NY MOVANSA RAVALOMANANA DIA TSY HIFANINANA HIDITRA AO ANATY GOVERNEMANTA FA NOHO NY FIRAISANKINAMPIRENENA

CST Henri

CST-HenriNitohy androany teny amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny mpomba ny movansa Ravalomanana. Nisy hatrany ny lahateny nataon’ireo mpitarika izay tonga tenya n-toerana. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’izany ny Ct Fenomanjato. Nambarany fa re tato ato tamin’ny haino amanjery ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana. Any amin’ny haino amanjerin-dry zalahy dia tsy mitsahatra manenjika izy ireo ary fanaratsiana foana hatramin’izay no ataony. Momba ny raharaha 7 Febroary dia nambarany fa  nilaza ny mpomba nyfat fa tsy nisy fanomanana fa faneren’ny olona tenya nkianja izany. Mainga izany hoy izy fa nisy ny fivoriana teny amin’ny villa Elisabeth nanomanana izany. Efa nomanina ireny entina tsy hitiavan’ny vahoaka ny fitodnran’ny filoha Ravalomanana. Mbola fotoanan’ny fanenjehana foana ve izao hoy ny fanontaniana napetrany. Raha misy ny nandefitra dia isika mpitolona izay niafara tamin’ny fifidianana, nefa ny filoha Ravalomanana tsy tonga. Ny zavanisy hoy izy dia halabato no niainana tamin’ny fifidianana. Rah any tenako hoy Feno dia tsy manaiky an’I Hery ho filohampirenena satria be dia be ny halabato. Efa ho tapabolana hoy izy no nipetrahany teo nefa mbola tsy nisy zavatra nisongadina vitany.

Ny Cst Henri kosa dia nilaza fa mifamahofaho ny saina fa ny tanjona dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana. Momba ireo fikambanana miaraka amin’ny movansa Ravalomanana, izay nisy ny misabaka dia nambarany  fa efa niantso fivoriana ho azy isika ka aoka hiavaka ny vary sy ny tsiparifary. Ny sasany aza hoyizy milaza fa hiverina aty amintsika sa ho aiza. Momba an’I Robinson dia nilaza Henri fa ny fifanarahana taminy dia fifidianana , ary tsynorarahiny hoy izy ny delege ho an’ny depiote tamin’ny fifidianana, kanefa tsy izay no izy fa delege ho an’ny filohampirenena ireny. Heverin’ireo fikambanana ireo fa any aminy ny lakile kanefa tsy izay no izy. Ny politikan’ny movansa Ravalomanana hoy izy dia mandeha foana ary manomana ny fifidianana ben’ny tanàna. Ny movansa Ravalomanana dia tsy hifaninana hiditra ao anaty governemanta fa n ho ny firaisankinampirenena.

Ny Ct Hilarion dia nanambara fa dimy taona no nitolomantsika teto ary nifanarahana dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana. Ny tsaho nandeha hoyizy dia hoe foanana Magro, nofy izany fa rehefa tonga I dada ary izy no miteny vao hajanona ity.Nohoizany tsy miala eto isika. Nasiany teny ihany koa ny momba ny fiarahana tamin’ny Robinson. Ny nifanarahana taminy hoy izy dia hampody an’I dada rehefa lany izy. Rehefa nanohana isika dia afaka adidy fa nisy halabato tao. Sarotra ho an’I Hery sy Rajoelina izao zavamisy izao. Isika teto hoyizy nitaky ny fanokafana ny radio, ny famoahana ny gadra politika kanefa tsy nisy tanteraka izany. Ny movansa Ravalomanana dia manana safidy ary mbola tsy mikatona ny varavaran’ny fandresena. Dada hoy Hilarion dia efa tokony ho tonga satria tsy misy manakana aza intsony. Efa fantatr’izy ireo fa olona marobe no hitsena azy eny Ivato ka izay no atahorany.

20 pensées sur “NY MOVANSA RAVALOMANANA DIA TSY HIFANINANA HIDITRA AO ANATY GOVERNEMANTA FA NOHO NY FIRAISANKINAMPIRENENA”

  1. Bien sûr que Marc Ravalomanana appréhende un accueil massif à Ivato

    IL A RAISON : LE PAYS EST LOIN D’ETRE APAISE

    Mbola tsy mandry ny tany , ary ny atidoha mbola misavoritaka taminy ALAM-BATO …

    et les TETES FELEES AVEC KALACHNIKOV SONT TOUJOURS DANS LA NATURE

    Par ailleurs cet accueil massif peut être considérée comme « trouble à l’ordre public !!!

    Qui y gagnerait ? (pour moi Rajoelina-band )

  2. Dia mahaiza re miray hinana amin’ny foza ê ! Efa kobo hatry ny ela !
    Nahoana no tsy mba asiana gadra paolitika na tsia koa ao amin’io governemanta tarihin’ny mpangalam-pahefàna io ?

  3. Aza avadika sahady ny resaka azafady tompoko fa ny nifanarahana t@
    Radokotra dia « mody dada alohan’ny fifidianana  » izao mihintsy ilay mahavoa antsika.
    MISABABAKA lasa tsy misy FAHITSIANA ka mandreraka dia eto foana ilay mahavoa,safo2 foana ilay zvtr.
    Ary avelao any izany resaka dokotra sy ganagana izany , na rajao io na dokotera fa manome litika.
    Aiza izao isika??inona no fanapahan-kevitra???mbola hiara-hiosim-potaka @ foza ao ihany ve na dia efa
    TSY MAMOKATRA aza sa mba ahatsapa tena Tompoko isany ô!!
    Izay teny Mahamasina ataoko fa tsy misy tokony HIJANONANY ao @ ankolafy intsony .tohizo iny lalana iny,
    ndana mahazo f’izahay tsy hanozona.
    Aoka mba ho sivanina @’izay re tompoko ny ao @ mpitarika ao fa tena MIJALY NY VAHOAKA e!!!MIANGAVY
    TOMPOKO ISANY Ô!!!efa miasa Andriamanitra dia mba harao fa aza mitsikomb2 @ ratsy e!

  4. RANAVALONA
    Vita kosa ny fifidianana hoy dr Robinson ka lany aho dia eo anilako izy @andron’ny INVESTUTIRE.
    Isika milaza manam-pinoana no mila miasa dia manampy antsika YHWH A/tra

  5. Za ndray dia mampirisika hoe: »Midira ao anaty ny Goverinemanta »inona moa ny olana raha lasan-tsika ny 50% ny membre ao,rehefa tonga DaDa miala,any ihany ny OBJECTIF ary Primordiale

  6. Wawawa tsis farany makaleo be na mijery an lisa az lety e, otran ny ts misy atao afa-tsy manaratsy olona (foza), manambany ny tsy manana (foza), de zany fona, nefa mba olona mivavaka ono e, lol, mdr, tena mapme ka, sa zay tokoa nga no baikon’ilay andriamanitra ivavahanareo ka, we aratsio lou ny hafa de ambanio de avy eo za mamonjy am zay e, tena hafa kely kousa lou le andriamanitrareo e, mba marina e, saingy izy ela famaliana vavaka fotsiny kou, toa efa ela iany mants zay kou, mdr, lol,

  7. ka tsika koa tsy mitovy mintsy e!Ny A/tra laisany A/tra maizina(magie noir)sy A/try ny mpanimba zavatra A/try ny 3V sady zahay tsy iaraka @laisany mintsy koae,ndeana an@ ing Andry any milalao fa aza aty mitapitapy

  8. Ao amboatsirohitra ny andriamaniny ry zareo ê ! Avelao ho maimbo izay tia fofompoza !

    Aiza ianao ry HoAiza fa ity mba misy zavatra mba tiako tantaraina amin’ny rehetra !
    Dia talanjona ny tena fa dia hifalian’ny fahavalo rehetra hoy aho ny toe-draharaha !
    Raha nopotehan’ny sasany ny Tiko, dia iny ireto fahavalo niazakazaka naka izay azo nalaina, ary nisy nanampy an’ireto fahavalo mihintsy, ohatra nanao aourta !

    Aourta ihany !

    Dia gaga koa omaly alina rehefa nahita repôrtazy iray ; hay va re ka misy frantsay manondrana ( mitapy koa ???) aourta, ary mifanaraka amin’ilay mpanao aourta ka ampitomboina efa ho iray volana be izao ny DLC ( date limite de consommation ), ary dia ny malagasy no hamarotana an’ireo aourta « lany daty » ireo !

    Les malheurs des uns font le bonheur des autres foana ê !

  9. KM
    inona ny anaran’ilay yaourt na ny marika??Zay mantsy no nahatonga ahy nanakiana an’i Masahy teto t@ le yaourt vita @boi de rose

  10. Asa raha hevitry ny maro ny ambaran’i Randrianiaina izay mampirisika hoe « hoe :
    « MIDIRA ANATY GOVERNEMENTA  » ???inona ny olana ???

    AZAFADY HOE ????

    Satria nahazo 50% ???

    Tsy ampy saina marina ve hintsika ????

    GOUVERNER avec fozaland bis signifie « PARTAGER LES RESPONSABILITES »
    Responsabilité de foza : JAMAIS !

    cela signifie « COLLABORER » c’est vraiment un NON SENS par rapport au role d’OPPOSITION

    Opposition constructive ne signifie ni collaborer , ni fuir en rase campagne pourvu qu’on partage le gâteau

    C’EST PARFAITEMANT INGIGNE

    c’est collaborer pour garder le pays en esclavage , chien en laisse de françafrique

    Randrianiaina tu parles beaucoup , tu parles , parles sans trop développer tes neurones parfois

    enfin on se demande à quoi tu joues ????

    Un forumiste te soupçonnait d’être un OVNI de fozaland , malgré tes  » dada par ci , dada par là « …je finirais par croire que ce forumiste avait raison

    Je t’avais défendu à tort .

  11. Tsy tandriko fa ilay « facture na bon d’expédition » no hitako ; raha manao fitadiavana kely dia tamin’ity émission ity :

    W9 : Promos, fauche, bonnes affaires, les secrets de nos hypermarchés !

  12. Misy tsy mahafoy ilay FOFOm-poza mihintsy kah!!
    fa dia tena miazakazaka mamono tena mihintsy anie ny sasany
    mitady izany foza sy ny fofony izany e!!MAHONENA!!!

  13. Fanontaniana kidalala iany lou e, ra ohatra ve aoriana ao mifanaraka i Hery sy Ravalo ny @ fampodiana azy eto, de azo antsoina kou zany Ra8 @ zay ve hoe FOZA lou e?

  14. Ho an’ny tena mpivavaka indray !
    Dia mba ahoana ny fahitànareo ny zavatra nataon’ireto hoe mpitondra fivavahana ireto ê ?
    Ohatra iray azo raisina fotsiny, ity hoe Péri Rasolondraibe ity, izay marihina fa natao ho Filohan’ny CSC ( Comité de Suivi et de Contrôle de la Feuille de route );

    Izao avy no mba anisan’ny nambarany :

    « Suite aux travaux que nous avons mené avec les moyens à notre disposition, nous pouvons AFFIRMER que les élections ont été crédibles ».

    http://www.lexpressmada.com/blog/actualites/feuille-de-route-le-csc-en-passe-de-tirer-sa-reverence-2842

    « Le CSC n’a pas de pouvoir de sanction », a reconnu le Dr Péri Rasolondraibe ( La Nation )

    Mba matahotra an’izany hoe Andriamanitra izany ve io lazaina fa Dokotora amin’ny Fianarana baiboly io ? Izaho tsy manana na dia CEPE amin’izany resak’izany aza, mba lasa eritreritra ihany ka dia tsy sahy mandainga be tahak’izao ataony izao !

    Sao dia mba mpisoloky fotsiny io olona io ?

    Nolazainy fa mangarahara ny fifidianana izay natao rehetra !

    Raha nandika an’ilay tondrozotra ireo mpanongana, izao izy vao mody miteny fa tsy manan-jo hanasazy ! Izahay aloha dia tsy nahita na indray mandeha aza, an’ity hoe péri ity, namoaka fanambaràna ho an’ny rehetra ary indrindra fa ny Fivondronana iraisam-pirenena, fanambaràna milaza mazava fa tsy manaraka an’ilay Tondrozotra ny mpanongana ka tsy maintsy saziana !

    Iza taminareo no nahita, na nandre ?

  15. Tsy izay rehetra miteny hoe: Tompoko2 no hiditra ny fanjakan’n lanitra na izay
    manana baoritra @ fianarana ny Baiboly, koa tsy hitako izay mahagaga eto Kintana a!!
    Varotana ohatra ny mivaro-tena daholo ilay FAHAIZANA MBA hananan’ny Gasy kely e!!na izay MBA nianatra
    tsy tė hivaro-pahaizana dia miala tao.
    Tsy misy hidiran’ny fahaizana intsony ilay resaka LAINGA SY FITAKA ao @ tanana ao fa FAMAROTAN-TENA
    MANARA-PENITRA ,ireny no atao hoe: RAJAKOM-POZA raha tsy hainao.MAHONENA!!dia mitonantonana!!!

  16. Nen’ireto zanak’i dada ireto zany de tsis afa tsy oe : « Ou vous êtes avec nous, ou vous êtes contre nous »sy « If you’re not with us, then you’re our enemy. »

  17. Efa lazaina ianareo fa avelao hivoaka daholo ny gadralava, dia mba omena an-dry zareo daholo ny fitondrana ! Amin’izay efa mba fantatry ny vahoaka fa mpangalatra daholo ny mpitantana !

    Tsy hisy intsony ny « surprise » na partie io na parti ; avelao hiara-mifaly sy mitsinjaka ao daholo ny vendrana rehetra !

    Fa izahay aloha dia tsy hiaraka amin’ny foza mihintsy ary ho voahozona izay taranakay miarakaraka amin’ny foza izany !

    Efa nataonay lisitra ireo fianakaviana sy olona tsy ho vanona, ary fahavalom-pirenena ireo !

    Tsy misy resaka paolitika ny nataon’ireto foza sy mpanohan’azy ireto, fa fandrobàna harem-pirenena sy fananam-bahoaka fotsiny ! Mihinana tsy ara-drariny ny volan’ny vahoaka malagasy fotsiny !

    Hitondra ho aiza anefa ity vola na dia fitady aza ? Voninahitra izany aloha dia tsy izahay mihitsy no hanome an’izany, fa aminay ireo dia toy ny dikin’alika ! Ny an’ny omby aza mbola misy hajany satria misy mitaona eny ambonin’ny loha !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *