Depiote Razafimanatsoa Hanitra : Ny movansa Ravalomanana tsy miova amin’ny tarigetrany

MyDago.com-Tanjombato 22 fev 14 (17)Misaotra antsika rehetra namaly ny antso ary faly mifanatri-tava amintsika hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra nandritra ny hetsika fifampiarahabana tratry ny taona teny amin’ny Magro Tanjombato androany teo amin’ny vhaoka mpomba ny movansa Ravalomanana. Amin’ny anaran’ny depiote voafidy avy amin’ny movansa Ravalomanana hoy izy no hitenenana satria efa voafidy depiote ny tenako. Fisaorana ho anareo rehetra izay nifidy ny depiote zanak’i dada. Isaorana ihany koa ny tonga na ny tsy tonga izay tsynitandro hsasasarana. Mafimafy hoy izy ny ady, mafimafy ny miatrika ny zavamisy nefa efa zatra ady izahay ka na inona na inona zavatra miseho dia atrehinay. Be dia be ny resaka  etsy sy eroa ka lasa nisalasala isika. Ny movansa Ravalomanana hoy ity olomboafidy avy amin’ny borinborintany voalohany ity dia tsy miova amin’ny tarigetrany.  Matoa izahay hoy izy niditra ao dia tsy maintsy tonga amin’ny tanjonay. Misy stratejia miova ao dia ho tratra  ny tanjona. Rehefa mijery gazety isika hoy Me Hanitra dia  tsy ny zavatra rehetra no any fa ny sombintsombiny. Noho izany dia ny fifampitokisana ny antsika. Ny depiote movansa Ravalomanana dia manana depiote 20, ka ny 19  tamin’ny anaran’ny movansa Ravalomanana, ary ny  1 amin’ny anaran’ny zanak’I dada,misy ihany koa amin’ny anaran’ny tsy miankina.

Ireo no miezaka mampifandanja ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Ny olona manao tsinontsinona ny firenena hoy izy dia tsy maintsy toherinay amin’ny herinay rehetra. Dimy taona no nieretanay fa tsy afaka ny hijery fotsiny izahay fa rehefa namotika ny firenena dia tsy azo jerena fotsiny. Ny olona tao amin’ny tetezamita hoy ity depiote voafidy tao amin’ny borinborintany voalohany ity efa noresana fa tsy maintsy miatrika ny fiainam-pirenena isika. Nanao izay afaka izahay tamin’ny fifidianana. Toy ny zavatra nitranga tao amin’ny cst, sy ct no misy , ny vola no miteniteny. Ny movansa Ravalomanana tsy voavidin’ny vola fa ny fahamarinana no tazonina. Ao antin’ny Antenimieram-pirenena hoy izy dia mifandanja ny hery, olona roa na telo no mampifandanja. Rehefa atao ny tsanga-tànana dia maro an’isa isika, ary rehefa atao ny fifidianana dia misy zavatra mitranag.  Raha sanatrian’ny vava hoy izy ato amin’ny movansa Ravalomanana no manao zavatra hafa dia handray fepetra isika fa tsy hoe vola no hamadihana. Efa manao ny fanadihadiana izahay fa raha  tratra dia esorina tsy ho depioten’ny movansa Ravalomanana. Matokia ianareo ny depiote movansa Ravalomanana. Ny tetikady hoy ny depiote Me Hanitra dia tsy maintsy miovaova araky ny zavatra miseho fa isika tsy maintsy tonga amin’ny zavatra atao.

Momba ny resaka mpanohitra dia nambarany fa ny atao hoe mpanohitra dia rehefa mivoaka ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena dia jeren’ny Praiminisitra ka izay manana fandaharan’asa mifanohitra amin’izay no mpanohitra. Tsy afaka mihitsy isika hoy izy amin’izao toana izao hilaza fa mpanohitra fa nanaohitra an’ilay irakalahy teo aloha isika ary mbola toherintsika. Ao amin’ny Antenimieram-pirenena dia mbola miandry io fandaharan’asa io. Mbola atsangana ny vondrona parlemantera. Misy hoy izy ny mamendrofendro antsika hoe miaraka amin’ny mpitondra fa ny antsika rehefa ratsy tsymaintsy toherina. Ankoatra izay dia tamin’io fotoana io ihany koa no nanolorana tamin’ny vahoaka ireo depiote voafidy avy amin’ny movansa Ravalomanana.

15 réflexions sur « Depiote Razafimanatsoa Hanitra : Ny movansa Ravalomanana tsy miova amin’ny tarigetrany »

  1. Pffffffffffffffff !
    Mpanohitra fa tsy manao na inona na inona ?
    Tena niaraka tamin’i domelina izany ianareo, matoa tsy tafaverina ny Filoha Ravalomanana !

  2. Efa mazava ny resaka ny fahavalo dia i Rajoelina sy ry Ratsirahonana ary ny mapar ny hangatahina @nareo dia aza mivadibadi-dela ary mba hampandridra ny fanambarana mba tsy hiteny teny foana ny tanjona dia ny hanilika ny mapar ho mpanohitra mba hanapotehina azy tanteraka tsy misy misakana anareo hiditra ao @ ny gouvernement satria fantatra fa izay no azo hampodiana ny filoha haingana fa mba mahaiza mandresy lahatra mba ho maro an’isa ary mba iray feo fa tsy ho lany fotoana @ ny adivarotra seza izay hanamafy ny fitondrana mba hanilihana an’i Rajoelina no tokony hataonareo fa tsy hifanenjika .
    Mba hataovy izay hampikatso ny tetika maizin’i Rajoelina sy ny namany ka mba hivoaka ireo gadra politika ary mba hody ireo sesi-tany.

  3. ukraine tairo dia mety !

    intsika…dimy tzaona reraka mitsipoizipozy lava eny !!!!!!!!!!!!

    Rehefa antosika dia hoe terorista

    Ny sasany (ukraine, tunisie) mahafantra ny tadiaviny !

  4. Ary toa valaka i Maitre Hanitra e!!! mipetraha @ toeran’ny Mpanohitra fa aza mitakosina miady tombotsoa seza sy vola ao e! reraka ny vahoaka efa ho endasin’ilay noeritreretina hendasina

  5. Tsy misy zavatra mahagaga izao situation izao satria i Hery RAJAONARIMAPIANINA anie ka tsy tokony ho tonga teo @ io toerana io e! Tokony tsy adinontsika mandrakariva fa matoa i Hery lasa filohampirenena dia ny HALA-BATO BEVATA sy ny HOSOKA no naha filoha azy, fa izy dia tena tsy lany mihitsy .. fa i Jean Louis ROBINSON no lany t@ iny fifidianana iny.

    Raha tadidintsika dia nilaza aho fa tsy lasa lavitra ny filoha lany nohon’ny hala-bato satria tsy manana anjara fitahiana avy @ Andriamanitra. Ary tsy vitan’izany fa ny alahelon’ny vahoaka malagasy izay naodina ny safidiny…Tsy ho laitran’izay filohampirenena nanagala-bato ny alahelombahoaka…fa aleo ilatsahan’ny varatra sy enjehin’ny omby masiaka toy izay mibaby alahelombahoaka…Mbola aiza e!!

    Mazava izao fa miandry ny tena filohampirenena mamimbahoaka ny firenena dia ny filoha hajaina Atoa Président Marc RAVALOMANANA. Tsy misy zavatra mandeha sy milamina eto raha tsy ny Filohampirenena mamimbahoaka Marc RAVALOMANANA no mitondra ny firenena sy ny raharaha rehetra eto.

  6. Randrianiaina

    tsy misy zavatra vanina eo raha tsy takatra tsara marina fa ny tssotsska no « mi orchestrer » izao manjo zao (françafrique)atraminy 1960 …(post colonial)

    hilaina fantatra tsara ny tantarany colonisation sy ny indépendance sary bakoly atraminy 1960 ( ny guerre d’Algérie , sy guerre d’Indochine ange tao tao ariany 1947 éééééééé)

    Madagasikara taminy 1947 no nihetsika vaolohany , ny « colonies  » rehetra nitaky ny anjara-pahafahana tao ariny 2° guerre mondiale !!!!!!!!!!!!!!!!

    VAOTERY NY TSSOTSSKA !

    VAOTERY nanolotra « indépendance » ny tssottska …dia nanorona ny françafriqu i FOCARD ,
    araky y teniny hoe  » TOUT SERA COMME AVANT !  » (histotique)

  7. GBD
    histoire-ny colonisation zany anie ka fantatra e!Fa isika malagasy no tsy mahafantatra ny mpitondra an-tsika.
    Ho ampitoviana @ Ukraina & Tunisie ve isika,ry zareo mahasaky maty isika raha maty aho matesa rahavana ary raha itolona izany tsy misy ny pacifique fa tsy maintsy misy maty,ka zay mapiedinedina an’ing Gle Ravalomanana satria matahotra ny hofaty mora andairan’ny tsaho
    Minoa ianareo fa mbola ho-pur noho ny t@ ity 2014 ny election president manaraka eo

  8. Randriaiaina

    je ne parle pas seulement de l’histoire coloniale

    Le plus grave est la question de la FRANCAFRIQUE : le dispositif POST COLONIAL qui nopus écrase depuis 1960 A MAINTENANT !!!!!

    Je ne suis pas sûre que tu places cette plaie béante au centre de tes réflections !

    On parle de goldblatt etc Chataignier avant etc …sans vraiment citer le système françafricain…

    J’aimerais savoir si Magro ou le TIM aborde DE MANIERE CLAIRE PROFONDE LE CONCEPT ET LA PORTEE de la FRANCAFRIQUE conçue pour exploiter toujours tous les pays de l’ex empire colonial français .

    Même Mydago(topmada surtout avant ) parle souvent des effets sans franchement parler de la cause…

    Ainsi on attaque les karana , sans parler de leur nationalité française !

  9. Marina ny teninao RANDRIANIAINA amin’ilay hoe « ry zareo mahasaky maty isika raha maty aho matesa rahavana », fa eto isika no tsy mitovy hevitra : »raha itolona izany tsy misy ny pacifique fa tsy maintsy misy maty » !

    Fa angaha moa ny atao hoe tolona dia ny mirotaka eny an-dalambe ?

    Azo atao, sy zoan’ny rehetra anie ny maneho hevitra eny an-dalambe fa ampilaminana ê !
    Voasoratra ao amin’ilay atao hoe Droits de l’Homme izany ! Izay mametra ny vahoaka tsy hanao an’izany no tsy manara-dalàna.

    Fomba fitolomana iray koa ny manakiana an’izay tsy mety rehetra, amin’izay fomba azo anaovan’azy, ohatra manao fanadiadiana dia manao fitoriana.

    Omeko ohatra iray fotsiny ianao, satria hitako tao amin’ny Tananews sy gazety hafa.

    Honoré Rakotomanana : La coalition MAPAR devait prendre fin aux élections.

    « Le pr Honoré Rakotomanana définit le MAPAR comme une coalition ( fa tsy « groupement » izany ) politique, étant donné QU’IL A ETE FORME APRÈS LE DELAI DE RECEPTION DES DOSSIERS DE CANDIDATURE AUX LEGISLATIVES. Il a souligné qu’une coalition de partis n’a pour raison d’être que d’optimiser les chances des membres aux élections, et qu’une telle coalition doit être dissoute après les scrutins. »

    http://www.tananews.com/asides/honore-rakotomanana-la-coalition-mapar-devait-prendre-fin-aux-elections/

    Misy gazety koa milaza hoe :

    Andry Nirina Rajoelina président fondateur du MAPAR
    Andry Rajoelina chef de file du MAPAR

    Tsy hitanao hoe misy zavatra tsy miady ve amin’izany ? Nahoana no tsy mba manadiady ireo « légalistes », sa tsy anisan’ny legalista intsony ny Movansa Ravalomanana ?

    Anisan’ny zava-dehibe voasoratra tao anatin’ilay tondrozotra, ny tsy fitsabahan’ilay mpanongampanjakàna amin’izay fifidianana mety ho atao mba hamerenana NY ARA-DALÀNA. Kanefa dia inona no nitranga ?
    Ny CES efa namoaka didim-pitsaràna momban’io koa !

    Maninona koa ireo mpanao gazety no tsy mba manazàva amin’ny vahoaka an’izany fandikàna ny tondrozotra izany ?

    Izaho dia mangataka mafy an’ny Pr Honoré Rakotomanana mba hanadiady mafy an’io zavatra io, satria ny fisian’ireo MAPAR ireo no tsy hampilamina ny raharaham-pirenena, ary indrindra moa fa ity resaka hoe « majorité relative » ity.

    Ho vidiana lafo ireto hoe solombavam-bahoaka ireto, isaky ny misy fanapahan-kevitra tokony ho raisina ! Asa na vola avy aiza daholo, fa ny vahoaka aloha dia ho fatin’ny fahoriana sy ny hanoanana eny any ?

  10. Hanao inona eny Iavoloha hono ireto hoe solobavam-bahoaka miisa 95 sa 96 ireto ?

    Hilaza fa tsy azo ekena ilay andiny faha 54, an’ilay Lalàm-panorenana fôpla ? Ary maninona moa raha tonga dia ilay lalàm-panorenana mihintsy no lazaina fa tsy tokony hanan-kery ?

  11. La perle de la semaine, sinondu siècle !!

    SEZA MORA POUR LES NULS !!!!!

    MDR !!!

    « Quota régional dans la nomination aux hauts emplois de l’Etat (quand bien même qu’ils soient nuls et pas trop intelligents », dixit Jean Eugène Voninahitsy !

    Dia misy hilaza indray fa ny mpiaro ny ara-dalàna no manambany olona !!

    Ah ah ah !

    http://www.tananews.com/asides/jean-eugene-voninahitsy-les-moins-intelligents-devraient-avoir-egalement-des-sieges/

    Efa izany foana anie no fandehan’ny tantara atramin’izay ê !

    Eny ê ! Ireo lazaina fa « mikea » (kalanoro hoy ny sasany) kosa aloha no mbola tsy hita tao amin’ny fitondràna atramin’izay, na dia efa mba nisy nandia fianaran’aza ê !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *