraina

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana , ianao no hojerena
Ny fiantraikan’izay rehetra natao
Efa voangona any miandry ny hahatongavanao
Na ianao ao antranon’ny Ray
Na mijaly mandrakizay

Ny fampiasana ny fahefana anie
No ahitana ny fitiavan-tena
Any tsisy ambonin’ny lalana
Na mpitondra fivavahana, na mpitondra firenena
Fa voasoratra ny zava-drehetra
Indray andro any
Ho avy ny fandoavan-ketra
Na ianao toy ny zanaka an-trano
Na ianao hidiran’angano

Ny fahefana anie fanambinana
Andriamanitra no manome
Fa ny fampiasana azy fanadinana
Ny tsy afaka no be dia be
Zava-doza anie izany helo izany
Ianao nefa mihazakazaka mankany
Minia manamaivana ny aina
Nefa mbola hotsaraina

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana, ianao no hojerena
Ny fiantraikan’izay rehetra natao
Efa voangona any miandry ny ahatongavanao
Na ianao ao antranon’ny Ray
Na mijaly mandrakizay

Tsy misy azo iafenana any
Tsisy politika na vola aman-karena
Fa izay vita rehetra tety an-tany
Mbola hitsarana, ianao no hojerena
Ireo malagasy nohosihosena
Noho ny fitiavam-pahefana sy fitiavan-tena
Hitsangana hanameloka anao
Ahoana no ataonao?

Hitsangana hanameloka anao
Ahoana no ataonao?

Rija RASOLONDRAIBE

24 pensées sur “Mbola hotsaraina”

  1. Même Ravatomanga va suivre la même direction. Le but Des colons avec le temps la mouvance Ravalomanana réduite à des poussières. D.où l entretien de la crise.

  2. DISO io SARY io.
    C’est un photomontage.

    Mamy RAKOTOARIVELO n’est pas naturel dans cette photo.Le buste a été inséré par un informaticien ou par un infographiste.
    Scrute précieusement de bord du dos et le pantalon bleue marine .
    PHOTOSHOP PHOTO SHOP PHOTOSHOP .

    Par la taille Mamy RAKOTOARIVELO n’est pas aussi grand que Emile Ratefinanahary dit « Vazaha »

    Tsy miaro n’iza n’iza aho fa aza manao sary mandiso tantara toy izao ry MYDAGO.COM

    Verifier- ny source anareo.

  3. Hano lero sesefo daholo ny sakafo fa noana ianareo ireo e!
    pffffff!

    Mila an’i Neny lalao hitarika ny antoko mpanohitra matanjaka! ampy izay!

  4. Efa fantatr’i Jesoa hatrany amboalohany fa Mpamadika i Jodasy fa noekeny
    satria tiany ho izy ihany no HAMATOTRA NY TENANY.
    MARINA 100% IO SARY IO ARY EFA HATRANY AMBOALOHANY NO EFA FANTATRA FA
    ZANA-BARATRA I KOTOVELO.

  5. Ndryyyy!!! matian-kanina ireto izy !!!!TAMPON-KANINA!!!
    Mazotoa homana tompoko fa ny vahoaka hitrongy FAKO,
    SAO MATIANTOKA NAREO REO RAHA TSY VOKI-ATENDA DAHOLO!!!MAHONENA NY ZANAK’
    ALIKA TSY MATAHO-TODY TOY ITONY!!!!

  6. Mila verifier_na le sary vao tokony aparitaka ry Mydago aaaaa,ataoko fa tsy tokony afangaro ny foza sy ny trondro.Za zao mahita an depute Rodin eo ataoko fa tsy mbola namadika zany izy;ary na i Mamy RAKOTOARIVELO ko ary amiko raha namadika izy d tonga teny amin’ny CES tamin’ny zoma,misy dikany lehibe ny tsy nahatongavany teny,fa aleo mba asiana sivana le sary vao avoaka eeeeeeee,Mankasitraka

  7. O Ranavalona a mba fidifidio iany wa le teny avoaka e, Zanak’Alika aona ary ireo e, fa Fa nga mou tsy zanak’i D… ndray reo e, sa efa niova A. kou i D zao, lol, mba misaina lou vo manoratra wa fa miteniteny fona, Aleo kosa lou mihinana kou, iandry ny 5 taona ao @ Magro ts hinan-kanina ao ve, ho maty reraka fotsin ao, ntsssssss, NENY Ô, mba Omeo Nono re ry zareo ao @ Magro ao fa tena reraka sy mampalaelo e, indrisy e

  8. Misaotra betsaka anao io ambony io fa amboary ny fomba fisainana fa aza dia iva be toy izao fa aiza ny firenena no handroso

  9. Raha nitranga izao zavatra rehetra izao dia IO KOTOVELO no tompon’andraikitra VOALOHANY,
    IO no nankasitraka an’i DOMELINA t@ KISONIA IZAO MITONDRA NY FIRENENA ANY ANKADY
    IZAO.
    TOMPON’ANDRAIKITRA 100% io KOTOVELO IO fa ny sisa TSY rarahako fa azy ny azy, sady reo
    TSISY NANAO SONIA .
    FANETRIBEM-PIRENENA IO ary izy sy ratsikirity no miara miasa.
    RATSIKIRITY MANDRAVA DIA I KOTOVELO MANATANTERAKA.
    Mankasitraka Solo Razafy ô!!!misaotra an’i MYDAGO fa tena tia tanindrazana ianareo dia toizo fa mety.

  10. Olona miady an-trano tsy misy ilana azy wa fa mangina faty any, fa tsy i Sarah Georget mou no nitondra ny 90% an le porofo t@ hala-bato tao @ Carlton, toa izy indray ty no nanaiky an’i Hery lety e, mapme wa nareo fa mifanaraha tsara lou de mifandamina fa reraka fotsiny eo, Amboary ny kianjan’i Magro de karakao fa mbol ela indray vao 2018 e,

  11. aza zatra manambany ol otran io wa lisany, efa tenenina fona fa eeee, ela ary sady dondrona no mety ambakaina kou, efa 5 taona ataon ny ol miesona ao @Magro ao tsita ze apoka, ela zany tsy FOZA fa OLITRA VE, MIFAMPIHINANA AMPITOERANA AO @ MAGRO AO FOTSINY

  12. Mila mba mahafantatra ny dikan’izany hoe perspective izany, rehefa manoratra amin’ny teny frantsay ihany ê !

  13. Tsy misy photoshop izany io sary io fa tena izy raha ny fandinihako azy ka, dommage dommage pour Dada

  14. Na misy na tsy misy photoshop, aoka ho fantatry ny rehetra fa ireo olona ireo dia mihaona sy miara-misakafo, matetika !

    Dommage pour Dada…., mais les dommages et dégâts sont également énormes pour le peuple !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *