MOVANSA RAVALOMANANA NO EFA VOASORATRA HO MPANOHITRA .

MyDago.com-magro 18 janv 14 (18)
MyDago.com-Magro 16 jenv 14 (24) copieNitohy teny amin’ny Magro Behoririka androany Alatsinainy 27 janoary 2014 ny hetsiky ny mpomba ny movansa Ravalomanana. Nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpitarika teny an-toerana. Isika hoy Raguy solontenan’ny gadra politika dia tsy mivaky loha amin’ny resaka fifidianana filohampirenena,ny antony dia izy olona nieritreritra ny niaraka amintsika dia nisintaka. Isika tsy naman’ny izay mihemotra fa mitohy ny tolona. Manohana hatrany an-dRamatoa Lalao Ravalomanana isika hoy izy satria làlantsarotra no nodiaviny. Manomboka androany hoy izy dia mifantoka amin’ny fampodiana an’idada isika. Ny làlana ahatongavana amin’izany  dia miray hina tsara isika miaraka amin’ireo olona mitempo fo amin’ny filoha Ravalomanana.  Zavapoana anefa izany hoy izy raha tsy mivavaka isika ho an’i neny, ho an’ny vato misakana ny làlana ahatongavan’ny filoha Ravalomanana. Tsy avelantsika ho maty momoka hoy izy ny tolona.
Tsianihy kosa dia nanambara fa ifanosehana ny hopitaly ho an’ny mpanohitra. Ny sasany milaza fa mpanohitra. Tsy misy  tsy mahafantatra izao tolona izao ataon’ny movansa Ravalomanana hoy izy nandritra ny dimy taona,. Tao anatin’ny roa volana no nisy fifidianana filohampirenena sy depiote, ka tao anatin’izay dia misy misoratena ho filohan’ny mpanohitra, fa inona no heveranareo ny movansa Ravalomanana hoy ny fanontaniana napetrany ? Ny hery am-pelantanantsika hoy Tsianihy ,ny fananatsika vahoaka maro dia tsy ampindramintsika an’iza na iza. Ny filoha Ravalomanana any Afrika Atsimo hoy izy no filohan’ny mpanohitra. Efa iainantsika tsirairay izany ary ny movansa Ravalomanana no efa voasoratra ho mpanohitra ka tsy hanome izany. N’inon’inona fahasahiranantsika eto dia mbola any amponja ny gadra politika noho izany tsy ho foana ho antsika velively ny fahagagana avyamin’Andriamanitra. Ny fitakiantsika hatramin’izay hoy izy dia ny fodian’I dada ary ho avy tsy ho ela izany. Ny iangaviana amintsika dia atao tony ny hafaliana. Amintsika miteny izao , ho tafavoaka ny tonelina ve ny firenentsika? Raha tsy tafaverina eto I dada dia ho sadasada ny fivoahana amin’ny tonelina.

18 pensées sur “MOVANSA RAVALOMANANA NO EFA VOASORATRA HO MPANOHITRA .”

  1. « Isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana,fa naman’izay miroso hoamin’ny famonjena ny fanahy! « 

  2. Maninona moa raha tsy averina any afrique du sud ndray i lalao sy zanany fa tao masorisory sady miseho milay ireto zanaky dadany ireto, efa nanao ezaka be ny hat mba hiverenany vadiny sy zanany dia mbola mitady any dadany koa nefa dadany mbola manao biznes any afrique.Afaka 5 taona izy mody rehefa vita ny biznes.Sady mianatra strastégie politique tsara izy any.Samy mamonjy any tenany zao.Avelao ny lasa any fa efa hery vaovao zao.

  3. Averiko eto indray:
    KM, GBD, Ranavalona,
    raiso ny andraikitra dia tariho ny olona hanefa ny adidy @ fandrodanana ireo lazainareo hoe devoly sy foza. Mila anareo mitarika fa tsy misy mpitarika intsony ny mouvance. Rolland Ravatomanga voatendry hitarika, JLR nantenaina ho mafy hatoka, ry Manandafy sns, ary Rabetsaroana tokony hitondra ny kung fu, efa hita teny Mahamasina avokoa, izay midika fa manaiky hoe i HVM no Président, donc tsy hanongana azy intsony ireo rehetra ireo. i Mamy moa dia niteny hoe tokony hahatsapa fa resy satria tsy voatery handresy foana. Anarana tsy mbola hita firy teto indray izao ireo mitarika ireo: Raguy sy Tsianihy.

    Raha manana ny marina sy mandia tany masina tokoa ianareo dia ialao amin’izay ity forum ity, aza misalasala mirotsaka antsehatra, mandray andraikitra mitarika mivantana, fa na i Neny Lalao izay lazaina fa tohanana sy tokony hitarika aza tsy hita eto @ Magro, nefa tsy misy antony intsony tsy hahafahany manketo. Tariho ny olona, tahaka an’i Monja Jaona fahiny, na Andrianampionimerina fahiny mialoha làlana ny mpiantafika fa tsy mandany andro amin’ny ady hevitra sy attaque verbale eto, ary minoa fotsiny ihany fa handresy ianareo satria tsy ianareo no hiady fa Jehova.

  4. KM, GBD, Ranavalona,Randrianiaina, AKAMBONY AM’ZAY NY VAVA DE NDEHA MATOURY fa firy taona zay lisany nitatasika fotsiny teto nefa ts ita miits ze napoaka, nde mandeha any daholo am zay fa manohitra an-jambany fotsiny tsisy stratégie koury, vendrana, dondrona, 5 taona ve lesy ts navita nanongana fitondrana tsy ara-dalana, de zao ndray lisany vo mihevitra havita hanongana fitondrana ara-dalana, revin’ny ts ampy ronono ny an ny lisany ka mapmeme be, lol, mdr, hihi, hahah=, mba bandy manan-tsaina ihany ny fahitako an lisany nefa kay ts saina entiny misaina fa Saim-B……

  5. Henatra lehibe ho an’ny firenena ary fahafahambaraka goavana malaza be erantany ny hala-tahaka (fraude) kabary nataon’i Hery Rajaonarimapianina. Aiza ve dia kabarin’ny filohampirenena hafa no ovainao fotsiny hoe Madagascar izay MISY France???. Fa aiza ilay CV nampideraina …expert comptable..DEA économie..intellect ..ets..no mangala-tahaka ny kabarin’i Nicola SARKOZY???

    Tena loza mahatsiravina mitatao ho an’ny firenena malagasy izay ahitana taratra fa hay na tany ampianarana aza io Hery io dia mety ho mpangalatahaka. Na dia filohampirenena aza dia mbola mangala-tahaka ihany. Maninona raha nanao cours de français tao @ alliance française Andavamamba raha nihevitra mialoha fa hanao président de la république?

    Modely ratsy sy maharikoriko ho an’ny mpianatra primaire, sécondaire sy ny ankizy rehetra ny hoe mpangala-tahaka ihany koa ny filohampirenenay fa tsy vitan’ny hoe mpangala-bato ihany koa. Dia ahoana hoy ny ankizy madinika mahakasika iny fraude n’i Hery iny?

    Raha tsorina ny resaka dia vao mainka isika miditra lalina ao anaty crise e!. Indicateur de crise ireny hoe filohapirenena manao triche na devoir ireny . Halatra sy fraude no iainana eto @ firenena ity. Ny fraude t@ vola nanaovan’i Hery propagande tsy lazaina intsony.

    Dia arahabaina isika malagasy fa nahazo filoha vaovao mpi fraude…mpi triche..mpangalatra…mpandainga ..mpangala-bato.

    Aleko lavitra ny filoha Ravalomanana na votsavotsa aza @ fitenana teny frantsay , tsy mi fraude, tsy mi triche kabarimbazaha.

  6. nefa mbola be ihany ireto tsy mahalala menatra fa be kiry amin’ ny fandrobana ny harena
    sy mamotika ny vahoaka malagasy ka tsy miraharaha intsony ny zon’olombelona fa efa tsara vazaha mpiaro sy nanan-karena tampoka tamin’ny herimpon’ ny hafa

  7. tsy tokony mety ve mandray handraikitra kokoa ireto vaofody aminy anaran’ny movansa ?

    Rivo, Haznitra Guillaume Razafindravahy hoatra… etsetra ???

    Izahay dia « force de proposition » , karazana teknisian’ny opposition…
    Mikaeakara ny fifidianana ben ny tanana eto Iarivo ?

    azo atao hoe  » opposition constructive , mais sanns allégeance » ,

    « Préparer l’alternance de société » hoy ny vozongo………

    tsy mila vaofidy ho loham-pirenena

  8. Aoka izay é!!!aza resahina akory izay gadra politika izany, ianareo aza MANAGADRA NY TENANAREO ao @ magronareo ao ka inona na iza no mba ho hafahanareo.Ary tadidio tsy i Lalaonareo na dadanareo no laharampahamehana; hita tokoa anareo fa tsy ny tanindrazana
    no hifantohanareo ho vonjena fa ny mpitondra ronononareo sy ny vady amanjanany!!dia ho vizana ao anareo é!!

  9. mahita/denise/nadia/illuminat/jean Claude

    tu as beau multiplier tes changements de pseudos :

    on te reconnait comme un gamin qui a volé un pot de confiture et dit  » NON , c’est pas moi »
    …avec la bouche peinturlurée de confiture autour !!!!!!!!!!

    Va à la niche : tu ne comprendras jamais rien de ce qui arrive à Madagascar , comme à l’Afrique francophone depuis 1960, je te plains plutôt.

    sois gentille , va coucher dans ta niche

  10. Fa maninona no tsy nofafàna io hoe : « ANKOMBONY AM’ZAY NY VAVA DIA NDEHA MATOURY » ??

    Nalaiko sary daholo anie ny soratra tato ê !

  11. izahay ra-jean claude nitatasika teto nandritrany 5ans tsy nandroba ny any hafa ary tsy handroba,tsy namono namana eny fa na dia fahavalo aza,fa ianareo???Aza valin’akory f’ianao mahalala zahay tsy atoro
    Ho an’ity Mahita-hita ity ianao dia anisan’ilay voasoratra: »mana-maso fa tsy-mahita mana-tsofina fa tsy mandrea… »Firy %ny tanora moa @zao fotoana izao no nahavita fianarana kanefa tsy an’asa,ary firifiry reo manana memoire,maitrise,doctorat sns…inona ny asa ataony???Receveur,securite,pompist…zany no atao hoe sous exploitier;enga anie ianao tsy ho isan’ireo fa mahamenatra;dada-nay tsy avelanareo mody mba anokafany ny orinasany(iasanay sy amelomanay ny ankohonanay @herim-po sy fahamarinana araka ny didin’i YHWH)izay mamelona olona~5.000.000,ho tapitra anie ny bois de rose e ho ritra ny vatosoa sy volamena,lanin’iza anefa????
    DADA IHANY NY ANAYEEEEE

  12. Tena mila mianatra isika malagasy fa tena mbola lavitra be ny fahaizantsika ny atao hoe politika indrindra fa demokrasia ilay firenena , ary tokony mba jerena ihany ny olona omena micro ao amin’ny magro fa tsy izay te hiteny akory dia deraina daholo , tsy hitako mihitsy ny olana amin’ny movansa raha hilaza daholo aza ny olona fa mpanohitra samy mahazo misafidy izay tiany ny olona fa tsy fefena izany mpanohitra izany ka ho fihinina ho an’ny movansa irery izay tian’ny olona na hiaraka amin’ny movansa izy na andeha irery fa mpanohitra izy, ary ny fanoherana tsy hoe ara-batana akory fa mpanohitra araka hevitra, tsy midika akory hoe ny fankanesana teny Mahamasina dia midika fa tsy mpanohitra , rehefa milaza ilay olona fa mpanohitra izy dia mpanohitra izy izay.

  13. Ny sasany anie ry Vonyfanja dia maimaika haka an’izany toerana hoe « mpanohitra » izany ao antin’ny Assemblée ê ! Dikan’izany dia manaiky ho resy ary mankatoa mafy dia mafy fa tsy nisy ny fangalaram-bato, miaiky fa nangarahara ny fifidianana ary eken’ny rehetra !

    Fitiavan-tanindrazana sy fahaizana manao paolitika marina ve izany ?

    Fandàvana an’izay nitranga rehetra nandritry ny fikarakaràna an’ireo fifidianana sy ny vokany, no tokony nataon’ireto lazaina hoe mpanohitra ireto aloha. Izany no nandrasan’ny vahoaka sy nantenainy !

    Misy misandoka hoe « hanao mission satria hoe nahazo baiko », fa mission ho an’ny tenany ( na ho an’ny tombotsoan-dry zareo ) no nataony ! Ilay « mission tena izy », afaka natao taty ivelany FA TSY TAO MAHAMASINA !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *