RAVATOMANGA ROLAND : Raha sanatria misy mamalankira , rehefa miala amin’I Dada dia tsy namanay

MyDago.com-magro 22 Janv 14 (24) copieZavatra roa loha hoy ny lehiben’ny delegasiona movansa Ravalomanana sady minisitry ny fambolena Ravatomanga Roland no lazaiko anareo , raha nandray fitenenana teo anoloan’ny vahoaka mpitolona teny amin’ny Magro Behoririka androany Alarobia 22 Janoary 2014 . Voalohany  dia nisy ireo namantsika sasantsasany  teny Antsonjobe nihozonozona hanohana an’ny dokotera Robinson, rehefa tonga ny fahasahiranana hoy izy dia niafinafina. Ny teny ambarako azy ireo dia izao tamin’izany hoe raha vonona hiaraka aminay ianareo dia ndao hifantrika amin’ny vahoaka eny amin’ny Magro, fa rehefa tsy sahy izany ianareo dia tohizo ny làlanareo.Ambarako anareo hoy izy fa nisy ny nandeha, tsy malahelo isika fa afaka tsilo. Isika dia hijoro hitaky ny rariny , ny marina ary ny fahamarinana hatramin’ny farany. Rehefa tsy hiaraka amintsika hoy Ravatomanga amin’izay dia avelao andeha  fa isika tsy hijanona raha  tsy tonga I dada. Ny faharoa dia raha fitia tsy mifamarafara dia ady no iafarany. Misy miahiahy hoy izy ka ny valiny dia izahay rehetra mifanatrika aminareo ireo , matoa izahay notendren’I dada ho lehiben’ny delegasiona tsy sanatria nifamaly tamin’ny Mamy Rakotoarivelo fa tsotra ny teniko raha hitanareo fa mahatsara zavatra dia raisiko am-pitiavana ny baikonao.