ANY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA NO MIERA SY MILA VONJY I HERY

IMG_0198

IMG_0198Nilaza ny filohan’ny Repoblika fahaefatra tany Etazonia hoy Henri Randrianjatovo fa raha tena tia tanindrazana marina  Ravalomanana dia afaka miara miasa izahay. Inona no atao hoe : fitiavan-tanindrazana hoy ny fanontaniana napetrany. Natolotry ny filoha Ravalomanana ny miaramila ny fahefana tamin’ny 2009, k a fitiavan-tanindrazana ve izany sa tsia ? Raha tany ivelany izy , maro ny zavatra nitranga, tsy namoaka ny heviny izy fa ny hamerina ny tany tan-dalàna no nataony, ka fitiavan-tanindrazana ve izany sa tsia? Natao ny fifidianana, ka natao antsonjay izy sy neny ka nanaiky hanolotra olona, fitiavan-tanindrazana ve izany sa tsia? Maro tsy tambo isaina ary mbola nampiany hoe hankatoavy ny fitondrana na dia vava izany , mba tsy hisian’ny fiziriziriana ka tsy hiady an-trano ny samy Malagasy. Nampiadiana ny samy miaramila, samy foko, k a rehefa isika no nidina an-dalambe dia efa fantantsika ny tohiny, fa rehefa ny sasany dia tsy atao inona. Aoka hoy izy samy hivavaka amin’Andriamanitra mba hiverenan’ny filaminana, ary mba ho tonga ain’ny tanjona dia ny fiverenany eto isika.

Momba ny voalazan’I Hery Rajaonarimampianina ny amin’ny hoe tsy olona iray no manahirana ahy fa ny vahoaka roapolo tapitrisa dia nambaran’I Henri fa aoka tsy ho raisina antendrony ny teniny. Tsy adala I dada niteny hoe tohano izy. Ankoatra izay dia nilaza ity olomboantendry cst teo aloha ity fa nahazo hafatra avy amin’I dada, efa mandeha araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra fa ny angatahana amintsika dia mivavaha, ary ho avy tsy ho ela.

IMG_0006Andriamatoa Eric dia nilaza ny mahakasika ny fandravana ny birao maharitry ny antenimierampirenena. Indroa nidona amin’ny rindrina I Rakrisy. Io birao maharitra io dia ho vetivety indrindra. Ny tena mampalahelo hoy izy amin’ity tantara ity eto amintsika dia ny lalàna. Io dia olona miseho ho mpikirakira no manao tsinontsinona azy ka anisan’izany Rakrisy. Singany kely amin’ny lalàna fotsiny no nentiny nananganany ny birao maharitra. Rariny hoy Eric raha manome rariny ny Hcc fa tsy miantsy horavana io. Izaho mino hoy izy fa amin’ity herinandro ity dia hamoaka fehinkevitra ny Hcc.

Ankoatra izay dia namaly ny voalazan’I Hery ihany koa ny tenany. Ataovy “serieux” andriamatoa filoha, fa tsy misy gadra politika ve eto ? diplaomasia marina no natao tany ary manaiky izahay fa tsy vitan’ny diplaomasia ny raharahampirenena. Na dia nisy aza ny fifidianana dia misy zavatra mampiahiahy eto. Raha nojerena hoy izy ny antontan-taratasy nanomboka ny taona 2009 dia nirehitra menamena ny tahan’ny fahantrana, ny fahasalamana indrindra ny endrika isehoan’ny gaboraraka.

Hilarion Rarison dia nanambara fa r aha tsy mifampiraharaha amin’ny filoha Ravalomanana ny filohan’ny Repoblika fahaefatra dia tsy misy zavatra vita eto. Ny làlan’ny filoha Ravalomannana tamin’ny 2002 dia matanjaka. Aza mitonatonana miala aminy izany raha mbola hanao politika. Any amin’I dada hoy izy no mila vonjy sy miera  I Hery tany Etazonia. Tadidin’ny Amerikana tsar a ny zavatra nanjo azy teto.

40 pensées sur “ANY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA NO MIERA SY MILA VONJY I HERY”

  1. Mazava loatra fa raha tsy mody i Dada tsy hisy zavatra hilamina eto , Dada mody ihany fa any aminy ny lakilé BASTA

  2. Tena tsy ho tafody eo intsony i dada lehiretsy a! Tsy laharam-pahamehana ny momba azy hoy i Fery vaovao! Tena tsy asian’i Fery vaovao sira mihitsy ny momba ilay dadan-tsika e! Hita hie hala-bato bevata no nahalany azy an!

  3. http://i56.servimg.com/u/f56/17/12/01/17/vao_ma10.jpg
    Adinoy Ra8 raha mbola ny olona atolotry ny frantsay no HIJANONA ho PM (Omer)

    Aza manantena ihany koa ny hoe i Jules ETIENNE no mety ho PM, fa tsy tian’ny Frantsay izy.

    Indrindra ho President ny COI sy ny OIF – afrika Atoa Hery. Voafatotr’ireo ny tonogtra aman-tanany ka tsy afa-bela amin’ny Tsotsoka intsony.

  4. Oudriii, otran’ny tena mapme kou zany le, Hery ndray ve no mila vonjy any @ Ra8 le, so de mba mivadika ary ny globy leaza an, fa iza mou zao no manao sesi-tany ny tenanay, sady iza mou zao no te houdy e, hery sa Ra8, de iza zany no mila vonjy, endraso eo poly ra zany dadan’lisany zany lesy e, miandrasa 5 taona manaraka ndray wa ts poinsa lou zao e, sady mpangalatra no mpamono olona iny ts ilaina moudy aty e, SADY TSY LAHARA-PAHAMEHANA NY fodian’iny eto e, tsis ilana azy iny, sady mpanambany otran’lisany iny lety e, FOZA E , FERY VAO, RADOKOTRA E, nefa ny tenany ary tsy itany we RA8, mpamono olona , ny anarany kou lou tsy nataotao fona e, we ra8, avy @ hoe fahavalo zany mantsy, ka so de lasa mpifahavalo eto doly ny gasy ra iny no mbola filoha,

  5. Ary mba kabarin’iza indray izao no netina tany @ Bekitana ???
    sy ny netina niseho tao Paris tao ??? Afa-baraka fa copier-coller! hi hi
    Raha ny tena aloha dia aleo tsy miseho amin’olona intsony izany namaky ny kabarin’ny Mpanjanaka izany e !
    Tena henatra enti-maty mihitsy io.

  6. Fantatry ny olona foana ny atao hoe sinema ê !
    Aktera, fa aktera venà ! Miomehy ny olona fa tsy mba fantany akory ny antony ! Sirika beu !

  7. Foza inn no foza ? Domelina ve izany ??? ka hita fa Ilay faikany avy ery ambany tanàna ery ???
    Mila atao PM hono lery fa hirotsaka ho fidiana @ 2018 , tsy mapme akory !!!

  8. Mba nanitikitika ny saiko ihany ny hoe, ahoana no mba fahitàn’ireto mpanao gazety amerikàna tonga nanatrika ny valan-dresaka nataon’ity hoe filoha malagasy. Dia iny nitady izay lahan-tsoratra navoakan’izay gazety malaza indrindra :

    – The Wall Street Journal
    – USA Today
    – The New York Times
    – Los Angeles Times
    – The Washington Post
    – Daily News

    Indrisy, tena diso fanantenana ! Toa « Non évènement » ny dian’ilay Filoha malagasy !
    Tsy nahita ny tenako na voambolana iray aza !

    Ry zareo ao amin’ny ONU ihany no toa mba namoaka vaovao !

    Toa fiatsarambelatsia manarapenitra koa ny azy rehefa natao ny fandinihina !

    Raha mba mahita ianareo, dia mba ento ato ê !

    Eo am-piandrasana an’izany dia mba henoy kely ny tsiambaratelon’i Nanie !

  9. Avereno amin’Ingahy Rajaonarimpianina ny teniny, raha tia tanindrazana izy sokafy ny fitsarana hitsara ireo mpanongam-panjakana nitondra ankizo nandritra ny dimy taona.
    Jereo aloha ny hazobe ao anaty masonao ry Filo vao misokatra ny vava, fitiavan-tanindrazana ve ny nitantananareo ny firenena ka nahatonga ny gaborakaraka sy kolikoly sy ny halatra tsy voatanisa izao ?
    Tsy olo masina ianao fa na ny niakaranao teo aza tsy mazava fa ninia tsy notohizana intsony…

  10. Za indray aloha dia tsy manaiky ho Gena izany ry Baba an! vzvz !
    Tsy ny maha Afrika an’i Rajao fotsiny no hangejan’ny renikely azy FA
    aza hadino fa framacon izy ka ireo no tena mangeja ny firenentsika izao, ary mbola ireo
    no nibaiko an’i Radoko tsy maintsy NISOLANTSOLANA nanotrona an-dRajao tena Mahamasina
    na dia hita izao aza fa Radoko no nahazo vato betsaka (NOHO IZY NATOLOTR’ i DADA) aleo
    hazava ny resaka.
    Raha azoko tsara izany ny tantara dia tsy nahazo avara-patana tany Amerika Rajao???ny hafa
    indray ve no sarotiny alohantsika?tena mahamenatra ny mahita ireto izay manindraindra mafy an’
    i ity Rajao marina moa!!! ny Amerikana indray ve no sarotiny fa isika ve izany dia tena tssssss

  11. rajaonarimpianina dia misy eranan ‘ny tanànatana ,feno ny arabe ary na dia any am-piangonana dia hahitanao azy ireny !
    Miseho azy ho vy fanga ,salama hogo ,pataloha velon-drirana , be solomaso ary dia te-handresy lahatra ny sasany fatsy mila lesona na torimarika izy fa avarai hono izy
    Rehefa mandray andraiktra lehibe dia toa mitory fa tsy misy sarotra tsy hay hatao!
    Indrisy !

    « Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy koa toa tsy mora ! »
    « ‘Ty rajao…’ty ve misaina sa mihevitra izy fa ny Malagasy dia tsy misy eritreritra ka hanaiky na hankasitraka izay lazainy !
    Iny fifidianana nampanaovin’ny Communauté internationale tsy fe natao hanavotana na hanampiana ny mpanongam-panjakana na hanamorana ny asa-panjahana ataon’ny frantsay !Ka lasa mihinanam-bolony ‘ty rajap ‘ty !
    Na ny fijeriko an’io fifidianana tsy démocratique io dia tsy nahatsikaritra ny tetik’ireto Communat » internale , izay nifanditra ary nizara roa ireo mpikambana ka
    -ireo nikiry ny hanaovana ny fifidianana : frantsa , ny nosy ao amin’ny ocan indien -maurice-sychelles , comores sy ny am-pahany ao amin’nUA ,ao amin’ny UE ,zay nihaino an’i Chissano
    -ireo nitsipaka ny fanaovana io fifidianana io dia miaraka amin’USA,JAPON ,ALLEMAGNE , GRANDE BRETAGNE sy ireo Firenena  » misondrotra ara-toekarena dia BRESIL ,RUSSIE, INDE , CHINE ary ny SUDAFRIQUE (BRIC’S)
    Ireto miaraka amin’ny Américans dia Firenena Matanjaka arak ny isan’ny mponina , ara-toekarena ,ara-boa ary araka ny herin’ny Tafika ananany.Nampitandrina izy ireo fa tsy hanampy an’ny Madagasikara ara-bola sy ara-techniques izy ireo raha toa fitondrana tsy manaja ny démocratie sy tsy misokatra (ouverture) handraisan’ny Rehetra andraikitra no mitsangana.
    Dia natao ihany ny fifidianana.
    Dia io niarahana nahita ny valiny!
    Aiza ny rediredin’ny mpanongam-panjakana fa ho azy ny présidence , ny pm (izay hoe rajoelina no ho tendrena , ary dia hoazy ireo koa Tsimbazaza..
    Dia nandeha ny kaonty boritra;
    –lany noho ny hala-bato  » miompampana « i rajao..
    teny Tsimbazaza dia nanantena ny « handresy » ny députés mpanohitra,mapar de malheur,kay izy ireto nampiasa làlana tsy mbola voadinika ary diso koa rizareo ain’ny dikan-teny : majorité dia ny mazo an’isa raha oharina amin’ny isa ny députés isan’antoko misy ao Tsimbazaza !Dia nihevitra izy ireo fa ,satria maro an’isa izy dia izy no haka ny toerana mitantana an’ny Tsimbazaza.Vita ny fifidianana lasa ny mapar ny toerana rehetra !
    Kinanjo nivory ireo antoko vitsy olona ary nifanaraka ny « hiombona  » izy ireo ary dia izy ireo NO METY O MARO AN’ISA ARY MARO AN’ISA MITANILA (majorité abslue ),
    Miandry ny valin’ny Fitsaran’ny D
    HCC sy ny Conseil d’état daholo ,stria ireto antoko vitsy an’isa dia miombona ary nametraka fitoriana . dia miandry Isika
    Ka mahita ny fizotran’ny Tantara aho dia sahy mila fa ny Communauté Internationale , izay i chissano no mpaelanela avy ao amin’ny SADC no nitondra ny baolina ary dia nihevtra dahol ny ankamaroantsika fa voavidin’ny frantsay ity chissano it ary noho izany dia miaro sy manampy an-drajoelna sy tariny
    — Diniho tsara fa voafafa i rajoelina ,izay dondrona satria tsy nahatsapa fa ny faniliana azy tsy ho candidat dia nitory biriky lany zoro izy dia niverina amin’ny mahabainga azy ary ho lasa fotaka atsy ho atsy
    –Araho tsara ny sehon-javatra ao Tsimbazaza! Fa raha raha tsarain’ireo Mpitsara fa mitombona ny anton’ny Fitoriana napetray ny députés – n’ny antoko tsy maro députés ka rehefa niombona izy ireo dia mitana ny majorité absolue ao Tsimbazaza (ireo atsasa manila io dia 147/2=1) .efa mahatratra 107 IZY ANKEHITRIO FA NISY IREO NIALA TAMIN5 NY MAPAR §
    Aiza kosa ny fikan-drajao amin’izao fotoana ?
    —-Inona moa nataony taty Frantsa ?
    Tsy fahaizan-draha (fifandraisana-diplomatie izany )satria raha hangataka vola sy fanampiana amin’ny Américains ianao dia TSY MAINTSY MANAJA NY AMERICAINS IANAO KA TANY USA aloha no natomboka ny fitsidiana..
    Ary fandalovana tany Frantsa io dia tena tsy ao ity rajao itymSatria ny USA sy ireo Firenena Matanjaka ao amin’ny CI anie no nanapotika ny programme  » françafricain » izay nomena an-drajelina comme prête-nom ,comme écran..
    ‘Ty rajao tsy manana pm ity dia porofo fa tsy izy no mibaiko eto Madagasikara dia izy mba manao cinéma raha milaza fa  » raha tia tanindrazana ny Filoha RAVALOMANANA MARC dia tokony hody hiara -hiasa aminy «  »
    Mitory faharesena izany ary tsy misy azo atao afa-tsy ny MILAVO LESONA
    IZAOSEHON-JAVATRA ATREHANTSIKA IZAO DIA TSY TONGATONGA FOANA FA VOKATRY NY ADY HENJANA NATAON’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC niaraka amin’ireo Firenena Matanjaka ao anatin’ny COMMUNAUTE INTERNATIONALE !
    SAINTSAINO TSARA ARY AZA VARIANA AMIN’NY LASA FA BANINO KANANA !

  12. O r’IMAHAKA !
    Dia adinonao ve ilay fary , be iherahana tokoa angaha ianao ?
    Ny vaovao Leroa dia ny omaly tsy niova hoy ilay kamolahy sy te hamaky loha !
    Ny Politique ve ?
    Ho an’ny tia fialam-boly dia théâtre no lalaovin’ireo mpanao politique !Fa inona moa ny atao hoe manao politique ?
    Tsotra io ho anay izay nivaotra teny an-dàlambe ; »fianarana ary fahaizana mitantana (derer ) tanana , firenena »
    Ho an’ny mpitazana dia hafetsifetsena manodikodina ny vola-bahoaka !
    Ary tandremo fa ny fanavana politique dia toa ny boxe ,koa raha ianao tsy mbola nanao boxe ,dia aza mifandona amin’i CASSIUS CLAY !Anatra izany r’IMAHAKA

  13. Fa in iany ary no dingana lehibe andrasan’lisany e, ny hoe tonga de ampodio dadanay ve? lol, andraso eo poly ra zany no izy, tsy lahara-pahamehana wa ny fodian’iny olona mpamono olona sy mpangalatra ankolaka iny, manafi-tay an-tsalaka iny lesy e, tsy aleo ve tonga de miseho mivantana otran’reo mpitondra tao @ HAT reo le, tonga de mangalatra direct sy hita maso zao miitsy, nefa dadan’ny lisany moudy mitapy (fahamarinana sy fahamasinana e ») nefa kay mpangalatra be vava e, lol, ny dikan zany lesy de trotra an, n’iza fidian lisany eo, ary na iza tonga eo de tsy maintsy hangalatra doly , lisany ary zao moudy any an-dafy any de moudy mangalatra kou, ny sasany mangalatra hou dokotera, ny sasany mangalatra hou kintana ne kay devoly manan-drambo, hahahahha, mapme eeeeeeeee, tohizo fona ny magro lou e, AFAKA 5 ANS NAREO METY MAVITA DINGANA LEHIBE E, hihihi

  14. Ny fitenitenenam-poana sy ny fiheveran-tena ho « dadany » dia mamelm-bola ireo mpomba ny mpanongam-panjakana !

    Sarotra ny manao politique ary tsy izay mitsaontsaona ,na manaratsy ny sasany , na manompa dia azo atao mpanao na mananao politique avokoa!
    Fa ny tena fosika dia itony miovaova :ho azy ireny dia izay feno tay maimbo be sy avo vava no tena mahavita azy,na dia tsy aza izay vita teo amin’ireo Malagasy tsy manan-kohanina !
    Ny fanaratsiana ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC dia tsotra ny dikan’izany :tsy mana-kolazaina nefa mba te-hiteny ,tsy manan-tsaina nefa mba te-hisaina !
    Fa lnona ary aiza izay mba bainga voavadik’itony misefosefo eo am-piandrasana ra-kena avy any amin’ty rajao fanina ‘ty ?
    Tandremo ny teny tsy ambina ,fa rhefa ho tonga ny loza ( ny fahatongan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC eto ANTANINDRAZANA ,na iza na iza tsy faly )dia na patsa iray aza tsy omby vava feno maloto !
    Tsy any ny olana fa ny FITSANGANANA FITONDRANA MAHEFA ,TSY TENY , FA TENA MIASA HO AN’NY SOA HO AN’N’NY MALAGASY MAIKA HIALA AMIN’IZAO FAHANTRANA IZAO ! TSY MISY AFA6TSY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC na iza tsy faly na iza tsy faly !
    ARY TSY MISY HAHASAKANA IZANY !
    fosefo

  15. Ny halatra sy ny fanodikodinam-bolan’ny Vahoaka sy ny halaa-bato ary ny hosoka tamin’ny fifidianana ve mba porofo entin’ity rajaonarifanina ity fa tia-tanidrazana izy?
    Isika Ma:agasy dia hafa-baraka eo anivon’izao Tontolo iainanaizao ,fa olom-poana toa itony no mitantana ny fanjakana !
    Inona tokoa moa no noraisiny sy azony tamin’ny fiarahana tamin’i rajoely nandritry ny dimy taona ? VOLA HALATRA SY NY HAITRAITRA !

  16. Ry Filoha hosoka ,

    Raha nisy na misy fitiavantanindrazana na toa ny tain’ny moka aza ny halehibeany dia mba valio ireto fanontaniana ireto :
    Inona aza no nahatonga anao nanongam-panjakana niaraka tamin’i rajoelina ?
    Raha ,hoy ianao hoe voavitaka aho , dia nahoana ianao nanaiky ny fanapotehana sy ny fandorana iro harenasy orin’asa ary ny fandersam-peo sy sary ,izay fananan’ny Fianakaviana RAVALOMANANA MARC ?
    Safia sy mamy ny nanimba ny fananan’ny sasany
    Ary izany ve no naharetanao dimy taona sy nivanvandranao ireo Malagasy ory sy nahoana , izay vokatry ny asa-jiolahy nataonareo ?
    Ary izao ianao tonga eo amin’ny fitantanana ny fanjakana ,dia mba misy henatra na eritreritra manenjikaanao satria tsy misy vola-mpanjakana intsony hampiasaina hanasoavana ny Malagasy ?
    Sahy miditra am-piangonana ve ianao amin’izao fotoana izao kahanana hery hiatrika ny fihatsaramlelatsihy ny mpiangona ,izay miarahaba tsy sadroka anao ?

    SA MAMPINDINGIM-DRAMBO ANAO IZAY FANONTANIANA IZANY ?

    « PLUS LE SINE EST BETE ,PLUS IL GRIMPE PLUS DANS L’ABRE POUR MONTRER SON CUL !
    OUI , comme le singe , vous n’avez aucun scrupule ni honte ni dignite !

  17. Filoha namboarimboarina , notefitefena tamin’ny tai-boraka ,
    Aiza ‘zato izy fa efa ho telo volana ve no nikotrika ,na atody lamokana aza tsy nilatsaka ?
    Ary mba ahoana sy inona no paikanao ‘ty e? Inona ny vinavina-kasa pandrosoana? inona no setrin’ny fahorian’ny Vakatry ny asa-jiolahy tsy nisy flatohana tao anatin’ny dimy taona nisesy izay ? Na teny fitserana azatoa tsy vitanao !
    Hono hoy aho ; inona no nahatonga anao nanongam-panjakana ? Filamatra ve sa sajm-boto sa tsy fitiavana na fialonana na fitsiririntana ny tsy an’ny tena ? Sa fahantrana ?
    Atao hoe voafitaka inao ! KANEFA NAHARITRA DIMY TAONA IANAO ARY TOA TSY NANKARARY ANAO NY FANAPOTEHANA FANANAN4NY FANANAN’NY FIANAKAVIAN’NY FILOHA RAVALOMANANA (tranon’asa , camions fitanterana ,ny tranon’ny fandeasana haino aman-jey , sy fahitana fa nisy mpasa may kila tzo anatin’ireny orin’asa nodoranare ).Amin’izao fotoana izao ve mana toky sy fanantenana ve ianao fa handeha amin’ny laoniny ny fitondrana iadidianao satria toa misy olana na sakana eo ao anolohanao ?:
    –a)ny fanendrena ny pm dia toa porofo ita maso fa tsy manana fahefana ianao na sy manana olona azonao toky na tsy te -hiara-hiasa aminao ,na ny olna atoltrao dia tsy eken’ny hery manodidina anao ?
    –b)Ny isitery ao Tsimbazaza ; ntsinjaka sy nimamo ireo députés » putshistes  » fa hoe maro an’isa ( majorité) ka lasan’izy ireo ny birao mitantana ny AN..
    Kanjo ay diso fandinika ilay mpitsara nanome ny « majorité » azy ireo !
    Satria nifampitaona ireo antoko tsy manana députés maro dia nanapaka izy ireo fa hihombona ao anatin’ny fikambanana atao hoe « PLATEFORME »Ary rana natao ny total-n’ireo députés nihombona dia nahatratra 77 , dia natao ny kajy dia nisongadina fa nihaotra ny  » majorité absolue « (atsasa manila ) ni san-drozy !B
    ny députés putschistes tsy manana ny majorité absolue fa nihanina tamin’ ilay teny hoe majorité fotsiny dia nihevitra fa azy Tsimbazaza.
    Koa dia nametraka « requête » ny députés mihobmbona ao ami’ny Plateforme ao amin’ny HCC SY NY
    CONSEIL D’ETAT !
    KOA HONO HOY aAHO RY FILOHA NAMBOAMBOARINA : MANTENA INONA IANAO AVY AMIN’IO DIDI-PITSARANA IO ?
    Aleo tokoa angamba miandry ny ivohan’ny didi-pitsarana !
    Monsieur le faisant fonction de président ,êtes-vous convaincu que êtes un vrai président , ayant l’estmi et la coniance des autres Chefs d’Etat des autres pays , notamment des usa du japon , de l’allemagne , de la grande bretagne, de l’ ‘inde ,de la chine , de la sud’afrique Ils représentent les Pays puissants dans la Communauté internationale et ce sont ces Pays et d’autres qui se sont opposés contre l’organisation des élections à Madagascar , car ils ont jugé que ces élections ne respectent pas les règles démocratiques et les dispositions du Droit fr l’Homme !
    Mais les élections ont eu lieu et vous avez été élu grâce à des fraudes massives !
    AUTRE CHOSE IMPORTANTE QUE VOUS MESESTIMEZ !
    Certes le Président de la République élu deux fois au suffrage univerl vit en Afrique du Sud depuis le 17 mars 2009 ! Les Malgaches le considèrent toujours comme le PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE DE MADAGASCAR ET CE N ‘EST PAS VOTRE COUP D’ETAT QUI ANNULERA SES FONCTIONS !Regardez bien l’état des résultats des élections présidentielles :les opérateurs ont enregistré 50%:CES mALGACHES REPR2SENTENT LES PLUS FIDELES IVCONDITIONNELS DU PRESYDENT RAVALOMANA MARC !
    NE FEIGNEZ PAS D’ICNORER SA GRANDE CREDIBILITE ? SA NOTORITE QU’AUCUN MALGACHE NE PEUT LE RIVALISER AUPRES DU CONCERT DES NATIONS QUI LE RECONNAISSENT TOUJOUS BOMME LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE CONSTITIONNEL !
    Et vous avez Pointé votre nez chez les Américains , aux Nations Unies ?au fmi ?mais chaque fois vous n’avez pas été reçu par les atrons de ces maisons et puis vous ^dtes rentré bredouille sans avoir obtenu n euro d’aides financières §
    est-CE QUE VOUS VOUS ETES POSE LA QUESTION DE SAVOIR POURQUOI ,?
    CES AIDES ONT ETE DEJA DEBATTUES ET FINALISEES ! LEUR DECAISSEMENT SE FERA QUAND LE PRESIDENT RAVALOMANANA MARC SERA PRESENT AU PAYS !

    et les malgaches entoneront la chason /
    « INY TONGA I DADA…MITONDRA NY MFO..O! »

  18. Le président Hery Rajaonarimampianina a déclaré … que
    « l’hiver est parti et que le printemps est là en ce 21 mars » – hahaha gasy SA firantay hono ity feeling printemps tsapan’io tany Parisy tany?

    « … mettre en place une Justice impartiale et équitable. Il n’y aura pas d’impunité»
    tonga dia sambory na hesory ampahibemaso i KristinaRAZANAKISOA ê!!

    Tadidiko tany aloha, ianareo
    – ra-fHERY (minisitry ny 3VolaExetra)
    &
    – ra-Kristina (minisitry de l’injustice)

    ANISAN’NY NANGATAHAN’NY OLONA HIALA
    nohon’ny halatra be
    &
    heloka bevava

    VITANAREO TANATY COUP D’ETAT!!!

  19. atelier UbiFrance hoe?

    ensuite s’est rendu au siège de OIF, reçu par Abdou Diouf
    « l’Administrateur de l’OIF se rendra dans quelques jours dans la Grande Ile pour faire le point de la situation »…

    zany an??

  20. aoka tsy ho adinoina,
    f’io fHERY vao io no nahafaty an’ingahy governora ny banky foibe
    tamin’ny fanerena ankolaka ny FAMAROTANA ny banky bni

  21. consensus ho’z dia nanao sonia ny feuilleDeChoux ry Benangy sns

    eto ndray zao sika: « réconciliation nationale » – dia hiditra système?

    Mifono critères maro io
    fa FANKAO tsara aloha ny dikany ry zareo

  22. ce qui m’énerve surtout en ces gens haut placés là
    c’est la FACILITE sans se soucier de l’effet que ça engendre à l’audience
    que de reprendre ce que disent les autres
    le plagiat
    On peut paraphraser ce qui est la moindre intelligence NON?

  23. Nahazo ny anjara mendrik’azy ny sasany omaly ! Mbola ho avy koa ny an’ny mpanongana, ny mpivarotra tanindrazana sy ny tia-tena rehetra !

  24. Hoaiza a!!!tsy ny vola ihany no ffamotsy fa RAJAO koa.
    Ny zavatra hita @’izao fotoana mantsy dia famotsifotsiana .

  25. Salut ranavalona: FOTSY VARAVARANA i Rajao, fa é é é! (mdr)

    ô rey olon an: samia mazoto manao comment @ lahatsoratra manarak’ê!

  26. Ny trano no fotsy, fa ny varavarana toa mena HONO !
    « Comment » ? Ianao aza ity toa tsy hita firy intsony koa ! Mdr !!

  27. Sao adinon’i km ny dikan’ny hoe « fotsy varavarana », izay entimilaza itony vehivavy tia resaka etsy sy eroa, mivoaka ny trano matetika manoko an’io any an-kafa.

    MDR be amin’ireto vidéo sasany! Tsy haraka intsony, fa hamaly ny etsy ny eroa efa mipoitra hihihi

    _______

    paroles du « Le Monde a l’envérs »
    que j’ai fait Copier – Coller ICI

    – Milay marin’ê :
    « Si on est c’est ce qu’on est, c’est grâce à l’expérience
    Qui nous appris le bon et le mauvais, j’en est fait l’expérience
    Le passé nous forge, nous forme, nous éduque,
    Nous apprends, la confiance, la méfiance, les chutes
    Les buts à atteindre, avec ou sans la manière,
    Le temps à attendre, pour franchir les barrières,
    Les esquives pour feinter les difficultés
    Enjambé les obstacles, si t’en à la faculté »

    – Raha samy voajanaka, dia
    mitovy na dia tsy sahala aza ny manjo an:
    « Je tiens a rendre hommage au martyrs d’autrefois
    Sans leur actes a présent je n’aurait pas la même foie
    132 ans de colonisation et 7 ans de sang
    Pour une revanche, moi ma place c’est le front
    Malheureusement la jeunesse d’aujourd’hui n’en vaut pas le couts
    Une générations perdus qui avance vers le flou
    Chacun d’eux rêve de se faire un réputation
    Sans même avoir une base de respect ou d’éducation »

  28. « white kristmas » hono
    dia natao fotsy botsiaka soa fa artifisialy, itony zava-maniry HAZO arbre de noël SAPIN ,
    fa AN AN AN kos’ê: matsatso tsy misy chaleur ilay tokonana
    lol

  29. Soa ihany tsy niteniteny foana izany, saika bedin’i ranavalona ! Tsy mitovy ilay varavarana resahana ! Mdr !!!

  30. Hiova sehatra kely.

    http://www.lexpressmada.com/blog/actualites/economie/semaine-decisive-pour-air-madagascar-7801

    Hanantena inona hono ireto delegasiaona ?

    Ny fanontaniana hipetraka voalohany dia ny hoe :
    -Ministrin’ny Fitantanam-bola no PCA, orinasan’io olona io ihany koa no miandraikitra ny kaonty : Aiza ny bilan 2012-n’ny Air Madagascar ?
    – Nahoana no mbola betsaka tahak’izao ny gaboraraka ao Ivato ( famoahana volamena, vatosoa, sokatra ary biby isan-karazany )na dia nasain’ity hoe CSPI tsy ara-dalàna mandoa « hetra » aza ny mpanjifa ?
    – Nahoana no tsy lazaina fa afenina amin’ny vahoaka malagasy ny anaran’ireo voaroirohy sy nolazaina fa tratra ambodi-omby ; mandeha mantsy ny resaka fa anisan’ireo olona ireo ny rahalahin’ity hoe risara baomba ity ?
    – Ara-dalàna ve ity hoe CSPI ity, ary aiza avy no misy azy ?
    -…
    Ho betsaka ny fanontaniana !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *