MILA OLONA TIA FIHAVANANA IZAY HO PRAIMINISITRA EO

IMG_0005

IMG_0005Somary valalanina hoy Fenomanjato teny amin’ny Magro Behoririka androany,Alarobia 05 Martsa 2014, isika amin’ny faharetan’ny fanendrena izay ho Praiminisitra. Vaka ny saina hoy izy maheno ireo anarana ho Praiminsiitra. Misy olona te hieritreritra hoy izy hiverina eo amin’ny fitondrana ary te ho izy irery, toy izany ny politika eto amintsika na dia efa namotika ny firenana aza. Rah any eritreritry ny Malagasy dia hoe ahona no hanasaziana ireny olona ireny kanefa rehefa ny tombontsoam-pirenena dia manaiky. Tsy maintsy tony isika amin’ny raharaham-pirenena. Mandady ny trambo hoy Sandros fa miezaka ny mpanongam-panjakana manolotra etsy sy eroa izy ho Praiminsitra. Misy resaka hoy izy mandeha fa tsy ny filohampirenena irery no manendry ny lehiben’ny governemanta fa iarahana . Diso izany hoy izy fa ny filohampirenena ireryihany. Fantatra ny ao andohan’ireny olona ireny fa ny tsy hamerina ny filoha Ravalomanana eto. Nambarany ihany koa fa misy andrimpanjakana tsy nahavita inona teto toy ny FFM. Ravao hoy izy fa tsy mahavita, satria ny gadra tsy mivoaka, ny sesi-tany tsy niverina, ny radio nakatona tsy nisokatra. Noho izany dia miantso ny filoha Zafy hanao io fa izy no tokony hitantana izany.Manoela kosa dia nilaza fa tsy mitady Praiminisitra miverina izahay satria tsy tanteraka ny fampiharana ny tondrozotra. Mila olona tia fihavanana , jereo ny Malagasy rehetra fa misy afaka manao izany ao. Ankoatra izay dia tsy hodiso anjara amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenana ho an’ny vehivavy ny movansa Ravalomanana. Noho izany dia hisy hetsika lehibe hotanterahana ny Sabotsy 08 Martsa izao. Tsy inona izany fa ny fanomezan-drà maimaim-poana. Eny amin’ny HJRA no hifamotoana  ireo vehivavy avy amin’ny ankolafy hanatanteraka izany. Nambaran’ny depiote Horace izay mpitarika ny vehivavy fa ny vehivavy no mahafantatra ny fiainam-pianakaviana isan’andro ka rariny raha mandray andraikitra. Ny movansa Ravalomanana hoy izy dia tsy natao amin’ny andro ilana azy ihany fa eo ihany koa ny asa fanampiana. Hisy ny diabe hihazo ny Magro Behoririka aorian’ny fanomezan-drà maimaim-poana eny Anosy.

11 pensées sur “MILA OLONA TIA FIHAVANANA IZAY HO PRAIMINISITRA EO”

  1. ny fodiany filoha Ravalomanana dia ilaina @fanarenana ny firenena,anisany miteraka fitoniana ihany koa ny fodiany na ara-politika na ara-piariana,koa raha tena vonona ny iady @fahantrana sy ny tsy fitoniana ing Hery dia hampodio malaky izy fa tombontsoa ho anao ny fianakavianao ny fitondranao ny fodiany

  2. Ny CSC angaha nahavita ? Ny CT sy CST ?

    Dia inona koa no mba valin-teninareo raha nilaza ilay « mal élu », fa tsy hanendry PM raha tsy efa milamina ny tany sy fanjakàna, ary tony ny vahoaka ?

  3. Dia ny paik’ady hanakanana an’Atoa Ravalomanana foana tokoa ve no mbola ketrehan’eto @ ity fitondràana ity e ? Averinay eto indray fa tena atao problématique mihitsy ny mikasika io fodiany an-tanindrazana io,fa dia nahoana loatra re e ?
    Raha dradradradraina etsy sy eroa fa tokony hisy ny FAMPIHAVANANA eto anivon’ny firenena,moa ve tsy rariny raha ampodiana an-tanindrazana ilay NAHONGANA teo @ ny fitondrana ? indrindra fa misy dia misy tokoa ireo vahoaka tsy nankasitraka izany ary tsy mitsahatra ny mitaky ny fiverenany ?
    Ireto mpisolo-tena azy eto ,izay lazaina ho mpitarika ny tolona, dia mpisolo-tena fotsiny ihany.Mbola hafa raha toa ny tenany mihitsy no eto an-toerana afaka mahita mivantana ny « réalité ».Saingy ,indrisy , sakanana izany ,DIMY taona ngarangidina izao no miandry sy manatena azy ny VAHOAKA.

  4. Ny fodian’A/toa Marc RAVALOMANANA an-tanindrazana dia tena ilaina indrindra @fitoniana ara-politika,ara-piariana eny ambanivohitra,ara-pivelomana ho any tsy an’asa aty an-drenivohitra.Raha vonona ny anarina ny firenena ing filoha Hery dia mampody azy tsy dila ny 2016.Ary tombotsoa ho azy ny fampodiana azy,reharehany sy ny fianakaviany ny
    fanjakany manoloana ny vahoaka Malagasy.Nefa,nefa hoy aho mila mailo na ny filoha na ing Ravalomanana @securiteny,fa mety hiara-ho faty na hiara-maimbo,koa dia hezao mafy A/toa filoha fa fotoana izao anarenana an’i Madagasikara.

  5. Zanvie 2013, nibabababa Ingahy Orlando, izay sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitantanambola, fa ratsy tantana hono ny orin’asampanjakàna : Kraoma (Lelò ve no efa nitantan’azy tamin’izany ? ), Fanalamanga, Jirama,….saingy adinony ny Air-Mad ! Io farany io atramin’izao dia mbola tsy namoaka ny bilan-ny « 2 0 1 2 », kanefa isika efa 2014 !

    Volam-panjakàna no mampiodina ny orin’asa sy « mampanidina » ny raoplanina !

    Fanalamanga ? Aiza izao ilay ministra « mahay mitady vola » ??

    http://www.lanation.mg/archive.php?id=1741

  6. Miala tsiny amin’ilay olona, fa hay moa izy tena Tale jeneraly fa tsy sekretera kely akory !

  7. Eto indrindra isika!!
    Te hietsika anefa toa matahotra!!
    Ho aposaka ny marina nefa ilay olona FOTSINA dia tsy afa-bela @’ilay tantara dia
    IZA IZANY NO HISOLO VAIKA NY AKALANA???tsy izaho aloha an!!!za tsy nifanaiky tany an!!MDR
    Raha ho tsikefonina ny HALATRA sy ny fanodikodinam-bola mba hanatsaranareo an’ity Rajao ary ry
    MPITARIKA isany hoe:  » tohizo fa tsara andriamatoa FILOHA HAJAINA  » mahonena!!!dia iza ary no
    hisolo ny toeran-dRajao eto satria izy dia anisany TENA NANODIKODINA VOLA sy tompon’andraikitra
    mavitrika 100% na BR ity na air Mad resaka Banky sns
    aleo oah akombona ilay vava fa aza atao be loatra eee avelao Rajao mba hampiseho ny tenany irery
    fa tena niova izy fa aza fotsiana aloha sao hanenenana eee
    Ny ampitso no aoka hitondra ny porofo rehetra.
    Ny asa vita no hifampitsarana e!!!

  8. avec un leader d’émanation putschiste vet mal élu ,

    Dans la portée du terme « fiavanana » ,

    ==> il y a confusion entre « recherche de paix sociale » et « COMBINES DIVERSES » pour en donner l’apparence

    Qu’attendre d’un homme d’appareil qui a toujours baigné dans des combinaisons louches (corruption, manipulation douteuse financière à Air Mad , oeil doux pour les trafiquants de bois de rose (ses propres alliés !!!!!!!)

    ==> un Président gracie dès sa nomination à l’accoutumée:

    * pourquoi différer le retour de Ravalomanana ?

    * pourquoi ne pas libérer TOUS LES PRISONNIERS POLITRIQUES ( considérés comme des holligans comme Poutine pour l’opposition !)

    * pourquoi aucun MANDAT D4ARRET n’est il pas rédigé contre un putschiste RAJOELINA ????
    Un putsch est le crime le plus grave dans un Etat démocratique
    ==========> Hery n’OSERA JAMAIS PRENDRE CETTE RESPONSABILITE

    RDV dans un an pour un bilan vite fait……..

    RAPPEL : Rajoelina avait gracié un DELINQUANT INFORMATIQUE MULTIRECIDIVESTE pour traiter l’informatique du C.E.S. pour les élections de décembre 2013………
    => c’est Mediapart qui le dénonçait
    => l’opposition restait tétanisée comme d’habitude !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *