RAVATOMANGA ROLAND : MIRAY HINA TANTERAKA NY MOVANSA RAVALOMANANA

MyDago.com-Tanjombato 22 fev 14 (1)

MyDago.com-Tanjombato 22 fev 14 (1)Manatitra ny fisaorana an’Andriamanitra isika hoy ny lehiben’ny delegasiona movansa Ravalomanana Ravatomanga Roland teny amin’ny Magro Tanjombato androany fa  izy no nahatonga antsika marobe toy izao . Tsy ho lava resaka ny tenako fa misy ny tsy azo dinganina. Miarahaba anareo rehetra tratry ny taona na ny manatrika eto na ny manerana an’I Madagasikara. Manamafy amin’ny anaran’ny movansa manontolo, hoy izy, niaraka tamin’ny movansa Ravalomanana isika rehetra izao. Manamafy eto ihany koa fa misy ireo antoko maromaro, fikambanana avy amin’ny movansa Ravalomanana, tsy mbola nisaraka ireo ary tsy hisaraka fa matokisa ianareo ahy. Tonga teny an-toerana ny solontenan’izy ireo ,ka anisan’izany ny Manandafy Mfm, ny teza William, ny Amf3fm Rev Satrobory, ny zanak’I dada Jean Pierre.  Sao misy hoy Ravatomanga manana ahiahy na fisalasalana. Manaporofo ary manamafy izahay fa miray hina tanteraka ny mpitarika ny movansa Ravalomanana ary tsy hivadika aminareo. Eto hoy izy dia manambara anareo fa misy ny fanontaniana marobe tonga aty aminay. Tsy sanatria manambany ireo fikambanana fa tafaverina aty amintsika ny didim-pitsarana tsy azo ivalozana navoakan’ny filakevim-panjakana fa  miverina amintsika ny antoko  Tiako I Madagasikara. Mahazo matoky ianareo hoy Ravatomanga fa  fandaminana no tsy nandrangaranganay izany ary miaiky ny mpanohitra antsika fa antoko lehibe ny TIM. Fanambarana fotsiny no ataoko eto androany fa   ho avy ny  fandaminana amin’izany. Tsy maintsy atsangantsika sy averintsika amin’ny maha izy azy hoy izy ny TIM. Aoka kosa hazava fa izay namadika  antsika dia tsy avelantsika hitarika izany intsony na inon-kidona na inon-kihatra.Ireo mpisoloky dia efa nifidy ny lalàn-dratsy ka avelao handeha amin’izay misy azy fa isika tsy manambitamby.Na misy aza izany rehetra izany hoy Ravatomanga dia fandaminana daholo fa  ny movansa Ravalomanana dia miaraka amin’ny antoko lehibe rehetra izay notanisaina teo. Manamafy eto ny tenako hoy izy aoka tsy hisalasala isika. Ny hangatahana  anareo dia izay firaisainkina izay. Matoa izahay miray hina , tsy mijanona isika raha tsy tonga eto I Dada.

13 pensées sur “RAVATOMANGA ROLAND : MIRAY HINA TANTERAKA NY MOVANSA RAVALOMANANA”

  1. Tsy misy « Emile » izany oa !
    – « ….. miverina amintsika ny antoko Tiako I Madagasikara. Mahazo matoky ianareo hoy Ravatomanga….. »

    « …Tsy maintsy atsangantsika sy averintsika amin’ny maha izy azy hoy izy ny TIM…. » Tena tsara izany : HAVAOZY NY TIM. Nitady toko ka sendra vato aho marina !!!:)
    – Tsy misy tohiny izany ny @ i JLR e !
    Misaotra anreo Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA? Atoa MAMY RAKOTOARIVELO / MAHEREZA ARY MAHALEOVA E ! Zanahary homba anareo ! Tandremo ny mihinanana amam-bolony o ! 🙂

  2. Antoko lehibe ny TIM, fa voaterin’ ny zava-misy ka tsy maintsy nifona tamin’i zanamahasoasoa !

    BE FIKA FIKA BE !!!

    Tiavo ary hajao ny solombavam-bahoaka manan-kaja !

  3. Tiako be Neny!!!musy antony matoa Neny tsy tonga teny.
    Ary tena MANKASITRAKA mafy ny tsy fahatongavany tena aho.
    Sao dia mbola mila sary ny MPISOLELAKA rehetra hanazavana fa misy antony Neny matoa tsy
    NIFANOSINA t@’ireo MAIMBO FOZA ISANY TENY.
    Tsy resy tsy akory ny olo-mangina!!
    Ny tantara no aoka hitsara e!
    Miteny ho azy ny sary!!!

  4. Tsara ary tena tsara ny fihaonana eny amin’ny kianja ny Finoana
    Fa kosa tokony hasiana Antony sy homena aina sy fanahy ireny fihaonana ireny !
    Antony inona ?
    -fampianarana ny atao hoe politique ohatra, fampianarana ny atao antenimiera na teny nierana ,inona no atao manohitra ,mpanohitra eo amin’ny politique , izay mitondra antsika hanazava ny tsy maintsy hanana vinavinan-kasa (programa) izay azo kihahina na tsiraina na toherina sns, sns
    Aina sy fanahy inona ?
    -fitanatarana ny fiainan’ireo olona nalaza teo amin’ny fiainany : na mpihira ; na mpanao hsodoko , na mpika-bary , na mpitondra Firenena tsy Malagasy ihany fa be ireo Malagasy nalaza toa an’Andrianampoinimerina ,Ranavalona valhanysy ireo Ranavalona hafa, Rainilaiharivony ,na mpanorara ,na mpamoron-kira ,na ny famoaboasana ny tonon-kira fahizay izay manome hafatra politique ,sns,sns!
    Izany hoe tokony hisy fiaraha-misaina ,fiaraha-mandinika ny Tantara sy ny zava-misy mba tsy ho tonga ao an-tsain’ny mpivory fa mivorivory fotsiny izy ireo !

  5. Ireo mpampianatra aza tsy mahafantatra an’izany hoe paolitika izany, koa inona no ho resahany eo ?
    Paolitikan’ny kibo sy fitadiavan-tseza ?
    Manao kabary be amin’ny vahoaka SY NY FILOHA RAVALOMANANA, fa zavatra hafa dia hafa no atao any ivelany miaraka amin’ireo nanongam-panjakàna !!

    Ankaotry ny MAP, izay tsy afaka ampiasain’ny mpanongana ary tsy ho ampiasainy mihintsy, inona amin’izao fotoana no mba tena hevitra entiny ary voihizin’ireo ao amin’ny Movansa ireo ?

    Tsy misy ! Ny fampodiana an’Ingahy Ravalomanana no tabatabaina etsy sy eroa fa tsy arahan’asa akory ! Famahanan-dalitra vahoaka ny dikan’izany !

  6. Tsy misy zavatra mahagaga izao situation izao satria i Hery RAJAONARIMAPIANINA anie ka tsy tokony ho tonga teo @ io toerana io e! Tokony tsy adinontsika mandrakariva fa matoa i Hery lasa filohampirenena dia ny HALA-BATO BEVATA sy ny HOSOKA no naha filoha azy, fa izy dia tena tsy lany mihitsy .. fa i Jean Louis ROBINSON no lany t@ iny fifidianana iny.

    Raha tadidintsika dia nilaza aho fa tsy lasa lavitra ny filoha lany nohon’ny hala-bato satria tsy manana anjara fitahiana avy @ Andriamanitra. Ary tsy vitan’izany fa ny alahelon’ny vahoaka malagasy izay naodina ny safidiny…Tsy ho laitran’izay filohampirenena nanagala-bato ny alahelombahoaka…fa aleo ilatsahan’ny varatra sy enjehin’ny omby masiaka toy izay mibaby alahelombahoaka…Mbola aiza e!!

    Mazava izao fa miandry ny tena filohampirenena mamimbahoaka ny firenena dia ny filoha hajaina Atoa Président Marc RAVALOMANANA. Tsy misy zavatra mandeha sy milamina eto raha tsy ny Filohampirenena mamimbahoaka Marc RAVALOMANANA no mitondra ny firenena sy ny raharaha rehetra eto.

  7. Misaotra Kintana a!marina izany!
    Mamy be izany dada izany! ary mbola tsy teraka ilay hisolo azy.
    Mba misy afaka manamarina ve fa nangala-bolam-panjakana i joely dia lasa
    nandositra any Doubai???toa omaly hono?

  8. Ranavalona
    matoa Neny tsy teny dia mety midika fa tsy anao politika izy na maka aina kely,lasa tsy mitovy hevitra mantsy zany i dada & neny raha izany fijerinao azy nefa i dada niditra mivantana an-telephone

  9. Aza mba hamaivanina ohatra izany ilay zavatra fa tsy mety e!
    Aza mba mody fanina e!!fantatrao tsara ny antony fa aza mba oah eeee
    I dada tsy afaka ny hiemotra intsony izy, ary efa fantatra fa ny vahoaka no tena jereny fa
    raha ireo mpitarika dia efa tena LEO SY TOFOKA I DADA.

  10. AIZA MOA NO HISY ZAVABANONA KA ITONY TAIMBAZAHA FRANTSAY ITONY NO MANDIDY SY MANAO BAROA ARYY MANMBANY NY MALAGASY. Tena izao tokoa ve no hoe lohana metisy? Fomba fiteny ihany io fa miala tsiny aminareo metisy tsara fanahy aho fa ilay rangahy ity aloha dia tena tsivalahara!

    http://www.youtube.com/watch?v=byBcIoldhj0

    KAY VE TAHAKIZAO NO TOETRAN’ITY Patrick Leloup ity e?
    Tena Patrick AMBOADIA tahaky ny anarany marina! Mbola hifanena amin’ny mpihaza
    amboadia fa tohizo!

    Samia velonaina!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *