TOHIZANTSIKA NY LÀLANA AMIN’NY FAMPODIANA AN’I DADA

MyDago.com-magro 22 Janv 14 (7) copie

MyDago.com-magro 22 Janv 14 (7) copieNitohy tetsy amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka androany ny hestika ataon’ny mpomba ny movansa Ravalomanana. Vory lanona teny an-toerana ny vahoaka sy ireo mpitarika tsy nandeha teny Mahamasina. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’izany ny Ct Donazy. Nambarany fa nomena safidy malalaka izahay na handeha na tsia ho eny Mahamasina, ka nisy ny nandeha fa ny tenako dia nisafidy ny hijanonana eto amintsika. Ny antony hoy izy dia tamin’ny herin’ny Sabotsy , nilokaloka ny teto fa hiaro ny safidimbahoaka sy ny fahamarinana, fa be loatra ny halabato kanefa hoy aho tsy mbola main any ravina nihinanana, maratra ny fo. Ny zavadehibe hoy izy dia ny fodian’I dada, izaho mino fa ny baiko antsika tamin’ny fanohanana an’I Robinson dia ny fandaharan’asany hampody an’I dada. Ankoatra izay dia nambarany fa nilaza ny filohampirenena vaoavao Hery aoka ny fitsikerana fa be ny zavatra ataontsika. Ny andro voalohany hoy izy dia mandika ny lalàna amin’ny fitsipiky ny mpanohitra izy satria ao amin’ny andininy faha 12 dia afaka mitsikera ny mpanohitra. Noho izany dia didy jadona izany ny eto. Mato navoaka hoyizy ny fitsipika ho an’ny mpanohitra dia afaka mitsikera . Ny faharoa noteneniny dia hiezaka aho hanasitrana ny fery. Efa tsara raha hiezaka hoy Donazy fa kosa fery amintsika ny fampodiana ny filoha Ravalomanana. Raha hanaistrana ianao dia hampodio izy ary porofoy aminay izany. Tsianihy kosa dia nanambara fa rah any fety natao androany dia tsy tonga tonga ho azy izao raha tsy nisy fifidianana. Matoa ireo olona ireo nifaninana dia heverina fa samy nanana ny fandaharan’asany hitondrana ny firenena. Na di atsy lany aza hoy izy ireo olona ireo dia tsy maintsy mitsikera. Ho tampenanao ve hoy izy ny vavanay tsy hiteny. Raha tsytonga eto ny filoha Ravalomanana dia tsy tokony hiteny hoe filohampirenana I Hery isika. Izahay hoy Tsianihy tsy hanaiky hoe filohampirenena izy. Hilarion dia nilaza fa tsy nandeha eny Mahamasina ny tenako, tsy sanatria manda ny tenin’ireo ray amandreny fa izay aloha ny hevitro, tsy hanome hasina ny mpangalabato aho. Izaho mino hoy izy fa fanamby nataon’I Robinson rehefa nifampiraharaha tamin’I dada dia ny hampody azy. Tsy ho voan’ny fakam-panahy izy raha hiresaka amin’ny sehatra iraisampirenena fa hamody an’I dada. Eto ny tenako hoy Hilarion dia manafatra , ampodio ny filoha Ravalomanana fa efa ampy izay Sonia nataony izay tany am-pitandranomasina. Ny faniriantsika dia amin’ny fivoriana any Addis Abeb amin’ny herinandro ambony dia hody izy. Samy manaraka ny zavamisy omaly isika dia nalahelo satria lazaina fa filoha voafidimbahoaka nefa Mahamasina aza tsy feno. Tadidiko tsar ahoy izy fa tamin’ny filoha Ravalomanana nanao fianianana dia feno io kianja io. Misaotra anareo vahoana eto Antananarivo ny tenako fa afabaraka ny tao. Ny ahy hoy Hilarion dia ny fankalazana ny faha dimy taonan’ny fanonganam-panjakana ny androany ary omaly dia fankalazana ny namonoana olona tamin’ny 7 febroary. Ny fifidianana natao tamin’ny 20 desambra dia fanonganana an-dRajoelina. Ny nahafaly izao hoy izy dia niala Rajoelina ary nanomboka omlay ny fiasan’ny sainy satria tsy ahita fitondrana intsony izy. Tenenintsika ny vahoaka Malagasy fa ho tohizantsika ny làlana amin’ny fampodiana an’I dada.

12 pensées sur “TOHIZANTSIKA NY LÀLANA AMIN’NY FAMPODIANA AN’I DADA”

  1. Ravalomanana irery no afaka ampiova ny toe-tsaina eto Dago…………

    Izy irery ny mpitondra sahy niseho nationalista : ta tanindrazana

  2. Misaotra anareo Magro mbola mijoro ary mijoro hatraminy farany;Ny soa atao tsy very maina .Voaozona izay matoky olona.Tsy maintsy hizaka ny valiny asany ny tsirairay.Mahereza tompoko

  3. Ampiova inona ny fahatongavan’i Dada?
    Fery vao2 sy ny jiolahy io ef naazo fitondrana.
    çà sert à rien, je crois !
    humainement nga oe. En tant que citoyen malagasy.

  4. Comment combattre cette  » misère « , quand on entend lors d’un journal TV ce genre de titre, et qui plus est annoncé avec « fierté » : « Ca y est, Madagascar a un nouveau Président, DEMOCRATIQUEMENT ELU » ?

    Drôle de démocratie !!!

  5. Ny tena mampalahelo dia samy nanjombona daholo na ny tany Mahamasina na
    ny tao @ Magro???izany hoe : samy tsisy afa-po t@ zavamusy ny rehetra satria
    tsy natao an-drariny ilay zvatra.
    Fa dia tsy azoko loatra re e!!inona no tena ao an-dohakelin’i radoko ity???dia sahiny ve??iza avy no teny
    aloha fa tianay ho fantatra an??aoka tsy handingana ao @ Magro ao intsony sao voatoraky ny vato ao.
    Ankoatra an’i radoko sy kotovelo izay TSY NANAITRA AHY KELY AKORY, dia iza koa no teny ry zareo??
    asehoy eto daholo ny sariny ho hitanay fa ampy izay fanaovana ts’inona ny vahoaka izay an!!

  6. Marina izany Ranavalona .Asehohy daholo ny sariny Movanse Ravalomanana izany teny Mahamasina .Mampalahelo ny nataony JLR .Teo koa Manandafy sy ny tariny

  7. Shhhhhhhhhhhhhhh !!!
    Na teny izy na tsia, ny fika be nandetika ny firenena ary nataon-dry zareo, tsy misy izay tsy mahafantatra ê !
    Ankavitsiana ny tena tia tanindrazana ary nitolona !

    Ny olana sy tena mampalahelo, dia ireo tena nitolona indray no natao hazalambo tao amin’ny Magro ; ary fantatray ny anaran’ireo nanome baiko ! Tsy nahagaga rahatoa ka tsy navela hirotsaka tany Tulear i Manoela !

    Mamangy amin’ny fahoriana sy miombok’alahelo amin’ireo fianakaviana namoy zanaka, mbola kely dia kely omaly ! Mankahery an’ireo maro naratra !

    Tsy kely lalana ny mpanao ratsy, fa dia nanao sorona indray dimy taona taty aoriana, mba tsy hietsehan’ny vahoaka !

  8. Hoatry tsy misy dikany any malagasy izany demokrasia izany (kemos kratein : le pouvoir par le peuple et KIDNAPPE AU PEUPLE AVEC DES MANOEUVRES FRAUDULEUSES)

    53% zany faly andevozana ??????????

    « JE SUIS COCU ET CONTENT !!!!!! »

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *