AFABARAKA NY NANGALATRA NY ANTOKO TIM

MyDago.com-magro 22 Janv 14 (16) copieMitohy hatrany etsy amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny mpomba ny movansa Ravalomanana. Nisy hatrany ny lahateny samihafa nataon’ireo mpitarika tonga teny an-toerana androany. Anisan’ny nandray fitenenana ny Ct teo aloha Randriamamiarizafy Ignace. Misy hoy izy Ramatoa be vava any amin’ny radio hoe vakiana fotsiny dia vita io. Ao amin’ny andininy faha 54 ny lalampanorenana dia milaza ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena no manolotra ny Praiminisitra izay  tendren’ny filoha. Izaho hy izy miteny fa tsy manana maro an’isa ny Mapar. Raha jerena ny atao hoe antsamanila 73 kanefa raha ny fahafantarako azy dia misy ny vote de confiance, ka marary saina izay praiministra ho eo. Tsy mahasahy hoy izy ny Mapar satria 49 ny isany. Ny depiote Ravelonanosy Mamy Tiana kosa dia nanazava mahakasika ny antoko Tim. Niverina aty amin’ny tompony hoy izy izany mba hanaovana asa famapndrosoana, rehefa navoakan’ny filankevim-panjakana, tsy misy recours intsony. Afabaraka hoy izy ny nangalatra fa nanaovana politika fitadiavam-bola sy seza ny Tim. Rehefa raikitra ny fifidianana dia hoe  ireto izahay Tim, kanefa rehefa jerena dia olona mpitady seza no hitanao. Manomboka izao hoy ny depiote Mamy Tiana dia tokony hajaina amin’izay ny ara-dalàna ary asehontsika any amin’ny filoha Ravalomanana ny Tim. Asehontsika amin’ny Sabotsy 22 Febroary hoy ity mpanao politika ity ary aleo asehontsika ny herin’ny filoha Ravalomanana satria tao aminy ny nisehoan’ny fangalarana, nangalarina ny Tiko, ny fahefana. Ny tena marina hoy izy rah any fangalarana tao amin’I dada no dinihana dia tsy taminy fa tamin’ny vahoaka Malagasy. Ny antony dia ny filoha Ravalomanana no nandray anjara tamin’ny fampandrosoana. Niverina amin’ny tompony izany izao ka dia aleo ny tompony no handray fanapahankevitra amin’ny Tim. Tsy misy resaka ohatra ityteto Madagasikara hoy  izy ary hita mihitsy hoe misy olona mbola nangetaheta fahefana. Ny atahorako hoy Mamy Tiana dia ny Mapar , miala aina, misy koa ny Mapar tsytia vola hiaraka amin’ny mpitondra , hiaraka amin’ny movansa Ravalomanana. Amin’izao fotoana izao dia mandeha ny tsindry maro isankarazany mahazo, ao ny milaza fa izahay hanao mpampihavana any Rajoelina sy Hery. Hay tsapanareo ihany hoy izy ny fampihavanana rehefa may ny ady seza dia lasa mpampihavana. Io Andriamanitra mijery midina  io dia mahita ny zavatra rehetra ary manomboka miasa amin’izay izy hamerina amin’ny laoniny ny firenena. Ny iangaviana antsika hoy ity olomboafidy tanyAnkazobe ity dia ny hitondra ambavaka ny movansa Ravalomanana sy I Dada.
Momba ny antenimieram-pirenena dia nambarany fa mazava fa tsy misy vondrona politika manjaka tokana satria tsy misy manana ny maro an’isa fa tsy maintsy misy vondrona sy antoko politika maromaro mitambatra ary ny depiote tsy maintsy miditra antoko politika ka tsy afaka mivadibadika intsony. Ireo manana ny vondrona matanjaka hoy izy no ahazo ireo teorana rehetra ao anatin’ny antenimieram-pirenena.

15 réflexions sur « AFABARAKA NY NANGALATRA NY ANTOKO TIM »

  1. Efa vitany ny nilany azy fa tsy izany afa-baraka izany e!!
    Izay NIVAROTRA io anarana TIM io no afa-baraka fa tsy ireo mpividy.
    Nisy nifanarahana tao matoa ireo sahy nidongy iny anarana iny mba hanaovana fitaovana an’i dada,
    araka ny efa mahazatra fa aza mba mody Gisa eo daholo e!!!nanaiky matoa tsy niteny, misy vidiny
    ireny ki-bizu2 reny fa sisy zavtra mandeha ho azy mihinsy ao ary efa voapilanina miaraka @ FOZA
    sy frantsay ny zavatra rehetra.
    Hataon’i vakitampona inona intsony moa io??efa hainy fa tsisy hanaraka azy eo ny olona fa efa rendrika
    ilay SAMBO mba nireareana teo.Ny fifidianana rahateo efa vita ,efa lany ny foza.Mazava ho azy raha
    hatsipiny @’izay , aza dia marivo salosana toy izao oah ray olona a!!!

  2. A qui profite Magro? Certainement pas au PR M. Ravalomanana, sinon il était déjà rentré à Madagascar. Les gagnants sont surtout ces gens qui prennent le micro et racontent n’importe quoi à ces pauvres milliers de gens. Ces derniers ne reçoivent que de « bonnes paroles »: comme le « MINOA FOTSINY IHANY », alors que ces blablateurs sont récompensés grassement de l’Afrique du Sud. Ne soyez pas dupes!

  3. tonga eto hitana labozy angaha i tananews zany ?

    tsy maresaka intsony i tananews va ?

    avelao anao izay tiany i magro , ny micronareo efa maty !

  4. Saonjo iray lohasaha io ka tsy hilaozan’izay maharara.
    Ny zavatra hitako @ Magro koa dia tsy kabary ihany no ao fa misy fanabeazana
    azo koa avy @’ireo mpitarika,betsaka mansty ny zavatra tsy fantatra ny @’ity tanindrazana
    malalantsika ity hatr@’izay,ka amiko dia izay tsy tonga ao no matiantoka, fa msy zavtra be dia be
    azo raisina ao.
    Marina koa alha fa musy ny mtady tehaka be fotsiny fa tsy hainy akory izay lazainy.
    Ao koa ny mpampandry adrisa, ao ny mangolika misy koa ny fandemena ,fandrabirabina, hita ao
    daholo izany fa anjaran’ny tsirai2 no mandray izay raisiny izay fantany fa mahasoa ho an’ny tanin-drazana.

  5. raha demokraty izany ilay ry dia :

    -ampodiho Marc Ravalomanana

    -avohahy ny gadra POLITIKA V!!!!!

    – sokafana ny radio ny mpanohitra ara demokrasia !

    resaka be ny sisa ………….

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *