NY MARINA TSY AZO TAKONANA

IMG_0130

IMG_0130Mitohy hatrany etsy amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny movansa Ravalomanana. Misy hatrany ny mpitarika izay tonga manazava amin’ny vahoaka tonga teny an-toerana ny fizotry ny raharaham-pirenena. Ny depioten’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace dia nanambara fa mbola maro ny zavatra tsy tanteraka nandritra ny dimy taona, dikan’izany dia mitohy ny tolona raha tsy tanteraka ireo. Averimberina hoy izy fa tsy diso ny tolona ataontsika . Momba ny resaka baomba dia nambarany fa isika foana no voahenjika fa manao izany ary hampidirina am-ponja. Isika izao hoy izy efa manohana an’i Hery ka mbola isika ihany no lazaina fa manao izany kanefa tsy hanitsika akory izany baomba izany. Azo vinaniana hoy ity olomboafidy ity hoe iza no mpanohitra ny filoham-pirenena. Amin’izao fotoana izao dia mampanontany tena hoe iza no manao izany. Noho izany dia sambory izay tratra. Misy hoy izy ny tsy tia ny hitoniana ao anatin’ny fandriampahalemana. Ny filohampirenena anefa efa nilaza fa manomeza anarana ho Praiminsitra ianareo, kanefa dia mbola anarana iray ihany no averimberin’ny Mapar. Olona efa tsy tiana sy tsy mahefa izany Haja Resampa izany satria tsy hitondra fampihavanana ho an’ny Malagasy. Tsy ny Pmp ihany no mahatsapa izany fa ny Malagasy rehetra. Androany izahay hoy ny depiote Horace dia manamafy fa izay natolotry ny Pmp Jules Etienne no rariny ho Praiminisitra satria maro an’isa ao Tsimbazaza. Sahinay no miteny aminareo hoy izy Praiminisitra natolotray no afaka hiara hiasa amina filoham-pirenena. Ny fiarahana amin’ny Mapar hoy izy dia fampihorohoroana ary hampiditra ao anaty loza. Ny antsika dia izay toromarika arahintsika dia izay avy amin’ny lehibentsika ihany. Tsotra ny tanjona dia ny fitakiana ny fiverenan’I dada, ny famoahana ny gadra politika, ny fanokafana ny radio nakatona. Izay ataontsika dia tsy misy afa-tsy ireo nandritra ny dimy taona. Ny marina hoy izy tsy azo takonana.

Ny ct teo aloha Hilarion kosa dia niresaka ny momba ny raharaha Ravatomanga Mamy. Ho sahy ve hoy ny fitsarana, tsy voavidy vola ve? Mitovy amin’ny takianay movansa Ravalomanana ve hoy izy ny fampiharana ny lalàna. Tsy izy irery no voampaingotra amin’io fa Rajoelina ihany koa ao anatiny. Ny zavamisy amin’izao fotoana izoa hoy izy dia tery avy amin’ny iraisampirenena. Mety amintsika io kisary amin’izao fotoana izao io. Aza mieritreritra ny ho afa maina amin’ity tany ity ianao hoy izy raha nanao ratsy teto.

31 pensées sur “NY MARINA TSY AZO TAKONANA”

  1. Ny fantatray dia olona tsy namokatra, tsy mamokatra ary tsy hamokatra zava-tsoa ho an’ny Firenena no tohananareo !
    Dia hiandry firy taona indray ?
    Tsy mbola tsapanareo foana ve fa diso lalana ianareo ?
    Aza miafina ao ambadiky ny anaran’Ingahy Ravalomanana ianareo, satria ireo izay tsy mahafantatra fa mpamitaka ny ankamaroan’ireo ao na tao amin’ny movansa, dia mihevitra mihintsy fa dondrona sy paiso ny Filoham-pirenena voafindim-bahoaka, izay nahongan’ny miaramila voavidy vola.

    Mikatso tanteraka, mbola tsy nisy toa izany ny raharaham-pirenena, ary manararaotra sy manohy ny asa-ratsiny ny dahalo rehetra ; dia ianareo mbola faly milaza fa manohana tanteraka an’io olona tsy aninona tsy aninona io.

    Ireo hoe ministra, dia tsy misy miteny ; mody fanina daholo satria mety very fihinanana daholo. Raha tena tia tanindrazana ry zareo, dia tokony hametra-pialàna, dia ho hita eo izay ho ataon’ilay fery vao izay marihina eto fa voafatotry ny nataony rehetra.

    Tena miray tsikombakomba no dikan’izao, na tsy fahombiazana mihintsy ! Mba marina ê !

  2. Satria angamba noraisinareo ho vendrana daholo izahay mpisera, ary fantatray ianareo fa mamaky izay voasoratra ato ny ankamaroanareo, misy fanontaniana ity :

    NY FIVERENAN’NY FILOHA RAVALOMANANA IZAY LAZAINA FA TAKIANAREO MAFY VE NO HITONDRA NY ATAO HOE FITONIANA, SA NY FITONIANA ARA-PAOLITIKA IRERY IHANY NO HAMPODY NY FILOHA RAVALOMANANA ?

    Na ny praiministra aza hono izany tsy ho soloina raha tsy misy ny fitoniana ara-paolitika ! Inona moa ity hoe fitoniana ara-paolitika ?

    Ny ao amin’ny antenimiera aza tsy milamina, fa lasa naka rivotra (maimbo) sahady ny sasany, ary dia hoe amin’ny volana mey indray izany vao mihaona !
    Ny fikarakaràna ny fifidianana an’izay ho ben’ny tanàna, iza no hikarakàra an’izany ?
    Avela hanao ny adalàny indray i beatrisy ?

    http://www.tananews.com/phrases/apaisement-politique-dabord-nomination-du-premier-ministre-ensuite/

  3. Manahy aho fa toa variana MANINDRAINDRA an’i Rajao ireto mpitarika ka
    tsy mahita ny vodiny lanin’i moka!!
    ekena fa misy ny fiovana FAAAAA moa ve tena maika noho ireo Gadra politika sy ny haino aman-jery
    ireny rehetra ireny???
    Hatr@’izao aloha dia toa HANAMAFY ny SEZANY ao @ fitondrana no MASAKA sy dradradraddraina ao
    @ Magro dia avy eo MODY MBA saronana haingana @’ilay fodian’i dada ilay resaka .
    Rehefa te hanaraka azy dia mandehana re any ry mpitarika fa any indray izao ny baolina , fa aza ny olona
    no terena fotsiny hanaraka ny hagegenareo a!tohofy indray fa io aloha izao no mamy eo a!MAHONENA!!!
    Toa diovina tsisy pentina mihintsy ity Rajao na dia efa miariary izao aza ny zana-bitany sy ny HALATRA
    BEVATA nataony.
    Dia ny mahagaga dia any Maorisy koa ve no tokony ho firenena tsidian-dRajao voalohany ray olona ???
    tsy mazava???sa iza no niandry azy tao???

  4. Raha tsy hiteny aho ny androany i Zazalahy Tsianiry dia tsy henatra tsy tahotra
    teny @ Magro nilaza fa : tehaka MIREFODREFOTRA hono ho an-dRajao ???
    de gaga elah!!! fa mbola isy inona mitsangana eo na zava-bita???ny efa vita aza io mbola zanakisoa
    no mbola hibaiko sns tsa mety e!!!sao dia diso tafahoatra loatra ka manjary mampiahiahy eeeee

  5. dysfonctionnement la Justice t sur l’arbitraire qui a dicté les jugements de ces juges dans tous les tribunaux (arrestations sans motifs, garde à vue o souvnt prolongée à la tête du client, extinction volontaire de la conscience professionnelle conduite délictieuse devant obligatoirement
    être sanctionnée par une révocatin à vie de la fonction de juges
    Il serait judicieuxest obligatoire de tenir des onféreces- débat public concernant la mission de la justice et sur les garantie de fiabilité, de crédbilité et de l’éthique professionnelle des juges !jugements expédiditifs , condamnations disproportionnées par rapport aux délits ,aux chefs d’accusation jamais présentés à la chambre de qualification de ces accusations , ayant souvent fait fi ou déni de la défense. Il est vraiment navrant ,indigne ,dégradant , pas rassurant du tout, aux ordres pour les Malgaches de constater que des juges pendant ces cinq années ont eu une défallance morale et une
    Les juges malgaches sortent d’un long sommeil de cinq années et qu’il leur a été difficile d’être attentifs aux récriminations des Malgaches sur le dysfonctionnement de la justice et de ses services !
    Même si leur sommeil a été de plomb , il est difficile de crireque ces juges n’unt rien su sur les Les juges malgaches sortent d’un long sommeil de cinq années et qu’il leur a été difficile d’être attentifs aux récriminations des Malgaches sur le dysfonctionnement de la justice et de ses services !
    Même si leur sommeil a été de plomb , il est difficile de crireque ces juges n’unt rien su sur les OUI garanties convaicantes pour les justiciables

  6. Ity resaka Baomba dia aoka hazava fa mihevitra ireto Gidro fa toy ny teo aloha
    ka ho forom-poronina hoe misy an’izao dia HIRAPARAPA toa an’i Joely hanome vola
    fa tsy mandry ny tany ohatra sns ,eo koa ny mba fandrahonana hono e!!de Mapar ihany no handresy,
    vono voroa daholo ireny ka tsy hery fa tahotra.

  7. 03.03.2014 – Radio Rindra – Feon’ny VAHOAKA: Vahiny Rama – Hatraiza marina ny fanaovana polifika eto Madagasikara fa na dia ny “mouvance” Ravalomanana avy azy mandeha amain’ny tsy izy !!!! Moa va i rajaonarimampianina tsy anisan’ny voarohirohy tamin’ny resaka bois de rose ireny ??? sns sns sns …
    http://ti1ca.com/u8rnsljv-vif-10-140303-Feon-ny-vahoaka-Ramy-vif_10_140303_Feon-ny-vahoaka_Ramy.mp3.html

    Henoy ato ny ahiahy ny Malagasy maro an’isa mikasika ny fanaovana POLIFIKA eto Madagasikara !!!”VERSATILES” raha atao amin’ny teny vahiny … TSY MANAMPAHAROA, hay moa tsy ho ataon’ny tanora hoe MAMPIHOMEHY BE !!!

    http://ti1ca.com/45ebwogd-vif-10-140303-Vaovao-Rindra-Hariva-vif_10_140303_Vaovao-Rindra-Hariva.mp3.html

    http://ti1ca.com/s5c441br-vif-10-140303-Rindra-kevitra-vif_10_140303_Rindra-kevitra.mp3.html

  8. – Feno fako ny tanàna
    – Ny tantsaha tsy afaka mamboly
    – maro no very asa
    – Ny fandriampahalemana tsy misy intsony
    – Miady an-trano ny fianakaviana malagasy
    – Tapaka ny fihavanana
    – Rava ny soatoavina
    – Tsy afa-mianatra intsony ny ankamaroan’ny zanaky ny mahantra, indrindra fa tantsaha
    – Mitaintaina isan’andro ny vahoaka noho ny mpanendaka sy asan-dahalo
    – Miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy, ny mpitandro filaminana sy ny mpitasara
    – Ny mpanao paolitika tsy mahavit’azy, fa mitady voninahitra sy vola ary..fotsiny ny ankamaroany
    -…………
    – Ary ireo mpandraharaha nanenjika mafy an’Ingahy Ravalomanana sy ny TIKO, ireo nilaza fa hoe manao monopole, tsy mitsinjo ny mpandraharaha madinika sy ny sisa ?????

    Tsy efa sambatra ary mandeha tsara daholo amin’izay ny bizina ( amin’ny lafiny tsara fa tsy bizina maizimaizina ) ?

    http://www.lexpressmada.com/blog/actualites/economie/une-concurrence-deloyale-denoncee-6324

  9. mbol misy adino ry KMD a, dada tsy tafody we, hihi, mapme wa nareo ne eee, reo zavatra tanisainao reo wa efa ita sy fantatry ny olona aaaaaaaaaaaaaaa, fa vaha olana no tadiavina zao fa ts fitanisana ny ratsy fona akoury , efa hita fa ratsy reo, ratsy ny fitondrana tetezamita, ary ratsy kou ny filoha vao2 aminareo, de mba vaha-olana ary omena ra misy e, tsy maita vaha-olana akory fa tatasika sy pataty patata fotsin no betsak, mapme doly eeeeeeeeeeee, ny olona zao efa ny fitadiavana vaha-olana miaraka @ filoha vao2 no atao, ny anareo mbol vaha-olana t@ 2009 hatrany no entina hamahana ny olana, magro, magro, ma gros, ma gros, zany fona, ny mahagaga anà lou de we inona fotsiny zany no hanohananareo an i Hery @zao fotoana e, taiza kou no misy olona tsara sy tonga lafatra hanohana mpanongana e, mdr, otran’ny mapme iany ka,

  10. Raha sendra mandalo ato ilay alzasianina avy any amin’ilay tanàna malaza mpanao saosisy !

    Tsy ilay mpitondra lazainao hoe tsy mahavoa sy nandra no mahatonga ny Firenena tsy milamina, fa ny ankamaroan’ny malagasy mihintsy no very fanahy mbola velona !
    Tena mitoetra ao amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiatavana hampandroso an’i Madagasikara, saingy izy, sendra an’izay mpiray tanindrazana tsy azo hitokisana intsony ny ankamaroany !

    Ankaotr’izay, mitovitovy ihany ny fahitàna ny toe-draharaha.

    Tsy ny fahaizana noratoana tany ampianarana intsony no azahoam-bola sy entina mamelona ny fianakaviana, fa ny halatra sy fametsifetsena ny mpiara-belona na ny vahoaka, sisa !

    Noho izany, misy mivilana kely ihany ilay fomba fijery ny toe-draharaha. Vokatry ny fitondràn’i Ratsiraka daholo izao iainan’ny malagasy izao, satria tamin’izany no nanomboka ny « fitiavan-kely » eo amin’ny lafiny rehetra !

    Tsy midika koa izany fa ny fitondràna tamin’ny andron’i «  »dadabe Tsiranana » sy ny pisodia, dia nety daholo ! Tamin’izany andro izany dia efa nisy dia nisy, ny « népotisme » sy ny fanararaotana nataon’ny mpitondra, FA NY VAHOAKA MBOLA NANARA-DALÀNA DAHOLO !

    Marina fa tsy mitovy mihintsy ny fiainana tamin’izany andro izany, sy ny amin’izao fotoana izao !

    Pour info ( mba ho fantatr’ilay olona hoe tena izy no resahako eto, na dia « tsy tsara loatra aza ny mitantara ny fiainan’ny tena » hoy ny sasany ) : Nisy akamakeliko izay nianatra tao amin’io fianaranao fony mbola kely io ! Tsy niray kilasy ianareo satria ianao mbola zandriny ! Anelanelan’io sy Bel-Air no misy anay !

  11. Fanitsiana : « mitoetra ao AMINY »

    Mirary sy hanantena inona aty amiko ? Izaho angaha no nanongam-panjakàna ? MDR !!!!

    Vaha-olana : Asaivo managadra ny tenany, ary ireo rehetra nanongam-panjakàna ( tsy adino izay rehetra nanohana ankolaka na tsia ) ilay filou vaovao ! Raha tanteraka ireo, dia hilamina ny tany sy fanjakàna !

  12. KM, +1
    Lasan ‘ny vahiny indray izany ny monopole? ahongany ny vahiny eee?
    Tsy izany ka, izao ny madinika mba mihinana satria mety ny bizna.

  13. km,
    tsy ratsiraka no anton’izao rehetra izao. ratsiraka efa vokatra fa tsy antony loatra intsony.

  14. Alidera.A.R.
    Fa tamin’ny androny no tena nirongatra ny « tsy mety sy tsy azo atao rehetra » !!!!

    Resaka hafa.

    Dia ahoana itony ry mpahay Lalàna ao amin’ny Movansa Ravalomanana, satria ianareo dia vonona mafy hanohana an’io filou vaovao tsy mazàva io ?

    Tsy maintsy gadraina hono Ingahy Ravalomanana raha vao manitsa-tongotra eny Ivato ?
    Milaza ity hoe praokirera, fa tsy tsy maintsy ampiarina ny Lalàna sy ny didim-pitsaràna !
    Didim-pitsaràna vokatry ny tsy fanarahan-dalàna ve no lazaina fa tena manan-kery ?

    Iza no tena tsy manara-dalàna sy tsy manao ny asany araky ny tokony ho izy amin’io Firenena io ??

    Amiko dia misy fanambaràna ankolaka ity lahan-tsoratra ity : Mahazo miverina ny Filoha Ravalomanana rahatoa ka « avela any » ity raharaha Ravatomanga ity !

    http://www.midi-madagascar.mg/a-la-une/2014/03/04/mamy-ravatomanga-poursuivi-pour-blanchiment-de-capitaux-trafics-de-bois-de-rose/

  15. Fanampiana : Maro dia maro ireo mpitsara no tokony ho gadraina any, fa mpanao kolikoly daholo !

  16. 5 ans après, la situation s’enlise et l’avenir du pays devient de plus en plus sombre !

    Est-elle due à la prolifération de la culture du qat ou du chanvre indien, ou bien à la consommation accrue de boissons alcoolisées comme du temps de l’amiral ?

    Toujours est-il que le pays nage vraiment en plein délire, ou navigue à vue sans GPS ni repères !

    Certes, depuis quelques temps le mot GPS est dans la bouche du simple quidam, mais il est plutôt associé à des phénomènes qui font perdre au pays le sens de l’orientation tel que le nord, qu’à cet instrument devenu indispensable à certains automobilistes !!

    Un petit rappel des faits ; il y a 5 ans et à quelques jours près !

    http://www.madagascar-tribune.com/Mars-2009-fut-un-coup-d-Etat-mais,15303.html

  17. Ô ry KM a! ka ny dadavalonareo mihitsy ane no namporisika hankatoa sy hiara-hiasa @filoha vaovao e! maninona ary tsy Ravalosesitany no omentsiny, fa ny olona foana. Sa andriamanitrareo ka tsy azo tenenina. Nareo Zanakidada ireto de otran’ny secte, zay na inona na inona hadalan’ny GOUROU-ny(Ravalo io) de ny hafa foana no maty henjika. Tsy adala akory izay olom-boafidy sy minisitra mouv Raosy ka hiantehitra @ hazo boboka otran’ny dadanareo. Na iza na iza voatendry ho PM eo, rehefa tsy avy @ mouv Raosy, de milay, porofo izay fa mari-pototra sady légitime ny tolona notarihin’ny filoha Rajoelina nanonganana an-dRainivoanjo, ary noporofoin’ny vahoaka malagasy t@ireny fifidianana filoha sy député ireny, fefa naloham-bahoaka nareo, ary misaotra ny vahoaka malagasy niaritra sy nihafy, tonga @izao fandresena izao, de mila vola sy fotoana ry KM Rahery, ary efa misokatra tsikelikely ny robinet,sady efa nahazo fankatoavana @ CI izy fa aleo handeha de eo mahita azy.
    Ny marina ry KM, hatramin’izao, de nampiasain’olona natao tohatra fiakarana fotsiny nareo a! Tsy fahaizana politika ve? Lany andro manenjika olona ve? Tsy fananana directive mazava ho enti-miady ve? Sa le atidoha manambola be, kanefa tsy mahay raha atsy atsimotsimo atsy ve no tokony ho domina kely fa zay baikony tsy refesi-mandidy, tsy maintsy narahina nampidona @ tolana, de tsy maintsy ekena foana?
    Aza mody fanina woa, fa io tay afeninareo io ihany no fositra manimba anareo, de ny olona foana no mahazo tsiny. Zany ry KM ny fomba fiadin’ny kanosa a! tsy assumer-na ny hadondronana, de manova paika vaovao, fa ny olona foana de ny olona hatrany, hany ka hiampy 5 taona wawawa ndray magro izay azo isaina @ rantsatanana sisa, lay tsy an’asa sy tsy manankatao e! pauvre magroreraka! mampalahelo!!!!!

  18. Ah ah ah !
    Ianareo foza ve no nanongam-panjakàna sy nanimba ny fiaraha-monina, dia Ingahy Ravalomanana np ndeha omeko tsiny ?

    Misy antony matoa izahay tsy nitsahatra nilaza teto fa ny fitiavan-tena sisa no mibaiko ny ati-dohan’ny malagasy, any ka tsy menatra intsony manao ratsy !
    Ny miboridana ara-panahy na ara-batana eny imasom-bahoaka izany, efa tsy maha-menatr’azy intsony !

    Ny mpamadika rehetra ao anatin’ny movansa EFA FANTATRAY DAHOLO, na ireo mpanompo !

    Ny tantara no aoka hitsara ny rehetra ! Ny ankizinay efa tafita ary azo lazaina hoe tsara toerana daholo, nianatra sy nanaraka ny hafatry ny ray aman-dreniny ka nahita an’izay notadiaviny.

    Tsy mitsiririatra an’itony sodiaty voahenjika itony, ary manana ny ampy ary mahavelon-tena tsara !

    Koa raha ny fitiavan-tena no tokony atao filamatra, dia avelao hihinan’ny ampangony ao daholo, fa ny ampamoaka aloha dia tsy maintsy misy !

    Hianjaka eny foana ireo lazaiko hoe foza, ireo tsy mieritreritra afa-tsy ny hanapotika an’io Madagasikara io, NA MISEO AZY HO FOTSY SY ANDRIANA IZY NA INONA SAO DIA LAZAINA FA MANAMBANY MALAGASY ENY AMIN’NY FARITRA IVA INDRAY NY TENAKO !

    MAZAVA AO AMIN’NY LOHA-KELINAREO FOZA VE IZANY SA TSIA ???

  19. Le pays est pourri à tous les étages

    Rajoelina a détruit en cinq ans , beaucoup plus que Ratsiraka en 25 ans

    Ravalomanana avait redressé le pays en deux ans aporès Ratsiraka : on le dégomme !

    Maintenant nous avons un président MAL ELU , sans assise politique personnelle …sauf l’appui de la françafrique toujours soucieux des intêrets post coloniaux (dons appat des ressources malgaches , comme l’Algérie qui s’en est sortie par la guerre !)

    OU VA T ON ???

    Chercher l’erreur…..

    Sur topmada j’évoquais « LA MISE SOUS TUTELLE » de Madagascar par l’ONU , comme la Namibie un temps,
    ==> solution évidemment radicale et gênante pour tout mpitadiseza !
    ==> Et irritante pour les nationalistes sourcilleux…cependant incapables de dégommer Rajoelina pendant 5 ans !

    Cette tutelle( temporaire) pourrait APLANIR TOUTES LES INCOERENCES politiques et institutionnelles ( gouvernants issus de pourriture , justice pourrie, armée pourrie, gendarmerie pourrie ,)
    ==> C.A.D tous les rouages susceptibles de coercition sont pourris au point de FAVORISER L’EMERGENCE CONSTANTE D’une AUTOCRATIE ou d’une DICTATURE .

    LA MISE SOUS TUTELLE TEMPORAIRE PAR L’ONU est une solution radicale préconisée pour un pays ingouvernable et pourri jusqu’aux os par la CORRUPTION , d’autant dangereuse pour la population que les MILITAIRES PUTSCHISTES ont tous été promis SOCIALEMENT ET FINANCIEREMENT par RAJOELINA .

    Rajoelina a vraiment été un FOSSOYEUR de la République : et le suivant n’est qu’une émanation de Rajioelina… ( un loup déguisé en agneau)

    POURQUOI RAJOELINA , UN PUTSCHISTE ( coupable du crime le plus grave dans tout Etat démocratique) NE FAIT IL PAS L’OBJET DE POURSUITE ET DE SANCTION GRAVE ???????????????

  20. Tsy ampahafirin’izay efa nangalarin-drainivoanjo zany ry KM a! zao lery mitsotsotra fotsiny rehefa avy nanao tranfert ny vola tao @ banque centrale Tamatave, à million d’euros any @ paradis fiscal, ary tsy misy dikany aminy ny nividy air force one 60 millions de dollars. Santionany fotsiny ireo an!
    Nareo no te hitofezaka kely ao @ magro ao. Eny mety nahazo tombony manokana araka ny voalaza eto nareo sy ny taranakareo ry KM t@ Raosy, fa porofo mitohaka @tenda, inona no mba nomenlery an’ireo rovitra pataloha niaritra ny mafy nandritra ny 5 taona tao @ magro, tsy omby iray isaky ny anniversaire ve?
    Na hanoratra mandritra ny 5 taona manaraka eto ndray aza nareo, de revirevy sy tora-po ary tahaka ny vavaky Rana midona @ tafo, de rano atondraka an-damosin’ny gisa fotsiny e! Ravalo aza ity no mamporisika anareo, hankato sy hiara-miasa @ filoha vaovao, de nareo mihitsy zany no tsy te hihaino intsony ny gourou nareo. Efa mba dingana lehibe zany ry KM a! efa mba mampiseho @ dadanareo na de tsy mivantana aza, fa tsy zay lazainy akory de ho ekena, zay efa nampijabaka hatr@izay. Mba tohano izy, fa mba efa manaiky resy sy mba efa nihaiky ny helony e! raha tsy misy ambadika politika moa iny, defa dingana lehibe izay, fa ny olona tsy mahatoky olona tsy mena-mivadika toy iny. Tena nitsapa ny herin’ny foza nareo, de izao ny vokany a! hay ve nareo maivana kely tsy arakaraky ny taimbava e! De à 5 taona ndray ry KM a! efa firy taona dadanareo @izany?
    Tokony hadaboka any @izay lery, fa manomana olom-baovao na manomana an’i Tojo mpidaina na i Maika zanaky ny henjana e! Fantatrareo tsara ny tiako lazaina ô!

  21. Tsy dadan’i Kintana iny fa dadanay ry MAPAR hatrany @ Tsinay maintsy a!!
    ahoana hoy dokotera izay?? MAPAR = VENDRANA hatrany @ tsinay mainty zany
    ka MAHONENA ity izy.
    Ny lanitra tsy hianjera no tohanana fa ny vody lanin’ny moka tsy hita, tsy izay hiafarana no jerena fa
    eo no miakapokapoka eto mamahan-dalitra .

  22. Tena Mapar marina ! Inona moa no nambaran’ilay Lanto Rakotomavo ? Ary mahafantatra ny marina rehetra io kala io matoa midrikina mafy tahak’io ; mety ihany aloha ny ataony ê.
    Andian’olona tsy ara-dalàna sy tsy mahay manàja Lalàna ve no avela hitantana antenimieram-pirenena ?
    …..
    « De son côté, Lanto Rakotomavo refait son apparition et persiste sur son doute que le MAPAR soit un groupement politique légal. ELLE SE DEMANDE POURQUOI CETTE ENTITE N’A JAMAIS VOULU REVELER LES PARTIS QUI EN SONT MEMBRES ».
    …..

    http://www.tananews.com/2014/03/jonah-rahetlah-la-nomination-du-pm-ne-concerne-pas-lassemblee-nationale/

  23. Dia mbola manohana an’izay voalazan’itsy ambony koa ireto hoe Association des 5 faritany ireto, na dia tsy tiako loatra ny tarigetrany.

    Ny fanontaniana manitikitik’ahy, dia nahoana ry zareo ao amin’ny Movansa Ravalomanana no tsy nahafantatra na tsy nahita fa tsy ara-dalàna io Mapar io ?

    Nihiniana tsy nojerena ve izany sa fahatahorana, sa dia havendrànana tsotra izao ?

    Natao resaka be ery ny fanafoanana an’ilay nodradraina fa dekre selerà izay nanome fahefàna an’ilay domelina, mba ahazoany manohana an’ireto Mapar ary indrindra ilay fery vao.

    Amin’izao fotoana, toa fifonana, fandoaliana ary fankasitrahana manarapenitra no ataon’ireto izy ! Ilay Roland Ravatomanga moa dia faly ary tena faly hono, satria mba misy TENA prezidà azo antoka sy arahana ary hajaina amin’izay !


    [L’association des 5 faritany de souligner même que  » le Mapar est illégal car son récépissé est en date du 18 septembre 2013, alors que le dernier délai de dépôt des candidatures pour les législatives était fixé au 13 septembre »].

    http://www.midi-madagascar.mg/a-la-une/2014/03/05/mahazoarivo-vers-un-pm-issu-du-triangle-du-nord/

    Ingahy Beriziky ihany ve io, sa olon-kafa mahafantatra an’ireo mpanondrana (manondrana ??) boaderaozy ?

  24. Avelao izy hidadadada eo ê !

    Filoham-pirenena voafidy ary mamim-bahoaka Ingahy Ravalomanana, koa tsy maninona rahatoa ka antsoin-tsika hoe « Dada Ravalomanana » ! Fomba malagasy ihany koa izany !

    Fa misy kosa ireo tsy omeko an’izany marim-pankasitrahana izany mihintsy !

  25. ZAy kou lesy tsy mivaky louha am zany a, fita fa zanak’i Dada lisany na tian lisany zany na tsia e, mazava, rehefa tsy faly de mibotsona fa tsis mihaino, hatrizay ela nidadada to fona kou zao ve we, tsy zanany zay e, hoy a hoy, FILOHAM-PIRENENA VOAFIDY T@ halatra iny Dadan lisany iny ra tian’lisany ho fantatra e, mazava am la, nga tsy fantatr’elahy isany fa tapaka 2h ny jiro tao @ coupole t@ fanisam-bato t@ 2007, vo niverina ny jiro de niakatra be ny vaton’ dadan lisany, rehefa tafapetraka teo t@ halatra lety tsy maintsy mirodana a, mazava, ra ohatra kou i Hery ka halatra natafapetraka azy teo de aza matahotra lisany fa tsy maints mirodana io e, velouma ry KMD, GBD, sns, ZANAK’I DADA MAMPALAHELO , sady ratsy saina a, mpanambany gasy kely vo mba tafapetraka any France any, tsis ilana azy lisany e,

  26. Itony ny sangan’asan’i TGV sy Jao Jean (sam and dave)

    Exploitation sexuelle
    La pauvreté criante en est la source
    mercredi 5 mars 2014

    91% des prostituées dans la capitale ont moins de 18 ans ; c’est le résultat des enquêtes conduites en 2013 par la Plateforme de la société civile pour l’enfance. Le gouvernement malgache, l’Unicef, et cette plateforme pour l’enfance ont célébré à l’hôtel Panorama à Andrainarivo ce mardi 4 mars la journée mondiale de lutte contre l’exploitation sexuelle des enfants. Tous les intervenants lors de cette rencontre -qui a été aussi l’occasion de ratification de la convention internationale à ce sujet-, ont présenté chacun en quelque sorte un résumé de leurs rapports d’activités et tous ont noté qu’à l’origine de ce genre de ce fléau se trouvent, la pauvreté criante, la désagrégation des valeurs sociales malgaches, la déscolarisation et surtout l’indifférence. Un cadre de cette plateforme regrette la profusion de lois et règlementations mais qui ne sont pas appliquées comme il se doit. D’après les enquêtes de cette plateforme, 7,3% des jeunes filles de 13 ans sont dans la prostitution ; 28% des jeunes filles de 15 ans se prostituent ; 6% des jeunes filles de 14 ans ont subi des viols ; 41,40% des jeunes filles de 17 ans ont été abusées sexuellement.
    http://i56.servimg.com/u/f56/17/12/01/17/pedoph11.jpg
    Recueilli par Valis

  27. pays pourri : une solution

    ===> MISE SOUS TUTELLE par l’ONU (comme la Namibie un temps…)

    comme on met sous tutelle les INCAPABLES MAJEURES !!!!!!!!!!!!!!

    INCAPABLES DEPUIS 1960 à l’exception de la seule trop courte période Ravalomanana !

  28. ny marina tsy azo hotakonana : ekena !

    mais qui se charge d’être vecteur de la vérité dans nos villages ???

    surement pas internet

    je pense ç une troupe théatrale ITINERANTE du type « théatre d’odeam Rakoto  » …

    Des centres nationaux des arts de la rue (tels « les ateliers Frappaz  » en rhone , atelier 231 en Seine maritime ou le festival patrade(s) de Nanterre, hauts de Seine financent des artistes satyriques à Ouagadougou (surement vérifiable sur internet)

    Des (vrais) artistes du Burkina Fasso propagent ainsi des shetches expliquant par esemple à la population :

    ==>  » AUJOURD’HUI , mesdames et messieurs , nous allons vous apprendre COMMENT ON FABRIQUE NOS PRESIDENTS , ICI EN AFRIQUE !!!! »

    Dans le cadre simple et hilarant il font de l’opposition efficace de la
    ============================>  » DEMOCRACIRQUE » !!!!!

    Comme Molière critiquait les puissants en soin temps …

    C’est de l’opposition
    dans la critique claire, simple et hilarante pour captiver l’opinion !

    Au lieu de parler de FIHAVANANA HYPOCRITE ET SOPORIFIQUE DE MANIERE MEURTRIERE !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *