HERY RAJAONARIMAMPIANINA : NA HANDROSO NY FIRENENA TANTANINY, NA HIFOTETAKA , HIREFAREFA AMIN’NY HEVITRA TAINGIN-DRAJOELINA.

HVM

HVMAraka ny nambaran’ny fahitalavitra iray tsy mainkina  teto an-drenivohitra dia nisy ny fihaonana mangingina teo amin’i Hery Rajaonarimampianina sy Rajoelina omaly. Fihaonana faharoa teo amin’ny roa tonta ity natao ity. Ny votoantin’ny dinika araka ny voalaza dia ny fibaikon-dRajoelina an’i Hery hanilika ny movansa Ravalomanana tsy hiara hiasa aminy eo amin’ny  fitantanana ny firenena.

Tsy miala amin’ny fomba ratsy fanaony hatramin’izay ity filohan’ny mpanongam-panjakana ity satria tsy vonona amin’ny fampandrosoana ny firenena fa manangam-pahavalo hatrany. Nandritra ny dimy taona no nalatsany tao anatin’ny haizim-pito i Madagasikara dia io tarihiny io amin’izany ihany koa ity filohan’ny Repoblika fahaefatra ity. Fambolena fankahalana, fihantsiana, valifaty ho an’ny filoha Ravalomanana hatrany no ao an-dohan’ny zandrikely. Porofon’izany ny fanatanterahana ny Alatsinainy mainty ny 26 Janoary 2009, izay nandoroana sy nanapotehana ireo orinasa maro isan-karazany teto amin’ny tanàna. Anisan’ny natao lasibatra voalohany tamin’izany ireo orinasan’ny filoha Ravalomanana toy ny Magro manerana ny Nosy, ny orinasa Tiko. Fialonana avokoa no antony nanaovan-dRajoelina izany. Rehefa nahazo ny fahefana anefa izy dia tsy nisy ny fanonerana ireo simba rehetra tamin’ireo orinasa potika ireo na dia efa voalazan’ny fifanarahana natao aza izany. Ny zavanisy dia navelan’ny ho lany tamingana, sy  hanjakan’ny mpangalatra tanteraka ny orinasa Tiko sy Magro. Ho an’ireo izay tsy manana izay fomba fijerin-dRajoelina izay na dia ireo namany aza dia heveriny ho fahavalo avokoa. Ny Mpanjaka hendry teto Madagasikara ny Ombalahibemaso anefa dia nanana  fomba fijery hoe :” Ny fahavaloko dia ny mosary”, ary ny  filoha Ravalomanana ihany koa dia efa nilaza fa “Ny tonga miaraka no fanombohana ary ny miasa miaraka no fahombiazana”. Nahatsapa io tenin’ny filoha Ravalomanana io Hery Rajaonarimampianina ary niantso ny hery velona rehetra hiara hiasa aminy.Tsy nametraka fahavalo ny movansa Ravalomanana izy. Fantany rahateo fa tsy azo tsinontsinoavina ary mbola matanjaka na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny herin’ny movansa Ravalomanana. Manana traikefa eo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy manana olona manampahaizana ny zanak’i dada. Tsy nijoro ho sakana amin’ny famahana ny krizy ny movansa Ravalomanana fa nitsinjo ny tomboantsoam-pirenena fa Rajoelina hatrany no sakana teto amin’ny firenena ka nanao laharam-pahamehana ny fitadiavana izay hiditra any am-paosiny fa tsy nisy fitsinjovana manokana ny  vahoaka malagasy. Ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia iarahan’ny olona tomponandraikitra rehetra fa tsy  vitan’ny olom-bitsy na antoko politika irery.

Noho izany raha hiditra amin’ny paikadin-dRajoelina hanilika ny  movansa Ravalomanana i Hery Rajaonarimampianina dia tsy ahomby ny fitantanany ny firenena.Nandritra ny tetezamita dimy taona mantsy dia tsy tafavoaka ny firenena Malagasy noho ny fanapahan-kevitra kitoatoa nataon’ny mpanongam-panjakana. Izay paikady nampiasain-dRajoelina mantsy dia resy ary nidona tamin’ny pôtô hatrany izy.  Hanao safidy araka izany ny filohan’ny Repoblika fahaefatra na hiaraka amin’ny hery velona rehetra hitondra fampandrosoana, ao anatin’izany ny movansa Ravalomanana, dia handroso ny firenena tantaniny, na izy  hifotetaka , hirefarefa amin’ny hevitra taingin-dRajoelina.

17 pensées sur “HERY RAJAONARIMAMPIANINA : NA HANDROSO NY FIRENENA TANTANINY, NA HIFOTETAKA , HIREFAREFA AMIN’NY HEVITRA TAINGIN-DRAJOELINA.”

  1. Ry zareo kosa anie efa nilaza tamin’ny rehetra fa hiaraka foana ê, ary ny tanjona ho an’ny firenena dia toy ny fandihizany : Tsy ambony, fa hoe :

  2. Fa ankaotr’ilay Filoha niaran’ny sotasota sy ireo tena mpanohan’azy, mbola misy marina ve, malagasy tena :

    – Tia tanindrazana
    – Tia fandrosoana
    – Tia fahaleovan-tena
    – Tia fandriampahalemana
    – Tia fihavanana

    Ary vonona hiaro ny fiandrianam-pirenena sy ny zoan’ny vahoaka malagasy ?

    Matoa voatery mizaka an’izao fahorianao mahazo azy izao i Madagasikara, dia satria ny fitiavan-tena sy ny fiatsarambelatsia sisa no mitoetra ao an-tsain’i ramalagasy ory hava-manana ! Very fanahy mbola velona !

  3. KM

    je finis par être franchement écoeurée ……….

    ce twist à la Rojoelina dans un meeting pro hery vaovao…applaudi par une foule chauffée à blanc , comme dans une boite de nuit , traduit bien à quel point cette partie de la population a la cervelle lessivée par la bêtise…

    et  » ça  » avaitr voté orientant l’avenir du pays : dans la BETISE ETERNELLE

    triste, triste pour notre pays…

  4. Confiance mal placée en cette période si incertaine pour le GEM ??

    Et quid de cette histoire d' »Amnistie fiscale pour les entrepreneurs qui font l’objet de contrôles initiés pendant la période de transition » ?

    Le sieur TAZAFY Armand ( DG des Impôts ) est ou était-il si pointilleux et rigoureux que çà envers les entrepreneurs ?
    Et qui contrôle Mr TAZAFY, qui a la réputation de ne pas être aussi un tendre dans ses affaires ?
    Il est vrai que travailler avec un ministre des finances devenu président, peut vous donner une certaine….sécurité, pour ne pas dire liberté.

    http://www.rfi.fr/afrique/20140313-madagascar-operation-seduction-envers-secteur-prive-rajaonarimampianina/

  5. Sambatra marina ihany ireo ray aman-dreny izay nandao, tsy mahita ny adalàn’ireto malagasy mipitsoka, toa voahozona !

    Mba naniry zavatra tsara ho an’ny tanindrazany ary indrindra ho an’ireo ndimby sy solofony ihany ry zareo, fa dia sendran’izay taranaka tsy misy ati-doha sy kentrina !
    Tsy menatra intsony ny sasany milaza fa babakoto !

    Ireo razam-be ve, sa ireto taranany no lasa babakoto ? Indrisy !

  6. Njara,

    io no tena sarina barbecue géante niarahana t@ nonce aux postes a… sy ny frantsay ary ny mpanipy biriky…
    tsisy dikany ilay tany nosy be

  7. efa nampitandrina aho fa ianareo tsy ampy amidin’ireo goaika ireo. andraso eo ihany fa hiraraka tsy ho tafarina intsony vao ho taitra.
    mpisoloky ireo, ataovy an-tsaina izany dia ampy

  8. Ny tena mahazo an’i Hery dia izy mipetraka amin’ny seza roa:

    – Ny voalohany dia ny mapar izay manohy hatrany ny fanompoana ny mpanao biriky izay tohanan’ny Colas, Total, Orange…
    – Ny faharoa dia ny ankolafy Ravalomanana izay tohanan’ny firaisamben’ny firenena.

    Tsara ho marihina fa ny vondron’olona ao amin’ny mapar dia mbola firehana vozongo ary tsy te-hiala amin’ireo, ity faharoa dia misokatra ka mety ho lasa mpifaninana amin’i retsy orinasa voatanisa iretsy.Ny ataon’i Hery dia maka toky tsara hoe raha ity faharoa ve dia misokatra marina ny varavaran’ny vola avy any ivelany.Koa aleo izy aloha hisaina tsara.Raha resy mantsy ireo voalohany dia mihena ny tombon-tsoa ireo olom-bitsy mitapo maso.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *