MAHAIZA MANETSA RAVALO

MARC RAVALOMANANA FAVORI DE L'ÉLECTION PRÉSIDENTIELLE MALGACHE

MARC RAVALOMANANA FAVORI DE L'ÉLECTION PRÉSIDENTIELLE MALGACHENanomboka ny taona 2009 dia tsy nitsahatra ny namitaka ny filoha Ravalomanana hatrany ireo mpanao politika. Ny lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana tamin’izany dia Jacques Sylla, izay nirotsaka nanampy tosika ny mpanongam-panjakana teny amin’ny kianjan’ny 13 Mai. Nisy ihany koa ny fifanarahana tany ivelany toy tany Maputo, Addis Abeba, Pretoria, Gaborone, Sandton, Seychelles I sy II, izay niafara tamin’ny fanaovan-tsonia. Rehefa nandefitra anefa ny filoha Ravalomanana dia tsy notanterahana ny nifanarahana fa nisy namadika hatrany. Nisy ihany koa ireo mpiara-dia azy izay nivarotra mihitsy ny tolona natao ary nivadika nankany amin-dRajoelina ka anisan’izany Raharinaivo, Yves Aimée, Alain Andriamiseza sns… Teo ihany koa ny fifanaovantsonia ny tondrozotra ny 11 Septambra 2011. Izay zavatra nifarahana tao anatin’izay anefa dia mbola tsy notanterahana ihany koa,  tafiditra ao anatin’izany ny andininy faha 16,17,18, indrindra ny andininy faha 20 izay milaza fa mody tsy misy fepetra ireo sesi-tany politika any ivelany ka anisany ny filoha Ravalomanana. Nanomboka teo dia nisy ny fiaraha mitantana ny tetezamita ka noteren’ny sehatra iraisam-pirenena hanao fifidianana isika. Nisy indray ny fepetra napetraky ny Sadc ny amin’ny tsy firotsahan-dRajoelina sy Ravalomanana na ny Ni.. Ni… izany. Nanaiky nandefitra tamin’izany ny filoha Ravalomanana ary nandrotsaka an-dRamatoa vadiny. Tsy mbola neken’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny Ces ihany koa anefa izany ka niafara tamin’ny fanalana azy tsy ho kandida. Nasaina nanohana kandida iray tamin’ireo izay nahazo fahazoan-dalàna hilatsaka ny filoha Ravalomanana. Nanohana kandida izy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ka ny nifanarahana tamin’izany dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana rehefa lany  io kandida io. Ny zavanisy dia nanao izay tsy hahalany azy io kandida notohanana io ka nahavita namadika azy tamin’ny resabola. Na izany aza nanaiky an’I Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena izy rehefa nivoaka ny valim-pifidianana noho ny fitiavan-tanindrazana sy filaminana tao aminy. Betsaka ny resaka nandeha fa nisy  fifanarahana miafina nataon’ny roa tonta tamin’izany. Tsy azo antoka anefa izany. Nanaiky hatrany Ravalomanana ary ireo depiote  20 lany tamin’ny anaran’ny movansa Ravalomanana aza dia natolony ho an’ny vovonona manohana ny filoham-pirenena (Pmp) hiaro ny filoha Rajaonarimampianina ary raha tsy ao ny movansa Ravalomanana dia tsy ho maro an’isa mihitsy ireo. Andrasana izay ho fanendrena izay ho Praiminisitra, ny azo inoana dia tsy avy amin’ny movansa Ravalomanana izany. Ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ireo birao maharitra rehetra dia tsy ahitana ny olon-dRavalo. Vao nanendry Pds Antananarivo Renivohitra ihany koa ny fitondrana dia ny mpifanandrina amin’ny filoha Ravalomanana no notendreny na dia fantatry ny mpitondra aza fa ny mponin’Antananarivo , tsy mankasitraka ireo niray petsapetsa tamin’ny fanonganam-panjakana niaraka tamin-dRajoelina, fa mbola miraiki-po amin’ny filoha Ravalomanana hatrany, modiany fanina ny olon-dRavalo izay malaza fa maro an’isa ary manam-pahaizana.

Araka izany dia tsy  olon-dRavalo no notendren’ny fitondrana ho Pds Antananarivo fa ailik’I Hery Rajaonarimampianina tsikelikely ny movansa Ravalomanana ary na hitsangana aza ny governemanta dia tsy ahazo ny minisiteran’ny fiandrianam-pirenena toy ny minisiteran’ny fitsarana, ny minisiteran’ny vola, ny filaminana, ny MAE, sns… ny movansa Ravalomanana. Tsy maintsy minisitera izay tsy ahavitana zavatra firy no omeny eo. Raha ity lahatsoratra ataonay ity dia azo ilazana fa tsy hampody an’ I dada ny fitondran’I Hery Rajaonarimampianina, hanendry praiminisitra aza mitavozavoza be ihany mainka fa ny handray fanampahankevitra lehibe toy ny fampodiana ireo sesintany ?  Ny tsy azo lavina aloha dia nanao ezaka nandray fanapahan-kevitra tamin’ny fanesorana ny SGP, nanafoana ny Fis, Dst, izay nanao tsindry hazo lena ny movansa Ravalomanana hatrizay. Nitohy tamin’ny  fanesorana ny mpikambana sasany tao amin’ny HCC sy ny  DG-ny Acm izany izay nanana  endrika fanapahan-kevitra politika ka ny tsy hampody an’I dada no tao an-dohany. Nanala ihany koa ny talen’ny OMERT, Augustin Andriamananoro, izay nanakatona ny onjam-peon’ny movansa Ravalomanana toy ny Mbs, Mada, Fahazavana. Nandray fanapahan-kevitra ihany koa izy amin’ny fiarovana ny orinasa Tiko. Ireo rehetra ireo dia midika fa nanao pimaso tamin’ny filoha Ravalomanana ingahy Hery Rajaonarimampianina. Ny antony dia efa fantany fa manana ny tanjany eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena ny filoha Ravalomanana ary tsy afaka handroso raha tsy misy famatsiam-bola avy amin’ny any ivelany. Hateza ve izany fiarahamiasa izany sa hanao izay hahazoana famantsiam-bola sy fahatokisana iraisam-pirenena ny mpitondra amin’izao fotoana izao ?Ny ahiahin’ny vahoaka mantsy dia sao mbola hatao haingon-tseza (tsehatra) fotsiny ny movansy Ravalomanana fa tsy ho tanterahana ny zavatra takiany.Hatreto aloha tsy mbola tafody ny filoha Ravalomanana ary tsy misy soritsoritrany amin’izany satria ny Notam nofoanana fa ny didy fampisamborana mbola mitoetra eo ihany. Mbola tsy misy ny famoahana ireo gadra politika miaramila izay mpiaradia amin’I dada toy ny Jeneraly Raoelina. Inona no antony ? eo amin’ny sehatry ny haino amanjery dia tsy mbola hita taratra ny fanokafana ny radion’ny movansa Ravalomanana, tsy misy taratasy mihetsika ny amin’izany. Nahavita nanao ireo ezaka voatanisa teo ambony ireo ny mpitondra amin’izao na dia tsy mbola nanendry izay ho praiminisitra aza koa nahoana no tsy hahavita hanokatra ny haino amanjery? Hamoaka ny gadra politika? Hampody ny sesitany?

Raha ny lojika politika aloha, ny zanaka an-trano aza mahavita mamadika sy mamingana ny filoha Ravalomanana ka vao mainka ny hafa? Ny ho avy no hamaritra izany rehetra izany.  Ny azo ambara dia tokony hahay haka lesona tamin’ireo zavatra nitranga teto amin’ny firenena ny filoha, hahay hiady ireo zavatra niadiany hatrizay, fa tsy handefitra lava izao…koa mahaiza manetsa Ravalo fa hafa ny anio sy ny omaly.

15 pensées sur “MAHAIZA MANETSA RAVALO”

  1. Tena naleoko lavitra ireo izay nahasahy tonga dia nisintaka toy izay ireto
    voalavo sy mpamosavy malemy mbola ao dia ao @ ankolafy ao, eny na hatr@’izao aza.
    Ity KISONIA, K’ BIZU2, ity FISOLELAHANA, tena MAHONENA!!!ZANA-BARATRA e!!!MPITARI-BATO VILAM-BAVA.
    Ny ahiako mafy eto dia ny HO HANAOVANA FITAOVANA an’i ANKOLAFY RAVALOMANANA mba ahazahoana ilay
    FANKATOAVANA fotsiny dia ho dakana indray e!!!Dia iza no mahazo tombontsoa???ny mpisolelaka!
    Tena lasa mankaleo mihintsy izao ity FANINDRAINDRANA an’i Rajao ao @ MAGRO ao,fotsiana tsisy pentina mihintsy
    Rajao, tsy hay hoe : avy aiza ny BAIKO?zay ve no nandehanan’ i Kotovelo niaraka taminy tany Paris vao hoe izy no lany
    mba HANERY ny mpitarika fa  » TSY MAINTSY FOTSINA MADIODIO RAJAO? », ny fanekena azy aza efa tsy fidiny,amiko.

  2. Ho hita eo ny adin’i dada8! Ho mora kokoa ve ny maka ny fitondrana noho ny mitazona azy?

    Ny nahavery ilay fitondrana t@ 2009 mihitsy no mahazendana hatramin’izao satria de tena votsitra tahaka ny savony an-tanana ilay izy!

    Ankehitriny de ny fomba hiverenena an-tanindrazana sy eo @ fitondrana no ady hatrehin’i dada8! De ny hiara mamindra @ hery vaovao no hitany fa mety ahavitany izany! Tena milalao menarana mihitsy satria mety hifoteran’ny rambony avy hatrany nefa tsy maintsy mila azy koa an!

    Mahaiza manetsa ravalo! raha manaiky tsy hanao politika intsony i dad8 fa hanao mpandraharaha fotsiny de mety ho eken’i hery vaovao ihany ny fodiany, saingy iza aminareo mpanao politika ireo moa no hoe mena-mivadika ? Izay no maha lalao menarana azy! fanina ny mpitazana fa aleo hifampitsako eo, samy ho vovoka avokoa ihany ny hiafarana hoy dada8 izay nony efa tena voatery nitsoaka nedala nanavotra ny ainy!

  3. Tonga indray ireto alika tsisy fehy vozona.MAHONENA!!!
    Fa ho an’iza moa no hiadivan’ny dadanay hatr@’izao ?
    Efa mailaka ery ity vava fa  » tokony tsy hanao politika » matahotra ny hitsikefonan’ny maloto
    nafenina daholo fa efa zatra manao gaboraraka, matahotra ny ho very fihinanana ka terena fotsiny
    ilay olona.Izany no aina koa te hangalatra!!!
    Sendra izay olona mamba reraka ity firenena hany ka tsy misaina kely akory ny vava havoaka hanenjeana
    olona mba miaro ny MARINA sy ny RARINY ao @ firenena.MAHAONTSA ITY TOE-TSAINA MIREFAREFA.

  4. Fa tsy azoko hoe maninona no tohanana ny hvm e? izay no zavatra tsy azoko!
    Zavatra tsotra io, aiza no misy ny tombon-tsoan’ny malagasy? dia avelao ny zavatra lehibe tsy voafehy fa zavatra kely mafonja atao.

  5. Maninona no tohanana ny hvm ?
    Mba hiverenan’ireo mpitsetsitra ronono, satria very fotsiny atramin’izay TIKO nihidy izay ! Aleo ho an’olon-kafa toy izay an-kavana !

    Na dia mbola tsy milamina aza ny tany, efa maika dia maika ny sasany ! Nadio ary tena nangarahara hono ny fifidianana ary tsy nisy osoka, ka noho izany dia tena nahazo fankasitrahana.

    Ny fvm mihintsy no hitarika ny fety, ary toa hoe amin’ny 21 fa tsy 18 !

    http://www.ubifrance.fr/programme-france/001prg-21648+petit-dejeuner-madagascar.html

  6. Miarahba atsik rehtra,zay ndray ny tenako vao nanoratra satria nandinika sy namankafaka ny zava-misy;tonga indray ny fotoana hanoratana arak’izany.Tena mety ny fanehoan-kevitrao Solo Razafy;mila mitandrina e

  7. Efa any PARISY angah ?!
    Tsara namana kosa kooo ! Tonga « maka » hevitra matetika ?!

    Ka ho sahy handroaka ny karana sy Sinoa manao blanchiment d’argent sa ….???
    Mety ihany rehefa mampiditra ny Fitsarana an’ireo aloha e ! Milaza ny alikàn’i Domelina ihany izao !
    Tandremo sao kosa mamono biby tsy mahafaty, fa efa nanao ka dia ANTENAINA ho hatramin’ny farany na eo aza ireo namanao eto ambany eto ireo .
    http://i56.servimg.com/u/f56/17/12/01/17/omer10.jpg

  8. Mbola tsy tapaka tadi-poitra sa mbola tsy mahasara-nono @ reny malalany???
    izay no hilazako hoe: mba matsintsiana ihany @’ilay fanindraindrana an-Rajao e!
    Ny asa vita no hifampitazanina fa aza dia ny tombontsoan’ny tena kely ery no himatimatesana hanafotsiana
    an-dRajao.
    Raha nahazo 1,1% Rajao raha nadeha tsara ny fifidianana dia efa tena BE DIA BEU, koa hajanony ity filazana
    fa lanim-bahoaka na ny miteni2 foana fa lany t@ isam-bato …..???tena tsy mety ry mpikabary eo @ Magro a!

  9. Tsy hoe i Ravalamanana no tsy nahay nanetsa fa sendran’izay rivo-doza mafy ohatran’ny tora-biriky ka potika ilay vary nantenaina satria koa ny mpanentsa sasany lasa mpanentsina. Aza sendran’izay mpamadika ihany.

  10. Ny GEM koa aza efa « mi-j’aime-j’aime » amin’ilay fvm !
    Big love ! GEM & FVM CRAC & CRAC ! Zà koa Razy !

  11. Mahaiza manetsa Ravalo?
    En tout cas, rajao est entrain de blanchir au maximum son équipe.
    Nommer le ndrema fils à la tête de la ville de la CUA est vraiment très intelligent. Maintenant, ils proposent des programmes bien mieux que le colliséum et autres hotel de ville.
    C’est la preuve que ni le tgv, ni la transition, ni la révolution oransa n’avait de réels programmes de développement.
    Que pouvaient-ils faire et réaliser avec les millions de $ investis et dans le coup d’Etat et les propagandes? Ms les intérêts personnels étaient plus but premier. Ce qui explique que tt ce qu’ils proposent aujourd’hui n’ont pas été faits au lendemain du coup d’Etat.
    Le seul hic dans tout ça, c’est qu’ils restent cyniques dans leur mépris du peuple et des autres. On verra bien si les USA vont accepter leur demande de réintégration dans l’AGOA vu qu’ils n’ont rien fait de ce que les USA leur avaient demandé pdt toute la crise…

  12. 14 mas 2014
    LE REGLEMENT DES COMPTES AU SEIN D LA COMMNAU
    TE INTERNATIONALE : dissenssion entre les tenants de l’oganisation des élctions à MADAGASCA et ceux qui s’y opposent !
    Ceux qui s’y sont opposés (les USA, le JAPON , l’ALLEMAGNE ,l’ANGLETTER ET LES PAYS COMPOSANT LE BRIC’S et qui s’obstinent jusquà ce jour
    Avant que n’ont commencé la préparation de et l’organisation ces électoins annoncées truquées , manipulées des grandes Nationns et puissantes économiquement , militairement démogphiqument , flnancièremen , grands contributeurs des Nations Unies et gros investisseurs du FMI ET DE LA BANQUE MONDIALE!
    Avant ces élections ils ont exprimé leurs points de vue sur cette ces élecions non démocratiques et ont déclaré sans aucune ambiguité LEUR REFUS D ‘OUVRIR LES AIDES FINANCIERES ET TECHNIQUES POUR LA POURSUITE DUDEVELOPPEMENT A MADAGASCAR :les aides fonancières et techniques pour le développement !
    Voilà le résumé de notre relation avec les financiers du Monde :
    Je pose la question suivante qui me travaille : » Ces élections reconnues d’avance non démocratiues n’ont-elles pas été quand même effectuées ,en ayant pris ldes mesures qui éliminent rajoelina qui a bénéficié des ingérenes et du lobbyng français et de rendre inopérantes ces activités de la françafrique pour trafiquer les élections àMADAGASICAR dans le but d’empêcher les Malgaches de faire gagner la mouvance RAVALOMANANA MARC que des ordonnances « scélérates « ont disqualifié la candidatur de INENY RAVALOMANANA LALAO !
    L’obstination et la sagacité et la colère provoquée par le double jeu e chissano , du Président RAVALOMANANA MARC ont permis grâce à un subterfuge accepté la TROIKA / SADEC lors d’une réunion extraordinaire à NAMIBIE , le Président RAVALOMANANA MARC a obtenu la particpation de sa Mouvance aux élections!
    Nous connaissons la suitela Mouvance RAVALOMANANA MARC a pu être présente aux électons!
    Nous connaissons la suite ..qui s’est achevée sur le désistement du Dr Robinson Jean Louis /sans commentaire pour l’instant !
    Les résultats ont mis du temps pour tomber après le 1er tour et shrtout après le 2ème tour !
    — le candidat des putschistes est élu faisant fonction de président du Pays ,avec paraît-il le soutien de rajoelina et lesle sudoiement massif des électeurs appauvris parl crise donc heureux de recevoir de l’argent facile
    —à l’Assemblée Nationale ont obtenu une soixantaine de voix ,cetes les plus nombreux mais grâce à une erreur de la ces(cour spéciale pour les élections qui a ) cela a été une erreur intentionale car il aa attribué aux putschistes la majorité bsolue qui est de 147/ 2+1 et les putschistes ne sont qu’une 60taine ! Les élections au sein de l’AN et tous les bureaux de l’AN ont été raflés par les putschistes
    Une semaine après ,des groupes de de députés indépendants ont formé avec la les députés de la Mouvance RAVALOMANANA MARC dont le total s’élève à 107 députés!
    Une plainte auprèss du Conseil d’Etat a été déposée par cette nouvelle majorité abslue ,qui porte le nom de plateforme majoritaire présidentielle !
    —la désignation du premier ministre est la quadrature du cercle devant cette situation politique très loin des calculs de chissano qui a vendu une grosse tête de chat à ses complices françafricains , d’une partie de l’Unin africaine , une paartie de l’Union européenne e des gropuscules de PAYS DE L4océan Ind ien. car ce faisant fonctionde président , comme tous les députés putschistes ont tous participé de près ou de loin au coup d4état dy 17 mars 2009 et qui tous « pénalisables  » en vetu des dispostions du Droit de l4hommet des dispositions des accords de COTONOU et sont spécialement visés par les Grands Pays s’étant opposés l’organisation des élections à MADAGASCAR , qui certainement ne vont pas se dédire et vont maintenir leur refus de donner un penny pour les aides financières à Mcar
    Cette défaite de la politique d’usrpation qui a véhiciulé les hommes pionniers d’une nouvelle annexion de MADAGASCAR et de l’asservissement des MALGACHES
    NOUS MALGACHES NE SAURONT COMMENT REMERCIER DE TOUT NOTRE COEUR ET DE TOUTE NOTRE AME
    LE PRESIDENT DE LA REPUBLIUE RAVALOMANANA MARC POUR LES SACRIFICESQU’IL A CONNTIS ET LES VEXATONS DE CERTAINS MALGACHES JALOUX ET HAINEUX JUSQU4 A VOULOIR LE SUPPRIMER!
    NOMREUX SONT CEUX QUI NE SUIVENT PAS LA DEMARCHE DU PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE LORS DES NEGOCIATIONS ET LUI EN VEULENT D’AVOIR MANQUE DES OPPORTINUITES..SEULEMENT AU FUR ET A MESURE QU4iL AVANCE DANS SA STRATEGIE IL DECOUVRE LA PROFONDEUR DU GOUFFRE OU NOUS NOUS TOUVONS ! ALLORS IL A FALLU QU’IL CONTNE COMBATTRE CEUX QUI NOUS EN VEULENT TANT ET C’EST LORS DE NOTRE GAN DE NOOTRE CAUSE QE LES GRANDS PAYS DEFAVORABLES AUX ELECTIONS ONT MIS LEURS DANS LE PLAT T LE PA A VOLE EN ECLATS …
    LE SMMET AFRICAIN QUE LES USA ORGANISENT CHEZ EUX ILLUSTRE LEUR VOLONTE D’ETRE DVANT ET EN TETE …AUTRMENT DIT ILS PRENNENT LE /EADERSHIP EN AFRIQUE !
    CE N’EST PAS LE MMNT DE CRIER VICTOIRE MAIS DE CONSOLIDER NOS ACQUIS ET NOS AVACEES !

    D’autant plus que le faisant fonction de président a des grosses dificultés de « monter » une équipe gouvernementaleIl se trove selonle raisonnement des putschistes le ffp ne disose pas de majorité putschiste à l’ANIl n’ a pas de premierminisre !
    QUESTION ?
    La majorité absolue (107 députés / 147) de la plateforme serait-elle disposée moralement et politiquementà travailler avec le ffp ?
    Les députés n’ont pas à répondre à ces questions de morale et de conscience politiques !
    Il revient aux état-mjors de discuter de l’opportuité ou des inconvénients de cette
    COHABITATION,qui met en présence un président sans députés majoritaire dansl l’AN et les députés de la plateforme groupeés autour des députés de la Mouvance RAVALOMANANA MARC pourraient
    choisr LA SOLUTION DU MOINDRE MAL POUR LEUR CONVICTION MAIS SUTION QUI DEBLOQUERA LA CRISE !
    MAIS UN MARCHANDAGE SERIEUX , CONSTRUCTIF POUR LE PAYS NEST PAS A EXCLURE AVEC LES PREALABLES QU’EXIGENT LES MALGACHES PRO-RAVALOMANANA MAR ;LE RETOUR DU PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE AVANT TOUTE DISCUSSION ET DECISION !
    CETTE INTRANSIGEANCE SOUTENUE PAR LA MOUVANCE RAVALOMANANA MARC EST POUR LE FONCTIONNEMENT DE L’ETAT ET POUR LA « VE ACTIVE  » DU PAYS DOIT LOGIQUEMENT ,EN CAS D’ACCORD DE GOUVERNEMENT ,DOIT ETRE SUIVIE LOGIQUEMENT PAR LA DESIGNATION DUN PREMIER MINISTRE ISSU O PROCHE DE LA PLATEFORME !
    AINSI UNE COMPATIBILITE DU PREMIER MINISTRE AVEC LES 107 DEPUTES DE LA PLATEFORME CO?STITUE UN GAGE DE STABILITE POLITIQUE DU PAYS QUI VA BENEFICIER :
    –DE LA RECONNAISSANCE INTERNATIONALE
    –AVEC REPRISE DES NEGOCIATIONS SUR LES AIDES FINANCIERES ET TECHNIQUES POUR LE DEVELPPEMENT ET L’AMELIORATION URGENTE DES CONDITIONS DE VIE DES MALGACHES ,GRANDES VICTIMES DE CE COP D’ETAT DU 17 MARS 2009…
    PRESENTEMENT ,ICI ET MAINTENANT , DONONS A MANGER ? A SE LOGER ? A S’HABILLER A NOS COMPATRIOTES PAPERISES !
    ET QUAND J’EXAMINE L’OUTRECUIDANCE ,LA NITE DES PROPOS MENSONGERS DE FFP ET LA LEGERETE DE SA CONDUITE VIS AVIS DES MALGACHES , JE NE NE PENSE PAS QUE LES MALGACHES SE LAISSEONT BERNES PAR DE TEL PRODUI D’ELECTION TRUQUEE !
    CET HOMME PEUT-IL VOIR HONTE DEVANT LA GRANDE INDIGNATION DES MALGACHES COMMENT UNE PARTIE DE LA COMMUNAUTE INTERNATIONALE A OSE SOUTENIRLA CANDIDATURE D’UN TEL HOMME SANS FOI NI LOI !
    QUE LE PREIDENT DE LA REPUBLIQUE RAVALOMANANA MARC RENTRE VTE AU PAYS ET QUE NOUS CHANTONS ENSEMBLE ET A TUE-TETE :
    « INY DADA O MITONDRA MOFO.. O….!  »
    « HITAHY SY HOMBA ANTSIKA ANIE NY TOMPO »
    MITOHY NY TOLONA
    Docteur CELESTIN ROBIN
    Paris

  13. Isao fotsiny hoe: firy ny candidats nanaovan’ny ekipan’,ny HVM velapandrika sy atsonjay t@ fifidianana dia atokisana ve izy hoe hampody andRavalo?

    Ny Hsina A ndriaanjato dia efa naman’i TGV fony izy ben’ny tanana, ary nitohy t@ fiaraha-nanongampanjakana teny @ 13 mai izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *