RAVATOMANGA ROLAND : AZA MANAO KOLIKOLY IANAREO CES

Ravatomanga

RavatomangaVory lanona ny vahoaka mpomba ny movansa Ravalomanana androany Sabotsy 11 janoary teny amin’ny Magro Behoririka. Niova amin’ny mahazatra isan’andro ny fandaharam-potoana teny an-toerana satria dia nanomboka tamin’ny 12 ora atoandro. Ireo mpitarika ihany koa dia tonga tamin’io ora io, izay nahitana ny dokotera Robinson, ny talen’ny fampielezan-kevitry ny Avana Razaka Elysée, Ramatoa Lalao Ravalomanana, ny filoha lefitry ny Cst Razafimanantsoa Hanitra, ny lehiben’ny delegasiona Ravatomanga Roland, Manandafy Rakotonirina, sy ireo cst sy ct sasantsasany. Ireo nandray fitenenana dia saika nanisy resaka ny zavanitranga tany Mahajanga omaly iny izay nisian’ny mpianatra maty sy naratra.  Nisy ny fitia tsy mba hetra nataon’ny vahoaka teny amin’ny Magro hentina hanampiana ireo mpianatra naratra any an-toerana. Ny minisitry ny varotra Ramalason Olga izay coach avy any no hitondra ireo vola azo teo ireo. Nambarany moa raha nandray fitenenana izy fa nanohina ny fo tokoa ny fitia tsy mba hetra nataontsika teo. Mampianatra ihany koa hoy izy isika ny fampihavanam-pirenena. Tsyolona tahaka izao sahady hoy izy dia efa manitsakitsaka ny Malagasy. Izany ve no hiditra amin’ny fampihavanam-pirenena hoy ny fanontaniana napetrany. Matoa isika manao izao  tolona izao dia fampihavam-pirenena. Mahereza isika hoy izy ary mbola mitohy ny tolona.

Ny lehiben’ny delegasiona movansa Ravalomanana Ravatomanga Roland dia nanazava ny fandaminana momba ny tolona. Manomboka androany hoy izy dia ny hetsika ataontsika eto amin’ny Mgaro farafaharatsiny ny vavaka amin’ny 12 ora no manomboka ary faranana amin’ny 2ora. Maro amintsika hoy izy no nangataka fa efa ho avy aloha ny orana. Hiova ihany koa ny hetsika ataontsika ka aoka hanjaina ny ora fa mbola maro ny hetsika ataontsika.  Ankoatra izay dia nilaza izy fa misy fampitahorana alefa amin’ny sms, aterineto, milaza hoe mitandrema ianareo mpitarika fa efa miala any ny fampisamborana. Mazava ny tenin’I Robinson teo fa tsy hamelanay raha tsy mivoaka ny marina. Manana anareo vahoaka izahay ka vonona hitsangana hatramin’ny farany. Nampita hafatr aho an’ny mpanao gazety avy any ivelany ny tenany izay maro no tonga teny an-toerana, tsy maintsy mandresy ny vahoaka eto amin’ny kianjan’ny finoana. Tsy hijanona raha tsy azo ny fahamarinana.

Nanafatra ny Ces ihany koa izy hoe matoky anareo izahay hatramin’izay satria mpitsara ambony ianareo. Aza mandiso fanantenana anay  ianareo, avoahy ny marina,  aza manao kolikoly, Aza manosika anay hoy Roland Ravatomanga hanao ny tsy tianay atao fa raha sanatria manao izany ianareo dia tomponandraikitra amin’ny tantara.

2 pensées sur “RAVATOMANGA ROLAND : AZA MANAO KOLIKOLY IANAREO CES”

  1. « gazety avy ivelany » MAILO MAILO !!!

    En 2002 la représentante du journal français « LE MONDE » , résidant en Afrique du SUD à l’époque était particulièrement ODIEUSE à l’égard de Ravalomanana …

    Elle prenait manifestement CAUSE ET PARTIE pour les INTERETS FRANCAIS , aveuglement….
    ==> ZERO en investigation et reportage déontologiquement honnête !

    Du temps de Ratsiraka beaucoup de Français étaient rentrés en France , une partie exilée en Afrique du Sud ( beaucoup d’origine mauricienne à peau blanche plus à l’aise en RSA qu’en France , bilingue franglais de surcroit)

    Alors : PRUDENCE

    Mieux vaut bien trier des journalistes venant directement de France pour les représentants de journaux français.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *