NY FAMPIHAVANANA DIA NY FAHATONGAVAN’ NY FILOHA RAVALOMANANA ETO

IMG_0134

IMG_0115Ny zavatra misarika ny sain’ny vahoaka malagasy hoy Donazy teny amin’ny Magro Behoririka androany dia ny fanendrena Praiminisitra.Betsaka ny anarana voatonona etsy sy eroa. Amin’izao fotoana izao dia misy anarana mipoitra ihany koa. Ny zavatra azontsika antoka hoy izy dia tsy maintsy Praiminisitra vonona hanao ny fampihavanam-pirenena no eo. Iza anefa izany hoy ny fanontaniana napetrany. Ny antsika dia ny atao hoe fampihavanam-pirenena dia ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto. Izaho hoy izy tsy hihavana amin’iza raha tsy tonga eto izy. Mahazo matoky isika fa Hery efa nilaza fa olona vonona hanao izany fampihavanana izany no tendreny. Izany Haja Resampa izany dia tsy afaka hanao izany. Miandry isika hoy izy ary isaorana an’I Hery fa efa nisy dingana efa nataony amin’ny fanesorana ny lehiben’ny Hcc sy ny Dg Acm. Raha sanatria hoy Marcel isika tsy nanaiky an’I Hery ho filoham-pirenena dia inona no zavatra nitranga. Nifamono teto ny samy Malagasy ary tonga ho azy teto ny miaramila mpampandry tany. Isika movansa Ravalomanana hoy izy dia manana fahendrena, dikan’izany dia isika no afaka mandefitra ary manaiky ny zavatra ara-dalàna. Ny Mapar no nieritreritra ny hanakorontana eto fa tsy ny movansa Ravalomanana ary izyireo no mametraka baomba kanefa tsy miteny ny mpitandro ny filaminana. Raha tsy niaraka amin’ny filohampirenena isika dia efa nolazaina fa isika no nanao ireny. Ny fandeferantsika hoyizy no nampilamina ny tany. Dikany dia rava ny paikadin’ny Mapar tsy hampody an’I Dada. Ny depiote Horace dia nanambara fa isika dia nampitain’ny filoha Ravalomanana ny fahendrena. Isika hoy izy dia sahy mijoro fa misy ireo izay tsy sahy manao izany. Sahia milaza fa mpanohitra ianareo Mapar hoy Horace.Mendrim-piderana ireo depiote tsy miankina sasany sahy nanao fanambarana fa hiaraka amin’ny Pmp, ary nilaza izy ireo fa ampy izay ka tsy nety notambazan’ny Mapar vola intsony. Ny hafatra nampitain’ny filoha Ravalomanana dia tafita any amin’izy ireo. Tsy izay mivasavasa no manana ny marina.

16 pensées sur “NY FAMPIHAVANANA DIA NY FAHATONGAVAN’ NY FILOHA RAVALOMANANA ETO”

  1. mbola ao anie ilay lazaina fa mpampiavana e FFM!t@ alalan’ny tondrozotra e!Ireo koa dia mila ravana fa tsy nahavita nampiavana ary nanome vahana ny Mpanongam-panjakana

  2. Aza tonga saina ihany le ity gasy e! Hafa ny manao ny ataony de DADA fôna ny voendrikendrika. Courage DADA

  3. ce président mal élu est censé restaurer l’ETAT DE DROIT

    ==> Pourquoi n’y a t il pas de remise en cause de la constitution de la IV° république élaborée pendant une TRANSITION et par un GOUVERNEMENT PUTSCHISTE ???
    * non habilité pour ce faire car transitoire
    * non habilité pour ce faire car ILLEGITIMME : putschiste = NON ELU

    ==> POURQUOI n’y a t il pas de POURSUITE CONTRE RAJOELINA LE PUTSCHISTE ???
    Un putsch est LE CRIME LE PLUS GRAVE dans une démocratie !!!!!!!!!!

    Rajoelina copain de Hery court toujours !!!!!!!

  4. Ny FIHAVANANA dia FANIRIANA AO AM-PON’NY MALAGASY ATRIN’NY ELA !
    Izany dia mitory fa tsy nanan-kery io fihavanana io tamin’izany fotoana izany ka mandraka ankehitriny
    Mafosafo ny sofin-tsika izany ,mamendrofendro antsika fa tsy nitarika antsika hanao izao sy izao.
    Nisy tokoa ny vonjy rano vaky , ny fampandrosoana ireo tra-boina fa tsy nisy tolona politique niaina tamin’ny fihavanana!Maro ireo ohabolona navelan’ny Razana h antsika (trano atsmo sy avaratra, valala ray ifanampahana ,nofon-kena mitam-pihavanana…)fa tsy nandaitra tamintsika izahny ary nataontsika ho filamatra , tsy noraintsika ho  » devise » miêtraka eo amin’ny SAINAN’NY FIRENENA !
    Nisy ary mbola misy eto amin’ny firenena , ao amintsika Vahoaka ,olon-kendry
    to-teny ,nohenoin’ny Vahoaka ,arahin’ny Vahoana ny antsony satria tsy namitaka na nandainga tamin’ny Malagasy izy ireny ;ny MPNJAKA andrianaù^pnimerina ? NY general ramanantsoa ? NY president6n4ny president6n4ny republique ravalomana marc
    HISY TOHINY )

  5. Mba matsintsiana kely ry zareo mpitarika @’ity fanindraindrana an’i Rajao sao
    manjary mampisalasala a!!avelao ny asa vita no hifampitsarana fa tsy hiray tsikomba @
    Fahotana mahafaty nataony eto daholo, ny asa mivaingana tsa mbola misy an!!JEREO NY FAKO AN!!!
    aiza ny radio TV ny GADRA? mba ho hitanay ary ry Ingahy Beriziky raha tena i Joely marina no tena
    NISAVILY anao teo tsy nahafahanao nikofoka nanatanteraka ilay Patron-nao dia ilay FR.
    Nisy resaka fandemena indray hoe:  » hifidy dia hiandry 2 taona indray?? » tsy azoko tsara ilay resaka sa
    za no tsy nahazo resaka???kabary tao @ Magro.

  6. Aleo handeha fa mipoitra ho azy daholo izao ny fanapotehana firenena nataon’ny mapar sy ny forongony rehetra.
    De mbola hihainohaino fotsiny ve ry Malagasy o?

  7. In kou no mba fampihavanana entin’iny olona mpanambany gasy iny e, nga tsy fantatr’elahy isany mou we t@ fotoana nitondrany no nanomboka nipoitra zany we Foza sy zanak’i Dada zany e, foza e, indrindra mou farany teo de lasa misy miitsy ny hoe andevo, zany ve no toetsaina ezahan lisany volena eto @ tanana de lisany ndray no midradradra fampihavanana, ovay lesy ny fomba fiteny sy fihetsika lou vo miseho milay a, mazava am lisany zany, ra mitady fihavana lesy e, de mba miezaha lou mba manova ny fomba fiteny wa, ny an lah ze rehetra ts mitovy hevitra kely de FOZA E, GIDRO, ZANA-KISOA e, zany fona, zany ve lisany no mba mitady fihanana, lisany zany mitovy am le olona miantso we : NDA SIKA HIARAKA-HILALAO LE ALIKA LAHY TY E, de aona hoy le alika lahy am zany ry zalahy, mba misaina lesy e, mba olona nahita fianarana iany lisany mants ra ny fahitako azy
    *

  8. Amiko ilaina ny fampihavanam-pirenena izay maha Malagasy an-tsika(fihavanana),fa tokony hiavaka tsara hoe:iza no mila ampihavanana?Raha sahala amiko tsy ilaina ny fihavanana @ Ing Rajoelina sy ny MAPARany izay nandetika an-tsika tato anatin’izao kizo izao.Ialokaloka ao anatin’io daholo indray ny mpanao politika maloto eto @tanana (ing isany Voninahitra,Pety,Norbert Lala,…)

  9. Ranavalona
    ny haino aman-jery nakatona noho ny politika-panonganana no mila sokafana fa misy koa anie ireo nandika lalàna tsotra izao e!Mila apetraka tsara ny lalàna mifehy azy.
    Ireo lazaina fa gadra politika,iza avy izy ireo?Misy ireo nikasa hanongana an-dRajoelina,gadra politika ve izany???Tsy aleo aloha izy ho any ihany.Ing Rajoelina aza mbola ho alefa any!
    x

  10. c’est su dès l’avance,
    et Lanto rakotomavo présidente du parti TGV crée par Andry Rajoelina (sous égide de france) elle s’oppose au mapar???!!!!

    comme c’en était le cas de Fidèle et Lalatiana de FreeFM se démarquant de Viva lorsqu’il s’agit d’intérêts personnels en matière de gateaux
    et s’opposer encore et toujours à Andry Rajoelina & Lanto de cette période

    etc…

    parce que j’ai écouté une émission par la radio
    quand cette garce étalait verbalement de tas et tas de choses
    ressassié ressourcé
    les plus sages et conseillés à faire
    (au fort intérieur de moi-même il m’a semblé au fur et à mesure à l’entendre
    qu’elle répetait ce que personnellement j’ai émis
    hihihi)

    je leur demande: pourquoi avoir renversé l’état de droit?
    Ce n’est pas parce qu’il a été demontré et soutenu par l’international que des éléctions (non transparentes) ont eu lieu
    alors que prezidà dès le départ est un être non éligible!!! PAS CLEAN

  11. Salama ve ê ?
    Ra-HoAiza dia noheveriko fa narary na nogadrain’ny sasany mihintsy ! Efa saika nandefa post sy nanontany mihintsy ! Mba « kôzy » hoy ry zalahy izay ! Mdr !!!
    Dia ahoana ihany ity raharaham-pirenena ity ê ?

  12. mbola salam’ê sady manao izay mahamandina

    lalana feno tsilo & fofom-poza
    tsy maintsy haleha

    dia mivonona hanavatsava azy:
    ohatra iray asa izay mety ho savoritaka ao @ domaine ao, fa mila manoy ny asa fikarakarana ny foncier indray atsy ho atsy

  13. RNdrianiaina ! Ramalona aza hono mifehy hazo tokana! koa maika fa Ranavalona???
    Ny mahery tsy maody ho no tsy ela velona
    Ny hanongotsongoina ny maty, mba tsy handevenana velona
    sao kenda vao domy aho ranaotra???efa tara!!! tokony tsy ho mora mionona isika eo natrehan’izao
    zavamisy izao, mbola misavoro2 be ihany mantsy ilay raharaha.
    Ity resaka BR dia tsy mahasahy milaza akory ny eo @ Magro fa RAJAO koa anie ka NANASONIA ny amin’io e!
    etsy andaniny anefa dia enjeana i Mamy Ravatomanga ,TSY AZOKO???Rajao anie ka tompon’antoka @’io koa e!
    de gaga elah!!! izay no hilazako hoe!!! mba matsintsina kely ry zareo @’ity fanafotsiana an-dRajao ity a!!aleo aza
    tsy miteny fa manahirana an!!mba avadibadio im-7 ny lela vao miteny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *