VEHIVAVY MOVANSA RAVALOMANANA : AINA SY FITIAVANA NY FANOMEZAN-DRA

IMG_0191

IMG_0208Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay nankalazaina androany  Sabotsy 08 Martsa 2014, ny vehivavy avy amin’ny movansa Ravalomanana. Nosantarina tamin’ny fanomezan-drà teny amin’ny HJRA ny hetsika ny maraina. “Aina sy fitiavana ny fanomezan-drà” io no lohahevitra noraisina nandritra izany. Nifamotoana teny an-toerana avokoa ireo vehivavy movansa Ravalomanana izay notarihin’ny depiote Rasoanoromalala Horace. Nambarany fa fototry ny firenena ny fahasalamana, ary be dia be ny vehivavy tsy manana rà eto amin’ny firenana ka izay no antony nanaovana izao hetsika izao. Rehefa vita izany dia nirodorodo nihazo ny kianjan’ny finoana Magro Behoririka izy ireo nanohy ny hetsika. Filanjana sora-baventy maneho izay fankalazana ny 08 Martsa izay no notanterahin’izy ireo niditra ny kianja. Hirahira  narahina dihy no nanehoan’ireo vehivavy ny hafaliana androany noho izay andro natokana ho azy ireo izay. Tsy dia nisy mpitarika lehilahy nikabary teny an-kianja fa fitenenana fohy dia fohy ho fiarahabana ny vehivavy no nataon’izy ireo tamin’izany. Ny depiote Horace no mpitarika vehivavy nisolo tena ireo andriambavilanitra ireo. Miarahaba ny vehivavy rehetra hoy izy nahatratra izao andro natokana ho antsika izao, ary miarahaba manokana ihany koa an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Ny andron’ny 08 Martsa hoy izy rah any iraisam-pirenena dia natokana ho androntsika. Andron’ny vehivavy mitaky ny zony ve hoy izy sa andron’ny vehivavy manao fety, samy manana ny fandraisany azy isika. Amiko hoy ity olomboafidy tao amin’ny borinborintany fahaenina ity dia isan’andro no iainan’ny vehivavy izany 08 Martsa izany. Fanasongadinana fotsiny hoy izy ity androany ity satria ny vehivavy dia firenena. Adidy mavesatra no mipetraka amintsika. Marina dia marina hoy izy ilay fitenenana hoe raha misy fahendrena azon’ny lehilahy dia misy vehivavy manohana azy aoriana. Misy amin’ny ampahany efa eo am-pelatanantsika izay zo ananantsika ka mila arovana izany. Enga anie hoy ny depiote Horace ny vehivavy rehetra mpandala ny ara-dalàna omen’Andriamanitra fahamarinana hitondrany ny ankohonany ka hampanjary ny firenena ho vanona.

 

27 pensées sur “VEHIVAVY MOVANSA RAVALOMANANA : AINA SY FITIAVANA NY FANOMEZAN-DRA”

  1. Nandresy ve e ?
    Naninona no tsy nantsoina i Rajoelina, hanao DJ ho anareo !? Ny hisambotra azy, aza asiana resaka fa ny fiarahana misaosy ihany no ady eo, raha tsy izany tsy Gasy.

    Mba tadidio izao, ary mba tsaroanareo ve ireo zavatra telo eo ambany ireo ?
    Noravain’ny sasany mba hamporisihana ny Proxenetisme sy Pedophilie amin’ny heo :FITIA
    🙂 Mdr

    http://i56.servimg.com/u/f56/17/12/01/17/fahame10.jpg

  2. Na anome Ra isan’andro aza ianareo,tsy any izao no maharary ny firenena,tsapako hoe tsy tena misy lanjany zao ny zavatra atao ny Mouvance fa ny mirediredy no betsaka tsy mazava ny tanjona.

  3. za kalou dia tsy momba itony « démocracirque » itony èèèèèèè!!!

    Scientifiquement : la cervelle d’un homme = la cervelle d’une femme : BASTA
    comme une cervelle de pygmé = la cervelle d’un viking !

    La question du droit de la femme ne se pose que dans les pays TRES RELIGIEUX comme chez les musulmans ….
    ….ou comme dans les pays très catholiques ( comme l’Europe non protestante)

    Et cela de la simple déduction que :
    1) dans l’éducation protestante on permet la remise en question des faits établis
    2) dans la religion catholique les dogmes font rage(telle la virginité de Marie) …et Sain Augustin notamment avait une haine et mépris féroces à l’égard des femmes (objet de désir et source malsaine de tentation !
    ==> je ne crois pas que les êtres humains soient hermaphrodites …
    3) dans la religion musulmane : la femmes est l’être inférieure à voiler , juste bonne pour la reproduction …
    …on ne s’étonnerait pas que les prostituées soient , à 80% et plus , maghrébines à Genève )
    3) la religion chrétienne et la religion musulmane ont pris racine dans le même moule historique : ils se détestent mais se ressemblent ( la guerre de religion des fondamentalistes musulmans est cousine germaine de l’inquisition du moyen age( avec des talibans catholiques !)

    Alors je ne participe vraiment pas à cette mascarade féministe qui ne concerne que les blancs machos !

    Nous, nous avions eu des reines , la France avait la loi salique pour écarter les femmes du pouvoir !!!!!!

    Rainilaiarivony rétablissait l’équilibre auprès de trois reines successives !!!!!!!!!

  4. Ny mahagaga de izao:

    Iny i voahangy rajaonarimampianina fa nankalaza ny andron’ny vehivavy ary nanao zavatra sy hetsika maro!

    Iny koa i yannick ratsy iraka fa nanao hetsika ho fankalazana ny 08 martsa

    Ary i neny lalao nankaiza ? Tsy hita tabilao na de teo @ magro fotsiny aza!
    Sao de efa ni abandonne politika i neny lalao ?

  5. Izany ny vehivavy fa mahasahy mijoro hatrany fa tsy toy itony lehilahy ramasa–bomanga.
    Raha tsy nisy ireo vehivavy mahery Fo ireo efa ela no rava ny tolona , ary impiry moa no
    efa saiky vehivavy daholo sisy no tonga mitolona eo @ Magro???ireto fatin-dehilahy isan’izany indrindra
    ireto mpitarika vilam-bava isany sy MPISOLELAKA izay tsy sasatra ny mamadika ny tolona FA ireo vehivavy
    ireo dia mbola MIJORO ary TSY MIHEMOTRA na inona antsojay MISY AO.
    MBA MAHALALA menatra ry LAHIM-BOMANGA ISANY a!!
    Dia mantsintsina ity vava fa maimbo daholo ary sy misy mba azo AHATOKISANA.
    MANKASITRAKA ANAREO VEHIVAVY SAHY MIJORO MIARO NY TANINDRAZANA HATR@ FARANY TONPOKO
    ISANY Ô!!!
    Ho tahian’i Tompo e!!!

  6. Ary arahana asa na dia tsy misy mamantsy ara-bola aza ireo.
    Sady ny lehilahy TIA TENA , tsy mahalala ny hafy afa tsy ny tenany.
    Ny @ ankapobeany io an!zavatra hita matetika izany.
    Dia mba manaova hoe mba ho tazamina raha mba mahavita izao hataon’ny vehivavy izao.
    Ny sasany aza angamba vao mahita ilay fanjaitra dia efa mijafajafa tsy mahazaka lamba.

  7. SSSSShhhhhhhhhhhhhhh !!!

    Mba mahaiza mijery ny tokony ho jerena, fa tsy miorirana sy sodoka amin’ilay izy, rehefa mijery fitaratra ô !

  8. Misaotra ny Vehivavy Mouvance Ravalomanana tamin’ny fanomezana rà ho an’ny Malagasy. Tena zava-dehibe tokoa izao nataonareo izao. Tsy mbola tratran’ny loza tsy ampoizina angamba ilay olona miteniteny foana mikasika izao asa sarobidy nataonareo izao. Misaotra betsaka !

  9. je ne pourrais pas vérifier que mon sang profite ou non à un foza qui a les moyens de se faire soigner à la Réunion ou à l’ile Maurice : et cela me barbe un peu…

    Néanmoins ,
    merci aux dames de la mouvance d’avoir pensé à ce geste symbolique généreux…

  10. Tsy fantatro rahatoa na iza na iza no tena tianao ho resahina eto, fa tiako mba ho fantatry ny rehetra ihany koa ny hevitro !!

    Tsy misy dikany ry zavamisy izany fanomezan-drà izany, rahatoa ka ekena sy lazaina fa lahatra avy amin’Andriamanitra isan’andro izao, ny loza sy ny aretina mahazo ny vahoaka â !

    Loza sy aretina tiako ho lazaina ? Ny vokatry ny fanonganam-panjakàna mianjady amin’ny vahoaka !

    Ny fanomezan-drà dia toy ny fanarahan-dalàna, atao isan’andro arak’izay azo atao ! Izany akory tsy midika fa tokony hanome rà isan’andro !

    Ilay sinema, tena tsy laitra !

    Il vaut mieux prévenir que guérir, et cela vaut pour la gestion de ce pays !!!!

  11. km

    isan’andro = lasa anémié !

    nous parlions sur ce site , un temps , de concert de casseroles pour manifester contre les fozas….

    na dia izany aza dis tsy mipokà ! mora mora foana ny mahazatra éééééééééééé!

  12. Saro-pady izany Ra izany ry zava-misy a!Rehefa tsy voavonjy t@ Ran’i Jesosy kristy tsy voavonjy tsony mbola ho fantatrao ny marina ary ny marina no anafaka anareo tsy ho andevo.

  13. Jereo ny sary vao mamaky ny voasoratra etsy sy eroa !
    http://i56.servimg.com/u/f56/17/12/01/17/very_h10.jpg

    …/…« Je prône la réconciliation des Malgaches avec le Christ ».
    C’est auprès de Tsaratsara, l’ex-Dahalo repenti et devenu « prophète » que le fils du Pasteur Richard Andriamanjato a choisi d’effectuer son retour politique après s’être noyé dans la nébuleuse CST pendant deux ans.
    La situation semble « urgente et grave » pour le « super-ministre » qui a survécu sous deux Présidents et pas moins de cinq premiers ministres, et le mot n’est pas faible car, en 2002, il a réellement échappé à la mort après une tentative d’empoisonnement. Cet ancien de l’Union soviétique, malgré ses airs de bon fils de famille toujours tiré à quatre épingles, ne fait pourtant pas dans la dentelle quand il juge le moment opportun. « Il y a un temps pour se taire, un autre pour parler », aime-t-il à répéter. Ce fut le cas lors de sa démission tonitruante du gouvernement de transition en février 2010 où il s’est prononcé contre la tenue de législatives « unilatérales » ou encore quand il a décidé de se présenter à la présidentielle contre Marc Ravalomanana, en 2006.
    La décision a fait polémique vu qu’il est parmi les « hommes du président » Andry Rajoelina qu’il accompagne depuis la mairie d’Antananarivo, en 2008, jusqu’à Ambohitsirohitra en passant par le « 13 mai ».
    Selon ses dires, ce serait d’ailleurs sous sa recommandation que le chef de la Transition et sa famille ont passé leur dernière vacances de fin d’année en Israël, lui-même ayant effectué un séjour dans la « terre promise » au mois de septembre 2012.
    D’après des confidences, ce serait également lui qui aurait introduit le « prophète » à Iavoloha et qui aurait permis une rencontre avec le président de la Transition pendant les récentes cérémonies de vœux.
    Dans tous les cas, le discours des deux personnalités ressemble comme deux gouttes d’eau à leur retour de Jérusalem et parle de la « nécessité de repentance du pays si l’on veut que Madagascar se développe une grande puissance comme d’autres pays »…/…

  14. http://www.lanation.mg/article.php?id=9949
    Very Hasina !
    Lany olomanga mihitsy ve ity Madagasikara ity no dia ireo halam-bahoaka hatrany no voatendry hitàna andraikitra ambony eto amin’ny firenena ? Notendrena ho PDS-n’Antananarivo renivohitra indray koa mantsy ny ministry ny Fifandraisan-davitra nandritra iny fitondrana Tetezamita iny. Efa kandidà ben’ny tanàna zara raha nahazo vato teto anefa izany Ny Hasina Andriamanjato izany ary efa kandidà filoham-pirenena ihany koa ny taona 2006, saingy zara raha nahazo 4,18%. Dia nahoana no olona halam-bahoaka tahaka izany hatrany no terena hifehy ny vahoaka?

    “De aôna ndray ry Jeannot ( :)) ‘ty PD…S vaovao ‘ty a?
    Very hasina mitsy nama le Antananarivo, olona halam-bahoaka tahaka ireny ve no terena hifehy ny bandy eto amin’ny tanàna le! De tsy naita olona afatsy Ny Hasina Andriamanjato mitsy ve le fitondrana? Tsy mahalala menatra mitsy ve?”. “Ataona aôna letsy, ny ho ben’ny tanànan’Antananarivo no mba faniriany hatram‘zay koa rehefa tsy holanim-bahoaka amin’zany toerana ‘zany ihany dia aleo mba PDS e!
    Iza mo hoy ialahy ry Zistà no ndeha hifidy an’zany Ny Hasina Andriamanjato ‘zany ho meran’Antananarivo na haniry ravina aza ny fanoto? Ny halam-bahoaka ‘ndrindra nge ry Zistà no tsy mahalala menatra miravaka ny voninahitra tsy mendrika ho azy e!”
    Isan’ireo mpanao politika nandray anjara mivantana tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ity PDS vaovao ity na dia tsy isan’ireo tafiditra tao anatin’ilay lisitra 109 noho ny fahetseny.
    Raha tadidintsika tsara mantsy ny tantara dia nametra-pialàna mialohan’ny hivoahan’ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikana ny PDS Ny Hasina Andriamanjato. Izany hoe, manary ao anatin’ny sarotra ary fomba amam-panaony, diso nahafantarana azy hatramin’izay izany.


  15. Mitohy ny fanolorana ireo HALAM-BAHOAKA r’ing Randrianiaina a ! Mahay ianareo ka : mba mijery sy manaraka ny hetahetam-bahoaka.

    – RAZANAMAHASOA ve TSY mba NANOME RA ?
    Ary ny Halam-bahoaka vaovao :

    Mamy Ravatomanga
    Ny Hasina Andriamanjato
    Ny Jeneraly : SGP n’i Hery /MPIARA-NIASA T@ I RISARA BAOMBA

    Efa ho avy Rajoelina : ho Konsaie spesialin’i HR.
    Omer mitohy ho PM, mba hitohy ny HAT.
    Mahay ianareo oa !

    Efa misy nilaza fa « Nandresy » moa ka izay tonga eo dia ho ekena na tsy lanim-bahoaka aza e ! Rtoa Ra8 aza toa irian’ny sasany ho meran’Antananarivo à 69% (chiffre bizarre !) 🙁

  16. Ho any Etazonia sy Washington sy Bruxelles izany i HR ?
    Amin’izay ny babakoto dia hihevitra fa hiova làlana hiroana any @ Etazonia ny gasy , nefa ny frantsay no foto-dia any ! Mahay oa !!!

  17. Ny « ADIDY  » tokony mba hezahin’ny VEHIVAVY eo amin’ity Firenena Malagasy ity .

    Firy amintsika manoratra eto no VONONA hirotsaka

    HANAO FANOMEZANA BARIKA KELY toy itony any Madagasikara ???

    Ary iza no mba mafaka mampiapita any amin’ny Tompon’andraikitra hanasoa ny RANO FISOTRO

    Mba hisy valiny ve izao fanontaniana ???
    Mora ny mitsikera, fa hanao ahoana ny HANDRAY ANDRAIKITRA ?
    -mARIHINA FA 0.01 CENTIMES d’euro ny 1 litatra.
    -marihina ihany koa fa misy video maromaro izay mety ho jerenao ato

  18. Njara a!
    Na dia ekeko aza hoe:filoha ny repobilika Malagasy aza i Hery tsy midika kosa izany hoe:izay fanapahan-kevitra raisiny dia mety amiko daholo.Raha ny hevitro dia tsy mila an’ing Ny Hasina ho PDS ny tenako ary ny tenako koa ary mba mametraka fanontaniana hoe:tsy misy olon-kafa mitsy ve eto Iarivo hafa-tsy ireo mpanongam-panjakana e!???

  19. dans un pays démocratique :
    ==> lorsque le poste de MAIRE ELU est vacant , l’intérim est assuré par un agent de l’ETAT : le PREFET jusqu’au résultat d’élection du maire DANS LES PLUS BREFS DELAIS .
    ==> du fait qu’un maire assure des fonctions étatiques DELEGUEES PAR LA CONSTITUTION

    La fonction de PDS résulte d’une NOMINATION POLITIQUE par définition NON DEMOCRATIQUE…
    ==> la généralisation de ce régime de PDS à Madagascar cristallise clairement la MANIPULATION DIRECTE d’un pouvoir autocratique, despotique ou dictatorial
    ==> c’est un critère pur et dur de la REPUBLIQUE BANANIERE
    ==> de même je n’approuve pas Ravalomanana sur ce point : il avait en premier installé le système à Tana

    Vous avez compris :
    * mon premier souci est de DEGOMMER TOUTE FORME DE REPUBLIQUEZ BANANIERE , de surcroit sous influence françafricaine
    * Mon deuxième souci est que le peuple vive un de ces jours dans une république
    démocratique
    * ma certitude étant le refus du « LAISSEZ NOUS GOUVERNER ET RESTEZ PAUVRES !!! »
    adage de tous gouvernzants successsifs à Madagascar

    Guizot disait au moins  » Enrichissez vous et laissez nous gouverner  »

    Une opposition qui ne met pas en cause la FONCTION MEME de PDS est un OVNI démocratique !!!!

  20. Gbd
    raha ny tokony ho izy dia fonctionnaire no ho PDS,fa mikajy ny anao zavatra mafy izy ireo ny @mety ilatsahan’i Neny ho maire,fatahorana mafy io,fa mety hiverina @dada ny capitale @io fifidianana maire io

  21. Nomination d’un PM avant son départ ??
    Le prezy vao va quitter le pays pour aller « quémander » d’après les dires de certains, financements et autre reconnaissance !
    Ce qui est sûr mais caché, c’est que le nouveau président se trouve dans l’obligation de plaider sa TRÈS MAUVAISE GESTION D’AIR MAD. Il va devoir étaler en public toutes les saletés qu’il avait toujours et jusqu’ici dissimulées sous le tapis…rouge, à Ivato.
    Et….les luxembourgeois l’attendent également, de pieds fermes.
    N’est pas expert-comptable qui veut ???

  22. randrianiaina

    je voulais mettre l’accent sur la notion de « CONTINUITE DE L’ETAT » lorsque le poste de maire est vacant pour une raison DEMOCRATIQUE , telle démissionb ou décès !

    Le préfet (fonctionnaire d’Etat assurant l’intérim) a la RESPONSABILITE et l’obligation d’organioer au plus tôt les élections légalement .

    Cette situation NE DOIT PAS ETRE ASSUREE PAR UN SUPPOT DES GOUVERNANTS EN PLACE !!!!!

    Le PDS est une création pur jus d’une république bananière ………

    Dans une démocratie Andriamanjato n’a rien à faire ici !!!!!!!!!!!!
    Cela s’apelle MAGOUILLE DE FOZA !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *