ANTENIMIERAM-PIRENENA : FIFIDIANANA FENO HOSOKA

xsiVita soamantsara ny fifidianana izay ho filoha lefitra enina ao anatin’ny Antenimieram-pirenena, lasan’ny Mapar sy ny GPS avokoa ireo toerana amin’izany. Hosoka hatrany no nisy tamin’ireo fifidianana tao anatin’ity andrim-panjakana ity. Raha hiverenana ny fifidianana filohan’ny Antenimieram-pirenana dia nampametra-panontaniana, satria tsy nisy ny lalàna mifehy anatiny kanefa natao ny fifidianana. Araka ny nambaran’ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa omaly dia nisy ny lalàna andininy faha 13 izay novakiana fotsiny tamin’ireo depiote fa tsy nozaraina .Hay ka izy ity, mbola “projet de loi” tsy mbola nolaniana akory.Io no anisan’ny nampisy ny adihevitra goavana tao anatin’ny ora maromaro teo anivon’ireo olomboafidy teny Tsimbazaza ka nampitarazoka ny fanatanterahana ny fifidianana. Hosoka voalohany izay.  Nofitahin’ny Mapar teto ireo depiote vaovao. Hosoka faharoa nitranga ihany koa ny teo amin’ ny bileta tokana. Nandrotsaka vola be tamin’ireo depiote tsy miankina ny Mapar mba handaniana ny kandidany rehetra tao anatin’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Isan’ny nataony ihany tamin’ny fifidianana filohan’ny Antenimieram-pirenena ny fampiasana bileta tokana. Rehefa niroso tamin’ny fandatsaham-bato izy ireo nandritra ny fifidianana filoha dia nisy ny fanomezana toromarika nataon’ny Mapar tamin’ny mpifidy.Ny fampiasana finday no natao tamin’izany ka ireo depiote avy amin’ny Mapar sy Gps ary ireo olona novidiany dia tsy maintsy naka sary tamin’ny findainy tsirairay avy ny laharana teo amin’ny bileta tokana mba hanaporofoana amin’ny mpamatsy volany ny latsabato nataony ka izany dia mbola hamarinin’izy ireo amin’ilay biletà tokana rehefa vita ny fifidianana.Vokatr’izay dia hitan’ny mpifanandrina aminy ny teti-dratsy omaly ka natao ny tsangan-tànana nanesorana ny laharana teo amin’ ny bileta tokana. Rehefa natao ny tsangan-tànana dia nandresy mazava tamin’ny isa 68 amin’ny 67 ireo depiote nirona tany amin’ny fanesorana ny laharan’ny bileta tokana, tsy nanaiky io faharesena io ry Mapar sy ny ekipany dia nanao fangatahana ny hanafoanana io tsangatanana io, noho ny fahadisoana nataon’i Razanamahasoa Christine anefa dia nanaiky tsy fidiny ity farany ny amin’ny hirosoana amin’ny fifidianana. Taorian’io dia niova tetika ny Mapar ka nanome toromarika manokana faharoa ny mpifidy indray izy ireo ka nanisy marika hafa ny bileta tokana mba omena ny lehibeny.Tsy miova amin’ny fomba ratsy fanaony tamin’ny tetezamita ireto taranaky ny mpanongam-panjakana ireto, amin’ny fitaka sy halatra atao eto amin’ny firenena ary mbola tohizan’ireo amin’izao Repoblika fahefatra izao.

18 pensées sur “ANTENIMIERAM-PIRENENA : FIFIDIANANA FENO HOSOKA”

  1. Aza be resaka ry zareo rehefa voa, satria zavatra notadiavinareo izao â !

    Tsy hitanareo ny fako miavosa an an-tanàna angamba, any ka tsy fantatrareo izany hoe maimbo. Dia iny ianareo niaraka nisaron-doha ao anaty fandriana miaraka amin’ny foza !
    Miara mizaka ny fofony ao ianareo !

  2. Que Ravalomanana revienne (la feuille de route dixit)

    Que l’on sorte les prisonniers politiques

    BASTA

    les scenarii à la poutine n’étonnent en rien avec sa cohorte de VEULES DE TOUTES PROVENANCES !

    La lutte continue

  3. Ny tatitra koa r’Ingahy Solofo Razafy, rahatoa ka tsy ampy dia tsy afaka hieritreritra sy andinika ny zava-misy ny vahoaka !

    na dia efa niparitaka ihany aza izy ity, ary tena kivy sy kirioko ny vahoaka izay nandre, dia tsara mba ho fantatry ny vahoaka malagasy izay tsy mahafantatra hoe iza avy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana no :
    – Nandray micro tao Tsimbazaza, ary niaro sy nanao « avocat-n’ilay Avy ao amin’ny Leader Fanilo izay anisan’ny nanongana ny Filoha Ravalomanana ?
    – No NITENY HOE  » MIFONA AMINAREO MAPAR IZAHAY RAHA NISY TENY TSY NETY NATAONAY NANDRITR’IZAY DIMY TAONA IZAY, KA AOKA IVALONA NY LASA » ??

    Mety tsy afaka manome an’ilay anarana ianao, koa dia indro omeko :

    Me HANITRA RAZAFIMANANTSOA, ilay mpahay Lalàna tsy nahavita niaro an’izay voasoratra rehetra tao anatin’ilay Tondrozotra !

  4. Les putschistes se moquent complètement de notre inignation ,de nos cris d’horreur , de nos protestations.
    leur seul but est de rester le plus longtemps possile à leurs places de rentiers ,par tous les moyens illictes car ils savent que les Malgaches ne réagiront pas les Tunisiens , les Egyptiens ,les les Ukraniens , les Togolais…
    Seules l’Indochine et l’Algérie , avec l’énergie combattante des deux Peuples encadrés , dirigés par des hommes convaincus que la colonisation n’a pas été compatible avec la dignité et la souveraineté de n’importe quel Pays !c’est pour la même raison (refus de toute emprise ) qui a poussé les français par trois fois (1870-,
    14-18-,39-)à combattre la main mise des germahiques sur la France et sur la domination des français par ces germaniques ..
    Nous avons un très mauvais penchant non seulement nous haïssons ceux qui agissent ,mais nous souhaitons qu’ils se cachent la figure , mais pour autant vous faites quelque chose pour le remplager mais nous persistons à critiquer ces gens-là!
    Que ces gens-là arrêtent de nous amuser , de nous tromper….
    Et aucun de ces « critiques « très fiers de leurs dires et heureux que ces gens qui ont lutté ,à aucune occasion ,ces bonnes consciences n’ont pensé à les remplacer !

    TOUTES LES ARGUMENTATIONS POLITIQUES ,MORALES, JURIDIQUES , SOCIALES EXISTENT POUR
    FAIRE ANNULER TOUTES CES ELECTIONS !
    JE VEUX BIEN QUE NOUSPARLIONS SANS CESSE DE CETTE POSSIBILITE POUR NOUS EN CONVAINCRE D’ABORD ET POUR CONCIENTISER ET POUR ENTRAINER LES MALGACHES !
    CESSONS DE BLABLATER ET DE NOUS PRENDRE POUR DES REDRESSEURS DE TORT ET DE FAUX DURS !

  5. Adàla ny seza daholo atr’izay ka zao vao mimenomenona ! shhhhh! Ravao any io Magro io fa fandrebirebena olona fotsiny !

  6. Volampanjakàna nangalarin’i Rajoelina …. sy ny tariny no novidianan’ireo député pourry tsy manankazon-damisina ireo ! shhh

  7. Arrêtons nos cinémas :fiers à bras hier , donneurs de leçons , bonnes consciences et redresseurs de tort aujourd’hui : pourquoi en vouloir à des gens qui luttent , qui ont lutté plus que nous en tous cas et pourquoi les insulter et de quel droit quand ces gens sont battus lors d’élections pipées ?
    C’est connu que nous n’avons pas la combattivité des Tunisiens , des Egyptiens , des Ukrainiens , des Maliens !
    Et examinez bien : seules les Peuples d’Indochine et d’Algérie ont su lutté pour leur dignité et leur souveraineté en battant la France et ont ainsi mis fin aux tracasseries lourdes de la colonisation française !²
    Arrêtons de blablater ,de nous assomer avec vos lamentations afin de ne pas vous prendre pour des fiers à bras hier et des faux durs le lendemain car vous vous croyez plus crédibles que ceux qui luttent , qui se présentent aux élections !
    Le leitmotiv doit être l’annulation de toutes ces élections paralysantes de toute action gouvernementale car comment
    –admettre qu’un ancien ministre des finances , chef de tous les détournements de l’argent public , régissant tous les trafics notamment des bois de roses ,va diriger le Pays ,c’est exactement comme si le poissonnier faisait garder ses poissons par des chats et encore les chats savent se reposer après avoir assez mangé de poissns !
    TOUS LES AUTEURS DU COUP D’ETAT DE PRES OU DE LOIN EN PRISON
    –comment la raison des gens saints d’esprit acceptent qu’une ancienne ministre de la Iustice qi a usé et abusé de sa fonction pour utiliser la LOI cmme moyen de repression ; enqu^tes , poursuites ,jugements et cndamnations effectués de façon arbitraire et impensable va présider l’Assemblée Nationale ,lieu où on « fabrique les lois » qi nous gouvernent !
    PARLONS PEU MAIS PARLONS BIEN !

  8. En somme, tout le monde veut rester sur la même rive. Le MAPAR et la Plateforme pour la majorité présidentielle – regroupant la mouvance Ravalomanana, le MMM de Hajo Andrianainarivelo et les Verts de Saraha Rabeharisoa – des grands poids dans cette entité roulent pour le président de la République. « L’opposant est celui ou celle qui n’est pas partisan du Président de la République. Or, ce n’est pas le cas pour nous », affirme Siteny Andrianasoloniaiko parlementaire du MAPAR. La mouvance Ravalomanana, que tout le monde attendait pour occuper cette place, annonce qu’elle est derrière Hery Rajaonarimampianina.

  9. tsy hita tsony zay tena marina fa miovaova be daoolo reto mpanao politika
    TENA FITADIAVAMBOL MARINA NY AN’NY GASY NY FANAOVANA POLITIKA FA TSY FITIAVA-TANINDRAZANA

  10. Tsy mpanao politika ireo fa olona tsy manana anton’asa ka miditra ao satria VOLA MORA !
    Mbola ho ela zany fandrosoana zany ! Mitohy ny halatra e !

  11. Io governora t@ ny andron’i Ratsiraka io no tena jiolahimboto ao ! Raha tianareo hilamina ny tany dia io no hatao sakoroka sy Rajoelina mpilely forin’omby

  12. Tsy hitondra azy ho aiza ity fiara mamirapiratra fa ho ao anaty FAKO ihany e!!
    miviaka dia fako , miditra dia fako,tsy dia misy mahataitra!!tapoany daholo, ireny no mahaory azy.
    MAMBA RERAKA DAHOLO!!MAHONENA!!!

  13. Mankahery an’ireo solombavam-bahoakan’ny Mouvance Ravalomanana ao an-dapa, tsy mahazo ketraka mihintsy ianareo fa mila miady hatramin’ny farany. Lazao toa izao ho fantatry ny vahoaka ny ratsy rehetra ataon’ireo ao. Raha tsy tao mantsy isika dia nanao izay danin’ny kibony foana ireo fahavalom-pirenena ireo.

  14. Fiaraha-misaosy, famafàna ny heloka nataon’ny mpanongana, tso-drano ary fanamasinana ny ataon’ny sasany hoe Transition bis izay taritin’ny mpanongam-panjakàna ihany, no natao sy mbola ataon’ireo hoe solombavam-bahoaka avy ao amin’ny Movansa Ravalomanana ireo !

    Mino aho fa ankavitsiana ny malagasy mankasitraka ny zavatra nataon-dry zareo ireo, ary izaho manokana dia anisan’izany !
    Adino tanteraka ny tolom-bahoaka natao nandritry ny dimy taona, indrindra ny anton’ny nitolomana !

    Une autre transition ( La Nation )

    http://www.lanation.mg/article.php?id=9575

  15. Haveriko ihany e! aleo isika eto mba mandray an-tanana ny firenena manomboka amin’ny fanoloana ireo mpanao politika izany , fa io na ny movance R8 aza tsy dia hita izay tena tetika fa toa mitovy amin’ny vahoaka ihany ny zavatra tenenina sy hatao fa tsy misy tetika , tsy maintsy mody i Dada , dia inona ny tetika , hanao fifidianana isika efa fantatra ny mpifaninana fa hangalatra dia inona ny tetika ,izay no ilaina ilay mpanao politika mahita lavitra nohon’ny vahoaka fa tsy izay efa misy ihany no tenenina eo, toy izay koa ny MAPAR tsy tetika fa dia ny mibodo toerana fotsiny no atao tsy fantatra hoe hanao inona dia hitondra inona ho an’ny firenena fa dia mibodo toerana fotsiny satria miaraka amin’ny tafika malagasy , izay no mahatonga ahy milaza hoe aleo raisina an-tanana ny fanaovana politika eto amintsika , hazavaina ny vahoaka ny atao hoe filoha-pirenena , ny lalampanorenana , ny hetra , ny mpiasa-mpanjakana , ny fanjakana , ny adidin’ny vahoaka eo amin’ny firenena amin’izay mahalala ny tokony ataony ny vahoaka fa tsy vahoaka dondrona sy mpitondra dondrona no vokatra eo

  16. AIZA MOA NO HISY ZAVABANONA KA ITONY TAIMBAZAHA FRANTSAY ITONY NO MANDIDY SY MANAO BAROA ARYY MANMBANY NY MALAGASY. Tena izao tokoa ve no hoe lohana metisy? Fomba fiteny ihany io fa miala tsiny aminareo metisy tsara fanahy aho fa ilay rangahy ity aloha dia tena tsivalahara!

    http://www.youtube.com/watch?feature=player_detailpage&v=byBcIoldhj0
    KAY VE TAHAKIZAO NO TOETRAN’ITY Patrick Leloup ity e?
    Tena Patrick AMBOADIA tahaky ny anarany marina! Mbola hifanena amin’ny mpihaza
    amboadia fa tohizo!

    Samia velonaina!

    [youtube http://www.youtube.com/watch?v=byBcIoldhj0?feature=player_detailpage&w=640&h=360%5D

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *