RAVELOSON CONSTANT : FENOY SORABAVENTY ANTANANARIVO

-Magro-ravelosonAndro voalohany amin’ny hetsika ho an’ny mpomba ny movansa Ravalomanana androany Alakamisy 02 janoary 2014, teny amin’ny Magro Behoririka. Vory lanona ny vahoaka tonga teny an-teorana, vonona hihaino ny kabary samihafa ataon’ny  mpitarika.Anisan’ny nandray fitenenana tamin’izany ny Ct Raveloson Constant, izay tsy nanadino ny fiarahabana ny vahoaka nahatratra ny taona vaovao 2014. Fanontaniana avy hatrany no napetrany tamin’ny vahoaka hoe : tadidinareo ve ny janoary 2009?, tadidinareo ve ny vatantenareo, ny havanareo satria misy manonofy fa adala ny mponin’Antananarivo ka te hamerina ny 2009, te hampijoro ny fanjakana eo ambony lavenona. Tsy misy malagasy hoy Constant hisafidy hoe izahay ho eto tahaka ny tamin’ny 2009, kanefa io no asesika amin’izao fotoana izao. Ny antony dia Antananarivo no nahita ny fampihorohoroana, ny fampijaliana teto. Ny anjarantsika hoy izy dia mihaino antsika i Madagasikara manontolo. Nanao ny ara-dalàna rehetra isika, nanao izay azo atao rehetra isika, nitohy hatramin’ny tondrozotra, mbola noleferintsika izanysatria ny marina tsy mba maty.Mbola nilamina isika ary mbola tsy tapitra ny fandeferana. Nambarany ihany koa fa tsy tokony hafenina ireny sora-baventy ireny fa fenoina Antananarivo. Izay hoy izy ny maha demokrasia ny demokrasia. Tsy mitanisa vato amin’ny tele sy radio , tsy izany ny demokrasia fa mitaky amin’ny mangarahara, ara-dalàna, ny manampy soratra hoe mandresy ny dokotera Robinson. Isika eto ho Constant dia tsy hampianarina demokrasia , ary ny vatolampy rehefa … ka rehefa tsy miteny isika dia hoy ny olona hoe tsy ampahafirin’ny Maputo ka dia  hosihoseho, ary dia manaiky ihany isika.

8 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : FENOY SORABAVENTY ANTANANARIVO”

  1. MIOMANA DAHOLO AMIN’NY GREVE GENERALE. RAHA MISY MITADY HIVIDY VOLA ANAO MBA TSY HANAO GREVY DIA RAISO FA ADALA TOMPO DIA NDEHANA IHANY MANAO GREVE FA ZONAO IZANY. MIOMANA MITONDRA MOUCHOIR LENA DAHOLO FA INY NO MAMPIHENA NY ASAN’NY BAOMBA MANDATSADRANOMASO.

  2. Dia maninona ary ny vahoaka no influencé-na sy manipuler-na hoatran’izao.défaite-nareo assumé-o tsy ny toetsainareo mianakavy indray no anakorontanana an’i Madagascar be zay efa nataonareo zay.tia tena nareo mianakavy tsy misy conscience sa maloto saina maty eritreritra daholo

  3. O ry na, iza no tena maloto saina, ny mpangalabato sa ny mitaky ny tena zavanisy??????????????? ny zavatra takiana anie dia hoe avereno isaina ny vato e!!!!! raha tena mangarahara ny tao inona moa no tokony de olana @ zany?? fa tsy milamina ny ao dia lazaina fa tsy vita izany !!!!!!!! nananananananana

  4. I Constant moa nilatsaka hofidiana teto Antananarivo ? Toa tsy lany izy io teto Antananrivo an ? Ka inona no hanakorontanany an’ Antananarivo ? izy tenany ary vitsy mpifidy. Raha Maitre Hanitra izao no miteny dia mba hoe lany teto Antananarivo izy fa i Constant tokony tsy miteny intsony satria ny fifidianana no efa nitsara azy ka tsy tokony hiteny @ anaran’vahoaka akory izy. Ireny no atao hoe mpitaty rà kena ka manakorontana mba hahazoana saosy fotsiny…

  5. Ho an’ Ranà,

    Efa rendanitra eran’izao tontolo zao ny halabato tsy nisy henatra , raha ohatra ka nanana saina madio sy fitiavantanindrazana marina (mba hampitony ny saimbahoaka), dia manaiky ny fanaovana vérification fa tsy manao forcing ohatran’ny natao hatramin’ny taona 2009.

    Betsaka ny fandeferana hatramin’izay:
    – Maputo 1 et 2,
    -Addis Abebas,
    – Feuille de route: ny tsy nampiharana ny feuille de route,
    – ny tsy namelàna an’Andriamatoa Ravalomanana hilatsaka
    – ny tsy namelàna an ‘i Neny hilatsaka
    – Ny tsy namomezana zo feno ny Dr Jean Louis hanao fampielezankevitra malalaka ao am Radiompirenena TVM sy RNM
    -Ary indrindra indrindra ny halabato goavana hitapoko hitampirenena izay TENA NALAZA nanerana izao TONTOLO ZAO.

    Ary tsy hilefitra amin’io fanitsahana ny hasin’ny Malagasy io intsony ny vahoaka Malagasy, na ny saranga ambany indrindra , na ireo manampahaizana ambony manerana ny Nosy

  6. ho an Mangina

    Fa i Ranamana moa no iza?

    Na lany izy na tsy lany manana zo hiteny, efa fomban’ny sasany ity manapimbava ity, aleo izy hiteny zay tiany tenena: sa horahonana sy andefasana an’i Risara koa?

    Rehefa tsy mandeha any amin’ny lalampoza ny fifidianana dia tTSY AZO EKENA, NAIZA HITENY na iza hivazavaza eto

    Ny zavatra marina tsy maintsy ampiseo vahoaka ho renzao tontolo zao. Rehefa misy fepetra raisina dia izay no izy, tsy misy ankehemotra intsony

    Fiadiana am halatra sy ny fanaovana tsinotsinona ny vahoaka hatramin’ny 2009 no hatao fa TSY FANAKOROTANANA AKORY e……! ! ! !

  7. Rehefa miteny ianao ka be mpifidy dia mety izay ny zavatra ataonao fa raha be resaka fotsiny ianao nefa tsy misy mpifidy dia tokony hisaina @izay. Izay no fanaovana politika ary fitsapana ny poids politikanao.
    Amiko izao dia mitovy i Constant sy i Nirhy Lanto (samy tsy voafidy) ka samy tokony hisaina @izay eo @fanaovana politika. tokony samy hisitaka fa tsy hanakorotana lava zao.
    Hiady @hala-bato no atao : Marina io ary izay no handrasan’ny rehetra. . Fa io dia tsy azo atao @taim-bava fotsiny fa mila zavatra maty paika sy matotra. Tsy azo atao tondro-molotra io ady io. Mahazo miteny daholo ny rehetra ary ny tsara indrindra dia miteny ny marina fa tsy hoe ASIO SORATRA DAHOLO ANTANANARIVO dia hivoaka ny marina…Ny lalana hangatahana ny marina izao dia efa nataon’ny Avocat Hasina. Io fangatahana ataon’i Maître Hasina io no tokony hiadina mafy fa tsy vavan’olona efa tokony ho retraite politika.
    Rehefa tsy afa-panadinana ianao dia ny ady atao dia mangataka ny copie-ny feuille d’examen fa tsy hoe asio soratra daholo TANA dia ho afaka ianao.

  8. Resabe nareo ty tsy mety @finoako ty a,vahaolana,valiny,asa miaraka
    Zay zao no ilaina,tonga de midina an_dalam_be,fa raha ao @magro ao fôna hiomeezan’ny olona eto tsika.NDAO IDINA AN_DALAM_BE,ZAO D’ENY ZAO

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *